TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 23 oktobra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 23 Oktobra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FANARAHANA IREO TETIKASAN'NY FILOHAN’NY REPOBLIKA
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandoavana amin’ny ampahany ny orinasa TRIGU-Entreprise izay hanangana ny ivon-toerana mpamokatra herinaratra HFO ao Ambohimanambola manana tanjaka 105MW izay efa an-dalam-pananganana ankehitriny.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava mikasika ny fanonerana ireo fanesorana fizaka-manana ho an'ireo tetikasa hamindrana ny toby fitahirizan-tsolika Alarobia eo amin’ny tany mitondra ny anarana TANISOA ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Bongatsara (Tetikasa Tanisoa) sy ny tetikasa ROCADE IARIVO (fanitarana mankany Atsinanana sy Avaratra-Atsinanana amin'ny Rocade an-tanàn-dehibe).
Ho an’ny tetikasa TANISOA dia ilaina ny famindran-toerana ny toby fitahirizan-tsolika mialoha ny fanamboarana ny lalana vaovao eo anelanelan’Ankorondrano sy ny kianja Maki eny Andohatapenaka. Tany miisa 65 ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Bongatsara no voakasik'izany. Ny Logistique Pétrolière no hiantoka ny fanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa. 48% no efa nahazo onitra ary ireo 52% ambony kosa dia efa an-dalam-panatanterahana ny dingana fandoavana azy ireo. Ho an’ny tetikasa Rocade Iarivo kosa dia ny Fitondram-panjakana no mandray an-tanana ny fanonerana ireo fanesorana fizaka-manana izay efa eo anivon’ny Receveur Général d'Antananarivo ary nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafainganana ny fandoavana azy ireo.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY ATITANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famelana manokana ny famerenana amin’ny fanjakana ny ampahany amin’ny tany mitondra ny anarana "MAUROY" TN°628 AJ ao Barazibe, Kaominina Ambonivohitra sy Distrikan'i Taolagnaro, Faritra Anosy hametrahana ny biraom-paritry ny BIANCO Taolagnaro.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana sorabola ho an'ireo tetikasa sy ireo fandaharan'asa fampiasam-bolam-panjakana (PIP) an'ny Minisitera. Tafiditra ao anatin'izany ny fanamboarana ireo "parcs solaires", ny fampifandraisana ireo tariby mitondra herinaratra sy fanamboarana ireo tariby mitsinjara herinaratra.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanitsiana ny saran'ny herinaratra JIRAMA (Optima Business : Haute Tension et Moyenne Tension : sokajina mpanjifa: Indostrialy).
Ny rafitry ny saran'ny herinaratra avy amin’ny JIRAMA ho an'ireo indostria amin'izao fotoana izao dia tsy mifanaraka intsony amin'ny saran'ny famokarana sy ny fampiasana azy. Manoloana izany indrindra dia nisy ny fivoriana arak’asa maromaro niarahan'ny minisiteran'ny angovo sy ny JIRAMA ary ny Vondrona tsy miankina (GEM sy SIM) mba hitadiavana ny marimaritra iraisana amin’ny saran'ny herinaratra izay.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry Minisitra araka izany ny fifanarahana nifaneken’izy ireo ka hisy fanitsiana 20% oharina amin’ny sarany ankehitriny ho an'ny taona voalohany, ary 16% ho an'ny roa taona manaraka.
Izany fifanarahana izany dia mahakasika ireo orinasa mampiasa Moyenne Tension sy Haute Tension ihany. Ny Basse Tension rehetra (Business sy Résidentielle) dia tsy ao anatin'ity fifanarahina ity.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana sorabola hanatanterahana ireo asa fanamboarana ny lalana RIP 71 ao amin’ny Faritra Itasy makany amin'ny tanàna vaovao "Ankohonana Miarina" vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana.
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny maha fikambanana ekena ho mahasoa ny be sy ny maro ny ONG PFUMVUDZA & CROWN na ONG PPC.
Ny ONG PPC no fikambanana misolo tena ny ONG Foundation for Farming of Zimbabwe hanaparitaka ny teknika fambolena PFUMVUDZA, ary manome fiofanana ireo mpisitraka ny tetikasan'ny Filohan’ny Repoblika Ankohonana Miarina. Araka izany dia miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Sekreteriam-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fanjarian-tsakafo ity ONG ity mba hanatrarana ny tanjon'ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miisa 6000 ireo efa nisitraka fiofanana momba ny teknika fambolena PFUMVUDZA, miaraka amin’ny fandaharanasa fiofanana fitantanam-bola.
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’anjaran'i Madagasikara amin'ny COP29 ao anatin'ny fifanarahan'ny firenena mikambana momba ny fiovaovan'ny toetrandro ny 11 hatramin’ny 22 novambra 2024, any Baku, Azerbaïdjan. Izany hetsika izany dia fotoana iray hanamafisana ny fahavononan’ny firenena malagasy hiady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Tanjona mandritra izany fihaonana izany ny hampiroborobo ny hetsika momba ny toetrandro, hiaro ny tombontsoan’ny Malagasy anatin’ireo fifampiraharahana, ary hitady fiaraha-miasa amin’ny famatsiam-bola ireo tetikasa misy fiantraikany lehibe amin’ny tontolo iainana. Mandritra io fotoana io ihany koa no hampahafantarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo laharam-pahamehana ho an'ny firenena malagasy, ny fivoarana ary ny tetikasa manokan'i Madagasikara. Hisongadina amin’izany fandraisan’anjara izany ihany koa ny fanavaozana eo an-dalam-panatanterahana eto amin'ny firenena toy ny fampiharana ny lalàna mifehy ny toetrandro sy ny paikady nasionaly momba ny famatsiam-bola amin’ny toetrandro, miaraka amin’ny fanamby hanao an’i Madagasikara ho firenena tsy miandany na miiba amin’ny famoahana karbaona. Hisy ihany koa ireo solontena avy amin’ireo vondrom-bahoaka eny ifotony handrafitra ny delegasiona.
-
III. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna fankatoavana na « ratification » ny fifanarahana fametrahana ny "zone de libre - échange continentale africaine" (ZLECAF). Tanjon'ity fifanarahana ity ny hanamora ny varotra eo amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Afrikanina amin'ny alàlan'ny fanafoanana ny sakana amin'ny saran'ny entana, mankany amin'ny fananganana ny Vondrona ara-toekarena Afrikanina. Nanao sonia ny fifanarahana nananganana ny ZLECAF tamin’ny 21 martsa 2018 niaraka tamin’ireo firenena mpikambana maromaro i Madagasikara nandritra ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoana nataon’ireo Filoham-panjakana sy Governemantan’ny Vondrona Afrikanina tany Kigali, Rwanda. Ny ZLECAF dia tsena iombonan’ireo Firenena Mpikambana ao amin’ny Vondrona Afrikanina ary ny firosoana amin’izany dia mifandray amin'ny fampiharana ny politika ankapoben'ny Fanjakana, mifototra amin'ireo andry telo miompana amin'ny fampivoarana ny maha-olona, ny indostria ary ny fanjakana tsara tantana. Ny firosoana amin’ny fankatoavana na « ratification » dia neken’ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara. Ny dingana manaraka dia ny fampandaniana ny volavolan-dalàna fankatoavana ny fifanarahana ZLECAF eo anivon’ny Antenimiera roa tonta.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana ny oniversiten'ny SAVA izay napetraka ao amin’ny Distrikan'Antalaha. Efa vita ankehitriny ny fanorenana izany oniversite izany ary ilaina izao didim-panjakana izao hametrahana ny filankevi-pitantanana sy ireo tompon’andraikitra mpanatanteraka. Ny Oniversiten’ny SAVA dia isan’ireo oniversite 12 naorina nandritran’ny fotoam-piasana voalohany naha Filohan’ny Repoblika ny Filoha Andry Rajoelina
-
II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
GOVERNEMANTA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-079 tamin'ny 24 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa FALINIAINA RABEVOHITRA Bako Nirina, ho Sekretera Mpanatanteraka mpisolo toerana ny "Cellule de Prévention et Gestion des Urgences".
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-636 tamin'ny 24 jona 2020 ary manendry ny Colonel RATSIMBAZAFY Jean Damascène, ho "Directeur du Bureau Télécommunication et Système Informatique des Armées."
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-357 tamin'ny 05 avrily 2023 ary manendry an-dRamatoa VOLAZARA Sakina Mohamady, ho Tale Jeneralin'ny fandraharahana ny fonja.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMBELOSON Ranto Serge William, ho "Directeur des Impacts Socio-Economiques et Environnementaux"
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-276 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAMANAMAHAFAHAY Malaza, ho "Directeur de l’Observation de la Décentralisation et du Développement" Local
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RADY Soahary Noronantenaina, ho « Directeur d’Appui Technique auprès de l’Institut National de Formation Pédagogique ».
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-200 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMANGA Jean-Luc, ho "Directeur de Patrimoine et de la Logistique"
MINISITERAN'NY TANORA SY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-522 tamin'ny 13 avrily 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHAJARIJAONA Jeanne Arlette, ho Tale Jeneralin'ny Tanora
-
V- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-937 tamin'ny 11 avrily 2024 nanendry ny Talen'ireo tetikasa.
Natao ny 23 oktobra 2024
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika