TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alakamisy 22 may 2025 – Banky Foibe Nosy Be

 

Notanterahina tao amin’ny trano fivorian’ny Banky Foibe tao Nosy Be androany alakamisy 22 may 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony. Nandray anjara feno nandritra ireo adihevitra ihany koa ireo tompon’andraikim-panjakana voafidy sy voatendry tao an toerana.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA MOMBA IREO TETIKASA LAHARAM-PAHAMEHANA SY MAIKA

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Ao anatin'ny fanatanterahana ny tetikasa 50MW izay fanamby nataon'ny Filohan’ny Repoblika hametrahana tobim-pamokatra herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro manerana ny renivohi-paritany dia anisan'ireo misitraka izany ny Faritra Diana. 5MW ao Madiro, Nosy Be, ary 2,5MW ao Betahitry, Antsiranana. Hatomboka mandritra ny dian’ny Filohan’ny Repoblika aty Nosy Be ny asa fanamboarana izany tobim pamokarana izany ary vinavina hamokatra herinaratra ny volana aogositra 2025.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA, SY NY FIDIOVANA

    Manoloana ireo olan’ny tsy fahampian-drano ao Nosy Be sy Antsiranana noho ny fitomboan'ny filan'ny mponina dia tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio ao an-toerana

    Mahatratra 1600m³ isanandro ny tsy fahampian'ny famokarana ao Nosy Be ary 15.000m³ isanandro izany ao Antsiranana. Ho an'i Nosy Be manokana, asa mila atao maika ny fanoloana ireo paompy sy kojakoja efa simba ary havaozina tanteraka ihany koa ny rafitra famatsian-drano hahazoana famokarana 4800m³ fanampiny isanandro sy fametrahana "groupes de secours". Hamafisina ihany koa ny fantson-drano Ampahiribe - Andilana sy ireto toerana avo.

    Ho an'Antsiranana kosa, dia anisan'ireo asa atao ny fametrahana "forages à drain" miisa enina (6) ao Antongombato ary efatra (4) ao Sahantanana. Havaozina sy hitarina ihany koa ny "station de traitement" efa misy ao PK7 ary ho soloina ny fantson-drano avy amin'ny tohodranon'Ambodimanga. Eo ihany koa ny fanamboarana ireo tobim pamokaran sy fitahirizan-drano manerana ny tanàna sy fanavaozana fantsona mizara rano mirefy 75km.

    Notsipihan'ny Filohan’ny Repoblika fa efa an-taonany maro no tsy misy ny fampitomboana ny fampisitrahana ny rano fisotro madio – tsy eto Nosy Be ihany fa manerana ny Nosy. Ho an'i Nosy Be izay tena am-pototry ny rano, hoy ny Filoha, ary manana ny loharanon-drano faran’izay tsara sy madio dia tsy tokony ho ory rano nefa vao andro vitsy izay dia tapaka nandritra ny 15 andro ny rano ao an-toerana. Izany indrindra no antony tsy maintsy hanovana sy hanavaozana tanteraka ireo fitaovana rehetra. Mikasika ny fandrindrana ny asa dia nanome toromarika ny Minisitra tompon’andraikitra ny Filohan’ny Repoblika hijery akaiky ny fomba fiasa mba hanafainganana ny fitondrana vahaolana raha sendra tranga toy izay. 

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Hatsangana ao Nosy Be ny tetikasa "Nouveau Quartier Mixte de Madiro Nosy Be" eo amina velaran-tany 118Ha ao Andilana, ary solon'ny tanàna tokony naorina tao Jabala izay naato noho ireo fanorenana tsy ara-dalàna tao an-toerana. Ao Avaratra-Andrefan'i Nosy be no hananganana ity tetikasa ity izay mbola tsy ahitana fotodrafitrasam-panjakana miorina. Tanjon'ny tetikasa araka izany ny hanatsarana ny endriky ny tanàna sy hanamafy ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-sosialy eny an-toerana Hita eo amin'ity tanàna vaovao ity ny faritra misy ireo fivarotana samihafa, ny faritra misy ireo sampan-draharaham-panjakana, ireo toeram-ponenana (tetikasa OTOH), trano fandraisam-bahiny sy ireo toeram-pitsangatsanganana sy fialam-boly isan-karazany. Mikasika ity tetikasa ity ihany koa dia hisy fandaharan’asa natokana ho an’ireo teratany malagasy monina sy miasa any ivelany izay maniry hanana tany aty Madagasikara. Hanampy betsaka amin’ny fampahafantarana an’i Madagasikara sy Nosy be izany ary hahafahan’ireo malagasy monina any ivelany mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny tany : "PASSANDAVA" TN°548-BO mirefy 6Ha, aorian'ny tany nanorenana ireo toeram-ponenana miisa 80 ao Nosy be. Izany tany izany dia entina hanatanterahana ny tetikasa "cité des fonctionnaires" sy hananganana toeram-ponenana ao anatin'ny tetikasa One Title One Housing- OTOH.

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanohizan'ny orinasa SEIMAD ny asa fananganana ireo trano mora miisa 80 ao Antsiranana. 69% ny asa fanamboarana no mbola mila tanterahina ary vinavinaina ho vita tanteraka hatramin’ny volana desambra 2025 izany ary manaraka ny fepetra takian'ny bokin'andraikitra.

  • II- FANATSARANA NY FITANTANANA NY FAMPIASAM BOLAN'IREO TETIKASAM-PANJAKANA (PIP) HO AN’NY TAONA 2025

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana sy fampandehanana ny rafitra ara-informatika ao amin’ny Hotel des Finances ao Antsiranana sy ny fanavaozana ny biraon'ny Tahirim-bolam-panjakana ao Antsiranana izay tafiditra ao anatin'ny fampiasam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2025 ho an’ny minisitera.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana fotodrafitrasa sy fampandehanana ireo biraom-panjakan'ny minisitera ao anatin'ny fampiasam bolam-panjakana ho an'ny taona 2025 ho an'ny faritanin’Antsiranana. Anisan'izany ny fananganana ivon-toerana ho an'ireo zaza tsy manana ray aman-dreny mpiahy ao Antalaha, ny fananganana biraon'ny minisitera ao Ambanja ary ny fampitaovana sy fampandehanana biraom-panjakana ao Ambilobe, Andapa ary Antsiranana II. Hisitraka ny fanohanana ny seha-pihariany ihany koa ireo fikambanam-behivavy ao amin’ny Faritanin'Antsiranana.

  • III- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ARTISANAT

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran'ny delegasiona malagasy amin'ny Madagascar - Dubaï Business Forum ny 27 hatramin’ny 29 may 2025 any Dubaï, Emirats Arabo Mitambatra.

    Ny tanjon'ity fihaonambe ity dia ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy ny Emirats Arabo Mitambatra, amin'ny fanasongadinana ny fahafahana mampiasa vola amin'ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny teknolojia. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Hisy ihany koa ny fanasoniavana fifanarahana ara-barotra samihafa mikendry ny handrafetana sy hanamafisana ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin'ny firenena roa tonta. Mandritra io fotoana io no hanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Masoivohon'i Madagasikara any Abu Dhabi. Ny Filohan’ny Repoblika moa no hitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY + MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny andiany fahatelo amin'ny fikaonan-dohan'ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasimbe (UNOC3) tanterahina any Nice, Frantsa ny 9 hatramin’ny 13 jona 2025.

    I Frantsa sy Costa Rica no mikarakara ity fivoriana mitondra ny lohahevitra "Miara mientana ho an'ny fitantanana lovain-jafy ny ranomasimbe" na "S’engager ensemble pour une gestion durable de l’Océan". Tanjona ny handaniana drafitr'asan'i Nice ho an'ny ranomasimbe na "Plan d'Action de Nice pour l’Océan" ka hisy ny fanambarana ara-politika sy fanamby apetrak'ireo mpiantsehatra. Lokan'ady ho an'i Madagasikara ny hiaro ny tombontsoa ara-stratejika amin’ny fari-dranomasiny sy ny fiandrianany amin'ny Faritra ara-toekarena manokana (ZEE) midadasika eto amin'ny Ranomasimbe Indianina ary ny fampiroboroboana ny toekarena manga lovain-jafy sy mampiaty. Eo ihany koa ny ady amin'ny fandotoana ny rohivoary an-dranomasina, ny fiovaovan'ny toetrandro, ny jono tsy ara-dalàna sy ny fitrandrahana diso tafahoatra ny haren-dranomasina. Io fivoriana io, araka izany, dia fotoana iray hahafahan'i Madagasikara manamafy ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny fitandroana ny haren-dranomasina, ny hijerena fiaraha-miasa sy famatsiam-bola ary fampahafantarana ireo tetikasam-panjakana momba ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampahafantarana ireo asa atao ao Antsiranana ao anatin'ny "Programme d’Appui et de Développement des Villes d’Equilibre Phase 1 et Phase 2" (PADEVE 1 et 2). Tanjon'ity fandaharan'asa ity ny fanohanana ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe izay hiarahana amin'ny Agence Française de Développement (AFD) ary misitraka izany i Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara, Mahajanga, Toamasina sy Antsirabe. Tamin'ny dingana voalohany dia efa nisy ireo vokatra azo. Anisan'izany ny fanatsarana ireo toerana iombonana toy ny zaridaina, ny fanamboarana ny lalana an-tampon-tanàna, ny fanamboarana tsena sy fotodrafitrasa toy ny abattoir.

    Ho an'ny dingana faharoa kosa dia hisy ny fanatsarana ny fahafaha-miatrika ireo tondran drano amin'ny alalan'ny fanamboarana "drain" ao Morafeno sy Ambohimitsinjo, ny fanamboarana ny lalana Beniowsky, Louis Brunet sy Général de Gaulle sy lalana miditra Lazaret Sud. Eo ihany koa ny fanamboarana ny lalana mampitohy ny seranan-tsambon'i Jasmine amin’ny Lazaret Nord sy ireo lalana ao Manongalaza, ny lalana ao Tanambao V ary ny fanatsarana ireo fivarotana amin'ny alalan'ny fanamboarana tsena lehibe (320 places) sy fivarotan-kena (120 places)

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ireo asa fanamboarana fotodrafitrasa ara-toekarena sy ara-sosialy ho an'ireo Vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana ho an'ny Faritra Diana. Ireo fotodrafitrasa ireo dia mamaly ny filàn’ireo vondrom-bahoaka eny ifotony ary maro amin'izy ireo no vita tanteraka na an-dalam-panamboarana toy ny efitrano fianarana EPP sy CEG, fanajariana lalana ambanivohitra, fananganana toeram-pitsaboana fototra (CSB), biraon'ny kaominina sy tranopokonolana, tsena, tetezana, sns. Ny famatsiana ireo tetikasa ireo moa dia na avy amin'ny tetibolan'ny minisitera, na ny Tahirim-bola ho an'ny Fampandrosoana ifotony (FDL) na vokatry ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon’antoka iraisam pirenena.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny asa fanajariana sy fampanarahana fenitra ireo fitaovana eo anivon’ny CHRD an'i Nosy Be sy Sainte Marie. Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hanavaozana ny hopitalin'ny Nosy Be ho "Centre Hospitalier Universitaire" (CHU). Ny fizahantany no foto pivelomana voalohany ho an'ny Nosy Be ary maro rahateo ireo sidina iraisam-pirenena izay mivantana ao an-toerana ka tokony ho jerena ihany koa, hoy hatrany ny Filoha, ny hampiroboroboana ireo endrika fizahantany mifototra amin’ny fahasalamana toy ny "balnéothérapie" sy ny "thalassothérapie".

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa hananganana "aquarium marin" ao Nosy Be izay tetikasan'ny Ivon-toerana nasionaly momba ny fikarohana momba ny tontolo an-dranomasina (Centre National de Recherche Océanographique). Anisan'ny manan-karena zava-boahary an dranomasina i Nosy Be ary ny fananganana ity "aquarium" ity indrindra dia natao hiarovana azy ireo amin'ireo ambana samihafa toy ny fandotoana ny tontolo an dranomasina sy ny jono tsy ara-dalàna. Tanjona araka izany no hanomezana toerana hialofan'ireo biby an-dranomasina sy hitomboany, ny hametrahana ivon-toerana hahafahana manao fikarohana momba ireo rohivoary an-dranomasina eto Madagasikara ary fametrahana toeram-pizahantany manaja tontolo iainana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanokafana ny Oniversiten'i Nosy Be Hell Ville. Hisokatra amin’ny taom-pianarana 2025-2026 izany oniversite izany, ary hamaly ny filan'ny Faritra amin'ny alalan'ireo sampam-pianarana mifandraika amin'ny fizahantany, ny tontolo iainana, ny toekarena manga, ny fitantanana trano fandraisam-bahiny, ny agro-alimentaire sy ny fandraharahana ifotony.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa fanovana ireo vokatra an-dranomasina ho tohana ara-tsakafo (complément alimentaire) iadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo. Tetikasa volavolain'ny Centre National de Recherche Océanographique ny famokarana tohana ara-tsakafo be otrikaina sy ireo singa ilaina amin'ny fanjarian-tsakafo avy amin'ny fanodinana hazan-dranomasina. Ny famokarana ireo tohana ara-tsakafo ireo dia ho fanoitra lehibe amin’ny ady amin'ny tsy fanajarian-tsakafo eto Madagasikara. 

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fikarakarana ireo fanadinam-panjakana iadidian'ny minisitera dia ny BEPC, ny CA/EP, CAP/ EP. Efa misy moa ny fanatsarana nentina hahatomombana ny fitsinjarana ireo fitaovana amin'ireo ivon-toeram-panadinana.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny Fitsipika ara-tekinika mifehy ny lavanilina ho an'ny varotra an-tsinjarany eto anatiny na ireo aondrana.

    Efa tamin'ny taona 1999 ireo fenitra malagasy mbola mihatra ankehitriny ary tsy mifanaraka amin’ny filan'ireo tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Araka ny fangatahan'ireo mpiantsehatra, anisan'izany ny "Comité National du Codex Alimentarius" dia nisy ny volavolana fenitra natao izay narindran'ny "bureau des normes de Madagascar" ary nankatoavin'ireo mpiantsehatra tany Toamasina tamin'ny 19 septambra 2024. Ilaina araka izany ny mamaritra fitsipika ara-teknika mifototra amin'izay fenitra vaovao izay mba hahafahana mampihatra azy. Ny tanjona dia ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny lavanilina malagasy sy hanamafisana ny toerany eo amin’ny tsena anatiny sy iraisam pirenena.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ATITANY + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fivarotana lavanilina eto Madagasikara.

    Ho fiarovana ny lentan'ny lavanilina malagasy indrindra eo amin’ny tsena iraisam pirenena dia misy ny paikady napetraky ny Fitondram-panjakana izay mifototra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra, ny hampa-matihanina ny sehatra lavanilina ary famatsiana maharitra ireo taom-pamokarana. Anisan'ny laharam-pahamehana ny fanavaozana ny fanomezan-dalana hanondrana amin'ny alalan'ny fanomezana rafitra fanohanana ireo mpamboly. Ilaina ihany koa ny fanamafisana ny rafitra mpanara-maso ka mila fanavaozana ny didim-pitondrana laharana faha 35255/2013 tamin'ny 6 desambra 2013 sy laharana 8579/2016 tamin'ny 08 avrily 2016 ho fanatsarana ny fitantanana ity sehatra ity.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny drafi panarenana ny JIRAMA. Ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA no nanolotra izany drafitra izany manoloana ny Filan-kevitry ny Minisitra. Ny tanjona dia ny fampihenana ny fiankinan dohan'ny JIRAMA amin'ireo ny “subventions” omen'ny fanjakana sy fampitomboana ny fahombiazana ara-teknika eo amin’ny famokarana. Ao anatin'izany drafi-panarenana izany ihany koa ny fananganana ireo ivon-toerana mpamokatra herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro izay hampihena ny saram-pamokarana herinaratra.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famatsiam-bola fanampiny ho an'ny tetikasa LEAD.

    Tamin'ny volana janoary 2025 lasa teo i Madagasikara dia nanao sonia ny Pacte Energétique National tany Dar es Salaam nandritra ny fihaonambe M300 izay mikendry ny fampisitrahana angovo ny 80% ny mponina hatramin’ny 2030. Ny fanatanterahana ny ampahan'ireo drafitr'asan'ny fitondram-panjakana malagasy dia mifanaraka amin’ny tanjon'ny tetikasa LEAD amin'ny fampitomboana ny fisitrahan'ny tokantrano herinaratra izay nahazo famatsiam-bola fanampiny avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena mitentina 92 tapitrisa dolara. Izany dia entina hanomanana ny "Pacte Energétique National" sy hanohanana ny orinasa JIRAMA amin'ny fanatanterahana ny drafi-panarenany sy hamatsiana ireo asa maika mila atao amin'izany. 

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny asa fanajariana sy fitohizan'ny fifamoivoizana amin'ny RNP6 eo amin’ny tetezana Ifasy sy Mahavavy. Efa vita tanteraka ny asa fikojakojana sy fanamafisana ireo "passages à gué". Hisy ny fanitarana ny tetezana Mahavavy amin'ny alalan'ny "pont médullaire" mirefy 42m izay ho vatsian'ny tahirim-bola ho an'ny lalana. Ho an'ny lavitr'ezaka dia hisy tetezana roa vaovao hatsangana amin'ny alalan'ny tetikasa PCMCI vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha enina. Anisan'ny lalam-pirenena hisitraka asa fanamboarana maromaro ity lalam-pirenena mampifandray ny tapany avaratry ny Nosy ity. Anisan'izany ireo vatsian'ny tahirim-bola ho an'ny lalana : ny PK 0+ 000 hatramin’ny PK 36+ 000 eo anelanelan'Ambondromamy sy Antsatramena, ny PK700 + 080 hatramin’ny PK 708 + 780 eo anelanelan'ny BARMA sy ny tetezana Antseranana. Misy ihany koa ny vatsian'ny Banque Européenne d'Investissment (BEI) : eo ananelan'Ambanja sy Ambilobe, ary Ambilobe sy Antsiranana. Eo ihany koa ireo asa fikojakojana sy fanamboarana ao anatin'ny tetikasa PCMCI mampitohy an'Ampampamena sy Antsohihy ary Antsohihy sy Ambanja. Efa an-dalam-panamboarana avoaka moa ireo lalana rehetra ireo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny asa fanamboarana sy fanajariana ny tetezana Manambery eo amin’ny RN5A eo amin’ny PK173+000 vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena. Efa vita moa ireo asa maika nila natao ary ny asa fanarenana ny tetezana dia efa nanomboka ny volana avrily 2025 ary 75% no efa vita ankehitriny. Vinavinaina vita tanteraka izany ny volana jona 2025.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fametrahana Digital Center sy Bibliothèque Numérique ao Antsiranana. Ny digital center izay apetraka ao amin’ny Place Kabary ao Antsiranana dia natao hanohanana ny tetikasan' ireo tanora mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra. Hita ao ny toerana hahafahana miaraka miasa (co working), ny laboratoara hanaovana andrana sy fampitaovana ara-haitao ara-kajy mirindra ho fampiroboroboana ny asa famoronana. Ao amin’ny fokontany Soafeno no hananganana ny Bibliothèque numérique izay natao ihany koa hampiroboroboana ny tetikasan'ireo tanora mpandraharaha.

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fampitana am-bava momba ny famindram-pitantana ny Faritra Arovana eto Madagasikara.

    Ilaina fitantanana hentitra sy mahomby mba hiarovana ny tolotra ara-tontolo iainana omena ireo faritra arovana ary hanamafisana ny fiarovana azy amin'ny loza atrehiny, toy ny doro tanety, fihazàna an-tsokosoko, ary fanararaotana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary. Mba hahatanterak? izany dia ilaina loharanon-karena ampy amin'ny lafiny ara-pitaovana sy ara-olona, ary mila tohanan'ny fanjakana amin’ny alalan’ny fahaiza-manao manokana. Kasaina hatolotra amin'ny "délégation de gestion" ny fitantanana an’ireo faritra arovana sasantsasany. Tsara marihina fa, na dia efa nisy aza ny “délégation de gestion” natao teo aloha, dia efa tapitra mialoha ny taona 2017 sy 2023 avokoa ireo fifanarahana ary tsy mbola nohavaozina hatramin’izao. Ny fepetra sy dingana ara-dalàna napetraka, dia misy Faritra Arovana maromaro nahafeno ny fepetra rehetra. Ireo faritra arovana ireo dia nahazo fankatoavana avy amininy COS isam-paritra ary nahazo naoty tsara indrindra tamin'ny fanombanana nataon’ny fitantanan-draharaham-panjakana. 

    Ny antontan-taratasy mifandraika amin’ity "délégation de gestion" ity dia efa natolotra tamin’ny filankevitry ny governemanta nandritra ny fivoriana natao ny 14 janoary 2025, izay nankatoa ny fanatanterahana ny “délegation de gestion” ho an'ny Faritra arovana eto Madagasikara. Ny dingana manaraka dia ny fanatanterahana ny famaranana ireo fanarahana amin'ireo mpitantana voafantina, ka hohamafisina ny fanajana ny fepetra ara tontolo iainana, ara- tsosialy, ara-toekarena, ary ara-pitantanana takian'ny fanjakana.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny CHALLENGE IHF TROPHY ZONE 7 taranja Handball 2025, ny 27 hatramin’ny 31 mai 2025 ao Antananarivo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny andraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fivorian'ny CJSOI ny 10 hatramin’ny 13 jona 2025 any Seychelles.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana Gymnase 4000 places ao amin’ny Faritanin'Antsiranana. Eo akaikin’ny Commisariat Centrale amina velaran tany 4Ha no hananganana izany ary tsy mena-mitaha amin'ny ao Toamasina sy Mahajanga.

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanganana "Brigade spéciale"ho fiarovana ny vokatra lavanilina ao Andapa, Antalaha sy Vohemara. Ny fametrahana ity brigade spéciale ity dia ny hitandroana ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny sy hiarovana ireo mpamboly.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fizarana ireo fitaovam-pambolena vary safiotra ny fanajariana ireo fotodrafitrasa fambolena ho an'ny faritra Diana sy Sava. Hisy ny fananganana ozinina mpamokatra zezika mineraly hamokatra 20.000 taonina isan-taona ao Ankiabe Nord, distrikan'Andapa sy ozinina hamokatra masomboly nohatsaraina ao Antalaha. Eo ihany koa ny fananganana toerana fitahirizam-bokatra hatramin’ny 5000 taonina ao amin’ny Faritra SAVA. Ankoatra ireo dia efa mandroso ny fikarohana eo anivon’ny FOFIFA mba hahafahana mamokatra eto an-toerana ireo karazana masomboly "riz hybrides".

  • IV- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalana momba ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana (Biodiversity Beyond National Jurisdiction) BBNJ. Nolaniana ny volana jona 2023 teo anivon’ny Firenena Mikambana izany fifanarahana izany izay mikendry ny fiarovana sy fampiasana lovain-jafy ny rohi javaboahary an-dranomasina 

  • V- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Médecin-Colonel RANAIVOSON Honoré, ho "Chef de Département Médecine du Centre Hospitalier de Soavinandriana"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Médecin-Colonel RANDRIAMAHAVONJY Romuald, ho "Chef de Département Mère et Enfant du Centre Hospitalier de Soavinandriana"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Médecin-Colonel ANDRIAMBOLOLONA Mamy Nirina, ho "Chef de Département Para-clinique et appui du Centre Hospitalier de Soavinandriana"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Médecin-Colonel TOVONE Tolora Marie Myriame, ho "Chef de Département Urgence et Réanimation du Centre Hospitalier de Soavinandriana"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Médecin-Colonel ANDRIAMANJATO Miharisoa Rija, ho "Chef de Département Médicochirurgical Cardio-Vasculaire du Centre Hospitalier de Soavinandriana"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Dentiste-Général de Brigade RAZAFITANDRIFY Jacques Fidelis, ho « Chef de Département Odontostomatologie du Centre Hospitalier de Soavinandriana »
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Médecin-Colonel RAZAFIMAMONJY Norbert, ho "Chef de Département Chirurgie Spécialisée du Centre Hospitalier de Soavinandriana"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Médecin-Colonel RAJAONARIVONY Maheriandrianina Fanambinana Voahary, ho "Chef de Département Chirurgie du Centre Hospitalier de Soavinandriana"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-961 tamin'ny 17 avrily 2024 ary manendry ny Général de Brigade RALAIMAMPANDRY Benoit, ho Kaomandin'ny fari-piarovana sy filaminana Tsiribihina ao Morondava eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1382 tamin'ny 10 jolay 2024 ary manendry ny Colonel DAFITSE Pierrot, ho Kaomandin'ny fari-piarovana sy filaminana Fiherenana (Sud-Ouest) ao Toliara eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika.

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1529 tamin'ny 18 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAVAO James Judicaël, ho Talem-paritry ny fandraharahana ny fonja Melaky

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIANASOLO Malalanirina, ho "Directeur des Reformes"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-419 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RATSARAMIANDRISOA ANDRIANANTOANINA Solofonirina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Tsaratanàna.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-411 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa ZAFILAHY Adrien, ho Lehiben'ny Distrikan'Andapa.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1918 tamin'ny 13 novambra 2024 ary manendry an'Andriamatoa NDEHA Sylvain, ho Lehiben'ny Distrikan'i Marovoay.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-221 tamin'ny 24 febrorary 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANAIVO Ombanimahery Mamy, ho Talem-paritry ny Fahasalamam bahoaka Ihorombe

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOTO Macrotleto, ho Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy Fampiofanana arak'asa Atsinanana

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAMONJISON Rosemine Célestina, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra SAVA.

    MINISITERAN'NY NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Mandimby Angevio, ho Talem-paritry ny asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam panjakana Diana.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TOERAM-PONENANA SY NY TANANA VAOVAO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022 654 tamin'ny 04 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANAIVO Hery Lalao Rabenandrasana Jean Caude, ho "Chef de l’Unité de l’Audit Interne et Doléance"

  

Natao ny  22 may 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika