TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alakamisy 06 marsa 2025 – Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga

 

Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga androany Alakamisy 06 marsa 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra ivelan’Antananarivo, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra sasantsasany ary ireo manam pahefana ao an-toerana.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fivezivezena an-dranomasina mandeha sy avy any Kaomoro.

    Taorian’ny fihatsaran'ny tranga ara-pahasalamana tao Kaomoro dia afaka miverina ny fitaterana an-dranomasina eo amin'i Madagasikara sy Kaomoro. Noraisina ity fanapahan kevitra ity taorian'ny fifampidinihana tamin'ireo mpiara-miombon’antoka ara pahasalamana. Mitohy hatrany ireo fepetra fiarovana izay efa mihatra toy ny famendrahana ireo entana, ny fanasana tanana, ny fanamafisana ny fanaraha-maso eny amin’ny sisintany ary ny "chimioprophylaxie" ho an'ireo mpandeha. Tsy ny lafiny ara pahasalamana ihany no tsinjovina amin'ny fiverenan'ny fivezivezena eo amin’ny firenena roa tonta izao fa eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana iraisam-paritra indindra amin'izao ankatoky ny fihaonana an-tampon'ny Komision'ny Ranomasimbe Indiana izao.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanolorana ireo asa tanterahina eto Mahajanga tafiditra ao anatin'ny "Programmes d’Appui et de Développement des Villes d’Equilibre" (PADEVE 2). Ny fandaharan'asa PADEVE 2 izay vatsian'ny Agence Française de Développement (AFD) sy ny Fitondram panjakana malagasy dia mikendry ny fanamafisana ny fampandrosoana ireo tanàn dehibe, anisan'izany i Mahajanga. Ho an'ity renivohitry ny Faritry Boeny ity manokana dia maromaro ireo asa tafiditra ao anatin'ny PADEVE 2:

    - Fanajariana ireo lalana an-tampon-tanana hanatsarana ny fivezivezena (lalana JMJ, Antanimasaja-Ambohimandamina, avenues Philibert Tsiranana sy 14 oktobra, lalana Tsararano)

    - Fanajariana ireo fotodrafitrasa fitrohan-drano hisorohana ny tondran-drano (vallon Metzinger)

    - Fanatsarana sy fananganana toeram-pialan-tsasatra ho an'ny daholobe ho fanatsarana ny endriky ny tanàna ("jardin d'Amour" sy zaridainan'ny 29 marsa)

    Ankoatra ireo dia nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika fa hametrahana "jet d'eau" lehibe ihany koa eto Mahajanga. Hisy ihany koa ny didim-panjakana izay handalo fandaniana eto anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra hamerana ireo fanorenana izay manimba ny endriky ny tanàna.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tetikasa hametrahana fotodrafitrasa ara-toekarena sy sy ara-sosialy fototra ho an'ireo Vondrom-bahoakam-paritra intsinjaram-pahefana ao amin’ny Faritra Boeny. Ny tahirim-bola ho an'ny fampandrosoana ifotony (FDL) miaraka amin'ny mpiara miombon’antoka toy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena alemana KfW amin'ny alalan'ny fandaharan'asa "Programme de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation (PDCID)" no mamatsy ireo tetikasa. Anisan'ireo zava-bita tao amin’ny Faritra Boeny :

    - ny fisitrahana kaominina miisa 5 ny Fonds National de Péréquation (FNP) ary mbola hisy ny andiany faharoa amin'ity taona 2025 ity.

    - ny fandaharan'asa Programme PIP 113 – Région Émergente izay nahafahana nanamboatra lalana mirefy 3,125km natao tara na rarivato ny taona 2024-2025.

    - Kaominina miisa 15 no nahazo sekoly sy nisitraka fanamboaran-dalana amin’ny alalan’ny PDCID-KfW II. 11 ny tetikasa efa vita tanteraka ary 8 kosa ireo an dalam-panamboarana.

    Notsipihin’ny Filohan’ny Repoblika fa andraikitry ny Faritra ihany koa ny fanamboarana ny lalana an-tampon-tanàna. Homena tetibola manokana izy.

    Hanampiana ireo asa efa maro izay efa natao dia hisy ihany koa ny famatsiam-bola mitentina 33,6 miliara ariary entina hamatsiana ireo tetikasa eny amin’ireo kaominina ao anatin'ny Faritra Boeny, ary hitentina 50 hatramin’ny 150 tapitrisa ariary ny famatsiam bola isaky ny kaominina hanamboarana fotodrafitrasa vaovao.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanajariana ny seranan-tsambon'i Mahajanga. Ny seranan-tsambon'i Mahajanga no ivon'ny fivezivezen'ny sambo amin'iny tapany andrefan'ny Nosy iny ary seranan-tsambo voalohany amin’ny fanjonoana makamba. Na dia nitombo 22% aza ny fivezivezen'ny sambo ao an-toerana dia anisan'ny sakana amin’ny fandraisana ireo sambo lehibe ny fahanteran'ny fotodrafitrasa sy olan'ny fiangonan'ny fasika. Efa misy ny tetikasa entina hanajariana ny seranan-tsambon'i Mahajanga manomboka ny taona 2025 hatramin’ny taona 2035 mba hahafahana mamaly ny fifaninana iraisam-paritra sy hamaliana ny filan'ny tsena an-dranomasina eo amin’ny lakandranon'i Mozambika. Anisan'ireo asa ho tanterahina :

    - Ny fanamboarana toeram-piantsonana vaovao (150 m x 40 m)

    - Ny fanajariana "jetée sur pieux" (360 m ny halavany, 8 m ny sakany).

    - Ny fananganana toerana fitahirizana ireo "conteneurs" (110 000 m²)

    Tanjon'ny tetikasa ny hametrahana fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy ny fitantohana ny fivezivezen’ireo sambo am-pilaminana.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro 50MW.

    Anisan'ny hisitraka ny toby mpamokatra herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro hanana tanjaka 5MW i Mahajanga. Tanjona hoy ny Filohan’ny Repoblika ny hamaliana ny filana herinaratra ho an'ny mponin'i Mahajanga amin'ny andro atoandro. Efa voafaritra ny toerana hametrahana izany tobim-pamokarana izany eo amin’ny FITIM Fokontany Manjarisoa ary hanomboka mandritra izao dian'ny Filohan’ny Repoblika eto amin'ny Faritra Boeny izao ny asa. Ankoatra izay dia efa miroso avokoa ny fanatanterahana ireo tetikasa toy ny ao Ambatomirahavavy, Ambohidrano Ilafy, Andoharanofotsy. Ho an'ny ao Toamasina manokana dia nohamafisin'ny Filohan’ny Repoblika ny hiarovana ireo takelaka (panneaux solaires) ho apetraka any an-toerana mba tsy ho mora arafesina noho ny rivo-dranomasina. Eo ihany koa ny fiarovana ireo fotodrafitrasa amin’ny rivodoza. Mila jerena ihany koa hoy hatrany ny Filoha ireo fomba fambolena ambanin'ireny takelaka mamokatra herinaratra amin'ny herin'ny masoandro ireny mba hametrahana rafitra ara-toekarena sady mamelona ny vahoaka no manome angovo azy ireo. 

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO+ MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanavaozana ny Filankevi-pitantanan'ny Jirama izay tafiditra ao anatin'ny fanohanana ara-bola avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Sakana amin’ny fametrahana izany fanavaozana izany ireo fehezan-dalàna indrindra ny "ordonnance" laharana faha 75-024 tamin'ny 17 oktobra 1975 sy ny sata mifehy ny JIRAMA izay efa lany daty tanteraka ary mifanohitra amin’ny lalana 2014-014 tamin'ny 4 septambra 2014. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany ny hanatanterahana "journées bloquées" hamaranana ny fanavaozana ireo sata mifehy ny JIRAMA ireo izay hiarahan'ny eto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora, ny Minisiteran'ny angovo sy akaron'afo, ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisiteran'ny rano ny fanadiovana sy ny fidiovana, ny JIRAMA ary ny Banky Iraisam-pirenena. Efa misy moa ireo andininy efa nankatoavina amin’ny fanavaozana ny sata mifehy ny JIRAMA nandritra ny atrikasa efa natao niaraka tamin’ny Banky Iraisam pirenena. Anisan'izany ny fanavaozana ny andraikitry ny Tale Jeneralin'ny orinasa JIRAMA. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fanaraha-maso ireo groupes manerana ny Nosy sy ny hirosoana amin'ny fampiasana angovo azo havaozina. Entitra ihany koa ny Filohan’ny Repoblika ny hametrahana olona tena matianina sy manana traikefa eo anivon’ny filankevi-pitantanan'ny orinasa JIRAMA mba tena hanampy ny fitaleavana jeneraly amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Tokony ampiana tale lefitra isan tsokajiny ihany koa eo anivon’ny JIRAMA hoy ny Filoha toy ny tale misahana ny fitantanam-bola, misahana ny angovo azo havaozina sy ireo tetikasa lehibe mikasika ny rano, sns. Mila apetraka ihany koa ny komity fanarenena ny orinasa JIRAMA izay ho tendren'ny Filankevi-pitantanana ary tsy maintsy olona manana traikefa amin'ny lafiny angovo sy fitantanam-bola izy ireo.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo fandaniana ho fandoavana ireo fanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa fanajariana ireo lalana ambanivohitra eo amin’ny lalam-pirenena faha-44, Faritra Alaotra Mangoro sy ny RNT12A Faritra Anôsy sy Atsimo Atsinanana ao anatin'ny tetikasa Projet d’Appui à la Connectivité des Transports (PACT), vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena. Efa volana maromaro izao no nandinihana ireo fandaniana sy nanao ny fanamarinana rehetra hoy ny Filohan’ny Repoblika. Efa nisy fihenana goavana ny totaliben'ireo vola mila aloha taorian'ny fitsirihana izay natao. Natao izany fijerevana ifotony izany satria misy tambazotra manararoatra io fanonerana volan’ny tany rehefa misy tetikasa tokony atao io. 

    Nankatoavina ihany koa ny fandoavana izany fanonerana izany ho an'ireo izay voakasiky ny tetikasa fanamboarana ny RN13, RN10 sy RN31. Nampahatsiahy ny Praiminisitra ny tokony tsy hanajana ireo « emprises » rehefa misy fanorenana atao.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-efatra. Anisan'ny laharam pahamehana nandritra ity Filan-kevitry ny Minisitra ivelan'Antananarivo ity ny fanajariana ny lalam-pirenena faha-efatra. Efa misy ireo asa efa manomboka tafiditra ao anatin'ny tetikasa PDDR izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra anatin'izany:

    - Ny lalana mampitohy an'Ankazobe sy Antsiafabositra (63,90 km)

    - Ny lalana mampitohy an'Antsiafabositra sy Ambalanjanakomby (65,20 km)

    - Ny lalana mampitohy an'Andranofasika sy Mahajanga (66,65 km).

    Efa lasa ihany koa ny "ordre de service" hanombohan'ireo asa fanamboaran-dalana ao anatin'ny tetikasa CERC - PCMCI eo amin’ny lalam-pirenena faha-efatra:

    - Eo anelanelan'ny PK 65+000 SOANIENDALANA sy PK 95+000 miditra Ankazobe

    - Eo anelanelan'ny PK 240+000 (Antananarivokely) sy PK 353+700 Antsapanana

    - Eo anelanelan'ny PK 470+000 mivoaka an'Ankarafantsika sy PK 518+000 mivoaka Ambovondramanesy.

    Misy ihany koa ireo asa avy amin'ny famatsiam-bolan'ny fanjakana: Fanajariana ny RNp4 eo anelanelan'ny fivoahana'Ankarafantsika - alohan'Antanambao Andranolava (PK 470 hatramin’ny PK 490) sy ny Croisement Boanamaro - Tanànan'i Mahajanga (PK 560 hatramin’ny PK 570)

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hampiasana tetibola hanamaboarana ireo lalana :

    - Eo anelanelan'Antananarivo sy Alakamisy Anosiala, PK 0+000 sy PK 17+700

    - Eo anelanelan'Antananarivo kely - Marokoloy, PK240 sy PK 250

    - Ny asa maika fiarovana ny "quart de cône" eo amin’ny sampanana RAZAKA, PK 441+000 sy ny NP4

    - Ny asa fanajariana ny RNP4 (CONTRAT CADRE), eo amin’ny PK 413+OOO mivoaka Ambondromamy sy PK498+400 Antanambao Andranolava.

    Eo ihany koa ny asa fanajariana ireo lalana an-tampon-tanànan'i Mahajanga: Rue Serbie, Rue Georges V, Rue Philibert Tsiranana, Avenue de Comores, Rue Georges Ranaivoson, Boulevard Marcoz, Rue Henri Paul. Nanome toromarika ihany koa ny Filohan’ny Repoblika ny hanamboarana ny lalana mampitohy an'Antsahanitia sy Mahajanga II, izay lalam-pasika tsy nisy nanajary hatramin'izay. Eo ihany koa ny asa fikojakojana ny RN 54 eo anelanelan'ny PK.0+000 (bonnet) sy PK 8+000 (Seranam-piaramanidina Amborovy). Toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika ny hanafainganana ireo asa voafaritra ireo ary ny hamitana izany mialohan'ny fitokanana ny Gymnase Manara-penitra ao Mahajanga.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny trano fandraisam-bahiny Zahamotel ao Mahajanga. Io trano fandraisam-bahiny io dia eo ambany fiahian'ny minisiteran’ny fizahantany sy ny asa tanana. Taorian’ny tsy fahombiazan'ireo orinasa nanankinana ny fitantanana izany dia noraisin'ny Fitaleavam paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Faritra Boeny ny fitantanana izany trano fandraisam-bahiny izany. Alohan’ny handefasana tolo-bidy vaovao ho an'izay maniry hitantana izany fotodrafitrasa izany dia tokony fantarina mazava ny vola ampidirin'izany trano fandraisam-bahiny izany, hoy ny Filoha amin’ny alalan’ny fampitahana ny vidin'ireo efitra fatoriana ho ana trano fandraisam-bahiny tahaka ity. Tokony dinihina tsara araka izany hoy ny Filoha ny olona handray izany fitantanana izany tahaka ny efa hatao amin’ny trano fandraisam-bahiny 5 étoiles ao Antananarivo. Tokony hatao tsara ihany koa ny fanisana ireo entana ao an-toerana sy ny fanaraha-maso azy ireo hoy ny Filoha.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanolorana fiara miisa telo ao anatin'ny tetikasa "Filets de Sécurité et de Résilience."

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famatsiana rano ao amin’ny Faritra Boeny. 25 500 m³ ny rano fisotro madio vokarin'ny orinasa JIRAMA ao amin’ny Faritra Boeny ankehitriny. Tafiakatra 34 000 m³ ny filàna ao an-toerana. Efa misy ireo asa nataon'ny minisitera hamenoana izany banga izany toy ny fametrahana "réservoir" 800m³ ao Amborovy sy "station de relevage" ao Tsiazonangoly. Eo ihany koa ny fampitomboana ireo fantson-drano hamatsy ny fitahirizan-drano ao Mangatokana amin’ny alalan’ny JIRAMA. Amin'ny alalan'ny tetikasa PAAEP kosa, dia hisy ny fametrahana "forages" vaovao miisa 9 izay hahazoana 200 m³ isan'ora avy ao Mahavelona sy Andranotakatra. Hisy ihany koa ny fanajariana ireo "forages" miisa 4 efa misy sy ny fanamboarana "station de pompage" vaovao sy "réservoirs" (250 m³ sy 5 000 m³) ary ny fametrahana fantson-drano mirefy 85km DN600 sy DN400 mirefy 5,6km. Ankoatra ireo dia ho vita tanteraka amin'ny volana avrily 2025 ireo asa fampidirana rano fisotro madio ao Ambatoboeny, efa vita tanteraka kosa izany ao Soalala sy Andranomavo.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny asa fanamboarana tanàna vaovao ao Amparimahitsy, izay natsangana eo amin’ny tany mitondra ny anarana « SEIMad ESPERANCE », mirefy 338 ha 37 a 82 ca. Tanjon'ny tetikasa ny hananganana tanàna vaovao hitsinjovana sahady ny fitomboan'ny mponina ao Mahajanga Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fananganana toeram-ponenana, faritra ara-toekarena sy indostrialy, ary koa ny toerana maitso sy fotodrafitrasa ho an’ny daholobe toy ny sekoly, tobim-pahasalamana ary toeram-pialam-boly. Hisy ampahany 26 hektara hananganana trano mora ary miisa 3 016 ireo olona efa nisoratra anarana izay atao atsapaka hisitraka ireo trano mora. Mba hampandeha aingana ny fanorenana dia nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hametrahana mialoha ireo fotodrafitrasa fototra ilain'ny vahoaka toy sekoly, ny CSB sy ny biraon'ny polisy. Toy izany ihany koa ny fanamboarana ireo lalana. Tokony efa vonona ihany koa ireo drafitry ny trano ho an'ireo izay misafidy hividy tany mba hanorenana trano. Ho amidy amin'ny vidiny mirary ireo tany ary hapetraka mazava ny fepetra hoy ny Filoha fa izay mahazo ny tany dia tonga dia manorina hahafahana manafaingana ny fanorenana ny tanàna vaovao.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanambarana ho an'ny tombontsoan’ny besinimaro ireo "réserves d’emprise" amin'ny fametrahana na fampitaovana tafiditra ao anatin'ny "Plan d’Urbanisme Directeur de l’agglomération de Mahajanga" ary ny Kaominina Renivohitra Mahajanga no hamaritra izany sy ireo tanàna manodidina. Rarana araka izany ny fanorenana amin’ny:

    - lalam-pirenena 15m andaniny sy ankilany

    - 10m andaniny sy ankilany ho an'ireo lalana any amin'ny faritany

    - 25m andaniny sy ankilany ho an'ny lalambe migodana

  • III- SAMIHAFA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny fidinana ifotony tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza HONDE. Mialohan'ny nihazoany an'i Mahajanga dia nitsidika ireo Kaominina Androka sy Itampolo ary tao Toliara izay tena nitondra takaitra tao Atsimo Andrefana ny Filohan’ny Repoblika. Anisan'ireo fotodrafitrasa ravan'ny rivodoza tao Androka ny fefiloha izay nahatonga izy kaominina ity ho mitoka-monina. Ankoatra ireo fanampiana notsinjaraina any an-toerana dia hisy ihany koa ny fizarana ireo "kits solaires" isaky ny tokantrano. Araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika dia hisy ny vary ho taterina avy amin'ny sambo miainga ao Toliara makao Itampolo: ny atsasak'izany dia ho zaraina maimaim-poana ary ny antsany hafa kosa hamidy amin’ny vidiny mirary 500ar ny kapoaka. Hisy ny fanaraha-maso entitra ireo toeram-pivarotana izany vary izany mba tsy hisian'ny fanararaotana. Eo amin’ny lafiny angovo dia hisy ny fanisana ireo filana ao amin’ny Fokontany miisa 51 ary hisy ihany koa ny fizarana ireo "kits solaires" isaky ny tokantrano.

    Hisy kosa ny fizarana "Tosika Fameno" ao Toliara ary toy ireo renivohi-paritany rehetra dia hametrahana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro ihany koa ao an-toerana. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny fitsidihany tao an-toerana fa hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-10 ary efa vonona avokoa ny famatsiam-bola hanatanterahana izany

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1306 tamin'ny 03 oktobra 2024 ary manendry an'Andriamatoa HAVELIN Jean Mila, ho "Directeur des Affaires Administratives de l’Institut National de la Décentralisation et du Développement Local."

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-283 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa ABRAHAM Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, ho Sekretera Jeneraly.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-302 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry an-dRamatoa RANARIJAONA Hery Lisy Tiana, ho Tale Jeneralin'ny Fikarohana ara-tsiansa.

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1043 tamin'ny 06 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMPENO Bazoly Handrianina Ranavalona, ho Talem-paritry ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana Boeny.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1886 tamin'ny 10 desambra 2014 ary manendry an-dRamatoa RANAIVOSON Fanjanirina Emma, ho Talem-paritry ny mponina sy ny Firaisan-kina, Ihorombe.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MARA Herinirina Romuald, ho Tale Jeneralin'ny Rano
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-145 tamin'ny 27 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa HASIVELO Joseph Elysé, ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Matsiatra Ambony.

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1932 tamin'ny 13 novambra 2024 ary manendry ny Général de brigade MAMELISON Mbina Nonos, ho "Commandant des Forces d’intervention de la Gendarmerie nationale."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-558 tamin'ny 06 marsa 2024 ary manendry ny Général de brigade RABEMANANTSOA Josh, ho "Directeur chargé de la lutte contre la corruption et de traitement de doléances"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1568 tamin'ny 12 desambra 2023 ary manendry ny Général de brigade RAMAMINIRINA Solofoniaina, ho Kaomandin'ny Sekoly Fianarana Ambony ny Zandarimariam-pirenena.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-451 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry ny Général de brigade RANAIVONAMPOIZINA Harilaza, ho Directeur de la Planification, du suivi et de l’évaluation.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1078 tamin'ny 02 mey 2024 ary manendry ny Général de brigade RALAIBEZA Hubert Claudion, ho "Directeur du quartier général auprès du Commandement de la Gendarmerie nationale."

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMBOLARIMANANA Herin Tahina, ho "Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation" (DPSE)

  

Natao ny 06 marsa 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika