TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 14 may 2025 – Hotel Vahine, Toliara
Notanterahina tao Toliara androany Alarobia 14 may 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra ivelan’Antananarivo, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblika ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA MOMBA IREO TETIKASA LAHARAM-PAHAMEHANA SY MAIKA
MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampidirana herinaratra ho an'ireo toeram-pitsaboana fototra (CSB) ho an'ny Faritra Atsimo Andrefana. CSB miisa 500 manerana an'i Madagasikara no hampidirana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro ao anatin'ny tetikasa LEAD izay hiarahana amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Miisa 47 ireo CSB manerana ny Nosy no efa misitraka izany tetikasa izany hatramin’ny taona 2021. Ho an'ny Faritra Atsimo Andrefana manokana dia miisa 25 izy ireo no efa misitraka izany ho fiantohana indrindra indrindra ny fitahirizana ireo fanafody saropady hitsaboana ireo marary (chaine de froid) tahaka ny vaksiny.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN'AFO + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny dingana voalohany (1ère phase) amin'ny fametrahana ireo ivon-toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin'ny masoandro (parcs solaires), tetikasa 50MW. Anisan'ireo renivohi-paritany hisitraka izany tetikasa fampisitrahana herinaratra manakaiky vahoaka izany i Toliara ao Andranomena. 2.5MW izany ho an’ny dingana voalohany ary hahatratra amin’ny 10MW rehefa vita tanteraka. Efa vita avokoa ny fanadihadiana ara-teknika sy ny lafiny fananan-tany mahakasika ireo tobim-pamokarana ireo. Efa manomboka ihany koa ny fanajariana ny tany hametrahana ny tetikasa izay ifandrimbonan'ny Governoran'ny Faritra voakasiky ny tetikasa sy ny Sekretariam panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famindrana ny tany fananan'ny Minisiteran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro amin'ny anaran'ny Sekretariam-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana mitondra ny anarana « Gare routière », TN° 10. 127-CJ, ao Andranomena, distrikan'i Toliara II, mirefy 50 ha 59 a 88 ca. Io tany io dia entina hanorenana tanàna vaovao ahitana fotodrafitrasa samihafa toy ireo trano mora, ny fotodrafitrasam-pitaterana, tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro, sns. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (PPP) amin’ny fametrahana ireo fotodrafitrasa fototra
-
II- FANATSARANA NY FITANTANANA NY FAMPIASAM BOLAN'IREO TETIKASAM-PANJAKANA (PIP) HO AN’NY TAONA 2025
MINISITERAN'NY FITSARANA
Tetikasan'ny minisiteran'ny fitsarana ny hanohizana ny asa fanamboarana ny fonja ao Amboasary Atsimo. Ity fotodrafitrasa ity dia handray anjara amin'ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana sy ny fitsinjovana ny zon’olombelona ao an-toerana. 68,3% ny asa ankehitriny ary vinavinaina ho vita tanteraka izany hatramin’ny taona 2026.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampidirana sy fampandehanana ny tambazotra ara-informatika ao amin’ny Hôtel des Finances ao Toliara izay tafiditra ao anatin'ny tetikasam-panjakana ny minisitera ho an'ny taona 2025. Ny fampandehanana ity tambazotra ity dia hanampy bebe kokoa amin'ny fahombiazana ny fitantanan-draharaha ao anaty mangarahara sy ny fahazoana ireo torohay. Hiena araka izany ihany koa ny fandaniana eo amin’ny fikirakirana antontan-taratasy.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hividianana ireo milina mpihary herinaratra (groupes électrogènes) miisa dimy ho an'ny orinasa JIRAMA eto amin'ny Faritra Atsimo Andrefana. Ny fahazoana ireo milina mpihary herinaratra ireo dia hanampy amin'ny fampihenana ny fahatapatapahan-jiro matetika sy ho fanatsarana ny tolotra omen'ny orinasa JIRAMA. Hisitraka izany ny ao Ankazoabo, Bezaha, Morombe, Betioky Atsimo ary Sakaraha.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Ankoatry ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, sy ny lalana hanatanterahana ny tetikasa Sahofika dia anisan'ireo tetikasa laharam-pahamehana ho an'ny minisiteran'ny asa vaventy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an'Ihosy - Betroka ary Ambovombe. Tanjona ho an'ity taona 2025 ny hamitana ny ampahan-dalana mampitohy an'Ihosy sy Betroka izay mirefy 118km. Ny ampahan'ity lalam-pirenena ity izay mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe dia efa an-dalam-pamaranana tanteraka ankehitriny ka hiroso @ fitsidihana izany ny Filoham-pirenena mandritra ity fidinana ifotony ity. Noresahina nandritran’ny fivoriana ihany koa ny hanohizana ny lalana hatrany Ampamata.
-
III- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny andiany fahatelo amin'ny fivoriana ara-minisiterialin'ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina, ny fivoriana voalohan'ny komity minisiterialy fanaraha-maso eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina, ny andiany faha- 119 ny Filankevitry ny Minisitry ny Vondron'ireo firenena afrikanina, Caraïbes sy Pacifique (OEACP) ary ny Filankevitry ny Minisitra iombonana OEACP sy ny Vondrona Eoropeanina ny 21 hatramin’ny 27 may 2025 any Bruxelles, Belgique.
Ireo fivoriana ara minisiterialin'ny Vondrona afrikanina sy Vondrona Eoropeanina ireo dia hanomana sahady ny andiany faha-7 amin’ny fihaonana an-tampon'ny Vondrona Afrikanina sy Vondrona Eoropeanina izay ho tanterahana ny enim-bolana faharoan'ny taona 2025. Ny Filan-kevitry ny Minisitry ny OEACP kosa dia hiresahana ireo fanamby maneran-tany mila hatrehina ankehitriny ary ny Filankevitry ny Minisitra iombonana eo amin’ny OEACP sy ny Vondrona Afrikanina dia ho fanatanterahana ny Fifanarahana Samoa. Lohahevitra ho resahana mandritra izany ny famatsiam-bola ho an'ny fampandrosoana, ny varotra, ny firosoana amin'ny fampiasana angovo madio ary ny filaminana.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanombohana ny fanaparihana ny tombana "MAPS Certifié". Tamin'ny 15 aprily 2025 no nankatoviana ny tatitry ny tombana MAPS II izay nahazo fanohanana avy amin'ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana sy ny Banky Iraisam-pirenena ary mifanindran-dalana amin’ny vinan'ny Fitondram-panjakana ho fanavaozana ny rafitry ny tsenam-baro-panjakana hifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena. Anisan'ireo fanavaozana apetraka ny fametrahana ny "système de passation électronique" e-gp.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa vatsian'ny tetikasa PIC3 sy ny famatsiam-bola fanampiny mitentina 71 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Anisan'ireo tetikasa ho tanterahina ny fanohizana ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa manerana ny Nosy toy ny lalana, fotodrafitrasam-pitaterana, fampidirina rano fisotro madio. Eo ihany koa ny fanohanana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin'ny alalan'ny fampitaovana na fametrahana rafitra manaraka ara-haitao ara-kajy mirindra ary ireo tetikasa manohana ny fandraharahana.
Anisan’ny noresahina, nivoitra tamin’izany :
- Ny fametrahana baka vaovao ao Fiavota izay mampifandray an’i Saint-Augustin sy Anakao
- Ny fanamboarana ny lalana eto an-tampon-tanànan’i Toliara izay mirefy 7KM sy ny voiries urbaines izay mirefy 6KM : Axe Père Barré, Betaritarika, Don Bosco, Tsenengea makany Morafeno, SanFil, Betania, TSF Andakoro, sy Tsenengea makany amin’ny tribony mandalo ny Centre Hospitalier Universitaire.
- Ny fanamboarana pavés 10 km amin’ireo lalankely: Mahavatse I & II, Tsimenatse I & II, Anketa, Anketrake, Ambohitsabo.
- Ny fanarenana ny lalana izay simban’ny rivodoza nifanesy mankany amin’ny Seranatsambon’i Toliara sy Soalara Atsimo.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa natao nandritra ny dingana voalohan'ny tetikasa MIONJO. Nanomboka tamin'ny volana desambra 2020 ity tetikasa ity izay manohana ny fahafahan'ireo Faritra Atsimo Andrefana, Androy sy Anosy miharin-doha. Tanjona ny fanatsarana ny fisitrahana ireo fotodrafitrasa fototra sy ny fidiram-bolan'ny mponina fa indrindra ireo tanora amam-behivavy, ny fanamafisana ny fitantanana ifotony ary fahafahana miatrika ireo krizy ara tsakafo sy ireo hamehana. Mba hanatsarana ireo vokatra efa azo dia misy famatsiam-bola fanampiny mitentina 54 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena hirosoana amin'ny dingana faharoan'ny tetikasa MIONJO.
Anisan'ny ho tanterahina amin'izany :
- Ny asa fanamboarana ny pipeline MANDRARE - SAMPOINA,
- Ny fananganana ireo tohadrano ahafahana manondraka velaran-tany 4.770ha ao Ankazoabo sy Benenitra.
- Ny fampisitrahana famatsiam-bola mitentina 150.000 dolara isanisany, kaominina miisa 81 ihany hahafahana manangana sekoly (CSB – EPP – CEG – lycée), tsena, tranompokonolona, lalana ambanivohitra, sns.
MINISITERAN'NY ATITANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana ny tany mirefy 50ara izay tanim-panjakana ao Belaza, Ampanihy Andrefana hananganana "Centre opérationnel" ho an'ny BNGRC ho fiomanana amin’ny fiatrehana ireo loza voajanahary.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny ady amin'ny adiam-balala any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara. Nisy ny hetsika niombonan'ny FAO sy IFVM hamongorana ireo toerana nahitana ireo valala tao amin’ny Faritra Anosy, Atsimo Andrefana, Ihorombe sy Menabe. 225.000 Ha ny velaran tany namendrahana fanafody hiadiana amin'ireo valala. Hamafisina ny fandrindrana ny asa eo amin’ny Minisiteran'ny fambolena sy fiompiana, ny FAO sy ny IFVM ary ireo mpiantsehatra eny ifotony hametrahana ny fomba fiasa vaovao toy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra mba hahafahana mahazo ireo torohay haingana, ary koa ny fanampiana ny isan’ireo angidim-by miasa amin’izany ady amin’ny andiam-balala izany.
Nanome toromarika ny Filoham-pirenena fa misy fomba fanao tsara havaozina amin’ity ady ity mba hanodinana ireo andiam-balala ho lasa zezika afaka ampiasain’ny mpamboly hanatsarana ny vokatra.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny asa fanajariana sy fanamboarana ho tara ny rocade Fiherenana, ireo asa fanitarana ny tetezana Manombo eo amin’ny PK59 + 600 sy ny fanamboarana ny tetezana Belalanda eo amin’ny PK 6+250 eo amin’ny RB+N9, Distrika Toliara I sy II ao amin'ny Faritra Atsimo Andrefana izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa "Projet d’aménagement du corridor et de la Facilitation du Commerce" (PACFC III).
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny totaliben'ireo vola mila aloha hanonerana ireo olona voakasiky ny asa fanajariana ny DIGUE KIEMBE izay miaro ny sisintany amin'ny ranomasina. Nandritra ny asa fanamboarana izany dia maro ireo olona tsy maintsy nafindra toerana ka nahatonga izao fanonerana izao.
Hiroso amin’ny fitokanana io DIGUE KIEMBE io, izay foto-drafitrasa goavana sy miavaka, hanova ny tanàna, ny Filohan’ny Repoblika mandritra ity fidinana ifotony ity.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny fandaharan'asa fampidirana rano fisotro madio sy fanamboarana toeram-pidiovana ho an'ny Faritra Atsimo Andrefana. Tafiditra ao anatin'izany ny fametrahana ireo "forages" miisa 11 ao amin’ny Distrikan'i Toliara I sy II.
Laharam-pahamehana ka tsy azo andalovam-potsiny fa tsy maintsy havaozina hatrany ny fampisitrahana rano fisotro madio, hoy ny Filohan’ny Repoblika.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Minisitera anjara amin'ny andiany faha dimy amin'ny fivorian'ireo minisitry ny kolontsaina eo anivon’ny Francophonie ny 22 hatramin’ny may 2025, any Québec, Canada.
-
IV- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara ho tombontsoan'ny besinimaro ireo "réserves d’emprises" na fitaovana ilaina amin’ny "Plan d'Urbanisme Directeur " ho an'ny tanànan'i Toliara izay voafaritry ny Kaominina Renivohitra Toliara sy ny manodidina.
-
V- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
FIADIDIANA NY REPOBLIKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-327 tamin’ny 24 marsa 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Malagasy Iadiana amin’ny Famotsiambola sy Famatsiam-bolan’ny Fampihorohoroana.
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-733 tamin'ny 27 marsa 2024 ary manendry ny Général de Division PIKULAS Démosthène, ho "Major Général de l’Armée de Terre de l’Etat-Major de l’Armée de Terre"
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1411 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa MAMINJARA Jacquot, ho Directeur des Programmes et des Ressources Pénitentiaires
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1158 tamin'ny 16 septambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa INDRIAMIFIDY Nantenaina Gérald, ho Talem-paritry ny fandraharahana ny fonja Atsimo Atsinanana.
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1007 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa REDIDA Valisoa Erick, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Anosy.
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-208 tamin'ny 23 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RATSIHAROVALA RAMESY Farasoambolanoro Marie Jackia, ho Sekretera Jeneraly.
MINISITERAN'NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONIAINA Rina, ho "Directeur des Infrastructures en Eau"
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-610 tamin'ny 24 may 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud, ho "Directeur de la Gouvernance et des Relations Internationales"(DGRI)
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-824 tamin'ny 28 jona 2023 ary manendry an-dRamatoa ISABELLE Joda Célestine, ho Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Menabe
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1263 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa MIARAMANANA Miora Olivia, ho "Chef de la Cellule Anti-Corruption".
-
VI- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-192 tamin'ny 07 febroary 2024 nanendry ny Talen’ny Serasera.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-764 tamin'ny 27 marsa 2024 nanendry ny "Directeur des Ressources Humaines"
-
VII- SAMIHAFA
Teo am-pamaranana ny Filan-kevitry ny Minisitra dia nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa mirongatra ny asan-jiolahjy miteraka tsy fandriam-pahalemana ka nanome toromarika hentitra izy fa misy ezaka sy paikady manokana tsy maintsy atao indrindra an-tanàn-dehibe mikasika izany.
Nanamafy ihany koa izy fa ny fifaninana izay hatao ho fampivoarana sy fanadiovana ny tanàna izay noheverina hatao manerana ny renivohi-paritra dia tokony hitarina hatrany anivon'ireo fokontany. Efa hita taratra izany ao Antananarivo fa tokony apetraka ihany koa ny lamina sy drafitra ho amin’izany manerana ny Nosy.
Natao ny 14 may 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika