TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Sabotsy 14 jona 2025 – Lapam-panjakana Ambohitsorohitra
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany Sabotsy 14 jona 2025 ny Filankevitry ny Minisitra manokana, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra sasantsasany.
-
I- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakana.
Efa lany andro ary tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ara-toekarena, ara teknolojia sy ny rafitra ankehitriny didy aman-dalàna (Didy hitsivolana laharana faha-62 075 tamin’ny 29 septambra 1962) mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakana teo aloha.
Anisan’ny tanjona kendrena amin’ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity ny hanavaozana tanteraka ny rafitra ara-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, hampanarahana izany amin’ny fenitra sy fomba fanao iraisam-pirenena ary indrindra ny hametrahana rafim-pitantanana mazava hanatsarana ny fandrindrana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpiantsehatra ara-panjakana rehetra.
Nisitraka ny fanohanana ara-teknika avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) ny famolavolana ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity, ary nisy ny fifampidinihana tamin’ireo sampandraharaha lehibe eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Banky Foiben’i Madagasikara, ary ny Fitsarana manokana momba ny kaontim panjakana (cour des comptes).
Ankoatra izany dia anisan'ireo fepetra takiana hahafahana misitraka ny famatsiam-bola ao anatin’ny fandaharan'asa FEC sy FRD miaraka amin’ny FMI ho an’ny taona 2025 ihany koa ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity.
Natao ny 14 jona 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika