TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 27 novambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 27 novambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I. FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny filatsahan'i Madagasikara ho fidiana ho Filohan’ny Vovonana Parlemantera eo anivon’ny SADC ho an'ny taona 2024 - 2026, ny volana desambra 2024 any Zambie.
Ity Vovonana Parlemantera ity dia sampana iray eo anivon’ny SADC izay manome sehatra ifanakalozan'ireo parlemantera eo anivon’ny faritra. Ny tanjona dia ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpanao lalàna eo anivon’ireo firenena mikambana ao anatin'ity vondrona ity. Solombavambahoaka malagasy miisa enina no hisolo tena ny firenena malagasy eo anivon'izany vovonana izany. Mifanindran-dalana amin’ny fe-potoam-piasan’i Madagasikara eo anivon’ny Troïka ny fihaonana an-tampon'ny SADC ihany koa izao filatsahan-kofidiana izao.
MINISITERAN'NY FITSARANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny famatsiam-bola ho an'ny enim-bola faharoan'ny taona 2024 ho an'ny "Ecole Nationale d’Administration Pénitentiaire" (ENAP) ho famatsiana ny fampandehanana ny fampiofanana mpiofana miisa 250.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fitsinjarana ny tetibolan'ny PIP-113 ho an'ny taona 2024. Izany tetibola izany dia entina hanamboarana lalana manodidina ny 50km isaky ny Faritra, ny fananganana na fanajariana fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filan'ny Faritra tsirairay, ny fitantanana sy ny fikojakojana ireo "engins" nomena ireo Faritra.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITSARANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fitsidihana tombana ho tanterahin'ny "Services de Renseignement Financier" an'i Malawi sy Namibie eto Madagasikara ny 9 hatramin'ny 13 desambra 2024 izay tafiditra ao anatin’ny dingana idiran'ny SAMIFIN ao anatin’ny vondrona EGMONT. Ity farany dia vovonana manamora ny fiaraha-miasa eo amin'ireo "cellules de renseignement financier" (CRF) ao anatin'ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny ady amin'ny fampihorohoroana (LBC /FT).
Ny fidirana ho mpikambana eo anivon’ity vondrona ity dia mitaky fanadihadiana ny rafitra LBC / FT eo anivon’ilay firenena mirotsaka ho mpikambana sy ny fanarahany ny fenitra iraisam-pirenena ary ny fanohanan'ny firenena roa. Ny SAMIFIN dia nahazo fanohanan'i Malawi sy Namibie izay anton'izao fitsidihana tombana izao.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana tetibola handoavana ireo "heures complémentaires" sy "vacations" ho an'ny taona 2019-2020 ho an'ireo oniversite miisa enina sy ireo IST miisa telo.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handoavana ireo "allocations d’études et de stages" ho an'ireo mpianatry ny "Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA) ho an'ny telovolana fahatelo sy faha-efatra ny taona 2024
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famaranana ny totalibe sy ny famoahana ny fanambarana ny tetibola ho an'ireo fanonerana ny fanesorana ny fizaka-manana PaPs PK 8 + 000 hatramin’ny PK 12 + 000 amin'ireo asa fanamboarana ny lalana Ivato – village Artisanal sy ny lalana mampifandray ny Boulevard de l’Europe amin'ny Village de la Francophonie – Marché n°16- M2PATE/PRMP.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo asa laharam-pahamehana tanterahina ho an'ny taona 2024. Anisan'izany ny fanamboarana ireo lalana eto an-drenivohitra, ny fanajariana lalam-pirenena samihafa (RNP 6, RNS 27, RNT 18, RNP4, RNP7,...) sy ny fanamboarana ireo tetezana amin'ireo lalam-pirenena .
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ny fampiatoana ny asa fitrandrahan'ny orinasa Base Toliara.
Tamin'ny taona 2019 ny Filan-kevitry ny Minisitra no nampiato ny tetikasa fitrandrahana ireo fasika mineraly ataon'ny Base Toliara. Nanomboka teo ny fifampiraharahana teo amin'ny Fitondram-panjakana sy ity orinasa ity mba hahafahana mitady vahaolana ahitana tombontsoa iombonana.
Mifanindran-dalana amin’ny fampiroboroboana ny indostria izay imasoan'ny Politika ankapoben'ny Fanjakana ity tetikasa ity, izay fanoitra amin'ny fampandrosoana ara-toekarena. Ny Filohan’ny Repoblika no nitarika ny fampiraharahana ary nametraka ny tombontsoan’ny firenena ho laharam-pahamehana ka nahazoana tombony bebe kokoa eo amin’ny lafiny hetra, ny ara-toekarena sy ny ara sosialy ho an'ny Faritra Atsimo Andrefana sy ireo vondrom-bahoaka sy Madagasikara iray manontolo. Ho maro ireo asa hiforona, ny fotodrafitrasa hatsangana hipàka amin'ny sosialim-bahoaka toy ny sekoly, ny hopitaly, ny lalana, sns....
Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa efa maro ireo fifanaraham-piaraha-miasa mikasika ny harena an-kibon’ny tany hatramin'izay fa tsy nahitana tombontsoa ho an'ny firenena fa ho an'ny olom-bitsy. Tsy maintsy misy tamberin'andraikitra mivantana ho an'ny vahoaka ireo tetikasa hoy hatrany ny Filoha. Mba hiantohana ny fampandrosoana ny tetikasa sy hampazava tsara ireo fepetra ara-bola, ara-dalàna sy ny lafiny sosialy dia hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa ho soniavina eo amin’ny Fanjakana sy ny Base Toliara.
MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny Pêche et Froid de l'Océan Indien (PFOI) amin'ny fampiasana sambo malagasy hanjonoana “thon” amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara. Ankoatran'ny fampiroboroboana ny jono sy ny famoronana asa, dia naneho ny fahavononany handray anjara amin'ny fampandrosoana eny ifotony ny orinasal PFOI amin'ny alàlan'ny fananganana ivon-toerana fampiofanana amin'ireo asa eo amin’ny tontolon'ny jono ao Antsiranana, ny fanomezana vatsim-pianarana ho ana mpianatra miisa 10 isan-taona, ny hanohana ny fikojakojana ireo sambo eo anivon’ny SECREN ary hanolotra sambo haingam-pandeha miisa 10 ho an'ny jono.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny tetibola hividianana "filets multi-filaments" sy sambo vita amin'ny "fibre de verre" hanohanana ireo mpanjono madinika manerana ny Nosy.
MINISITERAN'NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny ampahany voalohany amin’ny tetibola hampandehanana ny Alimentation en Eau dans le Sud (AES) izay sampandraharam-panjakana natao hampiroboroboana ny fisitrahana rano fisotro madio sy ny fanadiovana any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanitsiana sorabola ho an' ireo laharam-pahamehana ho an'ny telovolana faran'ny taona 2024. Anisan'izany ny fividianana fitaovana ho an'ny JIRAMA entina hampitomboana ny famokaran-drano ho an'Antananarivo Renivohitra sy ireo Faritra tena voakasiky ny tsy fahampian-drano; ny fanomezana fitaovana entina hanatsara ny kalitaon’ny rano amin'ireo ivon-toerana mpamatsy rano ao Ambovombe, Soanala, Beraketa, Antanimora, Tsivory ary Andalatanosy izay tantanin'ny AES, ny fanomboahana ny fanodinana ny fako eny Andralanitra ao anatin’ny fandaharan’asa FUKUOKA
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin'ny fifaninana iraisam-pirenena Body Building.
-
II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra didim-panjakana momba ny fananganana, ny fandaminana ary ny fampandehanana ny "Ecole Nationale d’Enseignement Maritime (ENEM)"
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova ny fepetra sasany ao amin’ny andininy voalohany amin’ny didim-panjakana n°2023-892 tamin’ny 19 jolay 2023 manendry ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan'ny Unité de Gouvernance Digitale (UGD).
-
III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
FIADIDIANA NY REPOBLIKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARINORO AMIDJEE Roumana, ho Talen’ireo Raharaha Sosialy
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-846 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOBE Nivonirina Noferana, ho "Directeur des Affaires Juridiques"
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1514 tamin'ny 07 aogositra 2019 ary manendry an-dRamatoa ANDRIASENDRARIVONY Solosoaniaina Nancy, ho "Commissaire Général de la Loi près le Conseil d’Etat de la Cour Suprême."
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARIJAONA Olimalala, ho "Chef du Siège de la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-Corruption Mahajanga.""
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZANAMALALA Lydia, ho "Chef du Siège de la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-Corruption de Fianarantsoa."
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOMANGA Harilala Fandio, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany Itasy
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-272 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus, ho Tale Jeneralin'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana ifotony.
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ABRAHAM Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, ho "Directeur Général des Réformes Administratives"
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-556 tamin'ny 20 avrily 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHARIMAMPIONONA, ho "Directeur Général de l’Administration du Territoire"
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHOLINARIVO SOLONAVALONA Paolo Emilio, ho « Directeur des Etudes auprès Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes »
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-643 tamin'ny 20 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa RABENJARISOA Andriamihaja Tiana, ho Talem-paritry ny asa vaventy Analamanga
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABARIJAONA Antsa Narindra, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Vakinankaratra
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TILAHISANGA Jean Orelien, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Sava.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Justin, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Alaotra Mangoro.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIMANANA Ravakamahefanarivo, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Analanjirofo.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANARIVO Franklin, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Atsimo Andrefana.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa VELONJARA Casmir Arnaud, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Sofia.
-
V- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-606 tamin'ny 13 marsa 2024 nanendry ny Lehiben'ny Distrikan'Ambilobe.
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1044 tamin'ny 26 aogositra 2020 nanendry ny Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Dian
MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-575 tamin'ny 28 mai 2014 nanendry ny Sekretera Jeneraly
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-454 tamin'ny 20 marsa 2019 nanendry ny Tale Jeneralin'ny Fanatanjahantena.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-246 tamin'ny 23 febroary 2022 nanendry ny Talem-paritry ny kolontsaina Analanjirofo.
MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1452 tamin'ny 04 novambra 2020 nanendry ny Kaomandin'ny fari-piadidian'ny zandarimariam-pirenena Antsirana
Natao ny 13 novambra 2024
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika