TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 06 novambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 06 novambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I. FANARAHANA IREO TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Ny fampiroboroboana ny indostria no anisan'ny andry iankinan'ny politika ankapoben'ny Fanjakana izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika ary mikendry ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy amin'ny alalan'ny famoronana asa sy ny fanatsarana ny toe-piainan'ny vahoaka ary ny fanamafisana ny harikarena faobe. Tanjona napetraky ny Filohan’ny Repoblika rahateo ny hamokarana eto an-toerana ihany izay rehetra ilain'ny vahoaka malagasy. Ho fanatanterahana izany fanamby izany dia hapetraka ireo faritra fampiasam-bola na "zones d'investissement" izay natao hamondronana ireo orinasa ary hisy ftsipika ara-ketra sy satan’ny faditseranana hifehy azy ireo manokana. Miisa dimy izy ireo no voafaritra ary nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ankehitriny: Mangatany Arivonimamo, Taolagnaro, Toliara, Moramanga ary Andrakaka. Ny EDBM no iandraikitra ny fampandehanana azy ireo sy hamaritra ireo fepetra arahana. Eo anivon’ny EDBM ihany koa no tokony ahitana ny antontam-baovao sy antontan’isa rehetra ilaina raha handraharaha na hampiasa vola eto Madagasikara.
MINISITERAN'NY ANGO SY AKORAN'AFO
Toromarika mazava nomen'ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny fitsidihana nataony teny amin’ny toby mpitsinjara herinaratry ny orinasa JIRAMA teny Ambohimanambola ny hanafoanana hatramin’ny 80% ny fahatapahan-jiro eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo RIA indrindra eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 ora alina. Efa fantatra fa nidina ambany dia ambany ary tsy mbola niakatra ny famokarana herinaratra ao Andekaleka ka tsy maintsy hirosoana amin’ny fampiasana ireo milina rehetra mandeha amin'ny solika (LFO) sy menaka mavesatra (HFO). Nampiakarina ho 450.000 litatra ny solika ampiasaina raha 250.000 hatramin’ny 300.000 litatra isan’andro izany teo aloha. Tsy maintsy ampandehanina ihany koa anefa ilay milina goavana TAC ao Ambohimanambola mba hampihena ny fahatapahan-jiro. Fotoana voafetra ihany anefa no hampandehanana azy io mba tsy hisian’ny fandaniana mihoa-pampana amin’izany. Mba hahafahana mamatsy ara-potoana ireo milina dia ampitomboana ho 15 hatramin’ny 20 isan’andro ihany koa ny isan’ireo fiarabe mitatitra solika avy any Toamasina miakatra eto Antananarivo. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny Zandarimariam-pirenena hanara-maso ny fitaterana azy ireo sy ny fisavana ny lalana.
Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika dia hatsangana farany izay haingana ny fametrahana ilay ivon-toerana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro manana tanjaka 20 MW eto Antananarivo. Hisy ihany koa ireo ivon-toerana manana tanjaka 5MW hapetraka isaky ny renivohi-paritany sy any Nosy Be.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA
Mitohy ny fitsinjarana rano amin'ireo "bonbonnes" napetraka manarena ireo fokontany. Rano 1190m³ ankehitriny no taterina isan’andro amin’ny alalan’ieo fiara lehibe miisa 25. Etsy ankilany dia miroso ny fanajariana ireo "forages" miisa 34 izay nahitana fahasimbana sy ny fametrana "forages" vaovao miisa 35. Hanomboka amin'ny farany volana janoary 2025 kosa ny asa fanamboarana ny tobim-pamokarana rano ao Amoronankona izay hamokatra 50.000 hatramin’ny 60.000m³ isan’andro sy ny toerana fitahirizan-drano ao Ambohibe.
Namerina ny Filohan’ny Repoblika fa tokony hentitra hatrany ny tompon’andraikitra tsy hisy fihoaram-pefy na fanararaotam-pahefana, indrindra fanodikodinana izay tokony ho an’ny vahoaka.
-
II- FAMPITANA AM-BAVA
-
III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
-
IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
-
V- FANAFOANANA
Natao ny 06 novambra 2024
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika