TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 05 Feborary 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 05 Febroary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

  • I- FANARAHANA IREO TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA SY LAHARAM-PAHAMEHANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamaritana ho hamehana ireo dingana amin'ny fandraiketana ireo tsenam-baro-panjakana amin'ireo asa mikasika ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI ny volana avrily 2025 sy ny fihaonana an-tampon'ny SADC amin'ny volana aogositra 2025.

    Araka ny voalazan’ny andininy faha-5, andalana faha-10 amin’ny didim-panjakana laharana faha-2022 - 800 tamin’ny 01 jona 2022 mamaritra ireo atao hoe hamehana, ny Filan-kevitry ny Minisitra dia afaka manapa-kevitra ny hanatanterahana maika sy tsy misy hatak’andro ny asa iray araka ny fampiharana ny andininy faha-39 II. 2 amin’ny lalàna 2016-055 tamin’ny 25 janoary 2017 mikasika ny Fitsipiky ny Tsenam-baro panjakana. Ny fikarakarana ny fandraisana ireo fihaonana roa lehibe ireo dia mitaky asa goavana mila tanterahina ao anatin'ny fotoana fohy sy ny fitaterana ireo fitaovana rehetra ilaina hahatomombana ireo asa.

    Efa nampiseho isika tamin'ny fandraisana ireny Lalaon'ny Nosy ireny fa mahay mandray vahiny ka mbola ho asehontsika indray izany hoy ny Filohan’ny Repoblika. Mila mifandrimbona ny ministera tsirairay sy ny eto anivon’ny Fiadidina ny Repoblika amin'ny fanomanana ny fandraisana ireo fihaonana an-tampony ireo hoy hatrany ny Filoha. Toy izany ihany koa ny tokony hifanomezan-tanan'ny Governora, sy ny Ben’ny Tanàna ary ny Minisitry ny asa vaventy sy ny Minisitry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana amin'ireo asa fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna. Ny fotoana toy izao dia entina ihany koa hitaizana antsika vahoaka ho tia kolokolo ny zava-tsara ananantsika hoy ny Filohan’ny Repoblika.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitr'ireo atrikasa fanatsarana ny fitantanana ireo fampiasam-bolam-panjakana (Loharanom-bola anatiny RPI sy ireo famatsiam-bola avy any ivelany). Araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika dia nisy ny atrikasa entina hametrahana paikady mazava amin'ny fitantanana ireo fampiasam-bolam-panjakana izay notarihin'ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora ary ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Ireo adihevitra dia nahafahana namaritra ireo mety ho sakana, ireo fomba fanao tsara ampiharina ary ny fiantohana ny fanatanterahana ireo fanavaozana hampahomby ireo fampiasam-bolam-panjakana. Napetraka araka izany ny rafi-pandaminana fanaraha-maso sy fanombanana ho fanatsarana ny tahan'ny fanatanterahana sy famoaham-bolan'ireo tetikasa . Nahazo fanohanana ara-teknika avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena mandritra ny telo taona izany rafi-pandaminana izany. Ireto manaraka ireto ny fanapahan-kevitra noraisina sy ny tetiandro mazava mifanaraka amin'izany: 

    - 29 janoary 2025: Fanolorana ireo drafitra momba ny fandraiketana ireo tsenam baro-panjakana (PPM) sy ireo Drafitry ny asa sy ny tetibola isan-taona (PTBA) ho an'ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola avy any ivelany.

    - 04 febroary 2025: Fanolorana ireo Drafitry ny asa isan-taona (PTA) ho an'ireo tetikasa avy amin'ny Loharanom-bola anatiny

    - 31 mars 2025: Fanolorana ho hakantoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo fandaharan'asan'ireo fampiasam-bolam-panjakana.

    - Fandefasana isam-bolana ny tatitry ny firosoan'ireo tetikasa.

    Tapaka nandritra io atrikasa io ihany koa fa ireo mpandrindra ireo tetikasa (Coordonnateur de projets) izay tsy tonga nanatrika izany ka tsy nanome antony mazava dia hiaran'ny sazy ary mety ho tonga hatramin’ny fanoloana. Ny fanajana fitsipi pifehezana sy ny mangarahara dia zava-dehibe amin'ny fiantohana ny fitantanana mahomby ny fampiasam-bolam-panjakana. Nampatsiahivina ihany koa ireo Minisira fa izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampiasam-bola ao amin’ny departemantany avy ary ireo tetikasa izay eo ambany fiahiany.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa Tana Medium Ring. Tanjon'ny tetikasa Tana Medium Ring ny fampitomboana ny tahan'ny fisitrahana herinaratra sy ny fanafamisana ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo amin’ny alalan’ny fananganana zotra mpitatitra herinaratra (lignes de transports d'énergie électrique) 90kV mirefy 193km. Eo ihany koa ny fanamafisana ireo zotra efa misy sy fananganana "sous-stations" miisa valo ao Antsipolitra, Antsirabe I, Antanifotsy, Behenjy, Tana Sud II, Ambohijanaka, Tana Ouest II ary Imerintsiatosika.

    Ity tetikasa ity dia anisan'ireo nifampiresahana nandritra ny fandraisana anjaran'ny Filohan’ny Repoblika tamin'ny FOCAC tany Sina ny volana septambra 2024. Efa vita avokoa ny fanadihadiana rehetra momba ity tetikasa ity ary nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hanafainganana ny fanatanterahana izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ireo tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro 50MW sy 250MW.

    Fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika ny hampitomboana avo roa heny ny famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina sy ny hahafahan'ny 75% ny malagasy hisitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030. Efa miroso miandalana ankehitriny ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro toy ny ao Ambatomirahavavy izay anisan'ny hanamafy ny famokarana ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Anisan'ny fotodrafitrasa goavana ihany koa ny tobim-pamokarana herinaratra izay hatsangana eny Tsarasaotra izay hanana tanjaka 100MW izay hanampy betsaka amin'ny famokarana angovo eto an-drenivohitra. Efa nanomboka avy hatrany ny fanomanana ny tany ary tokony hivoaka tsy ho ela ny tetiandro fanatanterahana. Efa voafaritra ihany koa ny hananganana ireo tobim-pamokarana any amin'ireo renivohi-paritany izay mitotaly 30MW any Nosy Be (Madiro), Antsiranana (Ramena), ary Toliara (lalan’ny seranam-piaramanidina). Ny any Mahajanga, Toamasina ary Fianarantsoa kosa dia mbola mila anaovana fidinana ifotony manokana miaraka amin’ireo teknisianina hahafahana mamaritra ireo tany. Ireo velaran-tany hananganana ireo fotodrafitrasa dia nosafidiana manokana satria mamaly ireo mason-tsivana ara-teknika amin'ny fametrahana tobim pamokarana mandeha amin'ny herin'ny masoandro. Efa hanomboka avy hatrany ny famefena ireo tany izay voafaritra mialohan’ny hametrahana ireo « panneaux solaires » .

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandefasana ireo mpitsabo miaramila miisa 20 sy mpitsabo mpanampy sivily sy miaramila malagasy miisa 30 any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ho mariky ny firaisan-kina amin’ireo firenena ao anatin'ny faritry ny SADC. Araky ny fanao eo anivon’ireo Firenena samy mpikambana anaty vondron-tendrom-paritra, i Madagasikara dia mifanome tanana amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny SADC. Soatoavina malagasy rahateo ny voin-kava mahatratra ary i Madagasikara dia miray hina sy mifanome tanana amin'ny firenena rehetra eo anivon’izany vondrona izany ary miandany amin'ny fametrahana fandriampahalemana sy fitoniana amin’ny maha mpikambana azy eo anivon’ny Troïka. Mikasika ny toe-draharaha ao RDC dia misy firenena maro no mandray anjara amin’ny ezaka fitandroana ny filaminana eo anivon’ny SADC amin’ny fandefasana miaramila, ary i Madagasikara dia miara-mientana amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fandefasana dokotera miaramila. Raha handefa fanampiana isika, hoy ny Filohan’ny Repoblika, tsy sanatria hanampy amin’ny ady izay misy, na koa hamono olona, fa hitsabo no fanampiana mety atao. Araka izany, ho fanohanana ny mpiara-belona ary hanampy amin'ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ireo marary any amin'ny faritra voaaro no handefasana ireto mpitsabo miaramila malagasy ireto. Hisy fiaraha miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka ny fanomanana ny fiaingan’izy ireo eto an tanindrazana ary rehefa any an-toerana dia hiara-hiasa amin'ireo manampahefana sy ireo tompon’andraikitra ifotony ihany koa.

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolaniana ny didim-panjakana manova ny andininy sasantsasany amin'ny didim panjakana laharana faha 2023-893 tamin'ny 19 jolay 2023 ary manendry ireo Delege ny "Contrôle financier" eo anivon’ny:

    - "Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de L'Etat de Droit"

    - Sekretariam-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika miadidy ny fahavitan tena ara-tsakafo

    Andriamatoa RABETAHIANA Pascal Pierrot

    - Minisiteran'ny fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra

    - "Commission Nationale Indépendante des Droits de I'Homme"

    Andriamatoa RANDRY Hary Hasina Nomenjanahary 

    - Minisiteran'ny Fitsarana

    - Sekreteriam-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika miadidy tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana

    Ramatoa RASOAMAMPIONONA Hantamalala Mariette

    - Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asa tanana

    - "Conseil de la Réconciliation Nationale"

    Andriamatoa NY ZO ANDRIATSARAFARA Hanitriniony Mbolatiana

    - Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

    - Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana

    Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Vonjiniaina

    - Minisiteran'ny Mponina sy ny firaisan-kina

    - Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro

    Ramatoa ANDRIANARISOA Fanjanirina Haingotiana

    - Minisiteran'ny Angovo sy Akoran'afo

    - Minisiteran'ny Harena an-kibon’ny Tany

    Andriamatoa ANDRIANOMENJANAHARY Fahateloniaina Solofo

    - Faritra Diana

    Ramatoa RAHARIMANANA Marie Nathalie

    - Faritra Vatovavy

    Ramatoa RASOAVOAHANGIARILALA Heriniaina Jeanine

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa HERINAINA Jean Tsiarahamba, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Menabe.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa PATRICIA Raviniaina, ho "Directeur de la Programmation du Suivi et Evaluation"

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1116 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RASOLOFOMANDIMBY Fifaliana Nomenahary, ho Talen’ny Varotra anatiny.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFINTSALAMA Lanto Henriette, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Analamanga.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-567 tamin'ny 20 avrily 2022 ary manendry an'Andriamatoa BOTTO Jean Olivier, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy Analanjirofo

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1883 tamin'ny 10 desambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa VELOMISY Jean Claude, ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Atsimo Atsinanana.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-331 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAMILA Nandrian Mahefa, ho "Directeur de la Logistique et du Patrimoine"

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1266 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry ny Colonel RABEMANANTSOA Fetrarivo, ho Kaomandin'ny Sekolin'ny Zandarimariam pirenena Ambositra.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOARIMBOLA Henintsoa, ho Tale Jeneralin'ny Fahavitan-tena ara-tsakafo.
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1410 tamin'ny 05 oktobra 2022 nanendry ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Sava.

  

Natao ny 05 febroary 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika