TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 25 jona 2025 – Lapam-panjakana Ambohitsorohitra

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany Alarobia 25 jona 2025 ny Filankevitry ny Minisitra manokana, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra sasantsasany.

  • I- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mifehy ny fitazomana ny fahamarinan-toerana ara-bola sy mametraka ireo manam-pahefana hanara-maso sy handrindra ny rafitra ara-bola (autorités macroprudentielles).

    Fanavaozana maromaro no natao momba ny rafitra ara-dalàna mifehy ny sehatry ny fitantanam-bola eto Madagasikara, anisan'izany ny fanavaozana ny lalàna momba ny fiantohana, ny banky sy ny "microfinance". Ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity dia novolavolaina mba hamahana ny tsy fisian'ny rafitra manam-pahefana hanara-maso sy handrindra ny rafitra ara-bola (surveillances macroprudentielles) izay andraisan’ny fanjakana anjara sy ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM).

    Nolanian'ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola momba ny "Opérations d'Appui Budgétaire à une Croissance Equitable et Résiliente" (MERG2), natao teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny "Association Internationale de Développement"(IDA) famatsiam-bola ny Tetibola Support.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola ho famatsiam-bolan'ny tetikasa fanovana sy fisitrahana fanabeazana eto Madagasikara natao teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Association Internationale de Développement (IDA)

  

Natao ny  25 jona 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika