TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 02 oktobra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 02 oktobra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FANARAHANA IREO TETIKASAN'NY FILOHAN’NY REPOBLIKA
Teo am-piandohana dia nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika amin'ny fomba fiasa vaovao izay ahitana miaraka ny firosoan’ireo tetikasa tena laharam-pahamehana izay tsy mikasika ny minisitera tompon'andraikitra ihany fa ifarimbonan'ny Governemanta iray manontolo.
Ireo tetikasa napetraka dia hitondra fiovana goavana eto amin'ny firenena ary notsipihan'ny Filohan’ny Repoblika fa efa maro ireo fanadihadiana efa natao ka tokony mirindra tsara ny fifandimbiasam-pahefana (passation) nataon'ireo Minisitra isan-tsokajiny mba hitohy araka tokony ho izy ireo asa. Efa tokony an-dalam-panatanterahana ireo tetikasa hoy ny Filoha ary laharam-pahamehana ny fanafainganana ny fampandrosoana. Ilaina ihany koa ny hirosoana amin'ny diplaomasia ara toe-karena amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary ny eo anivon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ny minisiteran’ny indostria no mitady ireo firenena afaka miara-miasa amin’i Madagasikara.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fandaharan'asa sy paikady entina hampitomboana ny famokarana ireto vokatra laharam-pahamehana manaraka ireto: vary, mangahazo, ampemby, voanjo, soja, varimbazaha, fary ary voamaina.
Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika ho fanovana ny fomba fambolena eto Madagasikara hahatratrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo. Nosafidiana manokana ireo vokatra ireo noho izy ireo afaka mamaly ny filana eto an-toerana no sady ahafahan’i Madagasikara manana ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mifanindran-dalana amin’ny fanovana ny fambolena ihany koa ny fampiroboroboana ny indostria izay andry iankinan'ny fampandrosoana napetraky ny Filohan’ny Repoblika indrindra fa amin'ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitahirizana sy ny fanodinana ireo vokatra mba ho azo ahondrana any ivelany. Ny fampiroboroboana ny indostria amin'ireo sehatra ireo dia hanampy ihany koa amin'ny famoronana asa, ny fananana tolotra ara-toekarena samihafa ary hampihena ny fiankinan-doha amin'ny fanafarana ireo vokatra avy any ivelany. Ambetin-tenin'ny Filohan’ny Repoblika rahateo ny hamokarana eto an-toerana ihany izay rehetra ilain'ny vahoaka malagasy. Fandaharanasa maromaro araka izany no napetraky ny minisitera roa tonta entina hampitomboana sy hanatsarana ireo vokatra ireo mba hanatrarana izany fahavitan-tena ara-tsakafo izany:
- Fandaharanasa fampandrosoana ny fambolem-bary (PDRi),
- "Programme de développement des Filières Vivrières" (PDFV)
- Fandaharanasa fampandrosoana ireo fambolena indostrialy (PDCI),
- Fandaharanasa fizarana ireo fitaovam-pamokarana manerana ny nosy
- Fananganana ozinina mpamokatra zezika
- Fananganana "Centres de Communauté de Serre"
- Fametrahana ireo ivon-toerana fanangonana sy fitahirizana sakafo (banques Alimentaires)
- Fampiroboroboana ny Agribusiness
Niantso ny fiaraha-mientan'ny minisitera rehetra fa ihany koa ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny Filohan’ny Repoblika mba hanatrarana ireo tanjona napetraka ho an'ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Hisy ny "Forum pour la Transformation agricole" hiarahana amin'ireo mpiantsehatra rehetra hahafahana manampy ny tantsaha sy hanohana ireo tetikasa ho an'ny fanjarian-tsakafo. Hizara roa izany hetsika izany ho an'ireo mpisehatra eto an-toerana sy ho an'ny iraisam-pirenena.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Niompana tamin'ireo vahaolana entina hamahana ny tsy fahampian'ny famokarana herinaratra ihany koa ny Filan-kevitry ny Minisitra androany, tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa any amin'ny tontolo ambanivohitra ihany koa. Ho fanampiana ny famokaran'ny orinasa JIRAMA mivantana dia hapetraka ao Ambohimanambola ny famokarana herinaratra HFO manana tanjaka 105MW izay efa an-dalam-pananganana ankehitriny.
Ao anatin'ny fohy ezaka dia ireo ivon-toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro no vahaolana haingana sy mahomby indrindra. Efa nifampiresahan'ny Filohan’ny Repoblika tamin'ny orinasa sinoa LONGi ny fiaraha-miasa amin'izy ireo hahafahana manangana ireo "panneaux solaires" eny amin’ireo renivohi-paritany izay hanana tanjaka mitotaly hatramin’ny 350MW. Nojerena manokana ihany koa ireo firosoan'ireo tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano lehibe toy ny Mahavola 300MW, Antetezambato 142MW, Sahofika 192MW, Volobe 120MW, Mandraka III 6MW, Ambodiroka 56MW, Ankelimahery 10.5MW, Talaviana 56.6MW.
Nanainga ireo orinasa sy ireo nahazo ny tolo-bidy ny Filohan’ny Repoblika mba hanao ny ezaka rehetra hanatanterahana farany izay haingana ireo tetikasa ireo izay hamaha tanteraka ny olan'ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Efa misy ihany koa ny tetiandro hihaonan'ny Filohan’ny Repoblika amin'ireo mpiara-miombon'antoka sy ireo mpamatsy volan'ireo tetikasa ireo hijerena miaraka ny hanafainganana ny fanatanterahana azy ireo. Ny famokarana herinaratra avy amin'ireo rian-drano nefa dia mifamatotra tanteraka amin'ny fiahiana ny tontolo iainana koa nanome toromarika manokana ny Filohan’ny Repoblika ny hanamafisana ny fanentanana momba ny fambolen-kazo indrindra manodidina an'Andekaleka izay mbola miantoka ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo ankehitriny. Efa misy moa ny asa fiarovana ny ala manodidina an'Andekaleka tanterahin'ny minisiteran'ny tontolo iainana nefa mila ny fiaraha-mientan'ny besinimaro ihany koa anefa izany.
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan’ny asa fananganana ny “village artisanal”, ny fanarenana ny “hotel 5 étoiles” Ivato ary ny fametrahana ireo “reserves foncière touristiques”.
Anisan'ny tetikasan'ny Filohan’ny Repoblika ho fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana malagasy ny fananganana ny "village artisanal" eny Ivato izay vavahady idirana eto Madagasikara. Hivondrona ao avokoa ireo karazana asa tanana sy vokatra mampiavaka an'i Madagasikara. Hisy ny toerana natokana amin'ny varotra fampiratiana sy ny toerana fampisehoana ireo fahaiza-manaon'ireo mpanao asa tanana. Efa vita tanteraka ny asa fanajariana ny tany hananganana ny fotodrafitrasa (terrassement) ary hiroso ankehitriny amin’ny fanaovana tolo-bidy hifantenana ireo orinasa hanatanteraka ireo asa.
Toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny hanajariana sy hampandehanana tanteraka ny trano fandraisam-bahiny “5 étoiles” ao Ivato. Nandritra ny fitsidihana izay efa nataony teny an-toerana ny volana aogositra lasa teo, dia hita fa maro ny lesoka tamin'ny fitantanana teo aloha. Hita ihany koa ny fahasimban'ny fotodrafitrasa. Araka izany dia nanome baiko ireo tompon’andraikitra ny Filoha ny hanarenana sy hanavaozana izany fotodrafitrasa izany ao anatin'ny fotoana haingana mba hahafahan'izany toerana izany indray handray ireo mpitondra fanjakana vahiny ho avy eto amintsika mandritra ny fihaonana an-tampony SADC amin'ny taona 2025. Tsy maintsy vitaina ao anatin'ny enim-bolana ihany koa ireo asa rehetra hoy ny Filoha. Orinasa telo no efa voasivana taorian'ny tolo-bidy izay natao ka aorian'ny fifantenana farany dia hiroso avy hatrany ny asa.
Efa tamin’ny taona 2000 kosa ny fanjakana malagasy no nametraka “reserves foncières” miisa 36 tao amin’ny Faritra Diana, Ihorombe ary Atsimo Andrefana. Mila havaozina ny famaritana azy ireo ankehitriny ary harovana eny amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany mba tsy hisy hampiasa antsokosoko fa indrindra mba ahafahana mamaritra mazava ireo toerana ahazoana ampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany eto amintsika.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tetikasan'ny Filohan’ny Repoblika hamatsiana rano fisotro madio ho an'Antananarivo renivohitra (TANA WATER III sy PAAEP). Baiko no nomen'ny Filohan'ny Repoblika ny tsy maintsy hanetsehana ireo famokarana rano mba hamahana haingana ny olan'ny tsy fahapian-drano mahatratra 230.000.000m³ eto Antananarivo Renivohitra. Anisan'ireo vahaolana vonjy maika ny hanetsehana ireo fiara be mpitatitra rano hiarahana amin'ny JIRAMA, hamatsy rano ireo bonbonnes manerana an'Antananarivo. Eo ihany no fametrahana ireo "forages" miisa 35 atao manakaiky ny vahoaka. Ny vahaolana lavitr'ezaka kosa dia ny tetikasa TANA WATER III izay hanampy amin'ny fampitomboana ny famokarana rano fisotro madio sy ny fanoloana ireo fantson-drano efa tranainy. Ny “Projet d’amélioration de l’acccès à l’eau potable” (PAAEP) kosa dia mikendry ny fampitomboana ny fahazoana misitraka rano fisotro madio eto Antananarivo sy ny fanatsarana ny famokaran’ny orinasa JIRAMA. Nanome toromarika hentitra ny Filohan’ny Repoblika ny mba hametrahana sy hanatanterahana drafitr’asa mahomby ary azo tanterahina avy hatrany mba ahafahana mamaha ny olan’ny famatsian-drano. Tokony hatao ny ezaka rehetra, ary indrindra ilaina ny fifandrimbonan’ny rehetra hifanome tanana mba hitondra ny vahaolana. Farany, nanome toromarika ihany koa izy ny mba hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa mba hiteraka vokatra haingana sy mipàka amin’ny fiainan’ny vahoaka.
Toy ny fanao amin’ny firenena hafa, mba hitsinjovana ny fitsinjarana ara-drariny ny rano ho an’ny besinimaro amin’izao vanim-potoanan’ny main-tany izao, dia entanina manokana ireo izay mipetraka amin’ireny trano be na « villa » ireny mba hikajy ny fandaniana ny rano ka hampihena izany ary tsy hampiasa raha tsy amin’ireo filàna fototra. Hisy araka izany ny fepetra horaisina mba hijerena manokana izany fikajiana ny fandanian-drano izany
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny andiany faha 45 amin'ny fivorian'ireo Minisitra sy ny andiany faha 19 amin'ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Iraisam-pirenena an'ireo firenena mampiasa sy miteny ny teny frantsay ny 3 hatramin’ny 5 oktobra any Paris, France. Lohahevitra amin'izany ny hoe "Mamorona, manavao sy mandraharaha amin'ny teny frantsay" na "Créer, innover et entreprendre en français". Ny OIF dia misehatra amin’ny tontolo ara-kolontsaina, ny fanatanjahantena, ny fanabeazana ho an’ny rehetra, ny haitaoara-kajy mirindra, ny zon’olombelona ary ny tanora. Ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ireo fivoriana sy ireo hetsika an-kilan'izany fihaonana an-tampony izany dia hanamafy hatrany ny toeran'ny firenena malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny asa fitarihan-drano avy amin'ny reniranon'i Efaho. Na dia nisy aza ny tondra-drano noho habetsaky ny rotsak'orana teo amin'ny faritry ny asa dia tsy nanakana ny firosoan'ireo asa izay 28% no vita ankehitriny. Efa miroso ny ireo asa fanajariana tany samihafa sy ny famboarana ny toby hitahirizana sy hanadiovana rano 7500m³. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny handoavana ny fifamatorana amin'ny ampahany ny tetikasa.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana fanohanana handraisan'ireo mpanao fanatanjahantena malagasy amin’ny tompondakan'i Afrika Cadet, Junior sy latsaky ny 21 taona amin'ny taranja Karate any Tunis ny 02 hatramin’ny 08 septambra 2024 sy ny Tompondaka eran-tany taranja karate any Venise ny 09 hatramin’ny 13 oktobra 2024.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana fanohanana handraisan'ireo mpanao fanatanjahantena malagasy amin’ny fifaninana iraisam-pirenena taranja Judo
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana fanohanana handraisan'ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy taranja rugby à 15 amin'ny World XV 3 (WXV3).
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava hanomezana fanohanana handoavana ireo “primes” ho an'ireo mpilalao sy staffs tekinika ho an'ny ekipam-pirenena BAREA.
-
III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara ho tombontsoan’ny besinimaro ny asa fanatanterahana ny tetikasa famokarana angovo avy amin'ny rian-drano Ranomafana 64 MW, amin’ny Reniranon’Ikopa, Faritra Analamanga ary ny fahazoana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na amin’ny fanesorana ny fizaka-manana ireo ampahan-tany voakasik’ity asa ity.
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ny asa fanatanterahana ny Tetikasa famokarana angovo avy amin'ny rian-drano Volobe Amont 120MW ao amin’ny reniranon'Ivondro, Faritra Atsinanana ary ny fahazoana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na amin’ny fanesorana fizaka-manana ireo ampahan-tany voakasik’ity asa ity.
-
II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1060 tamin'ny 02 may 2024 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANARISOA Bodo Hanta Lovasoa, ho Talen’ny Serasera.
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-645 tamin'ny 24 jona 2020 ary manendry an'Andriamatoa NIHERASON Dina Jerry Thimon, ho "Directeur Administratif et Financier" eo anivon’ny "Direction de Coordination Nationale des Pôles Anti-Corruption".
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-274 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RANTOARIVONY Fanevanirina, ho "Directeur de l’Observatoire du Foncier"
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1165 tamin'ny 22 mey 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIVELO Hasindaza Tovondriaka, ho Lehiben'ny Distrikan'Antanimora Atsimo.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa VOLAMIARANA Adelaïde, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka SAVA.
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMISIMAMONJY Jean Landry, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Alaotra Mangoro.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-480 tamin'ny 28 Avrily 2021 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONIAINA Evah, ho "Chef de l’Unité de Coordination des Projets"
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1042 tamin'ny 24 Avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMIHAJA Randa, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-308 tamin’ny 21 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZAFY-HARIVONY Ando Vanessa, ho Directeur des Affaires Juridiques
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1049 tamin'ny 06 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMAHAZO Antsa Meva, ho Talen’ny Serasera.
MINISITERAN'NY NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1364 tamin'ny 03 jolay 2024 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIATSITOHAIMANANTENA Ramà Dina Jakoba, ho Talen’ny Serasera sy ny Fiaraha-miasa.
MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-832 tamin'ny 03 avrily 2024 ary manendry ny Colonel RABIALAHY Solofoson Lucien, ho "Directeur chargé de la lutte contre le terrorisme, les stupéfiants et la criminalité transnationale organisée".
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-653 tamin'ny 04 may 2022 ary manendry ny Colonel BORY Alain Marius Hardyman, ho Kaomandin'ny Fari-piadidian'ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa.
-
V- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-201 tamin'ny 07 febroary 2024 nanendry ny Directeur de l’Incubation Professionnelle.
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-202 tamin'ny 07 febroary 2024 nanendry ny nanendry ny Talen’ny fifandraisana amin'ny daholobe.
Natao ny 02 oktobra 2024
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika