TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 16 jolay 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 16 jolay 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny filatsahan'i Madagasikara handray ny "hub" ny rafitry ny firenena mikambana ao amin’ny Ranomasimbe Indianina.

    Tao aorian’ny "Sommet de l’Avenir 2024" sy anatin’ny lalan-tsaina mifehy ny faha-80 taona niorenan’ny Firenena Mikambana dia miroso izy ireo ankehitriny amin’ny fanamafisana ny fitoerany aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana amin’ny alalan’ny fametrahana ivo-pitsinjarana - Hub - ho an’ireo birao sy tetikasa samihafa mandrafitra ny Firenena Mikambana. Mahafeno tanteraka ireo fepetra takiana hahafahana mampiantrano izany ivo-pitsinjarana izany i Madagasikara. Isika rahateo efa mampiantrano Biraon’ny Firenena Mikambana izay hahitana sampan-draharaha miisa 15 ao amin’ny "Maison communes des Nations Unies", Galaxy Andraharo. Ary efa miara miasa amina sampan-draharaha miisa 24.

    Ho fanamafisana ny fahamarinan-toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra ara diplomatika no hirosoantsika amin’ny fanehoana fahavononantsika handray ny Firenena mikambana izao. Rehefa manana toerana mafonja eto amintsika ny Firenena mikambana dia maro kokoa ny asa miforona, sy indrindra ny fandaharan'asa fanampiana ny firenena. Marihina fa ny Hotelim-panjakana eny Ivato no vinavinaina hanatanterahana izany.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny famindrana ny tany mitondra ny anarana « HARENASOA » TN°1479-CB, fokontany Anosikely Atsimo, Kaominina Renivohitra Maevatanana, Faritra Betsiboka, ho an'ny minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho ampiasain'ny sampandraharaham-paritry ny tetibola Betsiboka.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanohanana avy amin'ny African Legal Support Facility (ALSF) ho an'ireo asa fanamafisana ireo fahaizana eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fotodrafitrasa sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana (PPP). Hisitraka izany ireo tekinisianina eo anivon’ireo andrimpanjakana misehatra amin’ny fampandrosoana ireo tetikasa momba ny famokarana angovo sy ireo tetikasa momba ireo fotodrafitrasa sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Tafiditra ao anatin'izany fanohanana avy amin'ny ALSF izany ny fandalinana ireo didy aman-dalàna sy ny fampiofanana momba ny fifampiraharahana, ny fandrafetana sy ny fitantanana ireo fifanarahana momba ny herinaratra sy ireo fifanarahana momba ireo tetikasa fananganana fotodrafitrasa PPP.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fametrahan'i Madagasikara ireo antontan-taratasy hahazoana famatsiam-bola Match Window avy amin'ny Child Nutrition Fund - UNICEF.

    Ny Child Nutrition Fund (CNF), tantanin’ny UNICEF, dia rafitra mpamatsy vola natokana hanafainganana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza madinika any amin’ireo firenena tena marefo. Ny “Match Window” dia hahafahan'ireo Governemanta mampitombo avo roa heny ny fampiasam-bola amin'ny fividianana ireo fanampin-tsakafo fototra, nefa tsy mitaky fandaniana fanampiny amin’ny fanjakana. Mahafeno ny fepetra isitrahana io famatsiam-bola io i Madagasikara izay hahafahana manatanteraka ireo fanamby napetraka amin'ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo izay mifanindran-dalana ihany koa amin'ireo fanamby iraisam-pirenena napetraka tamin'ny fihaonana an tampony Nutrition for Growth tamin'ny volana marsa 2025. Hanolotra amin’ny fomba ofisialy ny fangatahan'i Madagasikara amin’ity rafitra ity ny minisiteran’ny fahasalamam bahoaka miaraka amin’ny taratasy fanekena avy amin'ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny toerana sy ireo mpandray anjara (panelists) amin'ny fikaonan-doha atrehan'ny daholobe eo ankilan'ny andiany faha-45 ny fihaonana an-tampon'ny SADC eto Madagasikara.

    Tapaka fa ao amin’ny Amphithéâtre DEGS ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo no hanatanterahana izany hetsika izany. Tapaka ihany koa fa hanolotra mpandray anjara amin’ny adihevitra (panélistes) miisa telo i Madagasikara ho fanampin’ireo roa farany izay atolotry ny Sekretarian’ny SADC.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny famindrana tetibola ho an'ireo fandaniana amin’ny fikarakarana ny fanadinana Baccalauréat 2025 (fonctionnement sy vacation)

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanombohana ny fandaharan'asa fahazoana sy fitsinjarana ireo "kits solaires” ara-sosialy sy ireo "kits solaires” ho varotana ao anatin'ny tetikasa LEAD sy DECIM izay tohanan'ny Banky Iraisam pirenena.

    Ilay fandaharan'asa ara-sosialy dia hitsinjara maimaimpoana ireo "kits solaires" ho an'ireo tokantrano marefo. Ny UNOPS no hiantoka ny fahazoana ireo “kits solaires” ho tsinjaraina maimaimpoana ireo ary manaraka ny fenitra VERASOL izay natao haharitra sy hateza.

    Ny fandaharan'asa faharoa kosa dia mikasika ny fivarotana ireo "kits solaires" ho an'ireo tokantrano eo amin’ny sokajim-piainana antonony ara-pivelomana amin’ny alalan’ny "Financement Basé sur le Résultat" (FBR). Ny fivarotana ireo “kits solaires” ireo dia hiarahana amin'ireo orinasa tsy miankina efa misehatra amin’ny fivarotana fitaovana mandeha amin'ny herin'ny masoandro.

    Ny tanjona amin’ny fanatanterahana ireo fandaharan'asa roa ireo ny fahafahan'ny tokantrano malagasy rehetra misitraka herinaratra.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Ho mariky ny fanohanana tsy tapaka ny tanora sy ny fanatanjahantena malagasy dia nanantitra ny Filoha fa ireo izay mitondra avo ny Fiandrianam-pirenena dia mendrika tohana hatrany. Araka izany dia:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny lalao fifaninanana ny ho Tompon-daka eran tany taranja lomano tanterahina any Singapour ny 27 jolay hatramin’ny 03 aogositra 2025.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny fifaninanana Tompon-daka sy Amboaran'i Afrika taranja tennis ambony latabatra, cadet sy junior, tanterahina any Lagos, Nigéria ny 27 jolay hatramin’ny 05 aogositra 2025.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana fanohanana ny fandraisana anjaran'ny delegasiona malagasy amin'ny Tompon-dakan'i Afrika, taranja fibatana fonjamby any Accra, Ghana ny 15 hatramin’ny 22 aogositra 2025.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny lalao Tompon-dakan'ny "Union des Fédérations Africaines de Karaté" (UFAK) ho an'ny sokajy faha-valo cadets, faha 16 juniors sy faha-23 seniors, ny 21 hatramin’ny 27 jolay 2025 any Abuja, Nigeria.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ireo asa sy ny paikady fanatanterahana ny tetikasa OTOH ho an'ny cité 30Ha eo amin’ny tany mitondra ny anarana "HERIN’NY MASOANDRO" TN°11.821 - BAV ao Antanimainty, Fokontany Ambohimahavelona, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Disitrikan'Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Ny tetikasa OTOH dia manome ampahan-tany sy drafi-panorenana trano ho an'ireo terantany malagasy maniry ny hanorina toeram-ponenana ho azy. Mitsinjara 200m² avy ireo ampahan-tany ary amin’ny alalan’ny antsapaka no hahazoana misitraka izany. Aorina eo amin’ity tany ao Antanimainty ity ihany koa ireo toeram-ponenana ho an'ny mpiasam-panjakana. Atsangana ao an-toerana ihany koa ireo fotodrafitrasam-panjakana toy ny biraon'ny fananan-tany, ny biraon'ny hetra, ny CSBII sy EPP, ny tambazotran'herinaratra sy rano ary poste de brigade ho an'ny zandarimariam-pirenena.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-152 tamin'ny 15 febroary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RIVOHARINJAKA Donah, ho "Directeur Administratif, Financier et de la Programmation Budgétaire de l’Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes".

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHATANA Joëlis Charlis, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Amoron’i Mania

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABEFERANA Louis Velombita, ho Prefet an’i Maroantsetra

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1137 tamin'ny 06 Jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RALAIZAFINDRAIBE Tojomamy Herinjaka, ho "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire" PZAGA Androva Mahajanga.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1481 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa PAPISY Phostina, ho "Directeur des Etudes de l’Institut National de l’Infrastructure" (ININFRA).

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-305 09 marsa 2022 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMANDIMBY Nivoaritsalama Herilala, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananan'asa sy ny asam-panjakana Fitovinany.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1585 tamin'ny 14 aogisitra 2019 ary manendry an'Andriamatoa TEVIKY Rostand, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananan'asa sy ny asam-panjakana Sava.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-343 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa ONJASOA Tantely Almondia, ho Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Bongolava.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAINIBE Famenontsoa, ho "Directeur des Affaires Juridiques"
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ireo voalaza ao anatin’ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ireo orinasa lehibe eo anivon’ny Fitaleavan’ny hetra

  

Natao ny  16 Jolay 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika