TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 19 marsa 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 19 marsa 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FANATSARANA NY VINAN’ASAM-PANJAKANA HO AN’NY TAONA 2025

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo fampiasam-bolam-panjakana ho an'ny minisiteran'ny asa vaventy. Tafiditra ao anatin’izany ny:

    - Fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. 24% ny firosoan'ny asa fanamboarana izany fotodrafitrasa goavana izany ary tanjona ho an'ny taona 2025 ny hamitana tara tanteraka ny ampahany voalohany mirefy 80km.

    - Irosoana ihany koa ny fanamboarana ny lalana mampitohy an'Antanifotsy sy Sahofika izay hametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra goavana mandeha amin'ny herin'ny rano hanana tanjaka 192MW.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasam-bolam-panjakana ny minisiteran'ny fizahantany sy ny asa tanana amin'ny fananganana ny "village artisanale" eny Ivato. Tanjona ny hanomezana sehatra matianina ho an'ireo mpanao asa tanana malagasy hampirantiana sy hamarotana ny vokatr'izy ireo. Ny "village artisanale" dia ho fitaratra hamondrona ireo karazana asa tanana malagasy. Mba hanafaingana ny fanatanterahana ny asa dia nozaraina ho « lots » miisa folo (10) ny asa fananganana ireo trano. Nampifanatrehana ireo orinasa maro ary nasaina nanao tolotra tsirairay avy izy ireo. Tokony efa jerena dieny izao ihany koa ny orinasa malagasy izay haneho ny kalitao ambony na “haut de gamme” amin’ny vokatra vita malagasy. Ankoatra ireo fampiratiana ireo asa tanana dia tokony ahitana tolotra samihafa koa eo anivon’ity « village artisanale » ity toy ny raharaha amin’ny resaka fanondranana, birao fanakalozana vola vahiny, sns…

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo hevi-dehibe, ny tanjon'ny hetsika ary ny tetiandro mahakasika ny fahatsiarovana ny faha-78 taonan'ny 29 marsa 1947, ho an'ny taona 2025. Ho fanomezana lanja ny maha Malagasy amin'ny alalan'ny tantara, ny Komity Teknika Mpanomana ny Hetsi-pahatsiarovana ny 29 marsa 1947 dia nanomana hetsika maro isan-karazany ho fahatsiarovana izany vanim-potoana izany. Ho an'ny taona 2025, ny tarakevitra hitondrana ny hetsi-pahatsiarovana dia “Tolom-panafahana: fanilo miampita hoan'ny taranaka".

    Marihina fa ny fahatsiarovana dia misy manerana ny faritra efatra amby roapolo (24) fa ny tena hiavaka kosa dia ny eto Antananarivo sy ao Manakara ary ny ao Moramanga.

    Ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny hetsi-pahatsiarovana dia hatao ny Zoma faha 21 marsa 2025 manomboka amin'ny 10 ora maraina eny amin'ny Zaridaina Anosy. Hisy ireo hetsika fanentanana ny olom- pirenena hitsidika ny toerana misy sy mirakitra ny tantara ao amin'ny trano fampirantian'ny Fitaleavan'ny Mpiady Tia Tanindrazana Analakely sy ao amin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera eny Anosy. Eo ihany koa ireo fampirantiana tantara sy sarin'ireo Mpiady Tia Tanindrazana amin'ny alalan'ny fitetezana sekoly. Hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an'ireo mpiady tia Tanindrazana akanga sisa nanamborana sy fanomezana solombodiakoho azy ireo.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny fanokafana masoivohon’i Madagasikara ao Abou Dhabi, Emirats Arabo Mitambatra.

    Efa voafaritra ny toerana hametrahana izany Masoivoho izany ary taorian'ny fitsidihana nataon'ireo tompon’andraikitra emiratis dia irosoana ny fampitaovana ho an'ny fiarovana sy fampanarahana fenitra ny toerana. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny tetibola fampandehanan-draharaha izany masoivoho izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny fikarakarana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny Komision'ny Ranomasimbe Indiana (COI). Taorian’ny fankatoavana ireo antontan-kevitra sy fandefasana ireo fanasana ho an'ireo Filoham-pirenena sy mpiara-miombon’antoka, dia efa am-perinasa tanteraka ny komity mpikarakara izay iarahan'ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny mandrindra. Efa misokatra ihany koa ny tranokala ofisialin'ny andiany faha dimy ny fihaonana an tampon'ireo Filoham-pirenena eo anivon’ny COI taorian'ny fanehoana ny sary famantarana ofisialy ny 14 marsa 2025 lasa teo. Misy ihany koa ireo hetsika amin'ny sehatra samifaha, ankilan'ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena toy ny "Business Forum Régional", ny adihevitra an-databatra boribory momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy, ny varotra fampiratiana asa tanana sy fizahantany. Hisy ny fivoriana ho tarihin’ny Filohan’ny Repoblika hanaraha-maso akaiky ny fizotry ny fanomanana ny fandraisana izany fihaonana an-tampony izany.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny tetikasa Faritra afak’haba iraisam-pirenena eo amin’ny fizahantany na "Zone Franche Internationale Touristique" izay iarahana amin’ny Emirats Arabo Mitambatra.

    Tanjon'ity tetikasa ity ny hametraka an'i Madagasikara ho lohalaharana amin’ny fampiasam-bola aty Afrika sy ny ranomasimbe indianina amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny tontolon'ny fampiasam-bola manintona ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena amin'ny sehatry ny fizahantany sy ny varotra. Efa nisy fanadihadiana natao ho fahombiazan'ny tetikasa ka ho fanatanterahana izany dia irosoana ny fifampiraharahana amin'ny Emirats Arabo Mitambatra amin'ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Governemantan'ny firenena roa tonta mba ho fampanarahana ny lalàna ny fiaraha-miasa amin’ity tetikasa ity. Ho faritana ihany koa ny toerana hametrahana ity faritra afak’haba ity sy ny komity handrindra sy hanaraka ny fanatanterahana ny tetikasa.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetibolan'ireo Faritra amin'ny alalan'ny Tahirim-bola ho an'ny Fampandrosoana Ifotony (FDL).

    Hisy ny fanomezana fitaovana ireo Faritra ho fanatsarana ny toe-piainan'ny mponina sy ho fampiroboroboana ara-toekarena isam-paritra. Ireo fitaovana ireo dia entina hanamboarana ireo lalana sy fotodrafitrasa samihafa. Ankoatra ireo fitaovana ireo dia hisy ihany koa ny tetibola natokana isaky ny Faritra ka tsy maintsy voafaritry ny Faritra tsirairay mazava tsara ao anatin'ny fifanaraham-pamatsiam-bola ireo asa ampiasana io tetibola io. Hisy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo asa rehetra.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny fampitana am-bava momba ny sehatry ny lavanilina eto Madagasikara. Nahatratra 4300 taonina ny fanondranana lavanilina teo amin'ny tsena iraisam-pirenena ho an'ny taom-pamokarana 2023-2024 izay nihoatra lavitra noho ny filana maneran-tany izay tombanana eo amin’ny 2500 taonina. Ankehitriny dia mbola mahatratra 931 taonina ny lavanilina aondrantsika telo volana mialohan'ny fiafaran'ny taom-panondranana amin'ny 30 jona 2025. Izany dia noho ireo lavanilina voatahiry eny amin'ireo mpividy tamin'ny taom-pamokarana teo aloha izay miteraka korontana eo amin’ny tsena. Ilaina araka izany ny maha matianina ny rojo pihariana lavanilina mialohan'ny taom-pamokarana manaraka sy ny fiantohana amin'ireo mpamboly fa ho vidian'ireo mpanondrana ny vokatra rehetra misy. Izany dia mba hahazoana vokatra tsara kalitao sy hamongorana ireo mpanararaotra mampidina ny vidin’ny lavanilina ka mampihena ny fidiram-bolan'ireo mpamboly sy mpamokatra ary manimba ity sehatra ity. Ankehitriny dia mahatratra 1000 taonina ny tahirina lavanilina avy eto Madagasikara any ivelany, 1000 taonina ihany koa ny tahiry eto an-toerana ary vinavinaina hahatratra 300 taonina ny vokatra lavanilina efa voamboatra ho an'ny taom pamokarana 2025-2026.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famatsiam-bola fanatanterahana ny lalambe migodana mampitohy an'Anjozorobe sy Toamasina.

    Ny tapany voalohany mirefy 80km amin'izany fotodrafitrasa goavana izany dia ny fampiasam-bolan'ny fanjakana malagasy no hiantoka ny fanatanterahana azy ary miroso ny asa ankehitriny. Ny tapany faharoa izay mirefy 80km ihany koa dia efa nahazoana famatsiam-bola avy amin'ny BADEA ary hanomboka ny taona 2026 fara-fahatarany izany. Efa nisy kosa ny fifampiresahana nataon'ny minisitera tamin'ireo mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka hamatsiana ny tapany fahatelo amin'ny lalambe migodana izay mirefy 140km. Anisan'izany ny Abu Dhabi Found for Development na ADFD izay naneho ny fahavononany hanohana an'i Madagasikara hanatanteraka izany fotodrafitrasa izany. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny irosoana amin'ny fifampiraharahana sy fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny ADFD sy ny Fanjakana malagasy. Nanao fanamarihana manokana ny Filohan’ny Repoblika ny anarahana akaiky ny tetiandro hanatanterahana ireo asa ireo.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny totaliben'ireo vola mila aloha hanonerana ireo olona voakasiky ny asa fanajariana ny lalam-pirenena faha-enina eo anelanelan'Ambanja sy ny seranan-tsambon'Antsiranana.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ireo "titres miniers" lany daty amin'ny fitrandrahana akoran'afo sy fanambarana ny faran'ireo "contrats de partage de production associés". Taorian’ny fitsirihana natao dia miisa 21 ireo "contrats de partage de production associés" ary miisa 21 ireo "titres miniers" izay iharan'izany fanafoanana izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ireo "permis miniers" tsy ara-dalàna. Anton'ireo fanafoanana ireo fahazoan-dalana ireo ny tsy fandoavana ny saram-pitantanana ny harena ankibon’ny tany (FAM), araka ny voalazan’ireo andininy faha-347 sy 363 ao amin’ny "code minier"; ny tsy fanavaozana ireo antontan-taratasy araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-92 ary noho ny fialan'ny tompon'ny fahazoan dalana araka ny voalazan’ny andininy faha-117.

    Ireo orinasa manana fahazoan-dalana rehefa tsy tena matianina sy vonona hitrandraka dia mijirika ny ankabeazany ka izany no tsy maintsy irosoana amin’izao fanadiovana izao. Mba ho tena izay hitrandraka ary vonona hiara-hiasa amin’ny fanjakana mba hampandroso an’ i Madagasikara ny vokatry ny taniny no mahazo ireo fahazoan-dalana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanavaozana ireo "permis miniers" ao anatin'ny fanatanterahana ny "Plan d’Assainissement du Cadastre Minier".

    Nisy ireo fanavaozana napetraka entina nametrahana rafitra ara-dalàna mifanaraka amin’ny toetrandro sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary miantoka ny fifandanjana ara-toekarena, ara-sosialy sy ara-tontolo iainana amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Efa mihatra izany rafitra ara-dalàna izany ary nampahafantarina ireo manana fahazoan-dalana hahafahan'izy ireo manao ny fangatahana fanavaozana ireo "permis miniers". Tanjona ny fahafahan'ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany manome ireo fahazoan-dalana miaraka amin'ny mason-tsivana matianina kokoa, ny tsy maintsy ananan'ireo mpandraharaha fahafahana ara-teknika sy ara-bola ary ny fanamafisana ny fanaraha-maso ireo asa fitrandrahana. Miisa 47 ireo “permis de recherche” (tsy tafiditra ao anatiny ny fahazoan-dalana ho an’ny volamena) ary 102 ny “permis réserves aux eploitants artisanaux” voakasika.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny paikady fanondranana ara-dalàna ny volamena sy ny famerenana ny fandrafetana ny tahirim-bolamena nasionaly.

    - Tamin'ny taona 2016 no niverenan'ny fanondranana volamena ara-dalàna fa noho ny tsy fisian'ny fidirana vola vahiny tamin'ny kitapom-bolam-panjakana sy tombony ho an’ny toekarena malagasy dia nahato izany ary niroso tamin'ireo fanavaozana ho fiarovana ny sehatry ny fitrandrahana volamena ny Fitondram panjakana sy ho fanamafisana ny fanaraha-maso ny varotra volamena. Taorian'izay, tamin’ny taona 2024, dia niverina indray ny fanondranana volamena ary napetraka ny tahirim-bolamena eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Ho fanamafisana ny fampanarahan-dalàna ny sehatry ny volamena sy ho fampiroboroboana ny fanondranana ara-dalàna ary ho fandrafetana ny tahirim-bolamena dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny paikady manaraka etoana:

    - Fandefasana antso fanehoana fikasana (appel à manifestation d’intérêt) amin'ny fanondranana ara-dalàna volamena 4 taonina sy fandrafetana tahirim-bolamena 4 taonina eo anivon’ny BFM

    - Fisafidianana mpandraharaha vonona hametraka rafitra ara-barotra manomboka eny amin’ny toeram-pitrandrahana sy vonona hividy isam-bolana lanjana volamena efa voafaritra mialoha.

    - Fanomezana "agréments de comptoir" ho an'ireo mpandraharaha tena vonona hanatanteraka ireo tanjona napetraka

    - Ny tsy fanarahana ireo fifanarahana dia hitarika ny fanesorana ireo "agréments" noho ny antony ara-dalàna tsy fanarahana ny "cahier des charges"

    - Ny BFM dia hametraka rafitra hanangona ireo volamena eny anivon'ireo distrika miisa efatra tena mpamokatra dia i Mananjary, Maevatanana, Miandrivazo sy Ambilobe.

    - Ireo volamena voangon'ireo mpandraharaha voasafidy dia ho voarakitra sy apetraka amin'ireo rafitra ireo ary ny BFM no hiantoka ny fitaterana azy eto Antananarivo

    - Ny mpitandro filaminana no hiantoka ny fampiharana ny lalàna amin'ny antana tohatra rehetra

    - Ny minisiteran'ny harena an-kibon’ny tany no manome ireo "agréments"

    - Ho fanatsarana ny fitantanana ny sehatra volamena, ireo mpitrandraka sy mpanangona volamena dia tsy maintsy misoratra amina "comptoir de l'or"

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandoavana ny 25% amin’ny fandraisana anjaran'ireo atleta malagasy amin'ny andiany faha 13 amin'ny lalaon'ny CJSOI ny 01 hatramin’ny 10 aogositra any Seychelles.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran'ireo tanora miisa telopolo avy amin’ireo renivohi-paritany amin'ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena eo anivon’ny COI sy ny SADC. Tanjona ny fampiroboroboana ny haitarika ho an’ireo tanora, ny fampandraisana anjara sy fandraisan’andraikitra azy ireo. Ireo fihaonana lehibe roa ireo ihany koa dia hahafahan’ireo tanora mahalala bebe kokoa ny toeran’i Madagasikara eo anivon’ny faritry ny ranomasimbe Indiana sy eto Afrika.

  • III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM BOLA

    Foana ny didim-panjakana manendry an’Atoa RASOLONDRAIBE Tsiresy ho mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantananan’ny Fonds Souverain S.A.

    Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASOLONDRAIBE ho Tale Jeneraly misolo toerana eo anivon’ny Fonds Souverain S.A.

     

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 513 tamin'ny 06 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa BEHAJA Alan Basile, ho Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 322 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa KAJALY Dunest Audace Rabin, ho Tale Jeneralin'ny Asa Tanana.

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-942 tamin'ny 15 septambra 2021 ary manendry ny Colonel ANDRIARIMALALA Arsène, ho Tale teknika eo anivon’ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1264 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry ny Colonel RAVELOMANANA Valona Tahina, ho "Directeur de la Police judiciaire auprès du Commandement de la Gendarmerie nationale."

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM- PONENANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANASOLO Mahery, ho "Directeur du Développement du Partenariat"
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    - Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-197 tamin'ny 07 febroary 2024 nanendry ny "Coordonnateur de la Cellule d’Audit Interne et de Lutte contre la Corruption" 

    - Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-516 tamin'ny 06 marsa 2024 nanendry ny Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy Fampiofanana arak'asa Boeny.

  

Natao ny 19 marsa 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika