TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 12 marsa 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 12 marsa 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FANATSARANA NY VINAN’ASAM-PANJAKANA HO AN’NY TAONA 2025 (PIP 2025)
Nentanin'ny Filohan’ny Repoblika ireo Minisitra isan-tsokajiny hanatsara ireo tetibola hampiasaina hanamafisana ny fahombiazan'ireo minisitera amin'ny fanatanterahana ireo vinan'asam-panjakana (PIP). Nisy araka izany ireo fivoriana nifanesy niarahan’ireo ireo mpisehatra amin'ny fandrafetana ireo tetibola eo anivon’ireo minisitera sy ny Primatiora ary ny Fiadidiana ny Repoblika. Nankatoavina nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra androany ireo fotodrafitrasa mila tanterahina ho an'ny minisiteran'ny fahasalamam bahoaka sy ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena ho fanarahana ireo tena laharam pahamehana ho an'ny vahoaka. Hitohy miandalana kosa ireo an'ny minisitera hafa.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo vinan'asam-panjakan'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka ho an'ny taona 2025. Tanjon'ny Fitondram panjakana ny hanomezana tolotra ara-pahasalamana sy fitsaboana ho an'ny vahoaka hatrany amin’ireo toerana tena saro-dalana. Ny tetikasan’ny minisitera dia iompana amin'ny fanohizana ny fanamboarana ireo hopitaly sy CSB manara-penitra manarena ny Nosy izay efa maro no efa natomboka sy an-dalam-pamaranana.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo vinan'asam-panjakan'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena ho an'ny taona 2025. Tanjon'ny minisitera amin'ity taona ity ny fampitaovana ny toeram-pampianarana fitaovana hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ireo ankizy sy hahatomombana ny fikarakarana ireo fanadinana ofisialy. Eo ihany koa ny fanohizana ny fanamboarana na fanajariana ireo sekoly sy efitrano fianarana manara-penitra manerana ny Nosy.
-
II- FAMPITANA AM-BAVA
GOVERNEMANTA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo andraikitra ho raisin’i Madagasikara (engagements) ho an'ny Fihaonana an-tampon'ny fanjarian-tsakafo ho an'ny fitomboana (N4G), ho tanterahina any Paris, ny 27 sy 28 marsa 2025.
Ity fihaonambe ity dia fotoana iray hahafahana manamafy ireo ezaka efa natao teo aloha sy manafaingana ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo hahatratrarana ireo tanjona maneran-tany hatramin’ny 2030. Efa nisy ireo atrikasa sy fikaonan-doha nentina namaritana ireo fanekena ataon'i Madagasikara ary efa natolotra ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Firenena Mikambana nandritra ny fandalovany teto Madagasikara izany. Miisa enina izy ireo:
- Fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy tsy fanjarian-tsakafo lalina
- Fanatanterahana ny tondro-zotra ho fanovana ireo rafitra ara-tsakafo
- Fampitomboana ny tetibolam-panjakana momba ny fanjarian-tsakafo
- Fanamafisana ny fandrindrana stratetika marolafy
- Fanaovana ny fanjarian-tsakafo ho laharam-pahamehana amin'ny fahafaha mampifanaraka amin'ny fiovaovan'ny toetrandro
Tsara ny manamarika fa anisan’ny laharam-pahamehana ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary taorian’ireo ezaka maro be nataon’ny Fitondram-panjakana dia efa nisy ireo vokatra tsara azo. Nahitana fihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ary hita ihany koa ny fiatsaran’ny tahan’ny fampiasana ireo fandrindram-piterahana.
Ny eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny sekretariam-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny ONN no hisolo-tena an’i Madagasikara amin’izany fihaonana an-tampony izany.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana amin’ny ampahany ny didy hitsivolana laharana faha 1416-MAER/DTC tamin'ny 01 avrily 1969. Ity didy hitsivolana ity dia nanolotra tany mirefy 16a 55ca maimaimpoana ho an’ny fiangonana FJKM Toamasina. Nisy ny disadisa teo amin’ireo mpikambana eo anivon’ny fiangonana sy Rtoa SAMPIVONY Claudine, izay nahazo alalana isan-karazany teo anelanelan’ny taona 1986 sy 1990. Nisy ny fifanarahana tamin’ny taona 1998, nankatoavin’ny FJKM tamin’ny taona 2001, ka nahafahan-dRtoa SAMPIVONY nahazo tany mirefy 20,15m x 14,02m. Io ampahan-tany io dia nisaraka tamin’ny tany voalohany ka lasa fananana vaovao (TN15.371-BA, 02a 54ca). Ny fanafoanana ny ampahany amin’ny didy hitsivolana tamin’ny taona 1969 dia hampanarahan-dalàna tanteraka ny tanin-dRtoa SAMPIVONY.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fifehezana ny fanovana ny fifanarahana amin'ireo tsenam-baro-panjakana (avenant). Hita tokoa fa misy ireo orinasa sasany mifaninana amin'ny vidiny ambany rehefa mandefa ireo tolo-bidy amin’ny fanatanterahana ireo asa, ka rehefa mahazo ilay tsenam-baro panjakana dia manao fanovana amin’ny fifanarahana na “avenant” aty aoriana ka lasa midangana noho ireo mpifaninana aminy ny fandaniana. Anton'izao fampitana am-bava izao dia ho fampatsiahivana ireo fitsipika mifehy ny fahafahana miroso amin’ny fanovana ireo fifanarahana amin'ireo tsenam-baro-panjakana (avenants au marché public) mba tsy isian'ireo mety fihoaram-pefy.
Araka izany ny "avenant" izay misy fiantraikany amin'ny tetibola efa voatokana amin’ny fanatanterahana ny asa dia tsy maintsy atolotra eo anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta na ny Filan-kevitry ny Minisitra. Tsy azo atao ny manova anton'ny fifanarahana ary tsy misy “avenant” azo atao intsony rehefa vita ny fandraisana tanteraka ny asa. Tsy azo atao ihany koa ny manao fanitsiana ny fifanarahana mikasika ny vola aloha mialoha (avance) sy raha toa ka mihoatra ny 1/3 ny fanovana atao. Afaka atao kosa ny miroso amin’ny fanovana ny fifanarahana raha mihoatra ny fe-potoana nifanarahana tany am-boalohany ny fanatanterahana ny asa.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA TSIANSA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handoavana ireo vatsim-pianarana telo volana miampy ny “équipements” ho an'ireo oniversite miisa enina sy ireo IST miisa telo.
Tsiahivina fa talohan’ny firosoana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra izay nentin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny, dia anisan’ireo nahitana fanodikodinana ny fitantanana ireo vatsim-pianarana ireo. Taorian’ireo fitsiriana natao dia lasa 29 miliara ariary izany raha toa 43 miliara ariary tany aloha.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetibola fampandehanan draharahan'ny Alimentation en Eau dans le Sud (AES) ho an'ny taona 2025. Anjara asan’ny AES moa fampidirana rano fisotro madio sy fanadiovana any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana an-tanana ny saram-pitaterana sy ireo "prime" fandraisana anjaran'ny ekipam-pirenena Barea sy ireo mpanomana ara-teknika amin'ny lalao fifanintsanana amin'ny fifaninana tompon-daka eran-tany taranja baolina kitra 2026.
-
III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ireo fitsipika sy ireo fomba arahina amin'ny famaritana ara-haitao ara-kajy mirindra ireo tanim panjakana, ireo vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana sy ireo fikambanana mizaka zom-panjakana, mba hahafahana manao ny fanisana azy ireo sy ny fitantana ireo tany. Tanjona ny hahafahana mahazo ireo salan'isa mazava sy ny mombamomba ireo tanim panjakana mba hahafahana miaro azy ireo sy hiantohana ny fanatanterahana ireo tetikasam-panjakana. Ny fomba hitantanana ny tany sy hanoratana azy ireo anaty boky dia mitovy ihany amin’ny tsato-bato teo aloha.
Raha ny tsato-bato na "bornage physique" izay ampiasaina amin'izao, dia sady mandany vola no sady mandany fotoana ny fanaovana azy, ka lasa tsy feno ireo "catalogues fonciers". Efa nisy ny faritra andrana nampiharana ny haitao ara-kajy mirindra tany Morondava ary nahitan-bokany avy hatrany, vita tanteraka tao anatin’ny roa volana ireo famaritana.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana momba ny fidiram-bola sy fandaniana fanampiny ho an'ny Primatiora amin'ny Lalàna mifehy ny tetibolam panjakana 2025 amin'ny fandoavana ny tambin'ny fiantohana avy amin'ny vondrona African Risk Capacity (ARC).
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka ireo fepetra takian’ny sehatra mifandraika amin’ny fanomezana fahazoan-dalana hanorina trano, ny fametrahana ny jiro sy ny tambajotram-pifandraisan-davitra, ary ny fanaovana asa mety mampidi-doza na voarara eny amin’ny manodidina fitaterana an-tariby manerana ny tanin'i Madagasikara.
-
IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-857 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry ny Général de Division RAJAONARISON Volamanana Mamiarivelo, ho "Inspecteur Général Adjoint" eo anivon’ny Inspection Général des Armées.
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-861 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry ny Général de Brigade AJIBARA Florent, ho "Directeur Central du Service de Santé Militaire"
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-860 du 11 avrily 2024 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTOMALALA Herisoa Mario, ho "Directeur des Reformes"
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-0541 tamin'ny 26 marsa 2015 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANDIMBY Harinirina Tiana, ho "Directeur de l’Office National de Lutte Anti-Tabac"
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-921 ny 11 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOZAFY Germain, ho « Directeur de la Lutte contre les Maladies non Transmissibles »
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-085 tamin'ny 24 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAHARIMAMONJY Laliarisoa, ho "Directeur Général de la Médecine Préventive"
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RIJAMALALA Dera Jimmy, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Betsiboka
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1232 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa NOROMAMY Francine, Directeur du Bureau de Traitement des Doléances et de la Lutte contre la Corruption
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MAHALEFITRA Velomasy Moustapha, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Betsiboka
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASOLOTSIROFO Mon Myocarde Zoe Louis Miel, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Anosy
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana 2024-223 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa BOTOMIARANA Donald Judicaël Tavao, ho Tale Jeneralin'ny Serasera
-
V- SAMIHAFA
Taorian’ireo lahadinika rehetra dia nanao fanaraha-maso ny momba ireo fanampiana nalefa ho an'ireo distrika nitondra takaitra taorian'ny fandalovan'ny rivodoza HONDE ny Filohan’ny Repoblika rehefa avy nidina ifotony nijery ny tena zava-misy tany an-toerana ny herinandro lasa teo.
Nanomboka ny alatsinainy teo no efa miparitaka ao amin’ny fokontany miisa 28 ao Toliara ireo vary mora amin'ny vidiny 500ar ny kapoaka. Misy 10 taonina kosa ireo nalefa any Androka sy Itampolo izay vinavinaina ho tonga any an-toerana rahampitso. Nohamafisin'ny Filohan’ny Repoblika fa mila fanaraha-maso akaiky ny fivarotana ireo vary mora ireo, izay tokony hatao in-telo isaky ny herinandro ary atao mangarahara eo imason'ireo fokonolona.
Nanome toromarika ihany koa ny Filohan’ny Repoblika ny tsy maintsy hahatongavan'ireo karinem-pokontany hatrany amin’ireo kaominina farany lavitra indrindra mba hahafahana mizara ireo jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro hanarahana ny asa sosialy atao ho an’ny vahoaka. Nohamafisiny hatrany fa tsy tokony eo amin’ny birao ihany no ahitana ireo minisitra isan-tsokajiny fa tokony hita miasa miaraka amin'ny vahoaka eny an-kianja.
Ankoatra izay, efa manakaiky ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon'ny Komision'ny Ranomasimbe Indiana ka nanome toromarika hatrany koa ny Filoha ny tsy maintsy hisian'ny fivorian’ny mpikarakara rehetra in-droa isaky ny herinandro farafahakeliny ho an'ireo mpikarakara rehetra voakasika.
Ny eto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika no hitarika izany fivoriana izany.
Natao ny 12 marsa 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika