TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 19 febroary 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 19 febroary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FANARAHANA IREO TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA SY LAHARAM-PAHAMEHANA
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan’ny tetikasa fitarihan-drano Efaho. Efa am-periny tanteraka ny asa fanamboarana fitarihan-drano lehibe na pipeline Efaho izay tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika ho famatsiana rano fisotro madio amin'iny faritra Atsimon'ny Nosy iny. Efa an dalam-panamboarana ny tobim-pamokarana eo amin’ny PK0 eo Andakana, eo ihany koa ny asa fanajariana eo amin’ny PK31 Mahatsinjo izay hametrahana ireo fitahirizan-drano. Efa natsangana ny "Task Force" izay tarihin'ny minisiteran'ny rano izay manara-maso ny fanatanterahana ny asa sy hanome ny tantsoroka ara-teknika rehetra. Vinavinaina ho vita hatramin’ny volana jolay 2025 ny fanamboarana ny tobim-pamokarana eo amin’ny PK0 eo Andakana ary hatramin’ny volana septambra 2025 kosa ireo toby fitahirizana rano eo amin’ny PK31.
-
II- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fihaonana voalohan'ny komisiona iombonana eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy Angola ny 05 sy 06 may 2025 eto Antananarivo araka ny fifanarahana nosoniavina ny 01 aogositra 2024 tany Luanda. Tanjon'izao fihaonana izao ny hijerena miaraka ny hanatanterahana ireo fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina eo amin’ny sehatry ny angovo, ny solika sy ny harena an-kibon’ny tany izay nosoniavina nandritra ny fitsidihana nataon'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tany Angola ny volana jolay 2024. Io komisiona io ihany koa no ho sehatra ifanakalozan'ireo tompon’andraikim-panjakana sy minisitra eo amin’ny firenena roa tonta ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toe-karena hahafahana manatanteraka tetikasa mipaka mivantana amin'ny vahoaka.
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo fifandraisana ara-barotra eo amin’ny Etazonia sy Madagasikara anatin’ny fifanarahana AGOA. Manamafy ny adisisika maneho ny tombontsoa ara-toekarena sy stratejika amin’ny fanohizana izany fandaharan'asa izany i Madagasikara sy ireo firenena mpiara-miombon’antoka satria dia maro ireo asa mifototra mivantana amin’izany. Anisan'ny tombony ho an'i Madagasikara ny fanasongadinana ny fananany ireo "minerais critiques" izay ilaina amin’ireo singa fanamboarana ireo teknolojia vaovao sy ireo fitaovam pamokarana angovo azo havaozina hisarihana ireo mpampiasa vola amerikanina. Tanjon'ny Fitondram-panjakana hatrany ny fiarovana ny tombontsoa ara-toekaren'i Madagasikara ary ny fitandroana ireo lalam-piaraha-miasa avy amin'ny AGOA sy ireo fampiasam-bola avy any ivelany. Laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana hoy ny Filoha ny fampiroboroboana izay fifanarahana rehetra misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka ka tsy maintsy arovana hatrany ny tombontsoan’ny Malagasy.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham piaraha-miasa nasiam-panovana momba ny fandefasana ny andiany faha-24 ny iraka ara-pahasalamana sinoa eto Madagasikara. Tanjon'izao iraka izao ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny mpitsabo malagasy sy sinoa sy fanohanana amin’ny fandraisana an tanana ireo marary.
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ireo zon'ny vehivavy ny 04 hatramin’ny 08 marsa 2025 any Mahajanga Faritra Boeny, izay tanterahina isan taona eo ambany fiahian-dRamatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filohan’ny Repoblika. Lohahevitra entina hanamarihana izany ny hoe : "Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra". Araka izany, ny vadin'ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina, no hitarika ireo hetsika hanamarihana izany andro iraisam-pirenena izany ka maro ny fandaharan’asa ho tanterahina anatin’ny herinandro.
Samy hanatanteraka hetsika ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ireo zon'ny vehivavy ny Faritra tsirairay avy.
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny hetsika fandravana ireo fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna amin'ireo faritra arovana. Ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo dia fanitsakitsahana mibaribary ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny harena an-kibon'ny tany, indrindra indrindra ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Faritra arovana sy ny Fehezan-dalàna momba ny harena ankibon’ny tany, izay mandrara tanteraka ny asa fitrandrahana any amin’ireo faritra ireo. Manoloana izany toe-javatra izany dia hisy ny hetsika izay hiarahana amin’ireo hery fiarovana sy filaminana handravana sy handroahana ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo. Hamafisina ihany koa ny fanentanana sy ny fanaraha-maso ireo faritra arovana hisorohana ny mety hiverenan'ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna. Eo ihany koa ny fanamafisana ny lalàna sy ireo rafitra mba tsy isian'ireo mpitrandraka tsy ara dalàna ireo intsony amin’ny hoavy.
Tsy azo ekena hoy ny Filoha’ny Repoblika ny fanaparam-pahefana sy fanitsakitsahana ny soa iombonana ka tsy anavahana na iza na iza satria tany tan-dalàna i Madagasikara ka tsy misy ambonin’ny lalàna.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara ny YouthConnekt Africa Summit 2025 izay hiompana amin'ny fampizaka-tena sy ny haitarika ho an'ireo tanora. Ny volana novambra 2025 no ho tanterahina izany fihaonana izany, izay hahitana mpandray anjara manodidina ny 25000 avy amina firenena manodidina ny 40. Efa misy ireo hetsika entina hanomanana ny fandraisana ity fihaonambe ity manerana ireo Faritra eto Madagasikara toy ny "Tanora mandrafitra ny ho avy" izay hampiofanana ireo tanora amin’ny haitarika, ny fanohanana ny fizakan tenan'ireo ankizy vavy amin’ny alalan’ny fanohanana ny tetikasan'ireo tanora mpandraharaha.
Manamafy ny firoboroboan’ny diplomasia avo lenta izay hiseharan’i Madagasikara izao hetsika izao. Ary nanararoatra ny Filoha namerina fiarahabana tamin’ny fahasahian’i Madagasikara niroso bebe kokoa tamin’ny sehatry ny diplomasia avo lenta tahaka ny nandrotsahana kandida tamin’ny filohan’ny Kaomision’ny Vondrona Afrikanina. Fandresena hatrany hoy izy izany satria tsy mitsanga-menatra i Madagasikara sahy mijoro. I Djibouti izay nifanandrina tamin’ny kandida Malagasy moa dia fantatra fa notohanan’ireo firenena mikambana ao amin’ny vondrona OTAN, sy ireo firenena silamo nefa mbola nisy ihany ireo firenena namana izay nametraka fitokisana feno tamin’ny fitarihan’i Madagasikara ka mahavelom-panantenana ny amin’ny ho avy izany.
Manamafy ihany koa izy fa ny firaisam-pon’ny Malagasy rehetra miara-mirona miaro voninahi-pirenena no antoka ahafahantsika miroso aingana amin’ny fampandrosoana ity firenena malalantsika ity.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana fanampiana ara bola ho fandraisan'ireo atleta malagasy anjara amin'ny "Championnat d’Afrique Continental individuel" taranja tennis, ny 19 febroary hatramin’ny 01 marsa 2025, any Kenya.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana fanampiana ara-bola ho fanomanana sy fandraisana anjaran'ireo atleta malagasy amin’ny Challenger Series Cape Town 2025, ny 25 febroary hatramin’ny 12 marsa 2025, any Cape Town, Afrika Atsimo.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fitokanana ireo trano miisa 55 ao Manazary Betsizaraina, Kaominina Ambanivohitra Ankadikely Ilafy izay tafiditra ao anatin'ny fandaharan'asa fanajariana toeram-ponenana sy ny tetikasa "Soa Iadanana". Tapany voalohany amin'ny tetikasa ity vita tanteraka ity ary mbola misy toeram-ponenana miisa 45 hafa ho an'ny tapany faharoa.
-
III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY
Nolaniana ny didim-panjakana fampiharana ny fanapahan-kevitra 1267, 1373, 1718, 2231 sy ny fanapahan-kevitra hafa manaraka avy amin'ny Filan-kevitry ny Fiarovana ny Firenena Mikambana, momba ny fampihorohoroana, famatsiam-bola ny fampihorohoroana sy ny famatsiam-bolan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika amin'ny fampiharana ny andininy faha-55, 55 ter vaovao ny lalàna n°2023-026 tamin’ny 1 febroary 2024 momba ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny fampihorohoroana ary ny andininy faha-17 hatramin’ny faha-21 amin’ny lalàna n°2014-005 tamin’ny 17 Jolay 2014 miady amin’ny fampihorohoroana sy ny heloka bevava voarindra iraisam pirenena.
MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY
Nolaniana ny didim-panjakana mameno ny andininy sasantsasany amin’ny didim panjakana laharana faha 2024-1637 ny 04 septambra 2024 mamaritra ny sata mifehy ny Komity Nasionalin’ny harena an-kibon’ny Tany (CNM)
-
IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
GOVERNEMANTA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023 733 tamin'ny 14 jona 2023 ary manendry an-dRamatoa RABEMANANTSOA Princia Nicole, ho "Directeur de la Prévention auprès du Conseil de Discipline Budgétaire et Financière".
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAJOELINA Yves Hugues, ho Filoha Voalohany ny Fitsarana Tampony.
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-285 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RASAMOELINA Andriariliva Doris, ho "Directeur des Ressources Humaines"
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-686 tamin'ny 20 marsa 2024 ary manendry an-dRamatoa ZARA Amélie, ho Lehiben'ny Distrikan'Ivohibe.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1563 tamin'ny 23 novambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa TOVOTSIMIHEFO Andriamanampisoa Ranoëlson Orieux, ho "Directeur de la Lutte contre les Maladies Transmissibles".
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa VELONTONY Ida, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Sofia.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHERINIRINA Angelo Fulgence, ho "Directeur de l’Accréditation et de l’Assurance Qualité"
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-196 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Armand Harinandrasana, ho "Coordonnateur Général des Projets".
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAZAKA Nainanirina, ho Tale Jeneralin'ny Fampiroboroboana ny indostria.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-334 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa LELAKA Roela, ho "Directeur des Analyse et Prospectives".
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOLONDRAIBE Elza Hantasoa Malalarivelo, ho "Directeur des Etudes et des Normes"
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-949 tamin'ny 22 jona 2022 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANASOLO Andonaina, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Vatovavy.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Miora Hantaniaina, ho "Responsable de l’Unité de Coordination des Projets".
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Sandaniaina Stéphane, ho Talem-paritry ny tanora ny fanatanjahantena Matsiatra Ambony.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa KAMAMY Fleurys Magloire, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Menabe.
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1140 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa ASSIMINI Ornella, ho "Directeur de la Santé de la Reproduction et de la Protection de la Jeunesse"(DSRPJ).
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOMALALA Adriana Veronirina Patricia, ho Tale Jeneralin'ny "Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat" (ANALOGH).
-
V- FANAFOANANA
FIADIDIANA NY REPOBLIKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manamarika ny fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny Filoha Mitandro ny Fahitsiana (CSI) sy ny fanendrena ny hisolo toerana vonjimaika.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-093 tamin'ny 01 febroary 2023 nanendry ny "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Santé Mentale Anjanamasina"
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-917 tamin'ny 11 avrily 2024 nanendry ny "Directeur des Enseignements Obligatoires".
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1411 tamin'ny 05 oktobra 2022 nanendry ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana Diana.
Natao ny 19 febroary 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika