TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 23 oktobra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Talata 29 Oktobra 2024 tontolo andro ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

  • I. FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    Niompana tamin'ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana notanterahina androany. Nambaran'ny Filohan’ny Repoblika fa dingana lehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena ny famolavolana ny tetibolam-panjakana, izay hitodika amin'ireo sehatra laharam-pahamehana sy hipàka mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Araka izany dia nojerena amin’ny antsipiriany ireo tetikasa voafaritra ao anatin’izany tetibolam-panjakana izany mba hahazoana antoka fa mamaly ny hetahetan’ny vahoaka malagasy amin’ny andavanandrom-piainany ireo tetikasa ho tanterahina. Notsipihan'ny Filohan’ny Repoblika fa tsy natao ho fitsinjarana ny tetibola isaky ny minisitera fotsiny ihany ity volavolan-dalàna ity fa narafitra mba hanatanterahana ny vina ho an'ny fampandrosoana ny firenena izay hifototra amin'ny fanovana sy fampiroboroboana ny fambolena, ny angovo sy ny rano, ary ny fotodrafitrasa toy ny fanajariana ireo lalam-pirenena.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025. Araka ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika dia sehatra telo no ho laharam-pahamehana ao anatin'ny tetibolam-panjakana 2025:

    Mikasika ny sehatry ny fambolena, ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hamerenana an'i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indiana amin'ny alalan'ny fanovana sy fampiroboroboana ny fambolena. Tafiditra ao anatin’izany hanapariahana ny voly vary safiotra sy fahazoana ireo masomboly omena ireo tantsaha. Eo ihany koa ny fananganana ozinina mpamokatra zezika.

    Ny fahamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra ihany koa dia mibahan-toerana ao anatin'izany tetibolam-panjakana 2025 izany. Ivon-toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina mitotaly 250MW no haparitaka amin'ireo renivohi-paritany ary ny 100MW amin'izany dia apetraka eto Antananarivo renivohitra. Eo ihany koa ny hanatanterahana ny tetikasa fanodinana ny fako eny Andralanitra izay hahafahana mahazo herinaratra 20MW hatramin’ny 30MW. Ho faranana ny fametrahana ireo tetikasa goavana famokarana herinaratra amin’ny herin’ny rivotra sy ny rano. Tohizana ankilan’izany ihany koa nefa ny tetikasa fizarana ireo "kits solaires" ho an’ireo tokantrano manerana ny Nosy. Tanjona ny hametrahana vahaolana maharitra amin'ny olan'ny famatsiana herinaratra sy hanenana ny "subventions" omen'ny fanjakana ny JIRAMA. 

    Ho an’ny sehatry ny fotodrafitrasa dia tsy maintsy hajariana avokoa ireo lalam-pirenena manerana an'i Madagasikara izay antoky fivezivezen'ny olona sy ny entana ary ny fampandrosoana ara-toekarena. Mitohy avokoa ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa lehibe izay efa nambaran'ny Filohan’ny Repoblika toy ny RN13, ny lalambe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Ho an’ny tetikasa Flyover Anosizato - Kianja Maki Andohatapenaka, ny Fitondram-panjakana no hiantokany 20% ny asa amin'ny alalan'ny PIP.

    Ankoatra ireo sehatra telo laharam-pahamehana ireo dia mitohy ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe izay efa natomboka tamin’ny fe-potoam-piasana voalohan'ny Filohan’ny Repoblika. Anisan'izany ny fitarihan-drano lehibe Efaho any Atsimon'ny Nosy, ny fizarana ireo karinem-pokontany misy “QR Code” manerana ny nosy, ny fampitaovana ireo sekolim-panjakana, ny fananganana ireo ivon-toerana fampiofanana arak'asa.

    Nampatsiahivin’ny Filohan’ny Repoblika hatrany fa ny tanjona tamin'ny nandrafetana ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana 2025 dia ny hitondrana fampandrosoana eo amin’ny andavanandrom-piainan'ny vahoaka malagasy tsirairay.

    Teo am-pamaranana ny fivoriana ny Filohan’ny Repoblika dia nanamafy fa tsy lanilaniana na zarazaraina fotsiny amin’ny minisitera isan-tsokajiny akory ny volam-panjakana fa izay fandaniana rehetra dia tsy maintsy mipaka amin’ny vahoaka.

    Toy izany koa ny nanomezany toromarika hentitra mikasika ireo fanampiana sy findramam-bola izay atao adisisika goavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany ny didim-panjakana hanolorana eo anivon’ny Parlemanta ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025

  

Natao ny 29 oktobra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika