TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 26 marsa 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 26 marsa 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA IREO RAHARAHA LAHARAHAM-PAHAMEHANA SY MAIKA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny fanomanana ny fandraisana ny andiany faha-dimy amin'ny fihaonana an tampon'ireo Filoham-pirenena sy Governemanta eo anivon’ny Komision'ny Ranomasimbe Indiana (COI) ny 24 avrily 2025.

    Efa am-perinasa tanteraka ireo vaomiera isan-tsokajiny amin'ny fanomanana ny fandraisan'i Madagasikara izany fihaonana lehibe izany. Efa miroso ihany koa ireo asa fanajariana ireo fotodrafitrasa handraisana ireo delegasiona handray anjara amin'izany. Natsangana ihany koa ny "Centre de Commandement Opérationnel Sommet COI 2025" izay apetraka ao amin’ny kianja Barea ho fandrindrana ireo asa rehetra amin'ny fanomanana ity fihaonana an-tampony ity. Voninahitra lehibe ho an'ny firenena malagasy ny andraisana fihaonana iraisam-pirenena tahaka ity ka mila ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay hanatontosana izany antsakany sy andavany.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fintin'ireo firosoan'ireo ho seha piaraha-miasa miaraka amin'ny firenena frantsay. Mifanindran-dalana amin’ny fihaonana an-tampon'ny COI ny fanatanterahan'ny Filoham-pirenena Frantsay, Adriamatoa Emmanuel Macron, fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny 23 avrily 2025. Hisy ny fihaonana manokana eo amin'ny Filoha roa tonta mandritra izany fitsidihana izany sy fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Frantsa. Mifototra indrindra amin'ny lafiny fotodrafitrasa, ny angovo, ny fambolena sy ny fanabeazana ireo seha-piaraha-miasa ireo.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ireo nifanekena tamin'ny Banky Iraisam-pirenena nahazoana ny tohana ara-bola ampahany voalohany sy ireo asa mila tanterahina mialohan’ny hahazoana ny ampahany faharoa amin’izany tohana ara-bola izany (DPO). Efa nivoaka ny volana jona 2023 ny tapany voalohany amin'izany famatsiam-bola izany izay nitentina 100 tapitrisa dolara. Efa misy fivoarana hita taratra ary mbola misy ezaka ifanarahana mbola mila hatao eo amin’ireo sehatra samihafa ireo. Ny fahazoana ny famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara faharoa dia halefa handalo ny fankatoavan'ny Filankevi pitantanan'ny Banky Iraisam-pirenena ny volana may 2025 aorian'ny tombana izay ho tanterahana ny volana avrily 2025.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny fifanarahana IPP eo amin’ny orinasa JIRAMA sy ny sehatra tsy miankina. Anisan'ny fepetra takian'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny tohana ara-bola DPO ny fanatanterahana ireo fifanarahana IPP mba hahafahana mampitombo ny vokatra herinaratra hatramin’ny volana jona 2026. 50% ireo fifanarahana famatsiana herinaratra ho an'ny tambazotran'ny JIRAMA no efa vita sonia.

  • II- FANATSARANA NY FITANTANANA IREO VINAN’ASAM PANJAKANA HO AN’NY TAONA 2025

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanitsiana ny tetibola hanatanterahana ireo tetikasam-panjakana ho an'ny taona 2025. Tetikasan'ny minisiteran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa ny fanohizana na fanombohana ny asa fanamboarana ireo “Centres de Formation Professionnelle d'Excellence” (CFPE) sy ireo “Centre de Formation Professionnelle de Référence” (CFPR).

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tetikasam-panjakanan'ny minisiteran'ny tontolon'ny iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ho an'ny taona 2025. Anisan'ny imasoan'ireo tetikasan’ny minisitera ny fitantanana maharitra ireo faritra arovana amin’ny alalan’ny "Sinking Fund de la Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM)". Eo ihany koa ny fampiroboroboana ireo "pépinières" hahafahana mamatsy ireo fandaharan'asa fambolen-kazo sy ny fanohanana ny "Madagasikara rakotra ala" izay mikendry ny hambolena velaran-tany 75000Ha isan-taona ary mifanindran-dalana amin’ny fanomezana asa ireo tantsaha sy ny fanatsarana ny fitantanana ireo ala.

  • III- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandoavana ny ampahany amin’ny latsak’emboka anjaran’i Madagasikara amin’ny maha mpikamba azy eo anivon’ny vondrona SADC.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny asa fanamboarana ny lalana PK 25 + 500 eo amin’ny RNT 35 izay vatsian'ny tahirim-bola ho an'ny lalana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny asa fanamboarana ny fahatapahana eo amin’ny fokontany Ambodiakondro makany amin’ny kaominina ambanivohitra Moramanga izay vatsian'ny tahirim-bola ho an'ny lalana.

    MINISITERAN'NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny saran'ny tombana sy ny fanaraha-maso tanterahin'ny ONE ho an'ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (permis environnemental) ho an'ny tetikasa JIRAMA WATER 3 ho an'ireo asa maika. Isan’izany ny:

    - ny asa fananganana ivon-toerana fanadiovana rano 50.000m³ ao Amoronankona

    - ny fananganana fitahirizan-drano 1500m³ ao Ambohibe

    - ny famatsiana sy fametrahana fantson-drano mirefy 23km makany amin'ireo fitahirizan-drano any Iavoloha, Ambohibe sy Analamahitsy

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanampiana ara-bola ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny HSBC SEVENS Challenger 2025 Round 3 taranja rugby ny 06 hatramin’ny 13 avrily 2025 any Cracovie, Pologne

  • IV- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara ho tombontsoan'ny besinimaro ireo "réserves d’emprise" amin’ireo fametrahana na fampitaovana tafiditra ao anatin'ny "Plan d'Urbanisme Directeur de l'agglomération Antsiranana" izay voafaritry ny Kaominina Ambanivohitra Antsiranana sy ny manodidina. Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa ireo andrin-jiro dia tsy azo tapahina ka tokona raisina ny fepetra isorohana izany. Ireo andrin-jiro ireo dia tolotra ho an’ny vahoaka ilain’izy ireo isan’andro. Ilaina ihany koa hoy ny Filoha ny fanentanana sy fanamarihana ataon’ireo ben’ny tanàna mikasika ny lalàna momba ny fananganana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna

  • V- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOMANANA Jean Yves, ho «Premier Président de la Cour d’Appel » Toamasina.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABEMANANJARA Barijaofetra Emmanuel, ho "Premier Président de la Cour d’Appel" Mahajanga

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-434 19 avrily 2023 ary manendry an-dRamatoa RABENANTOANDRO Voahirana Valérie Michèle, ho Talen'ny Serasera.

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1705 tamin'ny 25 septambra 2024 ary manendry ny Colonel TELOLAHY Jeason Arnaud, ho Tale Teknikan'ny "Direction Générale de la sécurité routière".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1193 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry ny Colonel ANDRIANTSIFERANA Tiarimanana Solofotiana Hajasoa, ho "Directeur des opérations routières de la Direction Générale de la sécurité routière".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1079 tamin'ny 02 may 2024 ary manendry ny Colonel RANDRIANASOLO Lova Hervey, ho Kaomandin'ny fari-piadidian'ny zandarimariam-pirenena Toliara

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SYLVAIN RAHAINGONANAHARY Mamy Sahy Safidy, ho "Directeur de la Communication et des Systèmes d’Information" (DCSI)
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    - Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-429 tamin'ny 28 febroary 2024 nanendry ny Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny Fampiofanana arak'asa Antsinanana.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    - Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-604 tamin'ny 27 avrily 2022 nanendry ny Talen'ireo Fotodrafitrasan’ny Rano

  

Natao ny 26 marsa 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika