TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 30 jolay 2025

 

Notanterahina androany Alarobia 30 jolay 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

Teo am-piandohan’ny Filankevitry ny Ministra dia nanao teny fampidirana ny Filohan’ny Repoblika nanamafy fa manana adidy lehibe amin’ny vahoaka Malagasy ny mpitondra ary anisan’izany ny ministra izay mandrafitra ny Governemanta.

Nampahatsiahy mazava ny Filohan’ny Repoblika fa tsy hanaiky mihitsy izy ny hanaovana sorona ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra izay raisin’ny tomponandraikitra. Miantso fiheverana lalina sy fepetra hentitra amin’ny famoahana fanapahan-kevitra izy, indrindra ireo mety hanimba ny tombontsoam pirenena na hampihetry ny fiandrianam-pirenena. Ny fahendrena sy ny fitsinjovana ny soa iombonana no tokony hanjaka amin’ny fandraisana andraikitra.

Tsy tokony hisy firaisan-kina amin’ny tsy fahamarinana hoy izy.

Nanamafy ny Praiminisitra fa ilaina ny fahitsiana sy ny fahaiza-miatrika andraikitra amin’ny fitantanana. Notsiahiviny fa nanao sonia fe-pitondrantena avokoa ny minisitra rehetra, ka tsy tokony hanetsika na hampiditra an’i Madagasikara amin’ny zava manahirana na amin’ny sehatra anatiny na amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Tokony samy ho tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny fanapahan-kevitra izay raisina, satria nomena andraikitra tamin’ny alalan’ny fitokisan’ny Filohan’ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’anjaran'i Madagasikara amin'ny andiany faha-sivy amin'ny fivoriambe iraisam-pirenen'i Tokyo momba ny fampandrosoana an’i Afrika (TICAD9) any Yokohama, ny 20 hatramin’ny 22 aogositra 2025.

    Lohahevitr'izany fivoriambe izany ny hoe "Miaraka mitady vahaolana mitondra fanavaozana miaraka amin'i Afrika". Handray anjara amin'izany ireo mpitondra fanjakana sy governemanta avy amin’ireo firenena afrikana, ireo Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny solontenan’ny governemanta japoney, ireo mpiara miombon'antoka iraisam-pirenena, fikambanana isam-paritra ary solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina.

    Tanjon'ity TICAD9 ity ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Japon sy ny firenena afrikana, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo laharam-pahamehana telo lehibe dia ny fandriampahalemana sy filaminana, ny toekarena, ary ny fiaraha monina. 

    Zava-dehibe manokana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ity hetsika ity satria hanamafy orina ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’i Japon, ary hanampy ihany koa amin’ny fametrahana an’i Madagasikara ho mpiara-miombon’antoka matotra amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Afrika.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ireo fifanarahana eo anivon’ny SADC misokatra amin’ny fanaovan-tsonia, ny fankatoavana sy ny fidiran'i Madagasikara.

    Hitantana ny SADC ny firenena malagasy manomboka amin'ny fihaonana an-tampony faha 45 tanterahina amin'ny volana aogositra, ary takiana amin’i Madagasikara ny ho ohatra amin’ny fanaovan-tsonia sy fankatoavana ireo fifanarahana eo anivon’ny SADC. Efa misy ireo fifanarahana nanehoan'i Madagasikara ny fahavononany toy ny fifanarahana manova ny fifaneken'ny SADC amin'ny fametrahana ny parlemantan'ny SADC; ny fifanarahana eo amin'ireo firenena mikambana eo anivon’ny SADC momba ny fananganana ny "Centre pour les Energies Renouvelables et l'Efficacité Energétique de la SADC" (SACREEE), ny fifanarahana momba ny fampananan'asa sy ny asa ary ny fifanarahana momba ny indostria. Misy ihany koa ireo tolo-kevitra avy amin'ny SADC toy ny fifanarahana momba ny fampandehanana ny Tahirim-bola momba ny fampandrosoana ny faritra (Fonds de Développement régional).

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny "semaine de haut niveau" ny andiany faha-80 ny fivoriambe ara-potoanan'ny Firenena Mikambana ny 23 hatramin’ny 27 sy 29 septambra 2025 any New York.

    Lohahevitra izany fivoriambe izany ny hoe "Miaraka ho amin’ny tsara kokoa: 80 taona mahery ho an’ny fandriampahalemana, ny fampandrosoana ary ny zon’olombelona» izay ialohavan'ny fanamarihana ny faha 80 taonan'ny Firenena Mikambana ny 22 septambra 2025. Manana anjara fitenena mandritra ireo adihevitra ankapobeny i Madagasikara, izay sady filoha lefitry ny fivoriambe andiany faha 79 ny Firenena Mikambana.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny firosoan'ny asa fanomanana ny andiany faha 45 ny fihaonana an tampon'ny SADC tanterahina ny 03 hatramin’ny amin'ny 18 aogositra 2025, ao Antananarivo.

    Am-perinasa tanteraka ny komity mpikarakara amin'ny fandraisana sy fahatomombanana izany fihaonana lehibe izany. Mivondrona ao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny ivon-toerana mandrindra ny fanomanana rehetra (CCO). Efa mipetraka ihany koa ireo lamina handraisana ireo delegasiona isan-tsokajiny manomboka eny amin’ny seranam-piaramanidina hatrany amin’ny toeram-pivoriana eny amin’ny CCI Ivato.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny didim-panjakana manova ny didim-panjakana laharana faha 2025-165 tamin'ny 18 febroary 2025 mamaritra ireo fomba fampiharana ny «ordonnance» laharana faha 62-023 tamin'ny 19 septambra 1962 momba ny fanesorana ny fizaka-manana ho an'ny tombontsoa iombonana, ny fahazoana amin'ny alalan'ny raharaham piavanana ireo tany ilain’ny fanjakana na ireo vondrom-bahoaka (collectivités publiques secondaires) sy ireo tombom-barotra amin'ny fananan-tany.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampiharana ireo fifanarahana famatsiam-bola miaraka amin'ireo mpiara miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

    Dingana maromaro no mila arahina amin'ny fampiharana ireo fifanarahana famatsiam bola amin'ireo mpiara-miombon’antoka manomboka amin'ny fanolorana ny lalàna eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sy Filankevitry ny Minisitra hatrany amin’ny fandaniana izany anivon'ireo parlemanta. Misy ny fanatsarana ny fomba fiasa eo amin'ireo sampan-draharaha sy ireo andrimpanjakana voakasika mba hanafaingana ny fanatanterahana asa fampandrosoana votoatin'ireo fifanarahana ary manaja ny didy aman-dalàna eto amin'ny firenena.

     

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny famindrana ampahan-tany mirefy eo amin’ny 5Ha mitondra ny anarana "La Roubaisienne" TN° 1856-P ao Antsirabe ho an'ny Fanjakana Malagasy, ary afindra ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Io tany io no nanangana ny hopitaly ho an'ny reny sy ny zaza izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fondation Mohamed VI.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny Fandaharan'asa fampandrosoana ara-toekarena sy ara-sosialy (PDES) vatsian'ny JICA. Nanome fanampiana ny Fitondram-panjakana malagasy ny governemanta japoney hamatsy ny tetikasa fanatsarana herinaratra ao Toamasina. Tafiditra ao anatin'izany tetikasa izany ny fanamboarana "sous-stations moyenne tension" miisa roa ao Bazary Be sy ao Tanambao Verrerie, ny fananganana zotra hitatitra herinaratra mirefy 30km mampitohy ny «sous-station» ao Bazary be, Tanambao Verrerie sy Antsarimasina. Eo ihany koa ny fanajariana ireo zotra efa tranainy sy ny fampisitrahana ireo fitaovana fampidirana herinaratra ho an'ireo mpanjifa vaovao. 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fomba fandraiketana ny tsenam baro-panjakana (Appel d'Offres Restreint) sy ny lisitr'ireo mpisahan'asa amin'ny fanatanterahana asa fanamboarana ny tobim-pamokarana herinaratra 100MW miaraka amin’ny vatoaratra (batterie) 200MW eo Tsarasaotra Ivato - Lac Iarivo.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny vola mila aloha hanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa fanamboarana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro dingana voalohany 20MW eo amin’ny velaran-tany mirefy 20Ha.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanohizana ireo dingana sy fandoavana ny fanonerana ny fanesorana ny fizaka manana ho an'ireo olona voakasiky ny tetikasa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina (fampifandraisana an'i Tsarasaotra - Toamasina : kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy (PK0+000) amin'ny Kaominina ambanivohitra Anosiarivo (PK3+500).

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanombohana ny tetikasa MROR (Marché Routier à Obligation de Résultat) vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena. 

    Ity tetikasa ity dia natao hikojakojana ireo lalana vao namboarina sy nohajariana ary mamaly ny filàn’ireo mpampiasa izany. Haharitra telo taona ny tetikasa ary voakasik'izany:

    _ RNS 9 : Toliara-Analamisampy (109km);

    _ RNS 44: Moramanga-Amboasary (60km);

    _ RNS 43: Soavinandriana-Faratsiho (51.6km);

    _ RNS 43: Faratsiho-Sambaina (43.8km);

    _ RNS 65: Rocade d'larivo sy lalana iditra an-drenivohitra (13km);

  • II. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara ny fifidianana sy ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny "Commission Malagasy de l'Informatique et des Libertés" (CMIL)

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana laharana faha 2023-189 tamin'ny 03 marsa 2023 manendry ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevim pitantanana ny Manam-pahefana mpandrindra ny fifampiraharaham-barotra ifanaovana amin'ny fanjakana.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-979 tamin'ny 17 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAMONJISOA Jean Marc, ho Lehiben'ny Distrikan'Antsiranana II.

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1173 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RASOLONJATOVO Rajohary Auguste, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananan'asa sy ny asam panjakana Atsimo Andrefana 
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-401 tamin'ny 12 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMATRADRAIBE, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananan'asa sy ny asam panjakana Amoron’i Mania.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMAMORY Onjanirina Mickaël, ho Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany Amoron’i Mania.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa KEVIN DERIS ho Talen’ny Televiziona Malagasy eo anivon’ny ofisin'ny haino aman-jery malagasy.

  

Natao ny  30 Jolay 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika