TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 07 may 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 07 may 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA MOMBA IREO TETIKASA LAHARAHAM-PAHAMEHANA
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanamarihana ny faha 65 taona niverenan'ny Fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy malagasy. Efa am-perinasa tanteraka ny Komitim-pirenena manomana ny fankalazana ny 26 jona. Ireo hetsika rehetra mandrafitra ny fandaharam-potoanan'ny fankalazana manerana ireo faritra 24 dia natao indrindra hanomezan-kasina ny tantara, ny soatoavina Repoblikanina sy ny fiandrianam-pirenena. Hanamarika ny fankalazana ihany koa ny fitokanana ny tsangam-baton'ny faha-65 taona niverenan'ny Fahaleovantena. Ireo hetsika rehetra dia eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praminisitra, Lehiben’ny Governemanta avokoa
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny fandraisana ny andiany faha 45 amin'ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena sy Governemantan'ny SADC ny volana aogositra 2025. Amin’io fotoana io ihany koa no handraisan’i Madagasikara ny fitantanana ny SADC. Efa nisy ny iraka faharoa avy amin'ny Sekretarian'ny SADC nanao fitsidihina teto Madagasikara ny 27 avrily hatramin’ny 3 may 2025, izay nijery sahady ireo lafiny teknika. Tahaka ny fanomanana ny fihaonana an-tampon'ny COI farany teo, dia hatsangana ihany koa ny komity mpikarakara ny fanomanana ny fandraisana izany fihaonana an tampon'ny SADC izany, izay ifandrimbonan'ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora sy ireo minisitera rehetra isan-tsokajiny. Ny 9 jona hatramin’ny 13 jona 2025 dia hisy ny iraka fahatelo avy amin'ny Sekretarian'ny SADC izay hanolorana ny lohahevitra hitarika ireo adihevitra mandritra izay fihaonana an-tampony izany sy ireo lafiny ara-teknika handraisana izany fihaonana lehibe izany.
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanendrena ireo izay handrafitra ny vaomiera ikambanana (commission mixte) hisolo tena an'i Madagasikara hivory any Parisy ny 30 jona 2025. Olona manana traikefa amin'ny sehatra marolafy no nosafidiana manokana handrafitra izany vaomiera izany. Anisan'izany ny fifehezana ireo didy aman-dalàna, ny lafiny ara-teknika sy siantifika. Ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta na ny Minisitry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny delegasiona malagasy izay ahitana ireo solontena avy amin'ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny jono sy toekarena manga sy ny minisiteran'ny tontolo iainana. Eo ihany koa ireo mpanolo-tsaina mikasika ny lalàna sy ara-stratejika. Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny tetiandro mifandraika amin'ireo asa ataon'izany delegasiona malagasy izany entina anomanana ity fihaonana any Parisy ity.
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny Agence Française de Développement (AFD) sy Madagasikara. Nandritra ny fitsidihana ara-panjakana notanterahin'ny Filohan’ny Repoblika frantsay teto Madagasikara no nanatanterahana ny fanaovan-tsonia ireo fifanaraham-piaraha-miasa niaraka tamin’ny AFD ireo, izay miompana indrindra amin'ny fanabeazana, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana sy ny fitantanana. Hisy ny fihaonana eo amin’ny solontenan’ny firenena roa tonta handrafetana ny tetiandro sy ny fampiarana ireo fifanarahana ireo. Nisy ihany koa ny naoty nalefa ho an'ny governemanta frantsay manambara ny fanirian'ny governemanta malagasy ny hitodihan'ireo famatsiam-bola maharitra ho an'ny fampitaovana ireo "wagons" mpitaritra olona sy ny fametrahana oniversite frantsay malagasy.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fifaninana fanatsarana ny firafitry ny tanàna sy ny fahadiovana isaky ny Faritra 24. Araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika dia hisy ny fifaninana fanadiovana sy fanatsarana isaky ny renivohi-paritra. Tanjona ny hampandraisana anjara bebe kokoa ireo vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana amin'ny fampandrosoana ifotony, ny hametrahana tanàna madio sy maha te honina ary indrindra hitondrana fampiroboroboana ara-toekarena, ara-sosialy sy ara-tontolo iainana maharitra. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny endriky ny tanàna ihany koa ny fanamboarana ireo lalana. Ny Faritra tsirairay no handray anjara amin’ izany fifaninana izany ary ifarimbonan’ny Governora, ny olom-boafidy, ny olom-boatendry, ny sekoly, ny sehatra tsy miankina, ny mpiasa …
Ny Filan-kevitry ny Minisitra no hijery izay tanàna mendrika indrindra ka hahazo fankasitrahana mandritra ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena.
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tamberin'andraikitry ny orinasa hanatanteraka ny tetikasa Base Toliara (RSE). Taorian'ny fifampiraharahana nataon'ny Filohan’ny Repoblika manokana tamin’ny tetikasa Base Toliara dia hisitraka fandaharan'asa ara-sosialy samifaha ireo vondrom bahoaka eny ifotony. Mitentina 4 tapitrisa dolara izay hitombo 2% isan-taona ny famatsiam-bola hanatanterahana ny RSE. Mialohan'ny fitomboan'ny asa nefa dia efa misy famatsiam-bola 1 tapitrisa dolara hamatsiana ireo ho tombontsoan'ny mponina eny ifotony. Anisan'izany ny:
- Fametrahana "château d'eau" miaraka amin'ny paompy mandeha amin'ny herin'ny masoandro ao Benetse, Ranobe, Tsianisiha sy Tsiafanoky
- Fanamboarana ny lalan-tany amin'ny lalam-pirenena faha-sivy RN 9 Ranobe - RN 9 – Maromiandra
- Fanesorana ny fasika amin'ny lakandrano mitondra rano ho an’ny vokatra ho an'ny kaominina Tsianisiha sy Ankilimaliniky
- Fanajariana sekoly ao Benetse sy d’Ankilimaliniky
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny andrana ho an’ny zotra volomboasary Anosy – Ambatobe sy ny fametrahana famokarana herinaratra manokana ho an’ny fitaterana an-tariby.
Efa an-dalam-pamaranana ankehitriny ny fametrahana ireo tariby sy ireo andrana ara teknika ho an'ny tetikasa fitaterana an-tariby, zotra volomboasary Anosy - Ambatobe. Hisy ny fampandehanana manokana izany zotra izany amin’ny fandraisana ny fihaonana an tampon'ny SADC amin'ny volana aogositra ho avy izao, mialohan'ny ny hisokafany ho an'ny daholobe. Araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika dia hisy ihany koa toby mpamokatra herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro 5MW natokana ho an’ny fampandehanana fitaterana an-tariby.
-
II- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava manamarina fa tsy hisy ny fandrafetana volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2025. Araka ireo mari-drefy ara-toekarena dia mifanaraka amin’ireo vinavina napetraka teny am-piandohana ny tetibola amin'izao fisasahan'ny taom-pikatrohana 2025 izao. Tsy ilaina araka izany ny manitsy ny lalàna mifehy ny tetibola.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandraisan’anjaran'ny "Fonds Souverain Malagasy" (FSM) amin'ny petra-bolan'ny orinasa NEHO. Ao anatin'ny fanatanterahana ny tetikasa Sahofika ny FSM dia mikasa ny hanjifa 49% ny petra-bolan'ny orinasa NEHO. Izany dia mifanaraka amin’ny vinan'ny fitondram-panjakana hanafainganana ny fisitrahan'ny malagasy angovo madio sy maharitra. Araka ny lalàna laharana faha 2021-2024 momba ny fananganana ny FSM sy fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 08 mai 2024, ny fandraisan’anjaran’ny FSM tahaka izao dia tsy maintsy mandala fankatoavana eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanaovan-tsonia fifanarahana findramam-bola eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Tahirim-bola Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana ho famatsiana ny tetikasa "Multinational Madagascar-Corridor de Beira : Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce-Phase III (PACFC III). Tafiditra ao anatin’ny PACFC III ny fanajariana ny RNT55 eo anelanelan'i Bevoay (PK 0+000) sy Morombe (PK 78+000); ny Rocade Digue Fiherenana eo anelanelan'ny PK 0+000 sy PK 22+000; Fanamboarana ny tetezan'i Manombo PK 59+600 eo amin’ny RN9 ; sy fanamboarana ny tetezana eo Belalanda PK 6+250 eo amin’ny RN9; Fanamboarana ny RN11A eo anelanelan'i Vatomandry sy Mahanoro izay tafiditra ihany koa anatin'ny tetikasa "route du soleil".
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa fanohanana ireo asa fidiram-bolan'ireo fikambanam-behivavy avy amin'ny Faritra 24 manerana an'i Madagasikara. Tanjon'ity tetikasa novolavolain'ny minisitera ity ny fanohanana ireo vehivavy hahaleo tena mba ho mpandray anjara feno ho an'ny fampandrosoana ny Faritra misy azy sy ny firenena izy ireo. Hisy ny fanampiana ireo vehivavy amin'ny fahazoana ireo fitaovana sy akory fototra ilain'izy ireo, eo ihany koa ny fanamafisana ny traikefan'izy ireo amin'ny alalan'ny fampiofanana isan-karazana
-
III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
FIADIDIANA NY REPOBLIKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIVALAKA née RAMAROBANDRO Rutha Cathy, ho Talen’ny Arofenitra.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-774 tamin'ny 25 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHETLAH Rahely Herilala, ho Tale Jeneralin'ny "Autorité de Régulation des Marchés Publics".
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1975 tamin'ny 29 novambra 2024 ary manendry an-dRamatoa RAMAROSON Veronirina, ho "Directeur Général des Réformes Administratives".
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-296 tamin'ny 21 février 2024 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANAIVOJAONA Navalona Rafanoharana, ho "Coordonnateur Général des Projets de l’Unité de Coordination Général des Projets et Partenariats"
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1007 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa LAMBO, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Androy
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASOANANDRASANA Eudese Claret, ho Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Analanjirofo
-
III- FANAFOANANA
MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny Tale Jeneralin’ny “Médecine Préventive” eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-301 tamin’ny 19 marsa 2025 nanendry ny “Directeur de la Police judiciaire” anivon’ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena.
Natao ny 07 may 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika