TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 04 jona 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 04 jona 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN’NY FITSARANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny famindrana sorabola fanampiny ho fampandehanana sy fampitaovana ny PAC Fianarantsoa, ho fanatanterahana ireo fitsarana mitety vohitra ary indrindra hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly.
MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny andiany fahatelo amin’ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefan’ireo vondrom-bahoaka malagasy sy frantsay ny 18 sy 19 septambra 2025 eto Antananarivo. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa fa ny lohahevi-dehibe iompanan’ireo atrikasa dia ny “Fitantanana ifotony, mitarika fahahafaha-miarin-doha manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro” na “Gouvernance locale, vecteur de changement climatique”. Maromaro ireo sehatra voakasika mandritra izany fikaonan-doha izany: ny fambolena, ny sakafo, ny rano, ny fanadiovana sy fidiovana, ny fampandrosoana ara toekarena, ny tanora.
MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia fifanaraham piaraha-miasa eo amin’ny Departemantan’ny filaminam-bahoaka ao Anhui, Repoblika entim-bahoakan’i Sina sy Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana. Tafiditra ao anatin’izany fiaraha-miasa izany ny fampifandraisana (jumelage) ny Departemantan’ny filaminam-bahoaka ao Anhui, Repoblika entim-bahoakan’i Sina sy Fitalevam-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana. Izany dia mba hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny lafiny filaminam-bahoaka amin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa sy ireo fomba fanao tsara amin’ny ady amin’ny heloka bevava ary ny fanamafisana ny traikefa ara-stratejikan’ireo mpitandro ny filaminana. Hisy ihany koa ireo fitaovana hatolotry ny Departemantan’ny filaminam-bahoakan’i Anhui izay ilaina ho an’ny fitandroana ny filaminana.
MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM BAHINY + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanohizana ny iraka ara pahasalamana tanterahin’ny Mercy Ships ho an’ny taona 2026. Ny Mercy Ships dia fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana izay manolotra fitsaboana sy fandidiana maimaim-poana aty Afrika. Ankoatran’ny fitsaboana dia manome fiofanana ireo mpitsabo ihany koa izy ireo ary manohana ireo fotodrafitrasa fitsaboana.
MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny famindrana sorabola ho fampandehanan-draharahan’ireo oniversite enina sy ny “Parc Botanique et Zoologique Tsimbazaza”.
MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandoavana ireo tambin-karama amin’ireo asa mifandraika amin’ireo fanadinam-panjakana iandraiketan’ny minisitera amin’ny alalan’ny “mobile money”. Izany fomba fiasa vaovao izany dia hanala fahasahiran’ireo mpiasan’ny fanabeazam-pirenena, indrindra ireo miasa any amin’ireo toerana saro-dalana, izay tsy mila mandeha lavitra intsony raha hisitraka izany tambin-karama izany. Ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ihany koa dia mandray anjara amin’ny fangaraharan’ny fampiasam-bolam-panjakana.
MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY + MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo fepetra amin'ny fifampiraharahana amin'ireo solontenan'ny United States Trade Representative (USTR). Nahazo antso manokana avy amin'ny firenena amerikanina ny eo anivon’ny minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ary nanome fe potoana ahafahana miroso amin’ny fifampidinihana eo amin’ny fifanakalozana ara barotra eo amin'i Madagasikara sy Etazonia. Maro ireo teboka tian’izy ireo resahina ahafahana mametraka ny marimaritra iraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra araka izany ny hirosoana amin'izany fifampiraharahana izany.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana "licence d’importation de lubrifiants" ho an'ny orinasa "Société Tananarivienne d’Articles Réfrigérés" (STAR). Ny akora antsoina hoe Sopurmask dia ampiasaina amin'ireo tavoahangy mba tsy hahasimba azy ireo mandritra ny famokarana ireo zava-pisotro vokarin'ny orinasa STAR.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny fanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa Projet RIA-DECIM Phase 1.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanohizana ny famatsiana solika ho tahiry ho an’ny orinasa JIRAMA hiantohana ny famatsiana herinaratra ho an’Antananarivo. Manoloana ny olana eo amin’ny famatsiana herinaratra sedrain'ny vahoaka, dia tsy mitsahatra mitady ny vahaolana hatrany ny eo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra. Izany indrindra no antony hanohizana ny fametrahana tahirin-tsolika eo anivon’ny JIRAMA, araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika mba tsy isian'ny fahatapahan-jiro lavareny raha toa ka misy ny tsy fahatomombanana amin’ny famokarana azo avy amin’ny centrale hydroélectrique.
MINISITERAN’NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, amin’ireo Faritra Analamanga, Alaotra Mangoro sy Atsinanana.
Tamin’ny volana oktobra 2024 no natomboka ny asa fampifandraisana ny lalambe migodana amin’ny lalan’ny Tsarasaotra eo Ambodifasina (PK0). Efa miroso tanteraka izany asa fampifandraisana izany izay vinavinaina mialohan’ny fihaonana an-tampon’ny SADC amin’ny volana aogositra.
MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny idiran'i Madagasikara amin'ny Minerals Security Partnership (MSP). Tamin'ny taona 2022 ny Etazonia no nanangana ny MSP izay sehatra natao hampiroboroboana ireo rojom-pamokarana ireo "minéraux critiques" amin’ny alalan’ny fanohanana ireo firenena mpamokatra mitady mpampiasa vola na ihany koa fanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasas sy fanatsarana ny politika fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Nahazo fanasana manokana araka izany i Madagasikara iditra ao anatin'izany vovonana izany izay hanampy amin'ny fanamafisana ny toeran'ny firenena malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fidirana amin'ity vovonana ity ihany koa dia ahafahana mametraka fiaraha-miasa vaovao sy hifanakalozana traikefa sy ireo fomba fanao tsara.
MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny famerenana ny ampaham-bola nalaina mialoha ho fanomanana ny Résilience Climatique par la préservation de la Biodiversité des Parcs (PPF-PRCPB).
-
II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana 2024-976 tamin'ny 17 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa BELAHY Théophile, ho Prefet an'i Manakara.
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-987 tamin'ny 17 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RALOVASON RAKOTONIRINA Bernard Andriantody, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mahabo.
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-978 tamin'ny 17 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa TSIRY Nohary Andrianina Harimanana Lalaina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mandoto.
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-893 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Jean Jacques Pierrot, ho Lehiben'ny Distrikan'i Amparafaravola
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-678 tamin'ny 20 marsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RASOANIRINA Hanitriniaina, ho Lehiben'ny Distrikan'Antanifotsy
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-996 tamin'ny 17 Avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANTSARA Théophile, ho Lehiben'ny Distrikan'Antanambao Manampotsy
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry ireo "Responsables de Domaines"(Doyens de Faculté, Directeurs d’Ecole et/ou Institut) eo anivon’ny Oniversiten'i Toliara
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry ireo "Responsables de Domaines"(Doyens de Faculté, Directeurs Institut) eo anivon’ny Oniversiten'i Mahajanga
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry ireo "Responsables de Domaines"(Doyens de Faculté, Directeurs d’Ecole et/ou Institut) eo anivon’ny Oniversiten'i Fianarantsoa
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry ireo "Chefs d'établissements" eo anivon’ny Oniversiten'Antsiranana
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry ireo "Chefs d'établissements" eo anivon’ny Oniversiten'i Toamasina
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry ireo "Chefs d'établissements" eo anivon’ny Oniversiten'Antananarivo.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FANOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRARIJA Felana Nambinina, ho Tale Jeneralin'ny Fampianarana teknika.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-688 tamin'ny 07 jona 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAGALISON Théophile, ho "Directeur Général du Centre Malgache de la Canne et du Sucre."
MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1186 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANAMBOARINA Olierisoa Arlina Emma, ho Talem-paritry ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana Menabe
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa REBILY Niry Tahiry Fanny, ho "Directeur de la promotion et du partenariat du Centre National de l’Artisanat Malagasy"
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-663 tamin'ny 13 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANAMBINA Famonjena Diamondra, Directeur de la Dépêche Informative Taratra
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANÀNA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMANANTSOA Maherinarindra Tahirinavalona, ho "Directeur des Affaires Juridiques de l’Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat" (ANALOGH).
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANADRASANA Fanomezantsoa Toky, ho "Directeur des Ventes et Recouvrement auprès de l’Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat"(ANALOGH).
Natao ny 04 jona 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika