TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 13 novambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 06 novambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

  • I. FANARAHANA IREO TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Araka ny toromarika efa nomen'ny Filohan’ny Repoblika dia tsy maintsy apetraka farany izay haingana ireo ivon-toerana mpamokatra herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro manana tanjaka mitotaly 50MW. Ny 20MW dia natao hanampiana ny tambazotra iraisan'Antananarivo (RIA) ary hapetraka eo Ambatomirahavavy, Ampangabe ary Ambohidrano ny fotodrafitrasa. Ho tsinjaraina 5MW avy ireo renivohi-paritany sy Nosy Be. Efa eo an-dalam-pitaterana ireo fitaovana entina hananganana ireo fotodrafitrasa izay taterina avy any Toamasina mankany amin'ireo toerana hananganana ireo ivon-toerana hahafahana manomboka ny asa. Laharam-pahamehana ity tetikasa ity izay hanohana ny famokarana angovo no sady hampihena ny fiankinan-doha amin'ny famokarana angovo avy amin'ny solika.

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fanazaran-tena iraisan-tafika ny 18 hatramin'ny 25 avrily 2025 any Mahajanga. Ity fanazaran-tena ity dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Tafika Frantsay sy ireo Foloalindahin'ny faritra atsimon'ny ranomasimbe indiana ary mikendry ny fanamarinana ny fandaminana ny fibaikoan'ireo Tafika amina hetsika mitambatra sy hanamafisana ireo fahaiza-manao sy fifanakalozana traikefa eo amin'ireo mpandray anjara. Handray anjara amin'izany i Frantsa, Seychelles, Maorisy, Botswana sy Kaomoro. I Afrika Atsimo, Lesotho, Mozambika ary Tanzanie kosa dia nasaina ho mpanara-maso izany hetsika izany. Ankoatran'ny maha fanazaran-tena ara-miaramila azy, ity hetsika ity dia mandray anjara ihany koa amin'ny fiarovana isam-paritra sy ny "Actions Civilo-Militaires" (ACM). Tany Toamasina (IVONDRO 2022) sy Antsiranana (VARATRAZA 2019) no notanterahina ireo fanazaran-tena roa farany.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitsaharana ny fifanaraham-panofana ny "chancellerie" sy ny famindrana ireo birao eo anivon’ny Fonenan'ny Masoivohon'ny Repoblikan’i Madagasikara ao Sénégal.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoanan’ireo Mpitondra fanjakana sy Governemantan’ny SADC ny 20 novambra 2024 any Harare, Zimbabwe.

    Io fihaonana an-tampony io no hanapa-kevitra ny hanohizana na tsia ny iraky ny SADC ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (SAMIDRC), izay hifarana amin’ny volana desambra 2024. Zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara, amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Troïka an'ny SADC mba hahafahan'ny firenena malagasy miaro ny tombontsoany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fananganana ireo komity hiandraikitra ny fanomanana ny fandraisana ny andiany faha-45 amin'ny fihaonana an-tampon’ireo Mpitondra fanjakana sy Governemantan’ny SADC izay ho tanterahina eto Madagasikara. Misy hetsika roa tafiditra ao anatin'izany fihaonana an-tampony izany dia ny andiany faha-valon'ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria ny SADC, izay hiompana amin'ny fampandrosoana ny indostria isam-paritra, sy ny "Conférence publique" izay mikendry ny fampiroboroboana ny fikarohana sy ireo zava-baovao iarahana amin'ireo manampahaizana ao amin'ireo firenena mikambana eo anivon'ity vondrona ity. Hisy iraka ho tanterahin'ny Sekretarian'ny SADC izay hanao tombana eto Madagasikara. Ary ny voalohany tamin'izany dia natao ny volana oktobra 2024. Aorian'ny fanendrena ireo mpikambana isaky ny komity dia aroso hankatoavin'ny Governemanta ny lohahevitr'izany fihaonana an-tampony izany.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ireo dingana ara-panjakana sy ara-bola hividianana fitaovana "Imagerie Médicale par Résonance Magnétique" (IRM). Io no fitaovana IRM voalohany an'ny fanjakana raha toa ka tamina hopitaly tsy miankina ny iray tokana misy teto Madagasikara hatramin'izay.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny ampahany, mirefy 15 ara, amin’ny tany mitondra ny anarana « HOPITAL d’EMOKALA » T laharana faha 2651-AG amin'ny Fiadidiana ny Repoblika hametrahana ny biraom-paritry ny BIANCO ao Manakara.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny asa fikojakojana ireto lalana manaraka ireto, eto amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana:

    - Sampanana Ampasampito hatramin'ny sampanana Andraisoro

    - Sampanana Immeuble FOFIFA - Andraisoro makany amin'ny poste de Police Ambatomaro

    - Eo anelanelan'ny Shell Ankadievo sy sampanana lavoloha

    - Chamsul Behoririka, Magro makany Antanimena

    - Asa fanamboarana ireo lavaka eo Mandroseza

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny asa fikojakojana ireo lalana miisa enina eto Antananarivo vatsian’ny Tahirim-bola ho an'ny lalana

    Tapany voalohany:

    - Asa fanamboarana ny lalana Amboniloha sy fanajariana ny lalana mampitohy ny rond-point Alarobia, rond-point Tsarasaotra ary Ambodifasina

    - Asa fikojakojana ny lalana Analakely manodidina ny Firaisana sy Ambohijatovo

    - Tetezan'ny Mandroseza Ankadindratombo - Station Jirama Ankadindratombo - RP Ambohimanambola

    Tapany faharoa:

    - Sampanana Besarety (Arrêt Ambodimanga) - fiakarana HOMI-Ampasapito (Arrêt 123)

    - Ampasapito - Ampandrianomby – Mausolée

    - Asa fikojakojana ny lalana Ankatso-Antsahamamy.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fandoavana ny faktioran'ny CMA CGM Madagascar SARL mifandraika amin'ny fanafarana entana ho an’ny fanatantaterana ny Lalaon’ny Nosy 2023

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana sy hanaovana fifampiraharahana tolo-botsotra (marché gré à gré) ny fividianana ireo masomboly, zezika sy fitaovana mialohan'ny fihotazam-bokatra ho fampiroboroboana ny vary safiotra sy fanombohana ny taom-pambolem-bary ny volana desambra 2024.

  • III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    Nolaniana ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manamarika ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny "Chef du Siège de la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-Corruption" Mahajanga.

    Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manamarika ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga faharoa (Chef du Ministère Public près la Juridiction de Second Degré) eo anivon’ny Pôle Anti-Corruption Mahajanga

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome alalana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola hanome antoka amin'ny anaran'ny fanjakana malagasy amin'ny fanafarana vary tsy basmati avy any Pakistan amin'ny alalan'ny State Procurement of Madagascar

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna manome alalana ny fanaovan-tsonia ny fampindramam-bola momba ny famatsiana ny Tetikasa "aménagement de corridors et de facilitation du commerce et des investissements entre Madagascar et les pays duCOMESA et de l’Océan Indien", natao ny 19 septambra 2024 teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy "Fonds de l’OPEP pour le Développement International" (OFID) – Phase II.

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA, NY ASAM-PANJAKANA

    Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova ny andininy 277 sy 296 ny didim-panjakana laharana faha 69-145 tamin'ny 08 avrily 1969 mamaritra ny "Code de Prévoyance Sociale". Ity didim-panjakana ity dia ho fampiharana ny fanambarana izay nataon'ny Filohan’ny Repoblika andro vitsy lasa izay momba ny nampiakarana 25% mifanila amin'ny karama farany ambany ny fisotroan-dronono ho an'ny zokiolona 80 taona no mihoatra. Ho an'ireo mananon-tena izay mbola miasa dia niakatra 30% ny "pension de veuvage" raisin'izy ireo, ho an'ireo tsy an'asa kosa dia nampiakarina 50% izany. Araka ny efa nambaran'ny Filohan’ny Repoblika ihany koa dia fanombohana ihany ireo fa vain-dohan-draharahan'ny Fitondram-panjakana ny hahafahan'ny malagasy rehetra manana fidiram-bola hisitraka fiahiana ara-tsosialy.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ireo fomba sy fepetra hanatanterahana "dématérialisation" an'ireo dingana famoronana, fanovana sy fanafoanana orinasa.

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 859 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry ny Capitaine de Vaisseau BERARAZANA Patricio, ho "Directeur de la Défense"

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARIMBOAHANGY Lalaina Josie Brigitte, ho "Directeur des Affaires Juridiques, Consulaires et du Contentieux".

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-128 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa HAINGONAVALONA Danielle, ho "Directeur des Services Fonciers Décentralisés"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-491 tamin'ny 06 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANANDAZANA Desnos Télésphore, ho "Directeur de la Coopération des Collectivités"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMILISOA Nirinasolo Nadine, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Alaotra Mangoro

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-502 tamin'ny 06 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa ZAFILAHY Adrien, ho Lehiben'ny Distrikan'i Marovoay.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MANJARIBE Christophe, ho Filoha mpisolo toerana eo anivon’ny Oniversiten'ny SAVA

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-189 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RADANISON Patrick Nary Arture, ho Talem-paritry ny fampihorohoroana ny indostria sy ny varotra Boeny.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1004 tamin'ny 06 Jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAOBAZA Nulecy Wendelss, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny fizahantany Sofia.

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1180 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RASOAMANARIVO Fidinirina Marie Annick, ho "Directeur du Système d’Information"

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-145 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAMAROLAHY Felana Sandra, ho Tale Jeneralin'ny Fizahantany

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABANOSON Frank Maherisoa, ho Tale Jeneraly mpisolo toerana ny "Autorité de Régulation des Technologies de Communication"(ARTEC).

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MARA-TSIRAHONANARIVO Aubin Christian, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (DREDD) Atsimo Andrefana

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1141 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Ricardo, ho "Directeur du Civisme, de la Paix et du Développement Durable" (DCPD).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1142 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa JUSTIN Alain Ben Abou Bakary, ho "Directeur de l’Entrepreneuriat et des Emplois des Jeunes" (DEEJ)

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Colonel BORY Alain Marius Hardyman, ho "Commandant des Forces d’intervention de la Gendarmerie nationale"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1669 tamin'ny 18 septambra 2024 ary manendry ny Général de Brigade SOAMIAKATRA RAZANAKARIVELO Lys Hervé, ho "Directeur des ressources humaines"
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-199 tamin'ny 07 febroary 2024 nanendry ny "Directeur de la Programmation du Suivi et Evaluation"

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-311 tamin'ny 17 marsa 2021 nanendry ny "Directeur Administratif et Financier du Centre de Lutte Antiacridienne de Madagascar" - « Ivotoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara » (IFVM).

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1017 tamin'ny 17 avrily 2024 nanendry ny "Directeur Général du Centre National de Recherche Appliquée au Développement Rural" – CENRADERU/FOFIFA

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1151 tamin'ny 14 may 2024 nanendry ny Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana Ihorombe.

  

Natao ny 13 novambra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika