TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 04 Desambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 04 Desambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I. FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA+ MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampiasana ny tahirim-bolan'ny findramam-bola tamin'ny "Fédération de Russie". Io tahirim-bola io dia hamatsy ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana efa niarahana nijery tamin'ny firenena rosiana. Araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika dia anisan'ireo hisitraka ity tahirim-bola ity ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ho fanatanterahana ny fanovana ny fomba fambolena eto Madagasikara. Anisan'ny ho vatsian'ity tahirim-bola ity ihany koa ny fividiana fitaovana fanadiovana, fitaovam-pamokarana, fitaovana ilaina amin’ny fitaterana an-dalamby ary fitaovana ilaina amin’ny asa vaventy.
MINISITERAN'NY FITSARANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famaritana mazava ny daty manamarika ny fiantombohan’ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana mandrafitra ny "Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme (CNIDH)" amin'ny fomba ofisialy. Tapaka fa ny 16 jolay 2021 izay daty nanaovan'ireo mpikambana ny fianianany manoloana ny Fitsarana Tampony, no ho raisina.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana sorabola hanatanterahana asa fampidirana herinaratra amin'ny alalan'ny herin'ny masoandro an'ireo fonjabe miisa efatra dia ny ao Antananarivo Avaradrano, Volamena-Fianarantsoa, Toamasina ary Ikelivondroka-Ihosy.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fitsipika ankapoben’ny fanjakana (Cadre de Gouvernance) mifehy ny « Projet régional de préparation aux situations d’urgence et d’accès à une reprise inclusive" (REPAIR – Regional Emergency Preparedness and Access to Inclusive Recovery). Anisan'ireo firenena marefo aty Afrika noho ny fiovaovan'ny toetrandro i Madagasikara izay misy fiantraikany amin'ny antom-piveloman'ny mponina, ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy korontana samihafa. Entina hiatrehana izany indrindra no nahatonga ny Banky iraisam-pirenena hanangana ny tahirim-bola isam-paritra ho an'ireo tandindon-dozan'ny toetrandro (Fonds régional pour les risques climatiques - RCRF) ao anatin'ny fandaharan'asa REPAIR. Izany famatsiam-bola izany dia hamatsy ireo asa famonjena maro anatin'ny hamehana, anisan’izany fandraisana an-tanana ireo traboina sy ny fanajariana ireo fotodrafitrasa ampiasain'ny vahoaka (lalana, tambazotra fitsinjarana rano sy herinaratra), ny fanampiana ara-bola, ny fividianana “motopompes”, ny fametrahana tranolay hialofan’ireo traboina, sns... Ny fitsipika ankapoben’ny fanjakana izay nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra dia miantoka ny fanetsehana haingana izany famatsiam-bola izany.
Nanome toromarika manokana ny Filohan’ny Repoblika ho an’ireo minisitera sy vondrona rehetra voakasika ny hijery sy hanomana sahady ireo fitaovana na kojakoja ilaina sy ireo fepetra fiomanana mialohan’ny vanim-potoam-pahavaratra sy ny rivo-doza.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fiaraha-miasa amin’ny Governemantan'i Rwanda hanapariahana ny "système de facturation électronique "Electronic Biling Machine" (EBM) eto Madagasikara. Ny fametrahana ity rafitra ity dia ahafahana manatsara ny fitantanana ny hetra fanampiny (TVA), ny fanatsarana ny mangarahara amin'ny fifanakalozana ara-barotra ary ny fiarovana ny fidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny dingana ara-taratasy sy ara-bola amin'ny fanatanterahana ireo tetikasa fampiasam-bolam-panjakana ho an'ny taom-piasana 2024. Anisan’ireo tetikasa maro ho tanterahina ny fanampiana ireo “Fonds d’Urgence” eo anivon’ireo hopitalim-panjakana, ny famitana ny asa fanamboarana ireo hopitaly manara-penitra sy ireo hopitaly eny anivon’ireo distrika, ny fividianana ireo vaksiny, sns…
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fitokanana ny « ISLAND REACH-Bateau Clinique », ny 06 desambra 2024 ao Antsiranana. Tanjon'ity tetikasa ity ny fanatsarana ny fisitrahan'ny vahoaka ny fahasalamana manakaiky vahoaka izay hiarahan'ny Mercy Ministries sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka manatanteraka. Laharam-pahamehana ho an'ity "bateau clinique" ity ny fanolorana tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana ho an'ireo toerana saro-dalana ka misy seranan-tsambo.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fifanarahana nataon'ny Fitondram-panjakana Malagasy ho an'ireo tanora malagasy nahazo vatsim-pianarana eo anivon’ny "Office de la Formation Professionnelle et de la Promotion du Travail" ao Maraoka. Nanomboka ny taona 2019, dia misy mpianatra afaka baccalauréat miisa 20 no nahazo vatsim-pianarana hahazoan'izy ireo DTS (bac + 2) eo anivon’ny OFPPT any Maroc. Ny Fanjakana malagasy no mandray an-tanana ny fitaterana ireo mpianatra ireo. Ho an'ny taom-pianarana 2024 - 2025 dia mpianatra vaovao 18 no handeha ho any Maraoka. Tamin’ireo nahazo vatsim-pianarana teo aloha dia 20 no niverina teto Madagasikara rehefa nahavita ny fianarany ary 8 no mbola manohy ny fianarany.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana tetibola ho an'ny kaontin'ny "Centre de Lutte Antiacridienne de Madagascar"– Ivotoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM).
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny fandoavana ny tambiny na "contrepartie" an'ireo tetikasa fampiasam-bolam-panjakana izay novatsian'ireo mpiara-miombon’antoka anatin'ny tetiksa fanajariana sy fanaovana tara ny RNS5 mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny sorabola hanatanterahana ny asa fandrakofana amin'ny "béton armée" ny tetezana Andriamoty eo amin’ny PK 1 + 200 eo amin'ny RR AMM-6 (mampitohy ny PK 21 + 000 sy ny RNS41 hatramin’ny Soavina RNP7), vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny ampiasana tetibola hanatanterahana ny asa fikojakojana maika ny RNS5 mampitohy an'i Foulpointe sy Fenerive-Est, vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana. Nampatsiahivin’ny Filohan’ny Repoblika ny maha zava-dehibe ity lalana ity ary nanome toromarika mazava ny tenany ny hanamboarana izany mba hateza an-taonany maro.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana tetibola hanatanterahana tetikasa hikojakojana ny lalam-pirenena faha fito (RN7) vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana PK 72+000 sy PK 94+000 ; PK 110+000 hatrany amin'ny PK 122+000. Eo ihany koa ireo tambazotran-dalana goavana toy ny lalam-pirenena faha fito (RN7 Antsirabe hatrany Ambohimahasoa) ny lalam-pirenena faharoa (RN2), lalam-pirenena faha enina (RN6) sy lalam-pirenena faha efatra (RN4).
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana amin'ny famatsiam-bola ny tetikasa littorale Ouest de Madagascar –INTERREG V- France (Mayotte-Comores-Madagascar). Tanjon’ny ity tetikasa ity ny hananganana fotodrafitrasa ho an’ny tanora sy entina hampiroboroboana ny fanatajahantena toy ireo “maisons des jeunes”, kianja filalaovana baskety, ireo biraom-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena, sns..
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana amin'ny alalan'ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny fanampiana amin'ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin'ny fiadiana ny Tompon-dakan’i Afrika taranja Kickboxing, ny 09 hatramin'ny 12 desambra 2024, any Johannesburg, Afrika Atsimo.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana sorabola manokana ho an'ny ANALOGH.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny asa famaritana sy fiarovana ny tany hametrahana ny tetikasa Ankohonana Miarina ao Fieferamanga sy Ambohimiarina ; ny asa fanajariana ny ivelan'ireo trano 80 ao Bemokijy ; Morondava, ary ny fampitaovana ara-tserasera ho an’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
-
II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana hamindrana sorabola ho an'ny Minisiteran'ny Atitany handoavana ireo "indemnités" an'ireo nandray anjara tamin'ny fikarakarana ny fifidianana solombavambahoaka ho an'ny tetibola 2024
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanendrena an'Andriamatoa RAHARIMANANTSOA Claude Richard, ho Filohan'ny "Conseil de la Concurrence.
-
III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANAIVOZANANY Jerry, ho Tale Jeneralin'ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola mpisolo toerana.
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-980 tamin'ny 17 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAHARISON Andriambolahery Tsirinilaina, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambanja
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa DELLARIS RANDRIAMANANKEVITRA Huberto, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambilobe
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-979 tamin'ny 17 avrily 2024 ary manendry an-dRamatoa TSIRINARY Jahdà Hermine, ho Lehiben'ny Distrikan'Antsiranana II
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOLOARISON RAMAROZATOVO Noroseheno Nicole, ho Talen’ny fifandraisana amin’ny daholobe
MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAROSOLO Iarilanto, ho Tale Jeneralin’ny “Office Malgache des Tabacs (OFMATA)
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa LEONG POCK TSY Jean Michel, ho Tale Jeneralin'ny Centre National de Recherche Appliquée au Développement Rural- CENRADERU/FOFIFA.
MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1045 tamin’ny 06 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMAROLAZA Luc Yannick Andréas, ho Tale Jeneralin’ny Famantarana ny Toetr’andro
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-338 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA ANDRIAMALALA Jean Christian, ho "Directeur des Affaires Juridiques"
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-739 tamin'ny 14 jona 2023 ary manendry an'Andriamatoa MARC Sergio Clerc, ho Tale Mpanatanteraka ny EITI - Madagascar
MINISITERAN'NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANILAINA Herimampionona, ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Amoron’i Mania
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1066 tamin'ny 13 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa MANOROTIANA Mohajy Irina, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Diana
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-226 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAVAO Jean Olivier Roland Ernest, ho "Directeur de la Programmation, du Suivi et Evaluation"
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASOLOFOMANANA Jean Théodore, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Vatovavy.
MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1570 tamin'ny 12 décembre 2023 ary manendry ny Général de brigade TSIKETA Bernard Dieudonné, ho Kaomandin'ny fari-piadidian'ny zandarimariam-pirenena Mahajanga.
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1738 tamin'ny 2 oktobra 2024 ary manendry ny Colonel RANDRIANANTENAINA Honoré, ho Kaomandin'ny fari-piadidian'ny zandarimariam-pirenena Fianarantsoa
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha ary manendry ny Colonel RAMAMINIRINA Solofoniaina, ho "Directeur de l’organisation et de l’emploi" eo anivon’ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Colonel MAROVAVY Louis Francio, ho Kaomandin'ny fari-piadidian'ny zandarimariam-pirenena Antsiranana
-
V- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 371 tamin'ny 28 febroary 2024 nanendry ny Sekretera Jeneraly.
Natao ny 04 Desambra 2024
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika