TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 09 oktobra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 09 oktobra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FANARAHANA IREO TETIKASAN'NY FILOHAN’NY REPOBLIKA
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Mitohy hatrany ny fitadiavam-bahaolana amin'ny famatsiana rano izay mitarika fahasorenana ho an’ny mpiray tanindrazana tsy an-kanavaka, tsy ny eto Antananarivo Renivohitra ihany fa manerana an'i Madagasikara. Noho ny hamehana misy eto Antananarivo manokana dia nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hamondronana ireo fiara lehibe (camion citerne) rehetra mpitatitra rano ahafahana mamatsy ireo "bonbonnes" eto an-drenivohitra. Ankoatran'ireo efa am-pela-tanan'ny minisitera sy ny JIRAMA dia hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina hanampiana ny isan’ireo fiara lehibe ireo.
Napetraka ny "Centre de Commandement Opérationnel" mba handrindra ireo asa sy hahafahana mandray fepetra haingana manoloana ireo tranga misy. Ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana no handrindra ny lafiny ara-teknika fa ifarimbona kosa ny Governemanta iray manontolo hamaly ny filan'ny vahoaka.
Notsipihan'ny Filohan’ny Repoblika ihany koa fa mifampiankina ny olan'ny famatsiana herinaratra sy ny famatsian-drano ka nomarihany fa tsy maintsy asiana "groupe de secours" amin'ireo "stations de pompage" rehetra mba tsy hisian'ny fahatapahan'ny famatsian-drano. Hafainganina ihany koa ireo tetikasa lehibe izay vahaolana lavitr'ezaka toy ny PAAEP SY NY TANA WATER III izay hanampy amin'ny fampitomboana ny famokarana rano fisotro madio sy ny fanoloana ireo fantson-drano efa tranainy. Tanjona hoy ny Filoha ny tsy hisian'ny olan'ny famatsian-drano toy izao intsony amin'ny vanim-potoana ny main-tany. Efa tamin’ny taona 2021 ireo tetikasa ireo no nanomboka fa noho ny fisian’ny kiantranoantrano amin’ny fanomezana ny tsenam-baro-panjakana dia tsy tanteraka ireo asa. Tsy ekena hoy hatrany ny Filoha ny fanaovan’ireo olom-bitsy ampihimamba ny tombontsoam-bahoaka.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Ny tetikasa "Lac Iarivo" dia tetikasan'ny Filohan’ny Repoblika izay mikendry ny hanomezana fotodrafitrasa ho an’ny daholobe isan-karazany ho an’ny renivohitr’Antananarivo ary ahitana toerana fialan-tsasatra sy fialam-boly ary mahasarika mpizaha tany. Ankoatra ny fanatsarana ny endriky ny tanàna dia ny famitana ity tetikasa ity mialoha ny handraisantsika ny fihaonana an-tampon'ny SADC amin'ny volana aogositra 2025, dia hahafahana manana fotodrafitrasa mampiseho ny endriky Madagasikara amin'ireo delegasiona avy amin'ny firenena 16 ho avy eto an-toerana. Io fihaonana lehibe io tokoa dia hanohana ny fisarihana ny sehatra iraisam-pirenena eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ity tetikasa ity ny fanovana ny endriky ny lalana mampitohy ny seranam-piaramanidina Ivato hatreo amin'ny sampanana Tsarasaotra mirefy 8km izay hatao ho fitaratry ny fivoarana eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa. Hapetraka amin’izany lalana izany ireo toerana fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka izay ny minisiteran’ny fitaterana no hamaritra ny hametrahana azy ireo.
Mpiantsehatra maro no hifarimbona amin'ny fanatanterahana izany tetikasa izany: ny mpanao mari-trano, ny sampan-draharahan’ny minisitera, ny tanànan’Antananarivo, ny Governora, ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, ny sehatra tsy miankina sy ireo mpampiasa vola. Nanome toromarika manokana ny Filohan’ny Repoblika ny hanaovana fanadihadiana ara-tontolo iainana momba ny trangana rano izay mivadika mahazo loko mena amin’iny faritra iny mialohan’ny hanombohan’ny asa fananganana fotodrafitrasa manodidina izany. Amin'ny volana jona 2025 no hahavitan'ny asa rehetra ary mba hanatanterahana izany haingana dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanalefahana ireo pitsopitsony ara-taratasy (procédures administratives) sy ireo dingana eo amin’ny tsenam-baro-panjakana.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanamboarana ny tetibolampanjakana nasiam-panitsiana 2024 hamindrana sorabola enti-mamokatra sy fampandehanan-draharaha hanohizana ny fanatanterahana ny tetikasa Ankohonana Miarina ao Fieferamanga sy Ambohimiarina ary ireo trano mora. Eo ihany koa ny famindrana sorabola ho an'ny Faritra Analamanga entina hanafainganana ny asa fanamboarana ny “Lac Iarivo” alohan’ny vanim-potoam-pahavaratra. Hafainganina ihany koa ny famaranana ireo fanadihadiana momba ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana ho an'ny tetikasa TANA-MASOANDRO sy ny hanombohana ny asa fanajariana ny faritra hametrahana ireo minisitera na "cité ministérielle" ao an-toerana.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampony faha-23 an'ireo Filoham-pirenena sy Governemantan’ny tsena iombonana ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (COMESA), ny 31 oktobra 2024, ialohavan'ny fivorian’ireo minisitry ny raharaham-bahiny, ny 29 oktobra 2024 ao Bujumbura, Burundi. Lohahevitr'izany fihaonana an-tampony izany ny hoe : “Andao hanafaingana ny fampiraisana ireo faritra amin’ny alalan’ny fampivoarana ny rojo-pihariana isam-paritra eo amin’ny sehatry ny fambolena afaka miatrika ny toetrandro, ny harena an-kibon’ny tany ary ny fizahantany”. Ankoatr'izay, hisy ny fihaonambe ho an'ny mpandraharaha ara-toekaren'ny COMESA eo anilan'ity fihaonana an-tampony ity, ny 28 oktobra 2024. Ity sehatra ara-toekarena ity dia hampifandray ny COMESA sy ny sehatra tsy miankina, izay anisan'ny mpiara-miombon'antoka lehibe amin'ny fandaharan'asa sy tetikasan'ity vondrona ity mifandray amin'ny fitomboana ara-toekarena sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Mandritra ireo fivoriana samihafa, dia hisy ny tombana hataon'ireo firenena mpikambana ny fandaharan'asa fampiraisana ireo faritra izay napetraky ny COMESA ary handraisana ireo fanapahan-kevitra ho an'ny hoavy. Anisan'ny hiompanan'ireo adihevitra ihany koa ireo fanamby iraisana ankehitriny toy ny angovo, ny fiovan'ny toetrandro, ny varotra sy ny fampiasam-bola, ny fifandraisana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.
Amin’ity taona ity ihany koa no hanamarihana ny faha-30 taonan’ny COMESA, ary ho tanterahina mandritra ity fihaonana an-tampony ity ny fifamindram-pitantanana eo amin'ny Repoblikan’i Zambia, izay nitantana izany vondrona izany teo aloha sy ny Repoblikan’i Burundi, izay handray ny fitantanana.
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fananganana komity mpikarakara hanomanana ny fihaonana an-tampony andiany faha dimy an’ireo Filoham-pirenena sy Governemanta ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Filoham-pirenena miisa 4 no handray anjara amin'izany dia Kaomoro, Frantsa, Maorisy ary Seychelles. Ny fihaonana an-tampony dia hialohavan’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Filan-kevitry ny minisitra izay hivondronan’ireo Minisitra miandraikitra ny raharaham-bahiny ao amin’ireo firenena dimy mpikambana, sy ireo "Officiers Permanents de Liaison" (COPL) ao amin’ny COI. Handray anjara amin’ireo fivoriana rehetra ireo moa ny Sekretera jeneralin’ny COI. Ankoatra izay, hasaina mandritra izany fihaonana izany ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanara-maso eo anivon’ny COI, toy ny Vondrona eoropeanina, ny "Agence Française de Développement" (AFD), ny Firenena Mikambana, ny Banky iraisam-pirenena, i Sina, Inde ary Japon. Tolo-kevitra nomen'i Madagasikara ny hamaritana ny lohahevitra manodidina ny fanjarian-tsakafo mba hampiharana ireo tetikasan'ny COI izay efa natomboka tamin’ny taona 2011 hanatrarana ny fanamby ny hamerenana an'i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe indianina. Araka izany ny fandraisan’i Madagasikara izany fihaonana izany dia tombony eo amin’ny sehatra ara-politika, ara-diplomatika, ara-toekarena sy ara-barotra.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ireo "droits provisoires" ny titra laharana faha 10.158 CJ an’ny tany antsoina hoe « TANIKATSAKA » ao anatin'ny tetikasa PTASO izay mikendry ny fanodinana ireo voka-pambolena any amin'iny faritra Atsimo Andrefana iny. Ity tany voalaza etsy ambony ity dia hametrahana ny indostria hanodinana ireo vokatra ary ny fanafoanana ireo haba ireo dia hamerina izany tany izany ho fananam-panjakana mba hahafahana manangana ny antsoina hoe "réserve foncière industrielle".
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetiandron'ny fanatanterahana ny fanitarana ny soritry ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina. Eo Ambodifasina, eo amin'ny lalana Tsarasaotra no hametrahana ny PK0+000. Araka izany ny fanesorana ny fizaka-manana eo anelanelan'Ambodifasina, Tsarasaotra (PK0+000) sy Ambohimanga (PK9+000) dia hampiharana ny didim-panjakana laharana 1445 tamin'ny 12 oktobra 2022 manambara ho tombontsoan'ny besinimaro ny asa fanamboarana ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina sy ny fahazoana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na fanesorana ny fizaka-manana noho ny tombontsoan’ny besinimaro ireo tany voakasik’ity tetikasa ity. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny fahafahana amin'ny ampahany ny fandrarana fanotofana tany amin'ireo ampahan-tany voakasiky ny tetikasa
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa mialohan'ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia drafi-pifanaraham-piaraha-miasa ny minisitera tsirairay avy dia mila manolotra eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra izany ny fifanarahana izany na io famindram-bola, na fanomezana, na fifanaraham-piaraha-miasa izay tsy maintsy mifanaraka amin’ny politika ankapoben'ny Fanjakana. Aorian'ny fankatoavan'ny Filan-kevitry ny Minisitra dia ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no mandefa ny taratasy fampahafantarana amin'ireo mpamatsy vola voakasika.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahan'ny delegasiona frantsay ny 07 hatramin’ny 11 oktobra 2024, fanadihadiana ny amin'ny hahazoana fanampiana ara-bola ankapobeny avy amin'i Frantsa izay mety hahatratra hatramin'ny 5 tapitrisa euros izany fanampiana ara-bola izany. Tanjon'izao fanadihadiana izao ny hijerena miaraka amin’ny fanjakana malagasy ny hamaritana ny hampiasana izany fanampiana ara-bola izany izay iompana amin'ny fiahiana ara-sosialy, ny fanjarian-tsakafo sy ny ady amin'ny valala.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fividianana ireo fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana ao anatin'ny fifanarahana SALAMA. Tafiditra ao anatin'izany ireo fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana hamatsiana ireo hopitalim-panjakana sy CSB manerana ny Nosy. Eo ihany koa ireo kojakoja ilain'ireo laboratoara sy ivon-toerana fitarafana (imagerie medicale).
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana sorabola amin'ny tetibolan'ny minisitera sy ny fanafainganana ireo pitsopitsony ara-taratasy amin'ny fahazoana ireo fitaovana sy kojakoja samihafa ho an'ireo hopitaly manara-penitra miisa efatra ao Manandriana, Ambohiamahasoa, Vohibato ary Maroantsetra. Marihina fa misy ihany koa ny tetikasa hiarahana amin'ny Banky iraisam-pirenena entina hametrahana ireo takelaka hahazoana angovo avy amin'ny masoandro (panneaux solaires) amin’ireo hopitaly vaovao rehetra.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandefasana tolo-bidy momba fametrahana tambazotra fampidirana herinaratra ho an'ny trano fatorian'ny mpianatra R+1 ho an'Ankatso II-A sy II-B
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fifampiraharahana amin'ny fanafarana vary 50.000 taonina amin'ny Governemanta indiana.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ireo dingana noho ny hamehana, mifanaraka amin’ny andininy faha-5 amin’ny didim-panjakana laharana 2022-800 tamin’ny 1 jona 2022, handraketana ny tsenam-baro-panjakana amin'ny alalan'ny fifanarahana mivantana momba ny fanamboarana ny tetezana Manambery, eo amin'ny RN5A hiaraha-miasa amin'ny Banky Iraisam-pirenena.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana sorabola hanatanterahana ny asa fikojakojana lalana roa ao Toamasina vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana dia ny: ny lalana Boulevard Ratsimilaho Hopitaly Be hatrany amin’ny Serana-tsambon'i Toamasina sy ny lalana eo amin’ny sampanana Morarano hatrany amin’ny LMOI
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana sorabola ho an'ireo fandaharan'asa fampiasam-bolam-panjakana entina hanatanterahana ireo asa fanajariana ireo lalam-pirenena.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana sorabola hanatanterahana ny asa fanajariana lalana miisa enina ao Toamasina:
- RN2 sampanana Morarano hatrany amin’ny Serana-tsambon'i Toamasina
- Lalana makany amin'ny Vigie Mangarano
- Lalana OMSI (Gara Manguier hatrany amin’ny Mosquée Bazar Kely)
- Sampanana Darafify hatrany amin’ny station Jovenna makany amin'ny seranam-piaramanidina
- Fidirana eo amin’ny fiodinana Tanamakoa hatrany amin’ny EPP Tsiry
- Lalana plaque Telma
Ho fiomanana ny fiatrehana ny vanim-potoanan'ny rivodoza dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny dingana noho ny hamehana amin'ny fahazoana "ponts modulaires 1109 ml" izay ho vatsian'ny Banky iraisam-pirenena.
MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny andiany faha 16 amin'ny "Conférence des Parties (COP16), ny "Convention sur la Diversité Biologique: (CDB), sy ireo fivoriana ireo tompon'antoka amin'ireo fifanarahan'i Nagoya (COP/MOP 5) sy Carthagène (COP/MOP11), ny 21 oktobra hatramin'ny 01 novambra 2024 any Cali, Colombie sy ireo Fivoriana avo lentan'ny COP16 CDB, ny 29 hatramin'ny 30 oktobra 2024, any Cali, Colombie. Tanjona ny hampahafantarana ireo paikady napetraky ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny fiahiana ny tontolo iainana sy ny hifampizarana traikefa amin'ireo firenena hafa ary indrindra hijerena ireo lalam-piaraha-miasa ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara
-
II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOMBOHAVANA Fabien, ho "Directeur des Droits Humains et des Relations Internationales"
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1551 tamin'ny 25 septambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa MAHARITRA Dyno Franck, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mahanoro.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAJAONARISON Lemandiny Emmanuel, ho "Directeur de la Conception, de la Recherche et de l’Innovation Pédagogique de l’Institut National de Formation Pédagogique".
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANOMENJANAHARY Benaivoharison Nicomèd, ho "Directeur du développement de la Formation Initiale de l’Institut National de la Formation Pédagogique".
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHEFANIRINA Zafindrainibe Jean, ho « Directeur du Développement de la Formation continue de l’Institut National de la Formation Pédagogique ».
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-195 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Antsa Manohisoa, ho "Directeur des Ressources Humaines"
MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1178 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIMANANA Tiana Soloarisoa, ho "Directeur de la Formation Continue et du Renforcement des Capacités"
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-212 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa FIATY Marie Esmeralda, ho "Directeur des Systèmes d’Information et de la Communication"
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-180 tamin'ny 20 febroary 2019 ary manendry an-dRamatoa FATOMA Faid, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Atsinanana.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANJA Herivololona Philippe, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Matsiatra Ambony.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMBESY Avisoa Aimée, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Androy.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMANANTENA Lucia Dorès, ho Talen’ny fanadiovana
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-089 tamin'ny 24 janoary 2024 ary manendry an'Andriamatoa HANDRISENY Mamy, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières”
-
V- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-523 tamin'ny 06 marsa 2024 nanendry ny Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Vakinankaratra.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019- 184 tamin'ny 20 febroary 2019, nanendry ny Tale Jeneralin'ny Kolontsaina.
Natao ny 09 oktobra 2024
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika