TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 30 avrily 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 30 avrily 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana toerak'asa voafaritra ara-tetibola (postes budgétaires) miisa 820 ho an'ny taona 2025. Tamin'ny taona lasa dia ireo mpianatra Manamboninahitra ihany no noraisina ka nisy fahabangana teo amin'ireo miaramila an-daharana izay tena ilaina amin’ireo iraka ho an'ny fandriampahalemana. Araka izany ireo toerak'asa voafaritra ara-tetibola ireo dia hatokana handraisana miaramila "réengagés" miisa 820.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hividianana solika ho an'ireo fiaramanidina sy angidimby ampiasain'ny Foloalindahy malagasy. Io solika io dia hahafahana manatanteraka sidina mitotaly 1167 ora ho ana fiaramanidina miisa 5 CESSNA 206, sidina 444 ora ho ana angidimby miisa roa AS350B2 ary sidina 183 ora ho ana angidimby iray H130.
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fahazoan'i Madagasikara fiarakodia ao anatin'ny fikarakarana ny andiany faha-45 amin'ny fihaonana an tampon'ny SADC. Ao anatin'ny fiaraha-miasa mahomby misy eo amin’ny firenena roa tonta, dia nanolotra fiara Hongqi H9 2.0T miisa 16 ho an'ny firenena malagasy ny firenena sinoa ho fanomanana izany fihaonana lehibe izany. Hisy teknisiana sinoa ho avy eto an toerana hampiofana ireo teknisiana malagasy amin'ny fikojakojana ireo fiara vaovao ireo.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny fihaonana an-tampony "Résilience en Action" pour les Petits Etats Insulaires en Développement (PEID) ny 12 sy 13 may 2025 any Vienne, Autriche. Ny OPEC Fund no mikarakara ity fihaonana an-tampony ity, ary ny tanjona dia ny fampiroboroboana ireo vahaolana lovain-jafy sy ireo famatsiam bola mifanaraka amin’ireo fanamby mila atrehan'ireo PEID. Manan-danja lehibe ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'izany fihaonana izany ho fanamafisana ny toerany ara-stratejika eto amin'ny faritra. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpiara-miombon’antoka sy hanorenana fiaraha-miasa vaovao ho fanatanterahana ireo tetikasa hahafahana miatrika ny fiovaovan'ny toetrandro ary indrindra itondrana ny vinan'i Madagasikara ho an'ny fampandrosoana lovain-jafy. Ny Minisitry ny raharaham-bahiny no hisolo-tena ny firenena malagasy amin'izany fihaonana an-tampony izany any an-toerana.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny fandraisana anjaran'i Madagasikara tamin'ny "Spring Meetings" sy ireo teboka mila fanaraha-maso avy amin'ireo minisitera sy sampan-draharaha voakasika.
Miroso tanteraka amin'ny fandinihana ny momba an’i Madagasikara ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena ary nanambara ny fatokisan'izy ireo ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Efa maro ireo ezaka efa nirosoan'i Madagasikara, izay nankasitrahan'izy ireo manokana, ary mbola misy ihany koa ireo fepetra izay notakian’izy ireo izay heveriny fa manampy amin'ny fanatsarana ny fitantanam-bola eto Madagasikara. Efa maro ihany koa ireo atrikasa natao teto an-toerana ho firosoana amin'izany.
Anisan'ny noresahana manokana nandritra ity fihaonana tany Washington ity ihany koa ny tetikasan’ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana (BAD) hampidirana ny harena voajanahary ho anisan'ireo singa hikajiana ny harikarena faobe. I Madagasikara sy Niger no ho firenena mpitari-dalana izany (pilote) ary ny Filoha Lefitry ny BAD, Pr. Kevin Urama, no hitarika io tetikasa io. Ny rafitra statistika misy eto Madagasikara moa dia rafitra efa tamin'ny taona 1993, ary efa misy ny tetikasa mitari-dalana (projet pilote) vatsian'ny BAD ho fanavaozana izany rafitra statistika izany any Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony.
Mikasika ireo fepetra momba ny haban-tseranana napetraky ny Etazonia, dia nahazo fankasitrahana manokana isika tsy nitazam-potsiny fa nitady vahaolana avy hatrany. Ny Masoivohon'i Madagasikara any Washington rahateo no anisan'ny mitarika ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC amin'ny fifampiraharahana amin'ny Etazonia.
Nandritra ity Spring Meetings ity ihany koa dia nisy ny fihaonana teo amin'ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Filoha Lefitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena. Naneho ny faniriany manokana ny hanohana an'i Madagasikara ity Filoha Lefitra ity hanatanterahana ireo ezaka sy fanavaozana momba ny fiahiana ny tontolo iainana sy ny famokarana angovo madio amin'ny alalan'ny fananganana ireo « parcs solaires ». Nohamafisin'ny Filohan’ny Repoblika fa ny tohana ara-bola izay azontsika amin’ny alalan’ny FEC/FRD dia tsy hampiasaina fotsiny amin'ny fitantanan-draharaha fa hampiasana ihany koa amin'ny fanafainganana amin'ny fampiasana angovo azo havaozina.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny didim-pitondrana mamaritra ny tahan'ny karaman'ireo asa momba ny fikirakirana ireo fanadinam-panjakana CEPE sy fidirana kilasy faha enina.
Ity fampitam-bava ity dia ho fanohizana ny fanovana izay natao eo amin'ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana izay fanatsarana entina hampidinana ny fandaniana hita amin'ny fikarakarana izany fanadinam-panjakana izany.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanolorana ny tetikasa fanavaozana sy fanovana ny fisitrahana fanabeazana na "Transformation de l’Accès et de l’Apprentissage à Madagascar" (TALIM) 2025-2029. Taorian’ny Tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra (PAEB) izay tena nanampy betsaka tamin'ny fanatsarana ny fampisitrahana sy kalitaon’ny fampianarana teto Madagasikara dia nahazo famatsiana vaovao avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena ny tontolon'ny fanabeazana malagasy amin'ny alalan'ny tetikasa TALIM. Ity tetikasa ity dia mamaly tanteraka ny laharam-pahamehan'ny fitondram-panjakana satria na dia maro aza ny efa vita teo amin'ny sehatry ny fanabeazana dia mbola misy ihany koa ireo ezaka mila atao indrindra mikasika ireo mpampianatra. Tanjon'ny tetikasa TALIM ny hitondra fanovana tanteraka amin'ny fanabeazana. Laharam- pahamehana araka izany ny hahamatianina tanteraka ireo mpampianatra, ny "cantines scolaires" ireo boky fampianarana, ny fitantanana ary hisy ihany koa fanamifasana ireo traikefa efa misy. Hatreto 12% ihany no mpampianatra nandalo "formation pédagogique" teny anivon’ny INFP ho an’ny prescolaire primaire sy collège. 60% ny mampianatra dia FRAM izay vesatra ho an'ny ray aman-dreny. Tanjon'ny tetikasa ihany koa araka izany ny hanamaivana ireo ray aman-dreny amin'ny fampidirana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisitera ary izany no adisisika goavana natao hahazoana ny famatsiam-bola an'ity tetikasa ity.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handoavana ireo "allocations d'études et de stages" ho an'ireo mpianatra eo anivon’ny "Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA), ho an'ny telovolana voalohany sy faharoa ny taona 2025.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanohizana ny fandoavana ireo fanonerana ho an'ireo asa fanamboarana ao anatin'ny tetikasa "Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive" ho an'ny fanamboarana ny lalana RNS10 (Andranovory - Ambovombe) sy ny lalana RNT31 ( Ankazobetsihay-Bealanana)
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny fanolorana ireo "subventions" ho an'ireo atleta malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninanana ny ho Tompon-dakan'i Afrika Senior taranja Judo ny 25 hatramin’ny 27 avrily 2025 tany Abidjan, Côte d’Ivoire. Nibata ny Tompon-dakan'i Afrika moa i Madagasikara nandritra ity fifaninanana ity.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fanomezana ireo "primes" ho an'ireo mpilalao sy ny staff eo anivon’ny ekipam-pirenena BAREA nandray anjara tamin’ny fifanitsanana ny ho Tompon-daka eran-tany, notanterahina tany Maroc ny 19 sy 24 marsa 2025 lasa teo.
-
II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
GOVERNEMANTA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-266 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa OLAF Francis, ho Tale Jeneralin'ny "Conseil de Discipline Budgétaire et Financière."
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1533 tamin'ny 18 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAJAONARISON Jean de Kopy, ho Talen’ny fandraharahana ny fonja.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1483 tamin'ny 04 novambra 2015 ary manendry an-dRamatoa RANDRIAMBOLOLONA Domoina Malala Aurélia, ho "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Gynécologie – Obstétrique Befelatanana" (CHUGOB)
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-0121 tamin'ny 16 febroary 2018 ary manendry an'Andriamatoa SAMY Thierry de Valois, ho "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Place Kabary Antsiranana"
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1003 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa LAHIMASY Vone, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Ihorombe
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-605 tamin'ny 27 avrily 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMAROMANANA Mampionona Raymond, ho "Directeur de la Valorisation des Ressources en Eau"
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2022-185 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa FANAMPERANTSOA Solotiana Rivesty, ho "Directeur de la Préparation de la Relève Sportive" (DPRS)
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-829 tamin'ny 03 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAJOELISON Evariste, ho Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina SAVA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-767 tamin'ny 27 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RASOLONJATOVO Hobiniaina Ambroise, ho Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Androy.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANGA Erambolatiana Tahiry, ho "Directeur de la Transformation du Système Agricole" (DTSA)
-
III- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-141 tamin'ny 31 janoary 2024 nanendry ny Tale Jeneralin'ny Fampiofanana
-
IV- SAMIHAFA
Teo am-pamaranana, nanararoatra ny Filohan'ny Repoblika nisaotra ny fiaraha misalahy teo anivon’ny Governemanta tamin'ny fanomanana sy fandraisana ny andiany faha-dimy amin'ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena sy Governemanta eo anivon’ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana.
Fahombiazana tamin'ny lafiny rehetra iny fihaonana iny hoy ny Filoha raha oharina amin'ireo fihaonana efa natrehana, indrindra fa aty Afrika. Maro ireo firenena niarahaba manokana an'i Madagasikara ary mbola namerina ny fankasitrahany manokana ny Filoha Frantsay raha nihaona tamin'ny Filohan’ny Repoblika tany Roma.
Ilaina hoy hatrany ny Filoha ny mamoaka ny tatitr'iny fihaonana iny mba hahafahana mijery sahady ireo mila arenina mialohan'ny andraisantsika ny fihaonana an-tampon'ny SADC afaka volana vitsy. Nankasitraka ny rehetra izay nandray anjara ny Filohan’ny Repoblika satria tsy nitsanga-menatra isika ary nahay nampiseho fa rehefa miray fo sy miray hina dia mahavita zavatra tsara.
Natao ny 30 avrily 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika