TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 02 jolay 2025 – Hotel des Finances Fianarantsoa
Notanterahina tao amin’ny Hotel des Finances Fianarantsoa androany Alarobia 02 jolay 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony ary ireo tompon’andraikim-panjakana sy olom-boafidy eny ifotony.
-
I- FANATSARANA NY FITANTANANA IREO TETIKASA FAMPIASAM-BOLAM-PANJAKANA HO AN’NY TAONA 2025 (PIP)
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
Tafiditra ao anatin'ny tetikasa fampiasam-bolam-panjakan’ny minisitera ho an'ny taona 2025 ny fanohizana ny fanamboarana ny "Base Opérationnelle Avancée" na BOA ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalamidera II, Distrikan'Isandra, Faritra Matsiatra Ambony. Ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao dia natao hitondra fandriampahalemana manakaiky vahoaka ary miaramila efa voaofana manokana no apetraka eo anivon'izany BOA izany.
MINISITERAN'NY ATITANY
Tetikasam-panjakana ho tanterahin'ny minisiteran'ny atitany hoan'ny taona 2025 ny fanohizana ny fanamboarana ny biraon'ny prefektioran'i Manakara, sy fananganana ny biraon'ny distrikan'i Vohibato. Tanjona napetraka ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka sy fanatsarana ny tolotra omena ary ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny.
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA
Tanjon'ny minisiteran'ny mponina sy ny firaisan-kina hoan'ny taona 2025 ny hanamboarana trano miisa 50 hoan'ireo tsy manan-kialofana ao amin’ny faritanin'i Fianarantsoa. Eo ihany koa ny fanohizana ny fanamboarana ireo biraon'ny mponina sy ny firaisan-kina ao Lalangina, Vohibato, Ambatofinandrahana, Vangaindrano ary fanombohana ny asa fanamboarana ny birao vaovao ao Befotaka Atsimo. Toy ireo Faritra hafa dia misy ihany koa ny fanohanana ireo asa fiharian'ireo fikambanam-behivavy hoan'ny Faritra Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Ihorombe ary Vatovavy.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanohizana ny asa fanamboarana ireo trano mora misy rihana (R+4) miisa roa ary ahitana toeram-ponenana miisa 20 (appartements) ao Fianarantsoa. Efa nanomboka tamin’ny taona 2023 ny asa fanamboarana ireo toeram-ponenana ireo. Ankoatra ny fanatsarana ny endriky ny tanàna, ireo trano mora dia natao hanomezana toeram-ponenana mendrika sy sahaza ny fahefa mividin'ny vahoaka malagasy rehetra araka ny fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika.
-
II- FANATSARANA NY FITANTANANA IREO TETIKASA FAMPIASAM-BOLAM-PANJAKANA HO AN’NY TAONA 2025 (PIP)
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Manomboka ny fe-potoana handraisan'i Madagasikara ny fitantanana ny SADC ny volana aogositra 2025 hatramin’ny volana jolay 2026, dia eto an-toerana avokoa no handraisana ireo fivoriana ofisialy eo anivon'ity vondrona ity. Araka ny fomba fanao ara diplomatika amin'ny fandraisana ireo fivoriana iraisam-pirenena dia nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanafoanana ny saran'ny "visa" ho an'ireo mpikambana mandrafitra ireo delegasiona ofisialy sy ireo mpandray anjara amin'ireo fivoriana fanomanana eo anivon’ny SADC.
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandraisana ny fivorian'ny komity mpanatanteraka ny volana novambra 2025 sy ny Fivoriamben'ny fikaonan-doha parlemanteran'ny SADC ny volana jona 2026 ao Antananarivo. Mandrafitra ny komity mpanatanteraka ireo Filohan’ny Antenimieram pirenena avy amin'ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC. Ny fikaonan-doha parlemantera kosa dia ahitana ireo filohan'ny Antenimieram-pirenena sy Solombavambahoaka miisa 5 isaky ny firenena mikambana eo anivon’ny SADC. Ny fandraisan'i Madagasikara ireo fivoriana ireo dia hanamafy orina ny toerany eo anivon'ity vondrona ity ary hitondra ihany koa tombontsoa ara-toekarena maro toy ny fanetsehana ireo fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fizahantany, ny fitaterana sy ireo tolotra samihafa amin'ny fandraisana fivoriana iraisam-pirenena.
MINISITERAN'NY FITSARANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Tribunal de Première Instance) ao Ambatofinandrahana, izay 68,3% ny asa no efa vita ankehitriny. Ny tetibola natokana hoan’izany fotodrafitrasa izany dia natao hamitana tanteraka ireo asa rehetra hatrany amin’ny fampidirana herinaratra mba hafahafahan’izany Fitsarana izany azo ampiasaina avy hatrany rehefa vita.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny fanatanterahana asa fampidirina herinaratra amin'ny alalan'ny herin'ny masoandro ho an'ny fonjabe Volamena ao Fianarantsoa sy Kelivondraka Ihosy. Tsy hiankin-doha amin’ny orinasa JIRAMA araka izany ny fampiasana ny angovo azo havaozina amin’ireo fonja ireo ary indrindra hampanarahana ny fenitra izany fotodrafitrasa izany.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa tanterahina ao anatin'ny "Programme d’Appui et de Développement des Villes d’Equilibre" dingana voalohany sy faharoa (PADEVE 1 et 2) eto Fianarantsoa. Ity tetikasa izay vatsian'ny "Agence Française de Développement" ity, dia natao hanohanana ny fampandrosoana an-drenivohitra ary misitraka izany ireo renivohi-paritany eto Madagasikara. Hoan'i Fianarantsoa manokana dia maro ireo asa notanterahina toy ny fanajariana ireo lalana an-tampon-tanàna (lalana Dandouau, lalana Père Ratsiry, lalana Antarandolo), ny fanajariana ny "Place de la Cathédrale" sy ny zaridainan'ny Lapan’ny Tanàna, fanamboarana toeram-pidiovana eo amin’ny Vieille Ville, sns. Ny dingana faharoa kosa dia hohajariana tanteraka ny tsenan'Anjoma sy ny manodidina ny Kianjasoa izay hametrahana faritra arovana ary amboarina ihany koa ireo lalana an-tampon-tanàna hafa sy ny tsena ao Besorohitra.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY + MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fangatahana famatsiam-bola fanampiny ho an'ny "Programme Régional de Résilience Climatiques" (PRRC) - Havelo Mandrare. Tanjon'ity tetikasa ity ny hitondrana vahaolana maharitra amin'ny tsy fahampian-drano any amin'ny Faritra Anosy sy Androy amin'ny alalan'ny fanamboarana tohadrano fitahirizan-drano (barrage de retenue d'eau à usage multiple). Taorian’ny fifampiresahana tamin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Asian Infrastructure Investment Bank (AIIB) dia nahazo famatsiam-bola fanampiny mitentina 130 tapitrisa dolara i Madagasikara. Anisan'ireo asa ho tanterahina ao anatin'izany ny fanamboarana ny ampahany mirefy 82,75km amin'ny lalam-pirenena faha-13, ny fanamboarana ireo "gîtes d’étapes" ao Andabolava, ny fanamboarana ny lalana Amboasary - Andabolava - Tsivory (142km).
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba firaiketana ny volavolana didim-pitondrana manome ireo vatsim-pianarana any ivelany ho an'ny taom-pianarana 2023 - 2024 sy ny fampodiana ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana any ivelany.
Maro ireo mpianatra malagasy any ivelany izay misitraka vatsim-pianarana no efa nahavita fianarana ka tsy maintsy mody an-tanindrazana amin'izay. Marihina fa ny fanjakana malagasy no miantoka ny fampodiana azy ireo araky ny fe-potoana nifanarahana talohan'ny fanombohan'ny fotoam-pianarana. Ka mba tsy handikan'ireo mpianatra malagasy ny lalana mifehy ny fifindra-monina any amin'ny tany misy azy avy dia ilaina hafainganina ny fanatanaterahana ireo dingan-draharaha samihafa hahafahana hampodiana azy ireo. Voaresaka manokana amin'izany fampodiana maika izany ireo mpianatra malagasy any Indonésie, any Maroc ary any Algérie.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandoavana ny vatsim-pianarana telovolana manaraka ho an'ireo oniversite miisa enina, IST miisa telo sy ny oniversiten'ny SAVA, Vakinankaratra, Itasy ary Analanjirofo.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny lohahevitry ny fivorian'ny daholobe eo ankilan'ny andiany faha 45 amin'ny fihaonana an-tampon'ny SADC tanterahina eto Madagasikara ny volana aogositra 2025. Handray anjara amin'izany fivoriana izany ireo manam-pahaizana, mpikaroka sy ireo mpiara-miombon’antoka. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra fa ny lohahevitra ho dinihina mandritra izany dia ny hoe : "Fampandraisana anjara isam-paritra : fanoitra ho an'ny fanafainganana ny firosoan'ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny fomba fambolena" na "L'intégration régionale: levier pour une accélération de la transition énergétique et de la transformation agricole."
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny firosoana amin'ny fankatoavana ny fifanarahan'ny SADC momba ny varotra sy ireo tolotra. Firenena 12 ankehitriny no efa nankatoa ity fifanarahana ity, ary mifanindran-dalana amin'ireo fifanarahana efa nankatoavin'i Madagasikara toy ny Fifanarahana Ankapobeny momba ny Varotra ireo Tolotra (AGCS) teo anivon’ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC) sy ny ZLECAF.
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana asa fampidirana rano amin'ny alalan'ny "forage" ho an'ny "Aire de Sécurité, de Service et de Repos" ao Ambalamanakana.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena faha-fito mampitohy an’Ambohimahasoa sy Toliara. Tafiditra ao anatin’izany ny lalana eo anelanelan'ny PK 360+000 (Ambohimahasoa) hatramin’ny PK 363+000, ny PK 370 hatramin’ny PK 410+000 (Fianarantsoa), ary ny PK 799+000 (Sakaraha) hatramin’ny PK 932+000 (Toliara), vatsian'ny Tahirim-bola hoan'ny lalana (Fonds Routier).
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny asa fanamboarana ny lalana Ankazondrano sy Andrainjato ao amin’ny tanànan'i Fianarantsoa, vatsian'ny Tahirim-bola hoan'ny lalana (Fonds Routier).
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny tetezana Fagnolafa mampitohy an'Ifanadiana sy Tsaratanana, distrikan'Ifanadiana, eo amin’ny PK 5+300 eo amin’ny RR-FIV-53 ex RP3F, vatsian'ny Tahirim-bola hoan'ny lalana (Fonds Routier).
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny asa fanamboarana ny RNT42 mampitohy an'i Fianarantsoa sy Ikalamavony, izay tafiditra ao anatin'ireo tetikasa sy fampiasam-bolam-panjakan'ny minisiteran'ny asa vaventy (PIP) ho an'ny taona 2025.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ireo tetikasa ara-haitao ara-kajy mirindra ao Fianarantsoa. Anisan'izany ny fametrahana "digital center" eny akaikin’ny biraon'ny paositra ao Ampasambazaha. Hita eo anivon’ity fotodrafitrasa ity ny fikotrehina tetikasa ara-haitao ara-kajy mirindra, ny toeram-pivoriana azo ampiasain'ny daholobe sy toerana misy aterineto ary teknolojia avo lenta. Tanterahina ao Fianarantsoa ihany koa ny dingana faharoa amin'ny fanavaozana ny tambazotram-pifandraisan-davitra ho an'ny fitantanan-draharaham-panjakana malagasy (MRTAM-II). Efa maro ihany koa ireo tetikasa efa notanterahina teto Fianarantsoa toy ny e-fokontany izay nahafahana nizara karinem-pokontany misy QR-CODE miisa 52319 hoan'ny kaominina renivohitry Fianarantsoa, ny fampitaovana solosaina ho ana fokontany miisa 31 sy aterineto ho ana fokontany 20. Eo ihany koa ny fametrahana ireo hotspots na Wi-Fi maimaim-poana ao Fianarantsoa, Ambalavao sy Ambalakely.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa fanajariana ny tambazotra fitsinjarana rano fisotro madio hoan'ny tanànan'i Fianarantsoa. Misy tsy fahampian-drano 8000m³ isanandro ny famokarana rano noho ny fahanteran'ny fotodrafitrasa mpamokatra rano sy ireo fantson-drano. Efa misy ireo vahaolana entin’ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny tetikasa PAAEP izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin'izany ny fanajariana sy fampitaovana ireo ivon-toerana mpamokatra rano, ny fanohizana ny asa fanamboarana ireo ivon-toerana ao Ankidoana sy Ambanimaso. Ny fanajariana ny ivon-toerana ao Andohabevava, Ankijana I sy II mba hahafahana mamokatra hatramin’ny 18000m³ isanandro. Eo ihany koa ny fanajariana sy fanamboarana tanteraka ireo fitahirizan-drano sy fantson-drano manerana ny tanàna.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny asa fanamboarana "forages" sy ivon-toerana fanadiovana rano miisa dimy ao amin’ny distrikan'Ambositra ao Tsileondrano, Morafeno, Ambohipierenana, Vatovory sy Ambohibary.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny lalao Tompon-dakan'i Afrika Cadet sy Junior taranja Judo, ny 17 hatramin’ny 20 jolay 2025 ao Luanda, Angola.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny lalao Tompon-dakan'i Afrika U18 sy U20 taranja athlétisme ny 16 hatramin’ny 20 jolay 2025 any Nigéria sy ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny Fivoriambe ara-potoanan'ny "Confédération Africaine d'Athlétisme."
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny sara-pitateran'ireo BAREA nandray anjara tamin'ny lalao ara pirahalahiana amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo natao ny 08 jona 2025 tany Orléans, France.
-
III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola momba ny famatsiam-bola fanampin'ny tetikasa "Projet Régionale pour la Résilience Climatique" natao teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy "Association Internationale de Développement" (IDA)
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola momba ny tetikasa "transformation économique pour une croissance inclusive" dingana fahatelo, natao ny 16 jona 2025 teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny "Association Internationale de Développement" (IDA)
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana fampandehanana ny "e facturaration" voalaza ao anatin'ny andininy IV-21 ny "code de procédure fiscale". Ity didim-panjakana ity dia natao hanamora sy hanafaingana ireo fifanakalozana ara barotra, hanatsara ny fanaraha-maso ireo fifanakalozana, hanamafy ny ady amin'ireo hosoka ary hiaro ireo mpanjifa.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola momba ny famatsiam-bola fanampiny ho an'ny tetikasa Mionjo "Fanohanana ireo asa fivelomana any Atsimon'i Madagasikara", natao teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Association Internationale de Développement (IDA).
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola momba ny famatsiam-bola fanampin'ny Tetikasa fampandrosoana ny fisitrahana herinaratra amin'ny vidiny mirary (LEAD) natao teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Association Internationale de Développement (IDA)
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola momba ny famatsiam-bola fanampin'ny tetikasa PCMCI natao teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Association Internationale de Développement (IDA)
MINISITERAN'NY ATITANY + MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny "identité des personnes physiques".
-
IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1383 tamin'ny 10 jolay 2024 ary manendry ny Colonel LAHITONONY Zafitsiarendrika, ho Kaomandin'ny Fari-piarovana sy filaminana Mandrare ao Taolagnaro, eo anivon'ny Etamazaorin'ireo Tafika.
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANORINE, ho "Chef du Ministère Public près la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-Corruption de Mahajanga."
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MAROVOLA Jean Wasselin, ho « Chef du Ministère Public près la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-Corruption de Fianarantsoa ».
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAZAROANABAVY Felanirina Hortensia, ho Prefet an'Ambositra.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa AINA Perle Hortense, ho Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy Fampiofanana arak'asa Atsimo Atsinanana
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1256 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAVELOMANANTSOA Sandy Heriaina, ho "Directeur d’Appui au Sport de Haut Niveau" (DASHN)
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TAHINA Andriandroaroniaina Manoela, ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Amoron’i Mania.
-
V- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023 469 tamin'ny 26 avrily 2023 nanendry ny "Coordonnateur de l’Unité de Coordination des Projets Emergents"
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 769 tamin'ny 27 marsa 2024 nanendry ny Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Fitovinany
-
VI- SAMIHAFA
Ankoatra ireo lahadinika efa voafaritra dia noresahana tao anatin'ny Filankevitry ny Minisitra androany ihany koa ireo laharam-pahamehana ho an'ny faritanin'i Fianarantsoa izay mifanindran-dalana amin'ireo fangatahan'ireo olom-boafidy ao an-toerana. Anisan'izany ny fanatsarana ny famokarana angovo amin'ny alalana ny asa fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Namorona (Namorona 2). Noresahana manokana ihany koa ny lafiny fitaterana entina hampiroboroboana ny fizahantany. Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hijerena manokana ny fanajariana ny seranam-piaramanidina ao Fianarantsoa hahafahana mandray ireo sidina anatin, eo ihany koa ny zotra an-dalamby Fianarantsoa Côte Est. Ankoatra ireo dia noresahana ihany koa ny fanajariana ny seranan-tsambon'i Manakara izay tokony hitondra tombontsoa ara-toekarena sy ara sosialy maro.
Natao ny 02 Jolay 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika