TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 09 avrily 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 09 avrily 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA IREO RAHARAHA LAHARAHAM-PAHAMEHANA SY MAIKA

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Efa miroso ny fananganana ireo tobim-pamokarana mandeha amin'ny herin'ny masoandro mitotaly 50MW notsinjaraina eto an-drenivohitra sy eny amin'ireo renivohi paritany manerana ny Nosy. Efa tonga ao Ambohimanambola ihany koa ny ankamaroan'ireo fitaovana hananganana ny ivon-toerana famokarana herinaratra HFO 105MW izay hanampy ny famokarana herinaratra eo anivon’ny JIRAMA. Vinavinaina hanomboka ny 24 avrily 2025 ny fananganana izany rehefa tonga ao an-toerana avokoa ireo singa lehibe handrafitra izany ivon-toerana mpamokatra herinaratra izany. Tanjon'ity tetikasa ity ny tsy hiankin-doha intsony amin'ireo vondrona mpihary herinaratra avy amin’ny sehatra tsy miankina ny orinasa JIRAMA. 50% ireo fifanarahana amin'ny sehatra tsy miankina ho famatsiana herinaratra ho an'ny tambazotran'ny JIRAMA no efa vita sonia. Ireo fifanarahana miaraka amin'ny sehatra tsy miankina ireo dia hahafahana mamokatra angovo azo havaozina avy amin'ny herin'ny masoandro 34,9MW ho an'ity taona 2025 ity ary 82,9 MW fanampiny amin'ny taona 2026. Nohamafisin'ny Filohan’ny Repoblika fa ny asa fampandrosoana dia mifampiankina amin'ny fampiroboroboana ny famokarana angovo ary laharam-pahamehana ireo tetikasa napetraka manerana ny Nosy. Hentitra ny fanaraha-maso ny tetiandro fanatanterahana ireo tetikasa ireo ary fanamby napetraka ny tsy isian'ny fahatapahan-jiro lavareny intsony indrindra fa amin’ny vanim potoanan’ny main-tany.

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitsidihana savaranonando mialoha ny fitsidihana ara-panjakana ho tanterahin'ny Filohan’ny Repoblikan'i Slovénie eto Madagasikara ny 06 hatramin’ny 08 avrily 2025 lasa teo. Naneho ny faniriany hanao fitsidihina ara-panjakana eto Madagasikara ny Filohan’ny Repoblika slovène, Ramatoa Natasa Pirc Musar. Nisy ny fihaonana ho fanomanana izany niarahan’ny delegasiona slovène tamin'ireo tompon’andraikitry ny arofenitra teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran'ny Raharaham-bahiny.

    Nanomboka ny oktobra 2006 ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin'i Slovénie sy Madagasikara ary anisan'ireo seha-piaraha-miasa azo trandrahina ny lafiny teknolojian'ny fifandraisana, ny fifandraisana ara-barotra sy ny fizahantany.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ho fananan'ny minisiteran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro ny tany mirefy 40A-05Ca ao amin’ny fokontany Brickaville, Kaominina Renivohitra sy Distrikan'i Brickaville, Faritra Atsinanana. Io tany io dia ilain'ny sampan-draharahan'ny seranan-tsambo eo anivon’ny APMF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny fampitana am-bava momba ny fanomezana maimaim-poana ho an'ny Congrégation des Soeurs Filles de Marie Antsiranana ny ampahan-tany roa « ECOLE FREDERIC LEVAVASSEUR » TN° 26 069-BK sy « FREDERIC LEVAVASSEUR » TN° 20 070-BK, ao Mahavokatra, Fokontany SCAMA, Kaominina Renivohitra Antsiranana, Distrikan'Antsiranana I, Faritra Diana.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK'ASA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampahafantarana ny tetikasa "PROjet TAnora MAhefa - PROTAMA" izay vatsian'ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana (BAD) ho fanamafisana ny traikefan'ireo tanora.

    Tanjon’ity tetikasa ity ny fanatsarana ny fampiofanana ireo tanora mba ho tena matianina, mifanaraka amin’ny filan'ny tontolon'ny asa sy mifandray amin'ireo sehatra stratejika amin’ny toekarena malagasy toy ny fambolena, ny famokarana angovo azo havaozina, sns... Ity tetikasa ity dia hanohana ihany koa ireo tanora mpandraharaha amin'ny alalan'ny tan-tsoroka ara-teknika sy famatsiam-bola hiarahana amin'ireo banky eto an toerana. Hisy ihany koa fametrahana « Centre de Formation Professionnelle d'Excellence » (CFPE) ao Manakara, Sambava, Antsirabe, Mahajanga, Tuléar, ary Fianarantsoa.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fifandraisana ara-barotra amin'ny Etazonia, indrindra ny fampiakarana 47% ny haban-tseranan’ireo entana avy aty Madagasikara miditra any an-toerana. Nanao tohi-vakana ireo fifampidinihana sy fifampiresahana teo amin’ireo rafitra sy sampan draharaha voakasik’ireo fanovana momba ny haban-tseranana napetraky ny Etazonia. Hitohy ny fifampiresahana hahafahana maka ireo fepetra sy fanapahan-kevitra eo amin’ny lafiny ara-barotra sy ara-diplomatika. Nanome fe-potoana 90 andro moa ny Etazonia mialohan’ny hampiharany ireo haban-tseranana ireo.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fidiran'i Madagasikara amin'ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ireo firenena mikambana eo anivon’ny SADC ho fananganana ny Ivon-toeran'ny SADC momba ny Angovo sy ny fahombiazana eo amin’ny sehatry ny angovo (Centre de la SADC pour les Energies Renouvelables et l’Efficacité Energétique - SACREEE).

    Tanjon'ity ivon-toerana ity ny fampiroboroboana fisitrahana ireo tolotra eo amin’ny sehatry angovo maoderina sy ny fanatsarana ny famokarana angovo ao anatin'ny faritry ny SADC. Ny fidiran'i Madagasikara ao anatin'ity fifanaraham-piaraha-miasa ity dia hahafahany misitrika ireo tombontsoa rehetra, izay handray anjara amin'ny fanatrarana ireo fanamby ho an'ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo eto amintsika. Hisy ny sonia izany fifanaraham-piaraha-miasa izany hanamarika ny fidiran'i Madagasikara.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ny asa fikojakojana ny RNS1 eo anelanelan'ny fiodinana Anosizato sy ny PK 241+000 (Tsiroanomandidy), vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ireo asa maika hanamboarana ireo tetezana "Béton Armé" eo amin’ny RNT18, mampitohy an'i Vangaindrano sy Befotaka, vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana:

    - PK 98+300 (Mahamasy) : fanamboarana tetezana BA 9,00 ml.

    - PK 110+900 (Andakatokapity) : fanamboarana tetezana BA 11,50 ml.

    - PK 118+850 (Pont Forêt) : fanamboarana tetezana BA, 11,50 ml.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanohizana ny fandoavana ireo fanonerana ny fanesorana fizaka-manana ireo olona voakasiky ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina : dingana mampitohy an'i Tsarasaotra – Toamasina : Kaominina Ambanivohitra Ambatolampy Tsimafotsy (PK0+000) amin'ny Kaominina Ambanivohitra Anosiavo (PK3+500).

    MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fanaovan tsonia fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin'ny "Fondation Chinoise pour le Développement Océanique" (CDOF) sy ny "Premier Institut d’Océanographie" an'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina. Ity fifanarahana ity dia hametraka fiaraha-miasa eo amin'ny toekarena manga, ny fitantanana ny fari-dranomasina sy ny moron-tsiraka, ny jono lovain-jafy, ny fiarovana ireo zava-manan'aina an-dranomasina. Eo ihany koa ny fanamafisana ireo traikefa eny ifotony amin'ny alalan'ny atrikasa sy fiofanana, ny fifanakalozana sy fitsidihana ara-teknika. Ankoatra izay, ny CDOF dia hanohana ara-bola ireo fikarohana momba ny ranomasina sy ireto tetikasa momba ny toekarena manga izay hanamafy ny fitantanana maharitra ireo harenantsika. Mifanindran-dalana amin'izany ny fanamafisana ny toeran'i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny maha mpandray anjara feno ny firenena malagasy amin'ny fampandrosoana ny toekarena manga.

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanavaozana ny "Autorité Nationale Désignée des marchés carbone" eto Madagasikara. Hatramin’ny nandraisantsika anjara tamin'ny "Protocole de Kyoto" tamin'ny taona 2003, ny firenena malagasy dia manana "Autorité Nationale Désignée" (AND) izay manaraka ireo tetikasa karbaona. Taorian’ny "Accord de Paris" dia mila mampifanaraka io rafitra io amin'ny rafitra iraisam-pirenena i Madagasikara ka izany indrindra no anton'izao fanavaozana izao mba hampifanaraka ny andraikitra, ny fitantanana sy ny fampandehanana ny AND amin'ny vaninandro ankehitriny sy mba hahafahana mahazo ireo tolotra sy tombontsoa omen'ireo tsena karbaona vaovao.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fampitana am-bava momba ny hanohizana ny fandoavana ireo fanonerana ireo fanesorana fizaka-manana ireo tany manana titra sy ny fankatoavana voalohany ny fandoavana ireo fanonerana fizaka-manana ho an'ireo tany tsy misy titra voakasiky ny tetikasa TANA-MASOANDRO. Haloha ny fanonerana ny fanesorana ny fizaka-manana ireo tompon-tany, aorian’izay dia hirosoana ny fiarovana ny tany. Marihina fa ireo izay efa fantatra tanteraka ny antsipirihany mikasika ny tompon-tany ary mahafeno ny fepetra rehetra takin’izany ara dàlana ihany no honerana. 

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMIFIDY Jean Louis, ho Filohan’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI).

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1557 tamin'ny 23 novambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHAVORY Christian Paul, ho "Procureur Général près la cour suprême."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Didier Alban Andriamahazonoro, ho "Procureur Général près la cour d’Appel d’Antananarivo"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-666 tamin'ny 20 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa DELLARIS RANDRIAMANANKEVITRA Huberto, ho Préfet Sambava.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANANTENA Jean Blaise, ho Talen’ny Serasera.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-221 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa KOTOMANGAZAFY Stephason François, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Matsiatra Ambony.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-760 tamin'ny 24 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa MANDOVARAZA Tafitason, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Anosy.

  

Natao ny  09 avrily 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika