TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 29 janoary 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 29 janoary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FANARAHANA IREO TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA SY LAHARAM-PAHAMEHANA

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fametrahana ireo ozinina mpamokatra zezika izay tafiditra ao anatin'ny vina fanovana ny fambolena hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

    Ankehitriny dia 90% ireo mpamokatra no tsy mampiasa zezika mineraly noho ny vidiny tsy takatry ny fahefa-mividin’ireo tantsaha. Noho izany indrindra no nahatonga ny Filohan’ny Repoblika hanome toromarika ny hananganana ozinina mpamokatra zezika mineraly eto an-toerana ihany mba hampihena ny vidiny ho an'ireo tantsaha. Faritra enina tena mpamokatra no hametrahana ireo ozinina mpamokatra zezika : Sofia, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Boeny, Analamanga ary Menabe. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ho fanatanterahana izany tetikasa izany, izay hifanindran-dalana amin'ny fiofanana omena ireo tantsaha hanohanana ny famokaran'izy ireo. Eo ihany koa ny fananganana ireo ozinina mpamokatra zezika organika izay hiarahana manatanteraka amin'ny firenena Emirats Arabo Mitambatra izay vonona hanohana ny vinan'ny fitondram-panjakana amin'ny fanovana ny fambolena. Tanjona ny hamokarana zezika organika 30.000 taonina isan-taona ho fampitomboana sy fanatsarana hatrany ny vokatra eto Madagasikara.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitsinjarana ireo fitaovam-pamokarana toy ny masomboly sy zezika izay tafiditra ao anatin'ny Fandaharan'asa Vary Safiotra. Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hamokarana vary 1.000.000 taonina fanampiny, ka ny 176.000 taonina amin'izany dia vary safiotra. Tanjona ny hampihena ny fanafarana vary avy any ivelany sy hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-bary amin'ity taona 2025 ity fa indrindra ny hahafahan'i Madagasikara manondrana vary manomboka ny taona 2027. Faritra miisa 12 no hizarana ireo hanam-pamokarana ireo, izay hifanomezan-tanana amin'ny sehatra tsy miankina. Ho zaraina ao anatin’izany tetikasa izany:

    - masomboly vary safiotra 200 taonina

    - zezika NPK 2400 taonina

    - "urée" 800 taonina

    - zezika organika 2800 taonina.

    Tanjona ny hamokarana 7 hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara amina velaran-tany 8000 Ha ho amin'ny janoary - avrily 2025. Hisy ihany koa ny "vanneuses" miisa 2133 sy "batteuses" miisa 2133 izay hahafahana mampihena 5% ny taham-pahaverezana mandritra ny fijinjana sy hanohanana ireo mpiantsehatra eo amin’ny fambolena ho matianina.

    Efa tonga eto an-toerana moa ireo masomboly vary safiotra 200 taonina ireo, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny firenena sinoa ary hanomboka ny fizarana ofisialy izany ny Filohan’ny Repoblika ary hitarika ny fitsinjarana manerana ny Nosy kosa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

    Nambaran'ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny tokony hamokarana ny masomboly vita eto amintsika ihany. Efa mandroso ny fikarohana eo anivon’ny FOFIFA mikasika ny vary TSEMAKA, ary tokony hamafisina tanteraka izany. Ny tanjona dia amin'ny herintaona dia efa afaka hanana ny masomboly antsika tanteraka isika ho reharehan'ny firenena.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny vidim-bary eny an-tsena.

    Araky ny toromarika avy amin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra ny 08 janoary 2025 dia nisy paikady novolavolain'ny Ministera mba hampidinana ary hanamarinana ny vidim-bary eny an-tsena. Mahakasika ny vary nafarana dia nisy ny fifampiraharahana tamin’ireo mpanafatr’entana, ny fanaraha-maso ny firafitry ny vidim-bary sy ny vinavinam-pahatongavan’ireo vary nafarana ary ny fanaraha-maso ny lalam-pitsinjarana ara-barotra. Ankehitriny ny vidiny eny an-tsena dia 750 ariary ny mora indrindra (marika GLOBAL RICE sy BULMEX) raha 1150 ariary ny lafo indrindra (vary gasy makalioka sy manalalondo). Ezahina ny hanapariahana io vidiny mora indrindra io eny an-tsena ary mitohy ny fanentanana ny amin’ny fifampitsinjovana sy hisorohana ny fanararaotana mba ho tombontsoan’ny mpanjifa, ary manome toky ihany koa ny fanjakana ny amin’ny fahabetsahan’ny vary mitobaka eny an- tsena mba hametrahana ny lalànan’ny tolotra sy ny tinady.

    Mahakasika ny vary gasy, mitohy ny fifampiresahana amin’ireo mpandray anjara ara-barotra rehetra mba ahazoana vidiny mirindra sy ara-drariny miandalana, miaraka amin’ny famolavolana didim-pitondrana hifehezana ny fanangonam-bokatra sy ny famarotana vary akotry sy vary fotsy vokatra eto an-toerana. Miaraka amin’izany dia manamafy ny hetsika fanaraha-maso ny fanjakana amin’ny alalan’ny fananganana ny “Task force Riz” iarahana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana sy ireo mpisehatra rehetra ho fanaraha-maso tsy ankiato ny firafitry ny vidim-bary sy ny fametrahana ny laharana maitso 261 mba ahafahan’ny minisitera mahazo avy hatrany ireo fitarainana ataon’ny mpanjifa amin’ireo fanararaotana misy eny an-tsena indrindra ny trangana kolikoly.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ireo asa fampidirana rano fisotro madio ao anatin’ny tetikasa "Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable ou PAAEP" sy "Tanà Water III". Tafiditra ao anatin'ny tetikasa Tana Water III ny fananganana ny tobim-pamokarana rano 50.000m³ isanandro ao Amoronankona izay hanomboka ny volana marsa 2025. Eo ihany koa ny fahazoana fitaovana fanampiny ho an'ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza. Ny tobim-pamokarana apetraka ao Ambohitrimanjaka izay hamokatra 30.000m³ isanandro kosa dia singa ao anatin’ny tetikasa PAAEP. Efa an-dalam-pamaranana ny dingana amin'ny fananan-tany ary hanomboka alohan’ny volana jona 2025 ny asa. Eo ihany koa ny fanoloana ireo fantson-drano efa tranainy mirefy 64 km. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa PAAEP ihany koa ny fanamafisana ireo toby ao Ankadivoribe, Faralaza sy Vontovorona ary fanajariana ireo "surpresseurs" ao Betongolo, Ambodimita sy Mandriambero.

    Araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika dia efa misy ireo "groupes de secours" miisa 29 izay napetraka ho fisorohana ny mety ho fatapahan'ny famokarana rano.

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampitana am-bava mikasika ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) naorin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny fiantohana ny fisitrahan'ny mponina fitsaboana tsara kalitao sy manakaiky vahoaka. Tobim-pahasalamana fototra miisa 38 no efa vita tanteraka ary miandry ny fitokanana azy ireo. 11 hafa koa no efa vita fa misy indro kely ho hahitsy sy mila hiverenana alohan'ny fitokanana azy ireo.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanomezana alalana hanao sonia ny fifanarahana fandoavam-bola eo amin’ny Fanjakana, ny JIRAMA ary ny JOVENA ho an'ny fe-potoana 01 janoary 2025 hatramin’ny 31 martsa 2025 ho famatsiana HFO ny JIRAMA.

    Nampitsahatra ny fampiasana ny LFO teto Antananarivo ny JIRAMA noho ny fiatsaran’ny famokarana angovo azo avy amin’ny rano izay miankina amin’ny toetr’andro. Noho ireo rotsak'orana nisesy dia miverina miandalana ny famokarana herinaratra. Nifarana tamin’ny 31 desambra 2024 ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny JIRAMA ary ny JOVENA momba ny famatsiana HFO. Mba hiantohana ny famokarana herinaratra tsy ho tapaka dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanitsiana ny fifanarahana handrakofana ny fe-potoana manomboka ny volana janoary hatramin’ny martsa 2025. Tombanana ho 12.000m³ ny fandaniana solika amin'ny famokarana herinaratra. 15.000m³ nefa ny fifanarahana amin'ny orinasa JOVENA mba hahafahana manana tahiry hiatrehana izay mety ho tampoka. Tsy ekena intsony hoy ny Filohan’ny Repoblika ny fiatoan'ny famatsiana herinaratra noho ny tsy fahampian’ny tahirin-tsolika.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana amin'ny fametrahana fitantanana tsy miankina (concession privée) ho an'ny Gymnase Arena Sport Toamasina. Hosokafana sy atao mangarahara ho an’izay rehetra vonona hanatanteraka izany ny tolo-bidy ataon’ny minisitera.

    Hisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahantena sy izay mpandraharaha voasafidy ka ho faritana mazava tsara ao anatin’ny fifanarahana ny vola tokony hiditra amin’ny fitondram-panjakana amin’izany. Ankoatra ireo fifaninana ara-panatanjahatena dia anjaran’izay hitantana ny Gymnase Arena Sport Toamasina no manolotra “business plan” ho fampandehanana ity fotodrafitrasa ity. Ohatra amin’izany ny fandraisana ireo tsenabe sy seho isan-karazany.

  • III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Banky Foiben'i Madagasikara ho mpitahiry foibe tokana ireo sora-pizakan'ny fanjakana (Dépositaire Central Unique des Titres Publics à Madagascar.)

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Anjaniaina Olivia, ho Talen’ny Serasera.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FAHAMARO Herizo Lauréat, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ary ny fananan-tany Androy.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-524 tamin'ny 27 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANJANAKA Mamonjiarisoa Volatantely, ho “Directeur de la Promotion du Partenariat Public-Privé”

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-607 tamin'ny 13 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa DAVID Jeanick Dieudonné, ho Lehiben'ny Distrikan'i Port Bergé

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1166 tamin'ny 16 septambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa HARIOLY NIRINA Marie Osé Judicaël, ho "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Tanambao Antsiranana".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2036 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAFIDIMALALA Rivo Andriandanja, ho "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Morafeno Toamasina"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOMAHAZO Robinson Désiré, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Vakinankaratra.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-616 tamin'ny 13 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAMIANDRASOA Andrianandraina Gilles Kevin, ho "Directeur des Affaires Juridiques et Contentieuses" (DAJC).

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-374 tamin'ny 31 marsa 2021 ary manendry an-dRamatoa LAITREFINA Gislaine Frederika, Directeur des Affaires Administratives et Financières de l’Institut National de Formation Administrative (INFA).

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMPARANY Mioty, ho Sekretera Jeneraly.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1484 tamin'ny 30 novambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMBININTSOA Mamy Mahatsangy, ho "Directeur de l’Architecture, des Etudes et Conception".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-897 tamin'ny 19 jolay 2023 ary manendry an-dRamatoa HARIMANANA Henintsoa Tahiry, ho "Directeur de Promotion du Logement".

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMANANJANAHARY Harivony Blandine, ho Sekretera Jeneraly.
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Fanjakan’i Belgique sy Solontena maharitra eo anivon’ny Vondrona Eoropeana

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-188 tamin'ny 07 febroary 2024 nanendry ny Tale Jeneralin'ny fampiroboroboana ny indostria

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1581 tamin'ny 14 aogositra 2019 nanendry ny Talem-paritry ny asa, ny fampananan'asa sy ny asam-panjakana Diana

  

Natao ny 29 janoary 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika