TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Alakamisy 10 jolay 2025 – Hotel Mantis Sainte Marie
Notanterahina tao amin’ny Hotel Mantis Sainte Marie androany Alakamisy 10 jolay 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony ary ireo tompon’andraikim-panjakana sy olom-boafidy eny ifotony.
-
I- FANATSARANA NY FITANTANANA IREO FAMPIASAM BOLAM-PANJAKANA HO AN'IREO TETIKASAN'NY FILOHAM-PIRENENA HO AN’NY TAONA 2025
MINISITERAN'NY FITSARANA
Maromaro ireo asa tanterahina ho an'ny faritanin'i Toamasina ho an'ny taona 2025 ho an'ny minisiteran'ny Fitsarana. Anisan'izany ny famaranana ny asa fanamboarana ny fonjabe ao Toamasina sy ny "Camp Pénale" ao Ambodivato Moramanga. Eo ihany koa ny fampidirana herinaratra amin’ny alalan’ny herin'ny masoandro ho an'ireo fotodrafitrasa ireo sy ny fonja ao Fenoarivo Atsinanana. Atomboka ihany koa ny fanamboarana ny fonja vaovao ao Sainte Marie mba hifanindran-dalana amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany izay efa am-perinasa nanomboka ny taona 2023. Atomboka ihany koa ny asa fanamboarana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Mananara.
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
Ny fizahantany sy ny asa tanana no fidiram-bolan'ny vahoakan'i Sainte Marie ka toy ny ao Antananarivo dia hatsangana ao an-toerana ihany koa ny "village artisanale" hanomezana sehatra ireo mpanao asa tanana matianina. Tanjona ny hampiroboroboana ny asa tanana malagasy sy hanome fahafaham-po ireo mpizaha tany mitady fahatsiarovana.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Tsy diso anjara ihany koa ireo tanora ao Sainte Marie amin'ny fananganana ny "Plateau sportif" izay ahitana kianja fanaovana fanatanjahantena samihafa toy ny taranja Basketball sy Volley-ball. Eo ihany koa ny fananganana "Maison des jeunes" mba hanomezana sehatra hampivoarana ireo tanora. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny fanohizana ny asa fanamboarana ny gymnase 1000 places ao Fenoarivo Atsinanana.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Anisan'ny fandaharan'asan'ny minisitera ho an'ity taona ity 2025 ny asa famaranana ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Maroantsetra, Faritra Ambatosoa. Izany fotodrafitrasa izany dia ho ambohi-pihaonan'ny kolontsaina, ny tontolon'ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hananganana ireo trano miisa 50 mahazaka ny fiovaovan'ny toetrandro (Cases Traditionnelles Améliorées Résistantes aux Aléas Climatique) ao Brickaville / Ranomafana Est.
-
II- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fahazoana milina fanamarihana bala amin'ny alalan'ny laser vaovao ho an'ny Ozinina Miaramila. Izany milina izany dia natao iadiana amin'ny fipariahan'ireo fitaovam-piadiana sy bala tsy ara-dalàna.
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny fanomanana ny fandraisan'i Madagasikara ny andiany faha 45 amin’ny fihaonana an-tampon'ny SADC. Tapaka fa ireo hetsika tafiditra ao anatin'izany fihaonana lehibe izany dia ho tanterahina ny 3 hatramin’ny 18 aogositra 2025. Anisan’ny teboka nodinihina manokana ny mikasika ny famindram-pahefanana amin’ny fitantanana ny SADC. Izany dia ho tanterahina amin’ny fifanoloram-pahefana eo amin’ny filohan’i Zimbabwe sy ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry Rajoelina, izay Filoha hitantana ny vondrona manomboka amin’ny io fihaonana an tampony io.
Efa miroso avokoa ireo asam-baomiera eo anivon’ny komity mpikarakara. Hisy ny iraka fitsirihana farany ho tanterahin'ny Sekretarian'ny SADC mialohan'izany fihaonana an tampony izany.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny ampidirana ny Antenimieram pirenena ao anatin'ny komity mpikarakara ny fandraisana ny andiany faha 45 ny fihaonana an-tampon'ny SADC. Ny Antenimieram-pirenena dia handrafitra ny vaomiera parlemanta ary hiandraikitra ny fandrindrana momba ny fanaovan-tsonia ny fifanarahan'ny SADC momba ny fanovana ny Forum Parlemantera ho parlemantan'ny SADC.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa tanterahina ao anatin'ny "Programme d’Appui et de Développement des Villes d’Equilibre" ao Toamasina. Fanajariana fotodrafitrasa maromaro no ho sitrahan'i Toamasina ao anatin'ny dingana faharoa ny fandaharan'asa PADEVE : ny tsenan'ny Bazary kely, ny lakandrano Avaratra, ny lakandranon'i Tanambao, ny lakandranon'ny La Réservée, ny lalana Jean Paulette hatrany Tintingue, ny lalana JMJ (eo anelanelan'i Morafeno sy ny tetezana Ankirihiry) ary ny Boulevard de la Marine.
Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandaharan'asa fampiasam-bolam-panjakan'ny Minisitera mifandraika amin'ny fiaraha-miasa ara-teknika miaraka amin’ny JICA momba ny fanatsarana ny "Carte Electronique de Navigation" (CEN) hoan'ny seranan-tsambon'i Toamasina sy ny faritra manodidina. Ao anatin'ny fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina dia miroso isika ankehitriny amin'ny fanavaozana ny fomba fiasa sy ny fitaovana ampiasaina amin'ny fandrafetana ny taosaritany anaty rano eo amin'ny seranan-tsambo sy ny faritra manodidina. Hiarahantsika miasa amin'ny gouvernementa japoney avy amin'ny alalan'ny JICA ny fanatanterahana izany tetikasa izany. Ho azo araha-maso ara-potoana ny fivoatran'ny toetany anaty rano ary ho zaraina amin'ireo sambo hiditra sy hivoaka ny seranan-tsambo ny torohay azo.
Ny fananana, ny fikirakirana, ny fizarana ny torohay azo amin'ireo mpampiasa lalan dranomasina mila izany dia hitondra tombony goavana amin'ny fampiroboroboana ny fampiasana sy ny fitandrovana ny seranan-tsambo sy ireo sambo mivezivezy amin'ny loza samihafa mety hitranga. Moa manamafy hatrany ny famaritana ny seranan-tsambon'i Toamasina ho manara-penitra tokoa.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ireo minisitera sy ireo manam-pahefana eny ifotony hitokana ireo fotodrafitrasam-panjakana efa vita (EPP, CSB, tsena, biraon'ny kaominina). Ny tanjona dia ny hanafainganana ny fampandehanana ireo fotodrafitrasa ireo sy ho fampandraisana anjara ireo tompon’andraikitra eny ifotony amin'ny fitantanana ireo fampiasam-bolam-panjakana.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hananganana ivon-toeran-ketra ao Soanierana Ivongo.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny "circulaire" fampiharana ny TVA 20% amin'ny zana-bola ampiharina amin'ireo mpindram-bola. Voafaritra ao anatin'izany "circulaire" izany ireo toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika ary manan-kery avy hatrany izany aorian'izao fankatoavana izao. Araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika hatrany dia tsy voakasiky ny fampiharana ity hetra ity moa ireo olon-tsotra (crédit à la consommation) sy ny "microfinance". Tsara ny manamarika fa efa nisy hatramin’izay ity TVA 20% fa nisy fepetra fanalefahan-ketra izany hatramin’ny taona 2006 ka izao naverina izao indray.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fitokanana ny laboratoara fitiliana sakafo, ireo vokatra fidiovana sy rano na “Laboratoire d'analyse des denrées alimentaires des produits d'hygiène et Eaux" ao Toamasina. Teo aloha dia laboratoara tsy miankina hatrany no manatanteraka izany fitiliana izany ary ankehitriny dia tamin'ny alalan'ny famatsiam-bolan'ny Fitondram-panjakana sy fiaraha miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena dia misitraka izany fotodrafitrasa vaovao izany amin’ny alalan’ny “Agence de Controle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires". Izany fotodrafitrasa izany dia natao hiarovana indrindra ireo mpanjifa sy ho fitsinjovana ny kalitaon’ny sakafo omena azy ireo.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny fampitana am-bava momba ny fihatrehana tazomoka mahery vaika ao Ikongo. Handefa iraka manokana hitondra fanampiana ho an’ireo vahoaka tena marefo any an-toerana ny Filohan’ny Repoblika mivady.
Nanomboka ny fiandohan’ny taona 2025 dia nahitana trangan’aretina tazomoka ny kaominina ambanivohitr’Ambatofotsy, any amin’ny distrikan’Ikongo. Manoloana izany toe-javatra izany, dia nihetsika avy hatrany ny Foibem-pikarakarana vonjy taitra momba ny fahasalamam-bahoaka (COUSP). Naparitaka eny amin’ny fokontany sivy ao an-toerana ny ekipan’ny mpitsabo nivezivezy mba hanome fitsaboana maimaimpoana ho an’ny mponina any an-toerana. Nanome fanohanana ara-pitaovana ihany koa ireo mpiara miombon'antoka toa ny Médecins Sans Frontières, POMS, Action contre la faim, ary UNICEF. Nisy ny fizarana ireo lay misy ody moka, ary natao ny fanentanana mba hamporisihana ny fampiasana ody moka sy hiantohana ny fanarahana fitsaboana miady amin’ny tazomoka (ACT) mandritra ny telo andro voatondro. Na dia teo aza ireo ezaka ireo, dia mbola misy fanamby maro. Betsaka ny marary tsy mahavita ny fitsaboana, anisan'izany ny tsaho tsy marim-pototra fa misy poizina ny Artefan.
Hatreto, ny antontanisa ofisialy dia miisa 35 ireo olona maty tao Ambatofotsy nanomboka tamin'ny Janoary 2025, izay mifanohitra amin'ny salanisa 216 vohizina eo anivon'ireo tambajotra sosialy. Ankehitriny dia efa hita fa manomboka midina ny fihanaky ny valanaretina fa mbola miatrana hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana. Hisy ekipa hanampy ireo mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana hamongorana tanteraka izany valanaretina tazomoka izany.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanomezana "subvention" ireo mpampianatra ao anatin'ny tetikasa STG GPE
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny asa fanamboarana ny "embarcadère - débarcadère" ao Antsiraka. Hiditra amin’ny dingana famaranana izany asa ankehitriny ary ao anatin'izany ny fampitaovana hiantoka ny fampandehanana antsakany sy andavany izany fotodrafitrasa izany manoloana ny fitomboan'ny fivezivezen'ireo sambo sy ny fiovaovan'ny toetrandro.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa fampisitrahana herinaratra ho an'ny tontolo ambanivohitra hoan'ny faritanin'i Toamasina. Maherin'ny 14000 ny tokantrano nisitraka izany tetikasa izany ary 2732 KwH ny vokatra herinaratra amin’ny masoandro sy ny rano .
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny tetikasa LEAD. CSB miisa 77 no nampidirana herinaratra ho an'ny faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo sy Atsinanana.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa Volobe, PRIRTEM ary ny fanajariana ny tambazotra herinaratra ao Toamasina miaraka amin’ny JICA. 120MW no vokatra andrasana amin'ny tobim pamokarana herinaratra Volobe avy amin'ny reniranon'Ivondro. Mirefy 267km ny zotra hitondra herinaratra eo anelanelan'i Toamasina sy Antananarivo ary fampisitrahana herinaratra ho an'ireo kaominina ambanivohitra ao anatin'ny tetikasa PRIRTEM. Ao anatin'ny asa fanavaozana ny zotran'herinaratra ao Toamasina dia "sous station" vaovao miisa roa no hatsangana ary zotran'herinaratra mirefy 30km no hamboarina eo anelanelan'ny Bazary Be, Tanambao verrerie ary Antsarimasina. Eo ihany koa ny fampisitrahana “branchements mora” ho an'ireo mpanjifa vaovao.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny totaliben'ireo vola mila aloha hanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa fanamboarana ny lalana RNS5 mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy Vahibe.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fikojakojana ireo lalana ao anatin'ny faritanin'i Toamasina.
Faritra Atsinanana
- Fikojakojana ny lalam-pirenena
- RNS11A mampitohy an'i VATOMANDRY sy AMBALAMANGAHAZO (ROUTE DU SOLEIL) PK53+000 hatramin’ny PK96+000,
- Fikojakojana ny lalam-pirenena RNT11 eo anelanelan'i SALEHY(PK173+000) sy MAHANORO(PK184+000) (ROUTE DU SOLEIL)
- Fikojakojana ny ampahan-dalana anelanelan'i Mangarano makanu amin'ny RNS5, anelanelan'ny PK 0+000et PK 5+600 ao amin’ny tanànan'i Toamasina
- Fikojakojana ny lalana mampitohy ny Boulevard RATSIMILAHO sy lalan'Ivoloina
- Asa maika fametrahana "pont métallique modulaire" mirefy 48m SAHANDAHATRA eo amin’ny PK 12+200
- Asa maika fanamboarana ny tetezana 80m eo SAHANARY, Distrikan'i Mahanoro
- Fanamboarana ny tetezana 100m eo AMBALAFATSY, distrikan'i Mahanoro
- Asa fanajariana ny RNT23
- Asa fanamboarana ny tetezana Ampitakihosy
- Asa fanajariana ny lalam-pirenena RNT20 mampitohy an'llaka Est sy Antanambao Manampotsy
Faritra Alaotra Mangoro
- Fikojakojana ny RNT3A anelanelan'ny PK 29+500 sy Pk 31+000 aorian'ny Ampasikely,
- Asa fikojakojana ny lalana ao amin’ny tanànan'i Tanambe
- Fanajariana ny RNT23A anelanelan'i Moramanga- Anosibe Anala (PK 6+000) sy (PK71+000),
- Asa fanamboarana ny tetezana RNP2 kaominina Sabotsy Anjiro
- Asa fanamboarana RNT22 sy fananganana fotodrafitrasa fanadiovana, eo anelanelan’ny PK 32+000 sy PK 35+000
Faritra Analanjirofo
- Fikojakojana ny lalam-pirenena RNS5 mampitohy an'i Sahorana Fenoarivo Atsinanana PK 94+965 sy Soanierana Ivongo
- Fikojakojana ny Bakan'i Vohilengo
- Fikojakojana ireo lalana RP13A eo anelanelan'ny Fenoarivo Atsinanana sy Vohilengo
- Fanamboarana ny tetezana mampitohy ny kaominina Miorimivalana sy Ambodihasina
- Asa fanamboarana lavaka eo amin’ny RNT 33 eo amin’ny PK 82+525 sy PK 82+500 Kaominina Ambanivohitra Morarano Chrome sy ny tanàn’i Brievielle
- Asa fanamboarana ho fiarovana ny tetikasa Antsiradrano, distrikan’i Vavatenina
- Asa fanamboarana tetezana BA ao amin’ny PK12 eo amin’ny RR-ALJ-5 (tetezana Ambanjan’i Sahalava) mampitohy an’Ampasimbe Manantsatrana sy Ambajani Sahalava,
Faritra Ambatosoa
- Fanajariana ny lalana Mananara Avaratra
- Fanajariana ny lalana Maroantsetra
MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny fifanarahan'ny SADC momba ny asa sy ny Fampananan'asa mandritra ny andiany faha 45 amin'ny fihaonana an-tampon'ny SADC.
MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fivorian'ny komity ara-siantifikan'ny Commission des Pêches du Sud-Ouest de l’Océan Indien (CPSOOI) eto Madagasikara ny 23 hatramin’ny 26 jolay 2025.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tetikasa ara haitao ara-kajy mirindra notanterahina ao amin’ny faritanin'i Toamasina. Hotspots miisa 18 no napetraka hahafahan'ireo tanora misitraka WI-FI maimaimpoana. Ao anatin'ny fampanarahana ara-haitao ara-kajy mirindra ny fitantanan draharaham-panjakana dia notanterahina ihany koa ny tetikasa wifi fokontany izay nametrahana tambazotran'aterineto eo anivona biraom-pokontany miisa 18.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fandaharan'asa fanampiana amin’ny fampidirana ireo tanora eo amin’ny tontolon'ny asa ao amin’ny faritanin'i Toamasina amin'ny alalan'ny Fampiofanana amin'ireo asa ara-haitao ara kajy mirindra.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny hanohanana ireo ekipam-pirenena malagasy amin'ny "Pan African Robotic Competition" (PARC) ny 17 hatramin’ny 19 jolay 2025 any Senegal.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana an-tanana ny fahazoan-dalana andefa ny Afrobasket Angola 2025.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanavaozana ny fifanarahana fanofana ny satellite EUTELSAT
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny asa fampidirina ny "complexe de la Mission catholique” ao Sainte Marie ho Vakoka maneran-tany an'ny UNESCO. Rehefa vita avokoa ireo fandalinana sy fanadihadiana dia ny volana jolay 2027 no handalo fankatoavana eo anivon’ny "Centre du Patrimoine mondial" izany harem-bakoka izany
-
III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome alalana ny fandraisana anjaran'ny fanjakana malagasy amin'ny orinasa ORINASA FITANTANANA LALANA MALAGASY, izay hatsangana, ary fepetra hampandehanana ny voie rapide mampitohy ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato sy ny Boulevard Europe
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana momba ny fandaminana ny Centre National de Production de Matériel Didactiques (CNAPMAD)
-
IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Harimbolamalala, ho « Directeur de l’Intégration et de la Coopération Régionale »
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-878 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry an-dRamatoa RASOAMANANJARA Lalao Charline, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambatofinandrahana
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-412 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa PRIVOT Victorien Odilon, ho Lehiben'ny Distrikan'i Fandriana.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-167 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa LOC KINE Omos Elie, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy Vatovavy.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MIRAIMANANA Sambilahy, ho "Coordonnateur de la Cellule de Coordination des Maisons de la Communication et de la Culture".
Natao ny 10 Jolay 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika