TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 18 jona 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 18 jona 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- SAMIHAFA
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo trangana fahapoizinana ara-tsakafo. Mitohy ny fanadihadiana mikasika ireo trangana fahapoizinana ara-tsakafo, anisan'izany ny tranga niseho ny 14 jona 2025 izay namoizana ain'olona nahatratra hatramin’ny 20 ankehitriny ary voamarina fa fanapoizinana araka ireo fitiliana natao.
Manoloana ireo tranga ireo moa dia nanambara ny Filohan’ny Repoblika fa adidin'ny Fitondram-panjakana ny miaro ny vahoaka sy ny manome azy ireo vaovao manamafy fa anilan'izy ireo ny Fitondram-panjakana. Izany indrindra no nanomezan'ny Filohan’ny Repoblika baiko ny Minisitry Fahasalamam-bahoaka hanatona ny vahoaka sy hanome azy ireo ny vaovao marina momba ireny tranga ireny. Nanterin'ny Filohan’ny Repoblika fa mila manakaiky hatrany ny vahoaka ireo tompon’andraikitra.
Efa voamarina fa fanapoizinana niniana natao ireny ka mila saziana ireo nahavanon doza. Efa misy ny fandraisana an-tanana ireo izay mbola marary any amin'ny hopitaly ary ny Fitondram-panjakana no handray an-tanana ny fitsaboana.
Etsy ankilany handray andraikitra ihany koa ny minisiteran'ny varotra hanamafy ireo fepetra hiadiana amin’ny fisian'ireo vokatra lany daty na simba eny amin’ireo toeram pivarotana mba hisorohana ny loza.
-
II- FANATSARANA NY FITANTANANA IREO FAMPIASAM-BOLAM PANJAKANA MIKASIKA IREO TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA HO AN’NY TAONA 2025
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
An-dalam-pamaranana ankehitriny ny fanamboarana ny Coliseum ao Ambatomena - Fianarantsoa ary anisan'ireo fandaharan'asan'ny Sekretariam-panjakana miadidy ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao ho an'ny taona 2025 ny fampandehanana izany. Anisan'ny asa mbola mila atao ny fotodrafitrasam-pidiovana sy ny fampidirana rano. Efa tafiditra ao anatin'ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025 ireo asa ireo.
-
III- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny lisitr'ireo handrafitra ny komity siantifika momba ireo Nosy Malagasy avy amin'ireo departemanta ara minisiterialy handray anjara amin'ny vaomiera iombonana malagasy sy frantsay ny 30 jona 2025. Io komity siantifika io no handrafitra ireo antontan-kevitra ara-teknika, ara-tantara sy ara tontolo iainana izay hiaro ny fiandrianan'i Madagasikara amin'ireo nosy ireo. Nosafidiana manokana izy ireo noho ny fahaizana manokana ananany amin'ireo sehatra toy ny "géopolitique", ny lalàna, ny tantara sy ny tontolo iainana.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny fampitana am-bava momba ny fifaninana tanàna madio sy maha te honina. Ireo kaominina isaky ny renivohi-paritra no mandray anjara amin'ity fifaninanana ity ary ny tanjona dia ny hampandraisana anjara bebe kokoa ireo vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana amin'ny fampandrosoana ifotony, ny hametrahana tanàna madio sy maha te honina ary indrindra hitondrana fampiroboroboana ara-toekarena, ara-sosialy sy ara-tontolo iainana maharitra. Hisy loka avy amin'ny Fitondram-panjakana ho an'ireo kaominina mendrika indrindra:
- Laharana voalohany: 1 miliara ariary sy fanamboarana lalana ho tara mirefy 3km
- Laharana faharoa: 500 tapitrisa ariary sy fanamboarana lalana ho tara mirefy 2km
- Laharana fahatelo : 300 tapitrisa ariary + fanamboaran-dalana mirefy 1km
Ireo 10 voalohany kosa dia hahazo " camion benne" avokoa.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny "indemnités" ho an'ny komity Ad Hoc mikarakara ny fifantenana ny Tale Jeneralin'ny SAMIFIN
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny "Projet Regional Emergency Preparedness and Acces to Inclusive Recovery" (REPAIR).
Ny tetikasa REPAIR dia fanohanana avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ireo firenena afrikanina miatrika ireo fiovaovan'ny toetrandro sy ireo mety ho ambana hafa. Io fanohanana io dia mifototra amin’ny alalan’ny "Fonds Régional pour les Risques Climatiques (FRRC)" izay mitentina 20 tapitrisa dolara. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fitsinjarana izany famatsiam-bola izany: 15 tapitrisa dolara sokajiana ho an'ny "reserves" ary 5 tapitrisa dolara ho an'ny sokajy antsoina hoe "assurance".
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny boky fanoroana ny fanatanterahana izany tetikasa izany na "Manuel Opérationnel".
MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanokafana ny fifaninana handraisana mpianatra polisy miisa 500 ho an'ny taona 2025.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY FANABEAZAM PIRENENA + MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA + MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fankatoavan'ny GAVI hanohana ny fampidirana ny vaksiny HPV eto Madagasikara. Izany fanohanana izany dia handray anjara lehibe amin’ny ezaka ataon'ny Fitondram panjakana malagasy amin'ny fisorohana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza izay anisan'ny mamono vehivavy malagasy an-jatony isan-taona. Hisy hetsika fanaovam baksiny manerana ny Nosy ho tanterahina ny 14 hatramin’ny 18 oktobra 2025.
MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hampiasana ireo “postes budgetaires” miisa 3100 ho an’ny fanabeazam-pirenena ho an’ny taona 2025. Izany dia ho tsinjaraina amin’ireo mpampianatra nivoaka avy amin’ny “Ecoles Normales Supérieures”, mpampianatra teny vahiny, ireo nivoaka avy amin’ireo “Centres Regionaux de Formation et Recherche Pédagogique” sy ireo mpampianatra tsy mbola tafiditra mpiasam_panjakana araka ny mason-tsivana efa voafaritra mazava. Ireo fitsinjarana ireo dia hatao anaty fahitsiana sy araka ny filana isaky ny ambaratongam-pampianarana.
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitsidihan'ny Praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny Minisitry ny indostria sy ny fitaterana avy amin'ny repoblika arabon'i Egypta ny 22 hatramin’ny 25 jona 2025.
Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta izao fitsidihana izao ary hahafahan'ny delegasiona egypsianina mijery mivantana ireo lalam-pampiasam-bola eto Madagasikara indrindra amin'ny sehatry ny fotodrafitrasa sy ny fitaterana.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny asa fanitarana ny lalana Rocade RN62 Lac Iarivo eo amin'ny PK 0+000 (Tsarasaotra) hatramin’ny PK 11+000 (Rond-Point Ivato), vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny fandaharan'asa e-poketra. Taorian’ireo toromarika teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra dia efa nisy ny fanatsarana natao mba hahatomombana ny fanatanterahana ity fandaharan'asa ity. Tafiditra ao anatin'izany ny lafiny ara-teknolojia, ny dingana mila arahina sy ny lafiny ara-bola. Hoentina holaniana eo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny volana jolay ho avy izao ny didim-panjakana momba ny e poketra.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN'NY FAHASALAMAM BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fitokana ireo rafitra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra eo anivon’ny Centre Hospitalier Universitaire et de Soins et de Santé Publique Analakely sy ny CHUJRA, ny 20 jona 2025. Ireo hopitaly roa ireo moa no nanaovana ny andrana amin'ny fampanarahana ara haitao ara-kajy mirindra ny fandraisana ireo marary. Ity fomba fiasa vaovao ity dia natao hanatsarana ny tolotra omena ireo marary amin'ny fanafainganana ny fandraisana an tanana azy ireo (fihenan'ny filaharana, fangalana fotoana amin'ny alalan'ny aterineto, fandraketana ny mombamomba ny marary amin'ny alalan'ny haitao ara-kajy mirindra, sns.)
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana manokana hanotorana tany ao anatin'ny tetikasa JIRAMA WATER III - Prioritaire. Tafiditra ao an'ity tetikasa ity, izay hiarahan'ny Banque Européenne d’investissement sy ny Fitondram-panjakana malagasy mamatsy vola, ny fametrahana rafitra fitahirizan-drano avy amin'ny reniranon'Ikopa sy fananganana ivon-toerana fanadiovana sy famokarana rano ao Amoronankona.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanohanana ny fandraisana anjaran'ireo atleta malagasy taranja basketball amin'ny FIBA WORLD CUP 2025, ny 23 hatramin’ny 29 jona 2025 any Mongolie, sy ny AFROBASKET MEN, ny 12 hatramin’ny 24 aogositra 2025 any Luanda Angola, ary ny fandraisana anjara amin'ny Africa Cup 3×3, ny 04 hatramin’ny 07 desambra 2025 eto Antananarivo.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny 75% ny saran'ny fandraisana anjaran'ny delegasiona malagasy amin'ny andiany fa 13 amin’ny lalaon'ny CJSOI ho tanterahina any Seychelles ny 1 hatramin’ny 10 aogositra 2025.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanohanan'ny Fitondram-panjakana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny Rugby Africa Men's Seven's 2025 ny 21 hatramin’ny 22 jona 2025 ao Nosy Maorisy
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanohanan'ny Fitondram-panjakana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny Tompon-dakan'ny Francophonie taranja lutte ny 25 jona hatramin’ny 03 jolay 2025 ao Lomé, Togo.`
-
IV- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalana manasazy ireo fandikan-dalàna eo amin’ny lafiny fananan-tany.
MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Nolanian'ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny andininy 90 amin'ny didim-panjakana laharana faha 2023-1541 tamin'ny 06 desambra 2023 mamaritra ny andraikitra, ny fandaminana sy ny fampandehanana ny "Commission Malagasy de l'informatique et des Libertés" (CMIL) sy ny fikirakirana ireo torohay ho an'olona tokana.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny fananganana ny "Sommier National des Baux" ho famondronana, ny fitantanana sy fanarahahana ireo torohay momba ny fananan-tany mikasika ireo fifanaraham-panofana atao amin'ny Fitondram-panjakana malagasy. Izany dia mba hisian’ny mangarahara amin'ireo fifanarahana atao amin'ny Fitondram-panjakana sy hanampy amin'ny ady amin'ny fampiasana tsy ara-dalàna ireo tanim-panjakana
-
V- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
GOVERNEMANTA
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1524 tamin'ny 10 marsa 2021 ary manendry an-dRamatoa FETY Alessandrine Asmina, ho "Directeur Administratif et Financier auprès du Conseil de Discipline Budgétaire et Financière."
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-279 tamin'ny 10 marsa 2021 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANAIVOMAHENINTSOA Ny Antema Nirina Fanomezana, ho "Directeur de la Maîtrise d’Ouvrage de Service Public" eo anivon’ny Foiben-Taosaritanin’i Madagasikara (FTM).
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMAROLAHY Rojo Nirina, ho "Administrateur non-exécutif" eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara.
MINISITERAN'NY ATITANY
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-294 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAJERISON Adrien, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité".
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MAROVELO Andrianasolo Charles, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Vatovavy.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-332 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RASOLONIRINA Yves, ho "Directeur des Infrastructures".
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOVONONA Sergi Ranjariniry, ho "Directeur Administratif et Financier de l’Agence Nationale d’Appui au Logement et l’Habitat" (ANALOGH).
-
VI- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-934 tamin'ny 02 aogositra 2023 nanendry ny Tale eo anivon'ny Sekretera Jeneralin'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana eo anivon’ny Repoblikan'i Maorisy.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-758 tamin'ny 27 Marsa 2024 nanendry ny Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arak'asa Menabe
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-432 tamin'ny 28 febroary 2024 nanendry ny Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arak'asa Atsimo Atsinanana.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-913 tamin'ny 11 avrily 2024 nanendry ny "Directeur des Ressources Humaines".
Natao ny 18 jona 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika