TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 26 febroary 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 26 febroary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

  • I- FANATSARANA NY FITANTANANA NY VINAN’ASAM PANJAKANA HO AN’NY TAONA 2025 (PIP 2025)

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo vinan'asan'ny minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho an'ny taona 2025. Tanjon'ny minisitera ny hampitombo sy hampiakatra lenta ireo fotodrafitrasan'ny anjerimanontolo amin'ny alalan'ny fananganana toerana fatorian'ireo mpianatra (dortoirs) ho an'ny Oniversiten'Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana, Toliara sy fanamboarana "blocs sanitaires" ao Ankatso. Eo ihany koa ny fanohizana ny fanamboarana ireo "Campus Universitaire" izay efa natomboka ao Taolagnaro, Ambovombe, Antsohihy sy ny trano fatorian'ireo mpianatra ao Vontovorona.

    Namelabelatra ny tetiandro sy ny tetibola hanatanterahana izany amin’ity taona 2025 ity ny Minisitra.

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampiakarana ny fisotroan-dronon'ireo Mpiady Tia Tanindrazana (anciens combattants Nationalistes) 1947 - 1948. Araka ny fangatahan'ireo mahery fo akanga sisa nanamborana sy ho fankasitrahana azy ireo dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiakarana 50% ny fisotroan-dronono raisin'izy ireo isaky ny telo volana ho an'ity taona 2025 ity. Ny tetibolan'ny Fitaleavan'ny Mpiady Tia Tanindrazana no handray an-tanana izany fampiakarana izany.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fivoriana ara-potoanan'ny Filan-kevitry ny Minisitry ny SADC ny 12 hatramin’ny 13 marsa 2025 any Harare Zimbabwe, sy ny adihevitra ara minisiterialin'ny "Double Troïka" momba ny fiaraha-miasa eo amin'ny Vondrona Eoropeana sy ny SADC ny 17 marsa 2025. Ireo minisitry ny raharaham-bahinin'ireo firenena mikambana eo anivon’izany Vondrona izany no handray anjara amin'ireo fivoriana ireo. Anisan'ireo lahadinika ny resaka politika, ny fiarovana, ny fitantanan draharaha sy ny fanatanterahana ny "Plan Indicatif de développement stratégique" 2020 - 2030.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny andiany voalohany amin’ny adihevitra eo amin'i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina ny 20 marsa 2025, izay tafiditra ao anatin'ny "Accord de Samoa". Toy ny tamin'ny taona 2024 dia handray anjara amin'izany adihevitra izany avokoa ireo minisitra eo anivon’ny Governemanta ary ho tarihin'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta izany. Manamarika ny fiaraha-mientana tanteraka eo anivon’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny vondrona eoropeana ny fifampitondrana toy izao.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny asa fananganana ny biraon'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ao amin’ny tanàna vaovao Tana Masoandro.

    Efa nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina teo amin'ny firenena sinoa amin’ny alalan’ny « Agence chinoise de Coopération Internationale pour le Développement » (CIDCA) ho fanatanterahana ny tetikasa. Ny dingana manaraka dia ny fandrafetana ny tetiandro hanaovana ireo asa avy amin'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny fanadihadiana momba ny fanatanterahana ny tetikasa avy amin'ny firenena sinoa ary ny fanaovan-tsonia taratasy fifanakalozana eo Madagasikara sy Sina.

    Nampatsiahivin'ny Filohan’ny Repoblika ireo dingana ara-tsosialy tsy maintsy nirosoana teo amin'ny fametrahana ny tetikasa Tana Masoandro. Efa vita daholo ireo dingana rehetra amin'ny fanomanana ny tany ka tokony afainganina ny asa hoy izy, indrindra ny fanamboarana ny làlana "voie rapide". Efa vonona ny mpiara-miobon’antoka hoy ny Filoha ka tokony hifantoka sy handray ny andraikitra tandrify azy ny minisitera tsirairay avy.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanohanana ara-bola avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny fitomboana mirindra sy maharin-doha (MERG - DPO2). Nanomboka ny taona 2023 hatramin’ny 2026 ity fanohanan'ny Banky Iraisam-pirenena ity, izay mizara in-telo miantohana ary manohana ireo fanovana entin'ny Fitondram-panjakana eo amin’ny fangaraharan'ny hetra amin'ny ankapobeny, ny fifaninana eo amin’ny tsena ary fitantanana orinasa eo amin’ny sehatry ny angovo, ny harena an-kibon’ny tany sy ny fifandraisan-davitra. Efa nivoaka ny volana jona 2023 ny tapany voalohany amin'izany famatsiam-bola izany izay nitentina 100 tapitrisa dolara. Efa misy fivoarana hita taratra ary mbola misy ezaka ifanarahana mbola mila hatao eo amin’ireo sehatra samihafa ireo. Ny fahazoana ny famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara faharoa dia halefa handalo ny fankatoavan'ny Filankevi-pitantanan'ny Banky Iraisam-pirenena ny volana may 2025 aorian'ny tombana izay ho tanterahana ny volana avrily 2025.

    Nanamarika ny Filohan’ny Repoblika fa tahaka ny tamin’ny andro fiatrehana ny Covid 19 teto Madagasikara, ny fanampiana ara-bola toy izao dia hoentintsika hatrany hametraka fotodrafitrasa fa tsy ho an’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana akory. Raha ny mikasika ity fanampian’ny Banky Iraisam-pirenena ity dia hiompana amin’ny ampahany betsaka amin’ny fametrahana famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina.

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny rafi pandaminana vaovao ny fanadinana CEPE sy ny fifaninana fidirana kilasy faha enina.

    Mba hiantohana ny fampandehanana ny fanadinana CEPE sy ny fifaninana fidirana kilasy faha-enina dia nisy ny fanatsarana ny rafi-pandaminana napetraky ny minisitera indindra eo amin’ny fe-potoana fikarakarana, ny fiarovana ireo laza adina sy ny fanaraha-maso ireo fandaniana. Ireo CISCO no fototr'izany rafi-pandaminana vaovao izany, mba hifanaraka amin'ireo zava-misy eny ifotony no sady hanamora ireo dingana ara-taratasy sy ara-bola. Ireo CISCO no tompon’andraikitra amin'ny fikirakirana, ny fandefasana sy ny fitaterana ireo laza adina eny amin'ireo foibem-panadinana ary ny minisitera foibe kosa dia manohy ny andraikiny amin'ny fandrindrana sy fanampiana azy ireo. Hisy ireo fiofanana ho tanterahina izay hiantoka ny fahombiazan'izany rafitra vaovao izany. Ny tanjona dia hanavaozana sy hanatsara ny kalitaon’ny ny rafi-pampianarana eto Madagasikara. Ny fametrahana izao rafi-pandaminana vaovao izao ihany koa dia mariky ny fametrahana ny Fitsinjaram-pahefana tena izy. Teo aloha ny fikarakarana ny fanontana hatramin’ny fitsinjarana ireo laza adina dia notanterahina tety anivon’ny Minisitera Foibe. Hihena araka izany ny fandaniana amin'ny fitaterana ireo laza adina ary hitombo ny fampandraisana andraikitra ireo CISCO. Miroso hatrany ny fanatrarana ny tanjona hampahaleo tena ireo Faritra sy ireo Distrika.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ireo dingana momba ny fananan-tany amin'ny tetikasa toby famokarana herinaratra 150MW. Ny 120MW dia ho tsinjaraina eto Antananarivo ary efa miroso ankehitriny. Ny 30MW kosa dia ho tsinjaraina ao Nosy Be, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina ary Fianarantsoa. Raha tsiahivina dia mbola tsy voafaritra ny toerana hananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra apetraka ao Mahajanga, Toamasina ary Fianarantsoa. Taorian’ny fidinana ifotony sy ny fanadihadiana nataon'ireo tompon’andraikitra dia eo amin’ny FITIM, Fokontany Manjarisoa no hananganana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro hanana tanjaka 3MW ao Mahajanga. Ny ao Toamasina kosa, izay hanana tanjaka 6MW hatramin’ny 12MW dia hatsangana ao Betainomby, Fokontany Ambokarivo (SPAT AVENIR). Ny ao Fianarantsoa kosa dia mbola mitohy ny fanadihadiana. Ho an'ireo toerana efa voafaritra hananganana ny fotodrafitrasa dia hanomboka avy hatrany ny asa

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-725 tamin'ny 27 marsa 2024 ary manendry ny Général de Division RAKOTONANDRASANA Réné Bruno, ho "Directeur Général de la Planification Stratégique"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-732 tamin'ny 27 marsa 2024 ary manendry ny Général de Division RAKOTONDRAMANANA Jimmy Clark, ho "Sous-Chef d’Etat-Major en charge des Opérations de l’Etat-Major des Armées"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TODIVELO Cyrille, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mandritsara

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1044 tamin'ny 24 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa FIANGOA Manapoke Judith, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Menabe.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-431 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOVAHOAKA Verombola Didace, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa Matsiatra Ambony.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1118 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa HARINIAINA Modeste Joeline, ho Talen’ny Varotra Ivelany.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMANASE Saraha Tolotra Niavo, ho "Coordonnateur Général"

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-375 tamin'ny 05 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANTSIHALA Nolave Luck Aristide, Directeur d’appui à la promotion de l’Economie Verte et Bleue ( DEVB)

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAMPIONONA Lalaina Njato Harinoro, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Analamanga
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASOLONJATOVO Bertrand, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Atsimo Atsinanana

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANASOLO Herilalaina Fabien, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières"
  • V- SAMIHAFA

    Teo am-pamaranana ny Filan-kevitry ny Minisitra dia nitondra ny teny fiarahabana avy amin'ny Governemanta iray manontolo, Andrimatoa Praiminisitra ho an’ny Filohan’ny Repoblika izay nahazo ny mari-pankasitrahana "Leader politique africain de l'année" tamin’ny taona 2024. Nambaran’ny Praiminisitra fa reharehan'ny vahoaka Malagasy rehetra izany mari-pankasitrahana izany ary indrindra ho an’ireo minisitra mpiara-miasa akaiky amin’ny Filoha. Nanome toky ny Praiminisitra fa hanao ny ezaka rehetra ny tenany sy ny Governemanta izay tarihiny hanohy ny asa ho mendrika hitondra avo ny voninahitr'i Madagasikara. Nankahery ny Filohan’ny Repoblika ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta amin'ny adidy lehibe sahaniny amin'ny fitarihana ny firenena.

    Nankasitraka ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony ny Filohan’ny Repoblika, ary nambarany fa ny tena fankaherezena lehibe indrindra andrandrainy avy amin'izy ireo dia ny fanatanterahana ny asa antsakany sy andavany ary haingana kokoa hatrany ho fampandrosoana ny firenena sy hanasoavana ny vahoaka.

    Voninahitra sy reharehantsika Malagasy rehetra hoy ny Filoha ny fahazoana iny mari pankasitrahana iny satria manako hatrany ivelany ny vina tiantsika hitondrana an’i Madagasikara ary misongadina izany indrindra indrindra eo amin'ny fanoloran-tenan'ny mpitarika

  

Natao ny 26 febroary 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika