TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 16 avrily 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 16 avrily 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA IREO RAHARAHA LAHARAHAM-PAHAMEHANA SY MAIKA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY + MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa fanomanana ny fitsidihana ara-panjakana ho tanterahin'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny andiany faha-dimy amin'ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena sy Governemanta eo anivon’ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana ny 23 sy 24 avrily 2025. Vonona tanteraka i Madagasikara handray ireo hetsika roa lehibe ireo. Efa miroso amin’ny dingana famaranana ny fanomanana avokoa ireo komisiona isan-tsokajiny sy ireo asa fikojakojana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa handraisantsika izany. Tsiahivina fa tombony ho an'i Madagasikara ny hampiantrano izao fihaonana izao, hanamafisana ny fiaraha-miasa hanatanterahana ireo vina napetraky ny Fitondram-panjakana.

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fivoriana stratejika teo amin'ny delegasiona malagasy sy ny solontenan’ny United States Trade Representative (USTR) izay notanterahina ny 14 avrily 2025. Tanjon'izany fivoriana izany ny fifampiraharahana momba ny fampihenana ny haban tseranana 47% izay napetraky ny fanjakana amerikanina amin'ireo entana avy aty Madagasikara. Eo ihany koa ny famaritana ny rafitra stratejika eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta ary ny fandrafetana tondro-zotra hanamafisana ireo fifanakalozana sy ireo fampiasam-bola. Efa nisy sahady ireo teboka nivohitra taorian'izany fivoriana izany. Anisan'izany ny fanolorana avy amin'ny fanjakana malagasy ireo volavolam-pifanarahana izay hirakitra ireo tolo-kevitra fanitsiana ireo haban-tseranana. Hisy ihany koa ny vondron'asa iombonana, ho tarihin'ny USTR, ary handraisan'ireo solontena malagasy anjara. Mikasika ny AGOA kosa dia ny Kongresy amerikanina ihany no tompon-teny farany momba izany.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famatsiam-bola faha-13 avy amin'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho fampandrosoana ny fambolena (FIDA 13). Nahazo famatsiam-bola mitentina 141 605 000 dolara i Madagasikara ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny FIDA. Io famatsiam-bola io dia hanohana ny fanatanterahana ireo tanjon'ny fandrosoana lovain jafy, ny fanatsarana ny toe-piainana sy fahafahan'ireo vondrona ambanivohitra miarin doha ary ny fahafahana miatrika ny fiovaovan'ny toetrandro.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ireo dingana ara taratasy sy ara-bola amin'ny famindrana ny fanohanana ara-bola fampandehanana ireo "Centres Hospitaliers Universitaires" miisa 22. Voakasik'izany ihany koa ny fanajariana tanteraka ny Hopitaly ao Nosy Be ho fanatsarana hatrany ny fandraisana an tanana ireo marary. Hajariana ny fotodrafitrasa ary omena fampitaovana arifomba mba hisitrahan'ny rehetra tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy manaraka ny fenitra ary mamaly ny filan'ny mponina. Anisan'ireo be mpizahatany rahateo ihany koa i Nosy Be ka ilaina ny mametraka fotodrafitrasa ara-pahasalamana manaraka ny fenitra iraisam pirenena ao an-toerana.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanaovan-tsonia sy fankatoavana ny Sata Afrikanina momba ny Aro Loza Fifamoivoizana. Tamin'ny taona 2016 no nolanian'ny Vondrona Afrikanina ny sata afrikanina momba ny aro loza fifamoivozana ary ny tanjona dia hanentanana amin'ny fandrafetana politika nasionaly momba ny aro loza fifamoivoizana, ny fanafainganana ny fanatanterahana ireo fandaharan'asa nasionaly, isam-paritra ary manerana ny kaontinanta. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fandrindrana eo amin'ireo fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, ny fanentanana ny fandraisana anjaran'ny sehatra tsy miankina sy ny fiaraha-monim-pirenena ary ny fandrindrana ireo torohay momba ny aro loza fifamoivoizana. Ho an'i Madagasikara manokana dia efa nolaniany ireo antontan taratasy momba ny aro loza fifamoivoizana ary efa mijoro ireo rafitra ara-panjakana mandrindra izany. Ny fanaovan-tsonia ity sata ity dia manamafy ireo ezaka efa natao eto amin'ny firenena sy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fanonerana ireo voakasiky ny tetikasa "Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie électrique à Madagascar" (PRIRTEM-I) ao amin’ny distrikan'i Manjakandriana. Ireo tany sy fananana tafiditra amin'ireo faritra nametrahana ireo "pylones" no voakasik'izany fanonerana izany.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny asa fanamboarana maika ireo teboka mainty amin'ny lalana RNT15 PK 46+000 hatramin’ny PK 87+000 (laborano hatramin’ny sampanana Ankazoabo) vatsian'ny tahirim-bola ho an'ny lalana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ireo lalana eto Antananarivo ao anatin'ny fandraisana an-tanana ny fihaonana an-tampon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indianina, vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana. Ireto avy ireo:

    - Fiodinana Rocade Ambohimahitsy – Sampanana Akamasoa (RNP2) Jesosy Mamonjy – Fiodinana La City – Pull Man - IMATEP – Analamahitsy – Andranobevava

    - Andohalo – Ankazotokana

    - Sampanana Ivato

    - Sampanana Pharmacie Hanitra Ambanidia hatrany Ampasanimalo

    - Antsahavola – Ampatsakana

    - Faravohitra

    - Minisiteran'ny Asa Vaventy hatrany amin’ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny

    - Avenue de l'indépendance

    - Fiodinana La City - fiodinana Tsarasaotra- fiodinana Ivato

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana fanohanana ara-bola ho fandraisana anjaran'ny atleta malagasy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja lomano, sokajy zandriny, ny 30 aprily ka hatramin’ny 4 mey 2025 any Ejipta.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fankatoavana ireo vola aloha amin'ny fanonerana ny fanesorana fizaka-manana ireo voly voakasiky ny asa fananganana ny tanàna vaovao Tana-Masoandro. Ireo olona efa voafaritra sy voamarina mazava tsara fa tompon'ireo fananana voakasiky ny tetikasa no hirosoana ny fandoavana ny onitra omena azy ireo amin'ity andiany ity.

  • III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireo mpikambana eo anivon’ny komity famahan-kevitrin'ny "Commission de Supervision Bancaire et Financière". Miisa 9 izy ireo:

    - Ny Governoran'ny Banky Foibe

    - Ny Governora lefitry ny Banky Foibe

    - Ny Tale Jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakana

    - Mpitsara iray tendren'ny Minisitry ny Fitsarana izay hanana fe-potoam-piasana 5 taona azo havaozina indray miantoana

    - Mpikambana iray tendren'ny tompon’andraikitry ny fahamarinan-toerana ara-bola.

    Ankoatra ireo ity komity ity dia ahitana mpikambana efatra (4) voatendry hafa noho ny fahamendrehany sy ny fahaizany momba ny banky, ny raharaha ara-bola ary ny lalàna, ny toekarena, fanaraha-maso ary ny fitanana kaonty, mandritra ny dimy (5) taona azo havaozina indray mandeha.

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireo mpikambana eo anivon’ny komity mpanara-mason'ny "Commission de Supervision Bancaire et Financière". Miisa 11 izy ireo:

    - Ny Governoran'ny Banky Foibe

    - Ny Governora lefitry ny Banky Foibe

    - Ny Tale Jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakana

    - Mpikambana iray tendren'ny Minisitry ny Fitantanam-bola

    - Mpitsara iray tendren'ny Filoha Voalohany Fitsarana Tampony izay hanana fe potoam-piasana 5 taona azo havaozina indray mandeha.

    Ankoatra ireo dia misy mpikambana enina hafa:

    - Efatra voatendry noho ny fahamendrehany sy ny fahaizany momba ny banky, ny raharaha ara-bola ary ny lalàna, ny toekarena, fanaraha-maso ary ny fitanana kaonty, mandritra ny dimy (5) taona azo havaozina indray mandeha.

    - Roa voatendry noho ny fahamendrehany sy ny fahaizany momba ny teknolojian'ny serasera mandritra ny dimy (5) taona azo havaozina indray mandeha.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana momba ny fananganana, ny famaritana ny anjara adraikitra, ny fandaminana sy ny fampandehanana ny Komity mpitarika ny ady amin'ny VIH/SIDA eo anivon’ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY ASAM PANJAKANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana hamindrana ny fandoavana ireo "soldes et accessoires" ho an'ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra avy amin'ny tetibola tovana makany amin’ny tetibola ankapobeny

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1355 tamin'ny 01 desambra 2021 ary manendry an-dRamatoa TODIARIVELONA Marie Sandrine, ho « Directeur des Reformes Pénitentiaires »

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa TSIRINARY Jahdà Hermine, ho Prefet an'Antsiranana

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIA Charlot, ho "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Appareillage de Madagascar"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ireo Filohan’ireo oniversite

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-318 tamin'ny 7 marsa 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARISON Solomampionona Rivo Herilala, ho "Directeur des Exploitations Météorologiques"

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 1757/2024-MTA tamin'ny 03 may 2024 ary manendry ny Colonel ANDRIAFALIMAHERY Ralibera, ho "Directeur Administratif et Financier du Centre National de l’Artisanat Malagasy".

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAONAH Hobinasolo Arisoa, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Analamanga.
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-531 tamin'ny 06 marsa 2024 nanendry ny "Directeur de la Cellule Anti Corruption"

  

Natao ny  16 avrily 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika