TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 28 may 2025
Notanterahina tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny Filankevitry ny Minisitra androany Alarobia 28 May 2025, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony. Mitarika ny delegasiona malagasy mandray anjara amin’ny fihaonambe ara-toekarena “Madagascar – Dubai Business Forum” ny Filohan’ny Repoblika, izay efa nahitana fahombiazana amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisana eo amin’ireo mpandraharaha malagasy sy émiratis.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny fivoriana ara-minisiterialin'ireo mpandrindra ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra nandritra ny FOCAC. Tanterahina ny 10 hatramin’ny 12 jona 2025 any Changsha, Sina izany fivoriana izany. Ny tanjona dia ny fanafainganana ireo tapaka nandritra ny fihaonambe natao ny volana septambra 2024 teo, izay nahazoan'i Madagasikara 200 tapitrisa RMB, fanomezana avy amin'ny firenena sinoa. Toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika ny ampiasana izany fanomezana izany amin’ny fanovana ny fomba fambolena. Ireo tetikasa rehetra entina manatanteraka izany moa dia efa niarahan'ny Sekretariam-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny Masoivohon'i Sina eto Madagasikara nandinika avokoa.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tsy fisian'ny valanaretina "poliovirus CVDPV1" intsony eto Madagasikara sy ny fametrahana ireo fepetra fanaraha-maso ara-pahasalamana hiadiana amin’ny mety ho fihanaky ny "poliovirus sauvage". Tamin'ny taona 2020 no nihanaka teto Madagasikara ny "poliovirus CVDPV1" noho ny fihenan'ny tahan'ny fanaovam-baksiny noho ny valanaretina COVID-19. Ny taona 2024 izay nataon'ny Fitondram-panjakana ho taonan'ny fanaovam-baksiny dia efa nitondra voka-tsoa sahady satria taorian'ireo hetsika fanaovam-baksiny sy fanaraha-maso rehetra natao dia feno ny fepetra rehetra hanambarana fa foana eto Madagasikara ny "poliovirus CVDPV1". Ny "Organisation de la Branche Régionale Afrique" (OBRA) izay sampana ara-teknikan'ny OMS no manamarina izany fanambarana izany. Ny fahombiazan'ireo hetsika rehetra fanaovam-baksiny dia noho ny haitarika nananan'ny Filohan’ny Repoblika sy ny fanoloran-tenan'ny vadin'ny Filohan’ny Repoblika, sady reny mpiahy ny fanaovam-baksiny, izay nidina an-tsehatra nitarika ireo hetsika fanaovam-baksiny manerana ny Nosy ary ny fiaraha-mientan'ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.
Mbola misy anefa ireo firenena hafa izay mbola ahitana ny karazana valanaretina "poliovirus sauvage" ka tsy maintsy hametrahana ireo fepetra ara-pahasalamana hentitra mba tsy hiparitahan'izany valanaretina izany eto Madagasikara. Anisan'izany ny tsy maintsy hanaovan'ireo mpandeha avy amin'ireo firenena voamarina fa misy ny "poliovirus sauvage" vaksiny mialohan’ny hatongavana eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fanaraha maso eny anivon'ireo sisintany sy ny fanamafisana ny fanentanana ireo mpandeha amin'ireo fepetra ara-pahasalamana.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny famerenana indray ny fanatanjahantena an-tsekoly isam-paritra (sports scolaires régionaux) sy ny fanatanjahantena an-tsekoly nasionaly (sport scolaire national) any amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny 18 hatramin’ny 24 aogositra 2025. Noho ny valanaretina COVID-19 dia tamin'ny taona 2019 no nisian'ny andiany farany amin'ny fanatanjahantena an-tsekoly izany ary izao miverina izao indray. Tanjona ny hanamafisana ny fanabeazana ara-batana ireo ankizy sy ny fanohanana ny sehatr'asa amin'ny fanabeazana ara-panatanjahatena. Anisan'ireo taranja ifaninanana amin'izany ny athlétisme, ny baolina kitra, ny handisport sy basketball (sokajy 14-15 taona). Handray anjara amin'izany avokoa ny Faritra 23.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fanajariana ny lalana ao an-tampon-tanànan'i Sambava vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana. Voakasik'izany ny lalana mampitohy an'Ambodisatrana hatramin’ny tetezana Antaimby. Nanterin'ny Filohan’ny Repoblika fa mila harahi-maso hatrany ny kalitaon’ny asa fanamboaran-dalana ary tokony ho sarotiny amin'izany ireo tompon’andraikitra rehetra. Tsy azoko ekena ny kitranoantrano, hoy hatrany ny Filoha, fa izay tena matihanina sy mahavita ny asa araka ny fenitra takiana no ilaina manao ny asa ary tokony misy antoka foana ireo asa atao.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hametrahana ireo soso-panovana (avenants) amin'ireo tsenam-baro-panjakana amin’ny fanamboarana ireo "forages" miisa 35 eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny antony dia ny hamindrana ireo "forages" sasantsasany amina toerana hahazoana rano bebe kokoa (mihoatra ny 1m³ isan'ora) sy ny fanovana tsy maintsy natao amin'ireo fotodrafitrasa sasany. Ny fametrahana itony “forages” itony dia mahasolo ny fampiasana roa na telo amin’ireo fiara vaventy mpitatitra rano ka ilaina no hahavitan’izany haingana.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fitokanana ny asa fanamboarana ny Pipeline Mandrare-Sampona, Faritra Androy sy Anosy. Anisan'ny tetikasa entina hiadiana amin’ny tsy fahampian-drano any amin'ny faritra Atsimon'ny Nosy ny Pipeline Mandrare - Sampona amin'ny alalan'ny tetikasa MIONJO vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena. Afa-pasahiranana araka izany ireo mponina satria olona manodidina ny 40.000 no hisitraka mivantana izany fotodrafitrasa izany ao amin’ny Faritra Androy sy Anosy. Anisan'ny asa natao ny fanamboarana tanteraka ny tambazotran'ny rano amin'iny lalam-pirenena faha-13 iny mandalo Andranogoa, Sampona ary mifarana ao Maroalimainty sy Maroalipoty.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hikarakarana ny Lalao Tompon dakan'i Afrika Atsinanana Tennis ambony latabatra ny 31 may hatramin’ny 03 jona 2025 eto Antananarivo ary ny fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'izany. Mampiakatra avo hatrany ny voninahi-pirenena ny fandraisana lalao iraisam-pirenena tahaka izao ary manamafy hatrany ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo ihany koa ny fahatokisan’ireo firenena hafa ny firenena malagasy amin’ny fikarakarana ny fandraisana ireo lalao iraisam-pirenena, izay efa nasehon’i Madagasikara tamin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy farany teo, sy ireo taranja maro hafa ihany koa.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TOERAM-PONENANA SY NY TANANA VAOVAO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fitokanana ireo trano mahazaka ny fiovaovan'ny toetrandro (Cases Traditionnelles Résistantes aux Aléas Climatiques- CTRAC) sy ireo "Maisons Communautaires Multifonctionnelles" (MCM). Ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo dia mifanaraka amin’ny paikady nasionaly fitantanana ny loza sy tadindon-doza. Ireo trano CTRAC dia trano mirefy 15m² izay nampanarahana fenitra manokana mba hahazaka ny fiovaovan'ny toetrandro. Ireo MCM kosa dia fotodrafitrasa azo ampiasaina handraisana hetsika ara-kolontsaina samihafa na koa natao hitahirizana ireo fanampiana ho an'ireo traboina. Miisa 188 ireo trano CTRAC efa vita tanteraka ankehitriny (Farafangana : 50, Vohipeno : 63, Manakara : 75) ary miisa 8 ireo MCM (Vohipeno : 1, Manakara : 2, Mananjary : 5).
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny tetikasa "Lac Iarivo" ahitana ny fanitarana ny rocade Tsarasaotra-Ivato sy ny fametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro 20MW. Efa miroso tanteraka ny ireo asa isan-tsokajiny hanatanterana ity tetikasa goavana ity, izay sady hanatsara ny endriky ny renivohitr'i Madagasikara no handraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC. Efa an-dalam-pamaranana ny fanesorana ny fizaka-manana ho an’ireo olona voakasiky ny tetikasa ary hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra 20MW. Efa vita ihany koa ny fanadihadiana momba ny hametrahana ireo fiantsonan’ireo fiara fitateram bahoaka “electrique” ampiasaina manokana ho an’ny Lac Iarivo. Fanamby napetraka ny tsy maintsy havitan’ireo asa rehetra mialohan’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC.
-
IV- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY FITSARANA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka ny rafitra hanatanterahana ny Paikady Nasionaly amin'ny Ady amin'ny Kolikoly (SNLCC). Izany rafitra izany dia ahitana ny komity mpitarika, ireo komity stratejika, ny komity fanaraha-maso sy tombana ary ny komity ahitana ireo mpiantsehatra marolafy. Ankoatra ny fametrahana izany rafitra izany, ity didim-panjakana ity miantoka ny firindran'ny asan'ireo komity ireo amin'ny famaritana mazava ny anjara andraikitry ny tsirairay.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalana manome alalana ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana findramam-bola amin'ny famatsiana ny tetikasa fanatsarana ny vokatra fambolena dingana faharoa (PAPAM 2), natao ny 24 avrily 2025 teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Agence Française de Développement.
-
V- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1333 tamin'ny 15 oktobra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAMAROLAHY Hery Naina, ho Talem-paritry ny fandraharahana ny fonja Itasy.
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOMBOZARA, ho Sekretera Jeneralin’ny Prefektioran'i Maevatanana
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ZARANIVO Ernestine, ho Lehiben'ny Distrikan'i Befandriana Avaratra
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANASOLO Felix, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Sofia.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAMBOLA Tiana Christophe Richard, ho Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny Fampiofanana arak'asa Vatovavy.
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-221 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMAVO Zo Andrianina Patrick Herintiana, ho "Directeur des Recherches et Développement Hydrométéorologiques"
MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1184 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RABARY Mamioelison Patrick, ho Talem-paritry ny Asa, ny Fampananan'asa sy Asam panjakana Itasy.
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1587 tamin'ny 14 aogositra 2019 ary manendry an-dRamatoa RIVOSOA Lalaina, ho Talem-paritry ny Asa ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana Anosy
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIMAHATRATRA Hantanomenjanahary Eldie, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Amoron’i Mania.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-848 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANIRINA Didier Emmanuel, ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Alaotra Mangoro.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-766 tamin'ny 27 marsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOFIRINGA Ny Kanto Elysa, ho "Directeur de la Promotion du Volontariat et de l’Animation Communautaires"
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TOERAM-PONENANA SY NY TANANA VAOVAO
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1024 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAFETRASON Arindra Hantanirina, ho "Directeur Administratif et Financier"
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Lalaina Andriamparany, ho "Directeur de la cellule Anti corruption" (CAC)
-
VI- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-555 tamin'ny 19 may 2021 nanendry ny "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Mitsinjo Betanimena TOLIARA"
Natao ny 28 may 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika