TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 06 aogositra 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 06 aogositra 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fifanakalozana ara-minisiterialy Singapour - Afrika (SAMEV) ny 26 hatramin’ny 28 aogositra 2025 any Singapour. Tanjon'ity fihaonana ity ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fifampiresahana amin'ireo firenena afrikanina subsaharienne sy i Singapour. Lohahevitr'ity andiany faha-dimy ity ny hoe "Miroso miaraka ho an'ny fandrosoana lovain-jafy". Ho resahana mandritra izao fihaonana izao ireo seha-piaraha-miasa ho an'ny fandrosoana lovain-jafy, ny haitao ara-kajy mirindra, ny fampandrosoana ny mahaolona sy ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro. Ity fihaonana ity dia mifanindran-dalana ihany koa amin’ny andiany faha-valo amin'ny "Forum des affaires Afrique - Singapour"

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hamindrana ny fikirakirana ireo antontan-taratasin'ireo olona voakasiky ny tetikasa Rocade Iarivo amin'ny alalan'ny didim-panjakana 2022-1311

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo masontsivana amin'ny fahazoana vatsim-pianarana sy fitantanana ny tahirim-bola ao anatin'ny fandaharan'asa «East African Girls Empowerment and Resilience» (EAGER) izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena. 

    Tanjon'ity fandaharan'asa ity ny fanamafisana ny fanabeazana, ny fizakan-tena ary ny fahafahan'ireo ankizy vavy sy vehivavy miharin-doha. Tafiditra ao anatin'izany fandaharan'asa izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an'ireo ankizy vavy eo anivon’ireo Faritra marefo. Anisan'ireo mason-tsivana mba hahafahana misitraka izany vatsim-pianarana izany ny fianarana eo anivona CEG ao anatin'ireo faritra 16 miara miasa amin'ny tetikasa amin'ny kilasy T6, T7 na T8. Ho an'ireo namerina kilasy (redoublante) dia tsy maintsy mandray anjara amin'ireo fanadinana isaky ny roa volana izy ireo izay hamarinin'ny bulletin de note. Foana avy hatrany ity vatsim-pianarana ity ho an'ireo izay miala an-daharana sy ireo tsy mandray anjara amin'ny fanadinana.

    Nanome fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy arahina akaiky ny fizarana izao vatsim-pianarana izao mba ireo tena mpisitraka marina no mandray izany. Tsy maintsy hisy ihany koa fitsirihana tampoka ary hampanarahina ny haitao ara-kajy mirindra daholo ireo.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanjifana ireo fitaovam pianarana (kahie) natao ho an'ireo sekolim-panjakana manerana Nosy. Mpianatra kilasy T1 hatramin’ny T5 maherin’ny 1 tapitrisa no hisitraka izany amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanaovana ireo asa fikojakojana sy fanajariana ireo lalana eto Antananarivo sy ny manodidina, vatsian'ny Tahirim bola ho an'ny lalana. Tafiditra ao anatin'izany ny lalana:

    - Rond Point Ambohimangakely - Rond Point Rocade Rond Point Shell Ankadievo - Rond Point lavoloha (RN60);

    - Rond Point Rocade - JOVENA DOUBLE;

    - Ambohijatovo - Ambatonakanga - Andohalo-Rova;

    - Ny Maraina Anosy makany Mahamasina sy manodidina ny Palais des Sports

    - Ny Maraina Anosy makany Rasseta;  

    - Mahazoarivo - Androndra makany EUREKA; 

    - Rond Point Anosizato Rond Point Ampasika DIGUE - Andranomena- lvato;

    -  Rond Point Anosy Soanierana Rond Point Ankadimbahoaka Rond Point Ankadievo Croisement Ankatso sy lalana Mausolée;

    - Building Ramaroson - Behoririka - Antanimena - Rasalama;

    - Tsimbazaza - Anjahana - Manakambahiny; 

    - Bretelle RNS1- Ratsimamanga makany Itaosy 

    - Ampatsakana;

    - Jesosy Mamonjy - Radisson makany Andravoahangy Ambodivona;

    - Accotement BYPASS

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitsidihan'ny filohan'ny Banky Arabo ho an'ny Fampandrosoana ara-toekarena an'i Afrika (BADEA), Andriamatoa Abdullah KH ALMUSAIBEEH. Anisan'ireo handray anjara amin'ny andiany faha-45 ny fihaonana an-tampon'ny SADC ity filohan'ny BADEA ity sady mifanindran-dalana amin’ny fitsidihana ofisialy izay tanterahiny eto Madagasikara ny 15 hatramin’ny 18 aogositra 2025. Hisy ny fivoriana ara-teknika hiarahany amin'ireo minisitera sy departemanta voakasik'ireo tetikasa vatsian'ny BADEA. Hanatanteraka fitsidihana ny firosoan'ny asa fanamboarana ny lalana RN5 mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy Vahibe ihany koa ny tenany mandritra ny fandalovany eto Madagasikara izao. 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny asa fanamboarana ny lalana Ambohimahitsy - Ambohibe Ilafy, Faritra Analamanga vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana. Mirefy 2,4km ny lalana hajariana manomboka eo amin’ny tetezana Ambohimahitsy hatrany amin’ny fokontany Ambohibe sy Soamanandrariny. Hisy ihany koa ny asa fanitarana 5,5m izany lalana izany.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hamerenana ny "Autorité Centrale de l'adoption malagasy" hanolo ny "Direction de l’adoption Malagasy" ankehitriny. Ny tanjona dia ny hametrahana rafitra sy fomba fiasa manaraka lamina mazava ho fiarovana ny zon'ireo ankizy. 

    MINISITERAN'NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny asa fampidirana rano fisotro madio ho an'ny tanànan'i Maroantsetra, Faritra Ambatosoa.

    Asa ho tanterahina ny fametrahana "forage à haut débit (15m³ isan'ora), "unité de traitement d'eau", fitahirizan-drano 100m³, fantson-drano 3km ary fantsona fitsinjarana rano 1km miaraka amin’ny "bornes fontaines" miisa 10.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny lalao Tompon-daka eran-tany sokajy zandriny taranja lomano ho tanterahina any Otopeni, Roumanie, ny 18 hatramin’ny 25 aogositra 2025.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny CHAN taranja Volley-ball U16 vehivavy tanterahina any Tunisie, ny 22 hatramin’ny 31 aogositra 2025.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fitaterana ireo BAREA A' handray anjara amin'ny CHAN tanterahina ny 02 hatramin’ny 30 aogositra 2025 any Kenya, Ouganda ary Tanzanie

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fanajariana sy fanamboarana ny zomba anitrihana ny Kabeson'i Ampanjaka Toera sy ny karandohan'ireo mpianady sakalava roa izay naverin'i Frantsa. 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanombohana ireo andrana ara-teknika ny fahitalavitra TVM 2 izay tafiditra ao anatin'ny fanavaozana ny haino aman-jerim-panjakana eto Madagasikara. Efa manomboka ireo andrana tekinika ho an'ny TVM 2 izay natokana indrindra amin'ny fandefasana vaovao. Dingana lehibe ho an'ny serasera sy ny haino aman-jerim panjakana izao fanavaozana entina izao indrindra eo amin’ny fizarana ny vaovao tena marina omena ny vahoaka malagasy sy ho fanatanterahana ny ezaka amin'ny fanatsarana hatrany ny tolotra omen'ny haino aman-jerim-panjakana mba hanaraka ny vaninandro ankehitriny.

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ireo mpianatra zandary miisa 500 ho an'ny taona 2025.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanolorana ireo asa fanamboarana sy fanokafana ny fitaterana an-tariby, zotra volomboasary Anosy - Ambatobe. 

    Efa an-dalam-pamaranana ny asa fanamboarana ny fitaterana an-tariby Anosy - Ambatobe. Efa ao anatin'ny andrana tekinika izany ankehitriny, ary hisokatra amin’ny ampahany mandritra ny fihaonana an-tampon'ny SADC sy ny roa hatramin’ny efa bolana manaraka mialohan'ny hisokafany tanteraka ho an'ny daholobe.

    Ankoatra izay dia nanazava ihany koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny toeram ponenana sy ny tanàna vaovao fa hanatanteraka ny hetsika «BAZAR DE LA SADC» izay ho tanterahina ny 14/15/16/17/18 Aogositra 2025 ao amin’ny Centre d’Exposition Internationale eny amin’ny Lac Iarivo. Ity hetsika ity dia natao mba ahafahan’ny vahoaka rehetra mandray anjara amin’ity fihaonana an-tampon’ny SADC ity ary tafiditra ao anatin’izany ny lafiny kolontsaina sy ny asa tanana. Hifandrimbona amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny asa tanana, ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo. Ho hita madritra ity «BAZAR DE LA SADC» ity ireo tranoheva izay tena mampiavaka an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra samihafa toy ny kolontsaina, ny sakafo, sns…

    Handray anjara ihany koa ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC ifampizara ny kolontsain'izy ireo. Misokatra ho afaka tsidihan'ny daholobe izany hetsika izany. Maro ihany koa, ankoatra izay, ireo hetsika manerana an'Antananarivo izay hanamarihana ny fandraisantsika izany fihaonana an-tampon'ny SADC izany.

  • II. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manaiky ny tahirim-bola fandraisana anjara mitentina 8 tapitrisa dolara avy amin'ny QIT Madagascar Minerals S.A (QMM / Rio Tinto Group) ho fanamboarana ny lalam pirenena faha-13.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO 

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny fandaminana, ny andraikitra sy ny fampandehanana ny "Autorité de Régulation de l’Electricité " (ARELEC)

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-962 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade SAMSE ASSIMO Andriamialy, ho "Directeur Central du Commissariat des Armées de l’Etat-Major des Armées."

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-059 tamin'ny 22 janoary 2025 ary manendry an'Andriamatoa RALAIMAZAVA Barnabé Ghislain, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Analanjirofo 

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAOBELLE Evah Norotiana Andriamiakatsoa, ho "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Santé Mentale Anjanamasina"

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-026 tamin'ny 15 janoary 2025 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARIMANANA José Victor, ho "Coordonnateur Général des Projets et Partenariats" (CGPP)

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1404 tamin'ny 05 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMALALA Lantoniaina Fanny, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Analamanga.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1259 tamin'ny 31 aogositra 2022 ary manendry an'Andriamatoa TIANDRAZANA Fortinant Issouf, ho Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany Boeny.
  • IV. FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-379 tamin'ny 28 febroary 2024 nanendry ny "Directeur de la Comptabilité Publique"

    MINISITERAN'NY FIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-402 tamin'ny 12 avrily 2023 nanendry ny "Directeur des Bourses Nationales et Extérieures".

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-433 tamin'ny 28 febroary 2024 nanendry ny Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa Fitovinany

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1430 tamin'ny 15 desambra 2021 nanendry ny Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Alaotra Mangoro

    MINISITERAN'NY ASA TANANA SY NY FIZAHANTANY

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-526 tamin'ny 06 marsa 2024 nanendry ny Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Atsimo Andrefana

  

Natao ny  06 aogositra 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika