TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 16 oktobra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 16 Oktobra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

 

  • I- FANARAHANA IREO TETIKASAN'NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Taorian’ny fitsidihana nataon'ny Filohan’ny Repoblika teny Amoronankona, dia nanome toromarika mazava ny tenany ny hanombohana farany izay haingana ny fanatanterahana ny tetikasa fanamafisana sy fanatsarana ny famatsian-drano fisotro madio ho an’Antananarivo sy ny manodidina. Ivon-toerana mpamokatra rano hahatratra hatramin'ny 60.000m³ isanandro no hatsangana eo amin’ity velaran-tany mirefy 4Ha eo Amoronankona ity izay nafindra amin'ny anaran'ny minisiteran'ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ho ilain'ny JIRAMA S.A. Ny fananganana ity toeram-pamokarana rano ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa TANA WATER III izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena ary hanampy betsaka amin'ny famahana tanteraka ny olan’ny famatsian-drano amin'ny vanim-potoanan'ny main-tany. Ankoatra ity eo Amoronankona ity dia hisy ihany koa ny toeram-pamokarana rano hatsangana ao Ambohitrimanjaka (40.000m³) sy ao Mandroseza (10.000m³).

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny ny Repoblika dia natsangana ny Centre Opérationnel RANO (COR) izay napetraka ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ho fandrindrana ireo hetsika vonjy maika hamahana ny olan'ny famatsian-drano eto an-drenivohitra. Nifarimbona nifanome tanana eo anivon'izany ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta ho fanamafisana sy fampiharana ny paikady napetraka. Nisy avy hatrany ireo fepetra noraisina :

    - Fanamafisana ny fitsinjarana rano: nitombo 2 ka hatramin'ny 25 ny isan'ny kamiao mpitatitra rano, izay miantoka ny fitsinjarana tsara kokoa sy ny famaliana haingana kokoa ny filan’ny mponina rano.

    - Fanetsehena ny hery fiarovana sy filaminana (FDS): hiantohana ny fiarovana ireo hetsika natao sy hisorohana izay tranga mety hanakorontana ny fitsinjarana rano

    - Olona miisa 150 isan'andro no netsehina avy amin'ny ministera sy ny mpiara-miombon'antoka hanohana ny asa sy hanamafisana ny fitsinjarana

    Fanomezana fitaovana manokana: fiara, motopompes, solosaina, tranolay ary fitaovana samihafa ilaina mba hiantohana ny fahombiazan'ireo hetsika.

    Nahitam-bokany avy hatrany ireo fepetra noraisina ireo toy ny fitomboan'ny famatsian-drano ho 1000m³ isanandro raha toa ka 200m³ teo aloha, ny fihenan'ny fotoana fiandrasana eny amin'ny toerana fitsinjarana rano, latsaky ny 50 ireo "bidons" milahatra eny amin’ireo paompin-drano, tsy nisy ihany koa ny fihetsiketsehana mifandraika amin'ny rano nanomboka ny alarobia lasa teo. Ankoatra ny fitsinjarana rano ireo dia hisy ny fanamboarana "forages" vaovao na na fanajariana izay simba miisa 35 izay ho vitaina ao anatin'ny iray volana.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FAMPITANA AM-BAVA MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana eto Madagasikara ny andiany faha efatra amin'ny fihaonambe ara minisiterialy momba ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny tanora amin'ireo Nosy mivondrona eo anivon’ny COMESA ny 25 ka hatramin’ny 29 novambra 2024 eto Antananarivo.

    Ny sekretaria eo anivon’ny COMESA no hikarakara izany fihaonana izany miaraka amin'ny Save the Children, Africa Youth Network, ISS, ACCORD ary International IDEA. Ity fihaonambe ity dia hampivondrona ireo minisitra, manampahaizana ary solontenan’ny tanora avy amin’ireo nosy mpikambana (Madagasikara, Maorisy, Seychelles, Kaomoro). Ny tanjona dia ny hanohanana ny fampiharana ny "Cadre continental" momba ny fandriampahalemana sy ny filaminana ho an'ny tanora sy ny drafitra folo taona izay nolanian'ny Vondrona Afrikana tamin'ny taona 2020. Hanolotra vahaolana amin'ireo olana ara-piarovana atrehin'ireo nosy ireo tanora mpandray anjara.

    Ny fampiantranoana ity hetsika ity dia hanamafy orina ny haitariky Madagasikara any amin’ireo nosy eto Afrika ary hanasongadinana ny fahavononan’ny firenena malagasy hampiroborobo ny tanora ho mpandray anjara feno amin'ny fampandrosoana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fikarakaran'ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) ny fihaonambem-paritra momba ny fandriampahalemana sy ny fitoniana – Ny anjara asan’ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ny fandriampahalemana sy ny demokrasia aty amin’ny faritra Ranomasimbe Indianina, ny 16 ka hatramin’ny 18 oktobra 2024 eto Antananarivo, Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny COI-ONU sy ny fandaharan’asa "Gouvernance, Paix, Stabilité" (GPS) ity hetsika ity. Hivondrona amin’izany ireo minisitra, anisan’izany ny raharaham-bahiny, ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny tontolo iainana eto Madagasikara. Handray anjara koa ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena, ny Antenimierampirenena, ny CENI ary ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka. Ity Fihaonambe ity dia mikendry ny hanome sehatra ho an'ny tanora hifanakalozan-kevitra momba ireo fanamby isam-paritra (politika, sosialy, toekarena, toetr'andro) ary hamolavola vahaolana hampiroboroboana ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny fanapahan-kevitra sy hetsika ho an'ny fandriampahalemana sy ny fiatrehana krizy.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitsidihana fifanakalozana ny Tahirim-bola fampindramam-bola ho an'ny vondrom-bahoakan'i Côte d'Ivoire, ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny rafitra famatsiam-bola vaovaon'ireo vondrom-bahoaka izay arahin'ny Fivoriambe ara-potoanan'ny "Réseau des Institutions Africaines de Financement des Collectivités" RIAFCO eto Madagasikara ny 25 hatramin'ny 29 novambra 2024.

    Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ireo vondrom-bahoaka eny ifotony, ary zava-dehibe ny famatsiam-bolan'izy ireo amin'ny fanomezana tolotra sy fotodrafitrasa manakaiky azy ireny. Ny "Institutions de Financement des Collectivités Locales" (LCFIs) dia eken'ny fifanarahana iraisam-pirenena, toy ny fifanarahana Addis Abeba sy ny "Nouvel Agenda Urbain", ho fanoitra amin'ny famatsiam-bola ho an'ny fanovana an-tanàn-dehibe. Noforonina tamin’ny taona 2014 ny RIAFCO ary miisa 15 ny mpikambana ao aminy, anisan’izany ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara (FDL). Ity tambajotra ity dia manomana fivoriana tsy tapaka mba hanatsarana ny fahombiazan'ny IFCL amin'ny alàlan'ny fifanakalozana ireo fomba fanao tsara sy ny fikarohana fitaovana vaovao. Ao anatin’izany dia hisy ny fitsidihan’ny Tahirim-bola fampindramam-bolan'i Côte d’Ivoire ao amin’ny FDL eto Madagasikara ny 25 ka hatramin’ny 29 novambra 2024. Hisy ny atrikasa iraisam-pirenena hatao ny 27 sy 28 novambra, hiarahana amin’ireo manampahaizana sy mpiara-miombon’antoka, hiresahana ireo famatsiam-bola momba ny toetr'andro sy ireo famatsiam-bola sy fomba fiasa vaovao ho an'ny vondrom-bahoaka. Ny 28 sy 29 novambra 2024 kosa ny fivoriamben'ny RIAFCO.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana fanohanana ara-bola ho an'ireo Faritra amin’ny alalan’ny FDL-PIP 113, ho an’ny taona 2024.

    Nanolotra fitaovana ho an'ireo Faritra ny Fitondram-panjakana mba hanatsarana ny toe-piainana any ambanivohitra sy hampiroboroboana ny toekarena eny ifotony. Ireny fitaovana ireny dia manamora ny fanarenana ny lalana ambanivohitra sy ireo toerana saro-dalana. Ireo fanohanana ara-bola dia nahafahan'ireo Faritra nanangana tetikasa lehibe toy ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa ho an’ny daholobe, ka nanamafy ny fifandraisana sy ny fisitrahana ireo tolotra tena ilaina. Ny Lalàna momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024 dia manome famatsiam-bola hanohanana ireo tetikasa ireo amin'ny alàlan'ny Tahirim-bola ho an'ny fampandrosoana ifotony (FDL). Ity famatsiam-bola ity dia miankina amin'ny fananganana fandaharan'asa amin'ny antsipiriany izay ankatoavin'ny Fiadidiana ny Repoblika ary hisy fanaraha-maso hentitra.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanakatonana vonjimaika ny sisintany amin'ny fitaterana an-dranomasina avy any Kaomoro. Mbola mitohy hatrany ao Afrika Atsinanana sy any amin’ny tandrok’i Afrika ny valanaretina kôlera izay nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona, ary mirongatra indray any Kaomoro. Manara-maso akaiky ny toe-draharaha ny tompon’andraikitry ny fahasalamana malagasy, indrindra ireo firenena manana fifandraisana an-dranomasina sy an’habakabaka amin’i Madagasikara. Araka ny tolo-kevitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fitaterana dia hiato ny fitaterana an-dranomasina avy any Kaomoro mandra-pifehezana ny valanaretina. Ny sambo mitondra entana stratejika ihany no mahazo alalana, ary tsy mahazo midina ny sambo ireo tantsambo. Tsy maintsy ampiharina ny "chimioprophylaxie" ho an’ireo mpandeha avy any Kaomoro sy firenena hafa tratran’ny kôlerà, amin’ny fahatongavan’ireo sidina iraisam-pirenena rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina Mahajanga. Hisy toromarika halefa any amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fitaterana sy ny fiarovana ny sisin-tany.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fividianana fiara miisa valo ho fanatanterahana ireo asa eny an-kianja amin'ny Faritra nanitarana ny tetikasa fiahiana ara-sosialy sy fahafahana miarin-doha.

  • III. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny fananganana, ny fandaminana sy ny fampandehanana ny "Comité Interministériel de la Délimitation des Espaces Maritimes de la République de Madagascar"(CIDEM). Lany andro ny didim- panjakana laharana 2017-026, izay nolaniana tany am-boalohany mba hifehezana ny famerana ny habaka an-dranomasina eto Madagasikara. Manakana ny tetikasa stratejika, indrindra ny fanitarana ny "plateau continental sud" sy ny famaritana ny sisin-dranomasina miaraka amin’i Mozambika, Maorisy, Seychelles ary Kaomoro anefa izany. Tsy maintsy apetraka haingana ny rafitra vaovao dia ny CIDEM hamerenana indray ireo tetikasa ireo. Ity komity ity, izay tarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, sy eo ambany fiahian’ny Praiminisitra, dia hifarimbonan'ny minisitera maromaro. Tafiditra ao anatin’ny asan'ny CIDEM ny fisorohana ny fifandirana amin’ny sisin-tany, ny fampanarahan-dalàna sy fanaraha-maso ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina. Laharam-pahamehana ara- diplomatika sy ara-jeopolitika ho an'i Madagasikara ny famerana ny sisintany, indrindra noho ny tanin-tsolika sy entona any amin'ny lakandranon'i Mozambika. Ny volavolan- dalàna dia efa novana taorian'ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny Filan-kevitry ny Governemanta tamin'ny 18 septambra 2024..

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin'ny didim-panjakana laharana faha 2021-1076 tamin'ny 13 oktobra 2021 manome alalana ny fandraisana anjaran'ny Fanjakana malagasy amin’ny fampitomboana faha fito ankapoben'ny petrabolan'ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana (BAD - AGC VII)

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna manaiky ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana findramam-bola momba ny famatsiam-bolan'ny "Programme d’Appui à la Gestion Financière et la Résilience Economique" natao ny 03 oktobra 2024 teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana sy ny Tahirim-bola Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana (FAD) izay mpitantana ny "Facilité d'Appui à la Transition" (FAT)

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna manaiky ny fanaovan-tsonian'ny fifanarahana findramam-bola momba ny famatsiam-bolan'ny "Programme d’Appui à la Gestion Financière et la Résilience Economique" natao ny 03 oktobra 2024 teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Tahirim-bola Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana (FAD)

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny volavolan-dalàna manaiky ny fanaovan-tsonian'ny findramam-bola momba ny famatsiam-bola ny tetikasa « Accroitre la résilience au changement climatique des petits exploitants bénéficiant des services du Programme de chaînes de valeur agricoles inclusives" (DEFIS +), natao ny 31 jolay 2024 teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy Tahirim-bola Iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA)

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAJOBSON Johary Hoela, ho Masoivohon'ny Repoblikan’i Madagasikara any Maroc

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 131 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa MANOEL Priscilla Maminiaina, ho "Directeur de l’Appui aux Collectivités Territoriales Décentralisées"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 609 tamin'ny 13 marsa 2024 ary manendry an-dRamatoa EFANIVOANY Philippe Esthena, ho Lehiben'ny Distrikan'Iakora

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 622 tamin'ny 27 jona 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANDRATO Zafindralambon’i Ndriana, ho "Chef de Cellule d’Appui à la mise en œuvre de la Couverture Santé Universelle".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 0816 tamin'ny 17 jolay 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOSON Heritiana Alain, ho "Directeur des Ressources Humaines".

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 203 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANIAINA Nomenjanahary Benjamin, ho "Directeur de l’Innovation et du Développement Numérique"

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 214 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZANAMARIA Arilala Léa, ho "Directeur des partenariats, des projets et du développement".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 334 tamin'ny 11avrily 2024 an-dRamatoa SOLOFONIRINA FANOMEZANTSOA Eliane Marie, ho "Directeur des Ressources Humaines"
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 314 tamin'ny 21 febroary 2024 nanendry ny Talen’ny Serasera

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 1152 tamin'ny 14 mey 2024 nanendry ny Tale Jeneralin'ny ny rano.

  

Natao ny 16 oktobra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika