TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 22 janoary 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 22 janoary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FANARAHANA IREO TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA SY LAHARAM-PAHAMEHANA
MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA + MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandriam-pahalemana amin'ny ankapobeny, an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe indrindra ny halatr'omby sy fakana an-keriny tao anatin'ny telovolana faran'ny taona 2024 sy ireo fepetra noraisina. Nisy ireo hetsika iombonana (interarmées) izay notanterahina hametrahana ny fandriam-pahalemana eny anivon'ireo fari-piarovana sy filaminana (ZDS) toy ny HARATO 2 sy ny "COUP DE POING". Nisy ny fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fisafoana, indrindra ireo faritra marefo. Nandray anjara tamin’ny fanaraha-maso ihany koa ny mponina eny ifotony. Ny eo anivon’ny zandarimaria kosa dia nanolo ireo tompon’andraikitra teny Ankazobe ary nanao hetsika sy fandravana ny toeram-piafenan’ireo olon-dratsy. Ho fametrahana fandriampahalemana maharitra dia misy ireo paikady hapetraka. Anisan’izany ny fanadihadian'ny "Organe Mixte de Conception (OMC) ireo tranga misy, ny fitantanana ireo faritra saro-pady, ny fanamafisana ireo hery fiarovana sy filaminana na FDS, ny ady amin’ny fitaovam-piadiana tsy ara dalàna, ary ny fananganana ireo "unités d'intervention rapide".
Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa ny fitondram-panjakana izay tarihiny dia sahy nandrava ireny tambazotra mpanao fakana an-keriny ireny. Hita fa teo aloha dia efa nisy mihitsy ireo teratany vahiny tsy sahy nipetraka teto Madagasikara noho ny tahotra. Efa niova tanteraka indray izany ankehitriny ary namorona fomba fanao vaovao indray ireo mpanao ratsy ka lasa Malagasy indray no ataon’izy ireo lasibatra. Tsy maintsy hanao ny fomba rehetra ny fitondram-panjakana hoy hatrany ny Filoha – na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra – hamongorana izany tambazotra izany. Nanome toromarika ireo mpitandro filaminana ihany koa ny tenany mba ho haingam-pihetsika (reactifs) mba tena ho tsapan’ny vahoaka fa mandray andraikitra izy ireo ary hanana fahatokisana noho izany ny vahoaka. Nambarany ihany koa fa raha sanatria misy olona tompon’andraikitra eo anivon’ny fanjakana mpiray tsikombakomba amin'ny fanaovan-dratsy dia tokony handray ny fepetra tandrify azy ireo mpitandro filaminana.
Ankoatra ireo dia ho sokafana manomboka izao ihany koa ny Fonja Ikelivondrake ao Ihosy ka izay rehetra manao halatr’omby sy fakana an-keriny dia alefa avy hatrany any amin'izany fonja izany na aiza na aiza toerana ahatratrarana azy.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitantanana ireo fampiasam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2025. Tamin'ny taona 2024 dia hita fa mbola ambany ny tahan'ny famoahana sy fampiasam-bola (taux de décaissement et d’engagement), 41,1% ho an’ny famatsiam-bola avy any ivelany ary 66,1% ho an’ny famatsiam-bola anatiny tamin’ny telovolana faha-4. Mba hahatratrarana ny fitomboana ara-toekarena 5% amin’ny taona 2025 sy hamenoana ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, ny Fitondram-panjakana dia hametraka fomba fiasa vaovao mba hampitomboana ny famoaham-bola (décaissement) alohan’ny 31 marsa. Tafiditra ao anatin'izany fomba fiasa vaovao izany ny :
- Fanatsarana ny fitantanana: fanamorana ireo dingana arahina ny fomba fiasa, fanazavana ireo andraikitra, ary fametrahana fifampiresahana maharitra.
- Fanohanana mifanandrify: fanohanana ara-teknika manakaiky ho an'ny Minisitera, iarahan'ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
- Kolontsaina mila vokatra: Fanajana ireo fandraiketana sy fanaraha-maso hentitra ireo fe-potoana nomena.
Ny 23 janoary 2025 ho avy izao ny atrikasa fampivondronana ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisitera mba handrindrana izany fomba fiasa izany sy hampiharana ireo fitaovana manaraka ny fenitra.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanombohana ny asa fanamboarana ny toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin'ny masoandro ao Ambatomirahavavy sy ny fandaminana ny lafiny fananan tany ho an'ireo tany hananganana toby mpamokatra herinaratra ao Andoharanofotsy, Ampangabe ary Ilafy. Ny toby ao Ambatomirahavavy izay hanana tanjaka 3MW miaraka amin'ny "batterie de stockage" no "site pilote" amin'ny tetikasa 50MW. Ny asa fananganana izany toby izany dia ho tanterahin'ny JIRAMA miaraka amin'ny fanohanan'ny ekipan'ny orinasa HUAWEI. Efa voajary ny tany hametrahana izany tobim-pamokarana izany ary vita hatramin’ny 80% ireo asa hametrahana ny "ligne de raccordement". Amin’ny 27 janoary 2025 ho avy izao no hanombohan'ny asa fananganana izany tobim-pamokarana izany.
Efa an-dalam-pamaranana kosa ny lafiny fandaminana ny fananan-tany ho an'ireo tobim pamokarana apetraka ao Andoharanofotsy, Ampangabe ary Ilafy, ka hiroso tsy ho ela ny fanajariana ireo tany sy ny fananganana ny fotodrafitrasa.
-
II- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny olana sedrain'ireo teratany malagasy any ivelany amin'ny fanavaozana ny pasipaorin'izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia ny masoivohon’i Madagasikara ao Paris ihany no manana foibe fisoratana anarana biometrika, ka miteraka tsy fitovian-jo raha oharina amin’ireo masoivoho hafa. Ireo manao fangatahana any ivelan'i Paris dia tsy maintsy mandalo rafitra lafo vidy izay mandalo eto Madagasikara ka mampitombo ny fandaniana sy ny fahatarana. Mba hamahana ity toe-javatra ity dia nanolotra ny vahaolana ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ny amin’ny fametrahana foibe fisoratana anarana biometrika manerana ireo Masoivohon’ny Madagasikara.
Tapaka ihany koa ny ametrahana izany any amin’ny Faritra eto Madagasikara mba hanakaiky kokoa ny vahoaka ny fisitrahana ny pasipaoro biometrika. Momba ireo fitaovana fisoratana anarana ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny no hiandraikitra ny fampandehanana azy ireny eny anivon'ireo masoivoho. Ny Minisiteran'ny Filaminam bahoaka kosa no hanao ny fangatahana fampiasana azy ireo amin'ny orinasa tompon’andraikitra ary ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no miandraikitra ny ahafahana mampiasa ny kaonty manokana "compte d'affection speciale" ho an’ireo pasipaoro biometrika ireo.
Ireo fepetra ireo dia mikendry ny fisitrahana ara-drariny sy ny fahazoan'ny Malagasy rehetra monina any ivelany, sy manerana an’i Madagasikara izany tolotra izany.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny fitsidihana ofisialy nataon'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny tany Tonisia ny 12 hatramin’ny 16 janoary 2025. Sambany no nisy fitsidihana ofisialy nataona minisitry ny raharaham-bahiny malagasy tany an-toerana hatramin’ny niorenan'ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin'ny firenena roa tonta tamin'ny taona 1969. Tanjon'izany fitsidihana izany indrindra ny hanamafisana fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta sy ny fifandraisana ara-toekarena, indrindra tamin’ny alalan’ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra Toniziana sy ireo mpisehatra ara-toekarena. Niompana manokana tamin’ny sehatry ny varotra, ny fampiasam-bola, ny fiaraha-miasa amin’ny fadintseranana ary ny fifanatonan’ny antenimieran’ny varotra, ny fampahafantarana an’i Madagasikara amin’ireo mpampiasa vola Toniziana, indrindra eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny angovo ary ny faritra ara-toekarena manokana, no ivon’ireo fihaoanana ireo. Nisy fifanaraham-piaraha-miasa telo no nosoniavina nandritra ity iraka ity: ny fifanaraham-piaraha-miasa lasitra, ny fifanarahana ho an'ny fifampidinihana ara-politika ary fifanarahana eo amin’ny sehatry ny teknolojian'ny fampahalalana ireo torohay sy ny paositra. Ity fitsidihana ity dia hitondra ainga vao momba ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fihaonambe momba ny Fiaraha-miasa iraisam-pirenena an'ireo Vondrom-bahoaka frantsay sy malagasy amin'ity taona 2025 ity eto Antananarivo. Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana izay mikendry ny hampahaleo tena ireo faritra, ny fanatanterahana ny ODD 17: fiaraha-miombon’antoka ho fanatanterahana ireo tanjona ary ny fampiharana ny Drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana (PNDE). Nanomboka ny taona 1960, ny fiaraha-miasa Frantsay - Malagasy dia nanohana ireo vondrom-bahoakam-paritra amin’ny sehatra samihafa toy ny fitantanam-panjakana eny ifotony, ny fanabeazana, ny rano, ny fidiovana ary ny fambolena. Ny andiany teo aloha tamin’ny taona 2006 sy 2018 no nanamafy ireo fiaraha-miasa ireo. Ity andiany fahatelo ity dia ahafahantsika manombatombana ny fandrosoana vita, manamafy ny fiaraha-miasa ary mamaritra fomba fijery vaovao, mifanaraka amin'ireo ny fivoaran'ny firenena sy ny sehatra iraisam-pirenena.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanambarana ny vola mila haloa amin'ireo hetsika fanesorana fizaka-manana ho an’ireo olona voakasiky ny asa fanadiovana sy ny fanajariana ny lakandrano C3 ao anatin’ny tetikasa PRODUIR. Tapaka ny fahamahana ny tahirim-bola eo anivon’ny Receveur Général d’Antananarivo (RGA) ao amin’ny kaonty laharana faha 46211 araka ny fanambarana vola miditra laharana faha 0144488 tamin’ny 06 aogositra 2024 sy laharana faha 0144487 tamin’ny 14 aogositra 2024 hahafahana mandoa ny fanonerana ireo olona miisa 68 voakasiky ny tetikasa PRODUIR izay efa feno ny antontan-taratasy.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanomezana ny tanim-panjakana mirefy 30 ara ho an'ny Banky Foiben'i Madagasikara hananganana biraom-paritra ao Ambatomasina Maroantsetra.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fananganana ny komity vonjimaika (comité intérimaire) ho an'ny Oniversiten'i Toliara. Ny fananganana izany komity izany dia mifanaraka amin’ny fepetra voalazan'ny andininy faha-25 (vaovao) amin'ny didim-panjakana laharana faha 2022- 279. Ny fananganana komity vonjimaika dia fepetra ilaina mba hiantohana ny fampandehanana ny oniversite ary hiantoka ny fitohizan'ny asa akademika, ara pitantanana ary ara-bola. Ny fandrafetana (fanendrena) ny mpikambana, ny fandaminana ary ny fiasan’ny komity vonjimaika dia apetraka amin’ny alalan’ny didim-pitondrana.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoana amin'ny fitokanana ireo trano fatorian'ny mpianatry ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ny Oniversiten'i Vakinankaratra, Itasy ary Sava. Efa vita ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo ankehitriny ary efa misy ireo mpampianatra sy mpiasa ho an'ny fitantanan-draharaha ho an'ireo oniversite vao natsangana ireo. Efa misy ihany koa ireo mpianatra efa nisoratra anarana handranto fianarana eo anivon’ireo oniversite ireo. Anisan'ny vahaolana afaka hamindrana ireo mpianatra izay very trano fonenana nandritra ny fahamaizan'ny Cité Préfa N ny 04 janoary lasa teo ihany koa ny fahavitan'ity trano fatorian'ny mpianatra ao Fianarantsoa ity.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fahasahiranana sedrain'ireo tantsaha ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro (Ambatondrazaka) noho ny fiovaovan'ny toetrandro ka nampihena ny rotsak'orana any an-toerana. Misedra tanteraka ny vokatry ny haintany amin'izao fotoana izao ny any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro. Ambany ny tahan'ny fanetsana izay manodidina ny 21% ao Ambatondrazaka ary 40% ao Amparafaravola. Anisan'ny imasoan'ny Fitondram panjakana anefa ny fanovana ny fomba fambolena ka izany indrindra no antony nanaovana izao fanairana izao. Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hijerena manokana ny tantsaha any an-toerana. Hifandrimbona amin'ny Minisiteran’ny fitaterana sy famantarana ny toetr'andro amin'ny fahafahana mandefa orana artifisialy any an- toerana. Hisy ny fizarana ireo masomboly "à cycle court" ho an'ireo tantsaha sy fametrahana "pépinières communautaires" ao Anosiboribory. Ho diovina ihany koa ireo lakandrano rehetra ary hamafisina ny fambolen-kazo manodidina ireo lemaka.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny Dubaï - Madagasikara Business Forum ny 08 hatramin’ny 13 may 2025 any Dubai, Emirats Arabo Mitambatra. Tanjon'ity fihaonana ity ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo Mitambatra mba hisian’ny fitomboana ara-toekarena iombonana. Handray anjara amin'izany hetsika izany ireo solontenan'ireo minisitera, ny sehatra tsy miankina, ny fiombonamben’ireo antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara ary ny EDBM.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo fepetra noraisina hitohizan'ny fivezivezen'ny fiara amin'ireo lalam-pirenena amin'ny tapany avaratry ny Nosy (Mahavavy, Ifasy ary Manambery )
Taorian’ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Gamane sy Dikeledi tany amin’ny faritra DIANA sy SAVA, indrindra ny tetezana Ifasy sy Mahavavy (RN6) ary Manambery (RN5A), dia nisy ny asa vonjimaika nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy :
Ao anatin'ny fohy ezaka
Manambery:
- Fikojakojana ny "passage à gué" amin'ny alalan'ny CERC.
- Fisokafana amin'ny ampahany ny tetezana ho an'ny fiara maivana (latsaky ny 5 taonina).
Ifasy sy Mahavavy:
- Fanamafisana ny digue ataon'ny COLAS Madagascar. Famindrana baka mba hiantohana ny fitohizan'ny fifamoivoizana mandritra ny fotoanan'ny tondra-drano.
- Fiaraha-miasa amin’ny BNGRC amin’ny fametrahana sambo haingam-pandeha nanomboka ny 13 janoary teo.
Amin'ny antonon'ezaka
- Manambery: Asa fanarenana vatsian’ny Banky iraisam-pirenena
- Ifasy: Fiarovana ny digue , izay efa misy fifampiraharahana amin'ny famatsiam bola, indrindra amin'ny governemanta japoney.
- Mahavavy: Fanampiana "pont modulaire" amin'ny alalan'ny famatsiam-bola avy amin'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana.
Amin'ny lavitr'ezaka
Fanamboarana tetezana vaovao misy zotra roa ho an’i Ifasy sy Mahavavy. Efa mandeha ny fanadihadiana, ary efa miroso ny fifampiresahana amin’ny famatsiam-bola miaraka amin’ny BEI sy ny Vondrona eoropeanina.
Ireo fepetra ireo dia mikendry ny hiantohana ny fitohizan'ny fifamoivoizana sy hisorohana ny fahasimbana amin'ny hoavy.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa vonjy maika efa nosoniavin'ny contrôle financier. Natao laharam-pahamehana ny asa fikojakojana sy fanarenana ireo lalam-pirenena tamin'ny taona 2024. Tanjona ny hisorohana ny mety hisian’ny fahatapahan-dalana sy hiantoka ny fitohizan'ny fifamoivoizana mandritra ny vanim-potoanan’ny fandalovan’ny rivodoza ary hamerina amin’ny laoniny ny lalana raha sanatria misy tapaka. Anisan'izany ny RNT20, RNS 5A, RNS1 bis, RNS 1, RNT 3A, RNT 8C, RNS 1A.
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny idiran'ny Repoblikan'i Madagasikara eo anivon’ny "National Determined Contributions Partenership na NDC Partnership ». Izy io dia fiaraha-mientana iraisam-pirenena mampivondrona ireo firenena mandroso, firenena an-dalam-pandrosoana ary andrim-panjakana mba hampiroborobo ny hetsika momba ny toetr'andro mifanaraka amin'ny fifanarahana tany Paris sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Ny tanjona ho an’i Madagasikara dia ny hanamora ny fanatanterahana ireo "Contributions Déterminées au niveau National" (CDN) ; ny firaiketan'ny firenena amin'ny fifanarahana tany Paris; ny fisitrahana famatsiam-bola sy fanohanana ara-teknika manokana araka ny laharam-pahamehana napetratsika. Tsy misy fandraisana anjara ara-bola takiana amin'ny maha-mpikambana amin'izany vondrondra izany. Ity fomba fiasa ity dia mikendry ny hanatsara ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanohizana ny ireo asa hamerenana ny Kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo karandohan'ireo mpianady Sakalava ao amin’ny Musée de l'Homme ao Paris.
Mbola manohy ny asa fanamarinana ireo karandoha sakalava telo voatahiry ao amin’ny Musée de l’Homme Paris ny komity roalafy Frantsay sy Malagasy, izay natsangana nanaraka ny lalàna frantsay tamin’ny volana desambra 2023. Hanolotra ny tatitra farany ny asan'izy ireo izany komity izany farafahatarany amin'ny herinandro ambony mba handraisana ny didim-panjakana manambara ny fialan'izany vakoka izany amin’ny "collections publiques" sy ny famerenana azy ireo amin’ny Fanjakana Malagasy. Hizara roa ny lanonana famerenana ireo vakoka ireo eto Madagasikara: ny lanonana ara-pomba ofisialy izay ho tanterahina eto Antananarivo, ary ny lanonana araka ny fomban-drazana atao any Belo sur Tsiribihina izay hanokafana ny zomba hametrahana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera arahin’ny fandevenana ireo karandoha roan’ireo mpianady Sakalava.
-
III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin'ny didim-panjakana laharana faha 2024-1908 tamin'ny 13 novambra 2024 manome alalana ny Minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola hanome antoka amin'ny anaran'ny Fanjakana Malagasy amin’ny fanafarana vary avy any Pakistan amin’ny alalan’ny State Procurement of Madagascar (SPM). Manentana ny Filohan’ny Repoblika fa tokony hahazo Vary Mora daholo manerana ny Nosy satria tena manampy ny vahoaka izany. Tokony mitandrina ihany koa izay mieritreritra hanodikodina ireny Vary Mora ireny fa tsy hisy famindram-po ho an’ireo izay minia manao izany.
MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana "bonification d’ancienneté de port de grade" ho an'ireo Manamboninahitra ambony sy Manamboninahitra lefitra iray eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (LCL RAOILIJON Tojomalala; CEN RABARIJAONA Nantenaina Fabrice ; CEN MAHAVIHASINA Daudet ; CNE RAKOTONINDRINA Rijanantenaina Alain).
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana "bonification d’ancienneté de port de grade" ho ana Manamboninahitra ambony iray sy Manamboninahitra lefitra iray eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (COL RAVELOMANANA Valona Tahina ; CNE RANDRIANASOLO Joachin Joseph Ferdinand).
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana "bonification d’ancienneté de port de grade" Manamboninahitra lefitra iray eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (LCL FANEVARISON Onimihary Ralaiavy ; CNE RAMAROSON Zo Andriamalala).
-
IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TSARAMANDIHY Aristide, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany ary ny Fananan-tany ao Analanjirofo
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANDIMBIARISON Tianjanahary, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany ary ny Fananan-tany Anôsy.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-899 tamin'ny 08 septambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMPARISON Fanambinantsoa Hasinarivo, ho Talen'ny Serasera.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-312 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Vololoseheno Fabienne, ho "Directeur de l’Apprentissage et de la Formation Qualifiante"
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-912 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa ASAMOELINA Rija Soloniony, ho "Directeur Administratif et Financier" (DAF).
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-615 13 marsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONANAHARY Narindra Andrianina, ho "Directeur de la Communication, du Système d’Information et de la Digitalisation" (DCSID).
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1367 03 jolay 2024 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANARISOA Riana Raymonde, ho Talen’ny serasera.
-
V- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-489 tamin'ny 06 marsa 2024 nanendry ny "Directeur de l’Evaluation, des Suivis et Contrôles"
Natao ny 22 janoary 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika