TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 25 septambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 25 septambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

  • I- FANARAHANA IREO TETIKASAN'NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ireo fandaniana rehetra momba ny "dédouanement" sy ny hofan'ny toerana hitahirizana ireo fitaovana amin'ny tetikasa "parcs solaires 50MW" alohan’ny hanapariahana izany any amin'ireo distrika hametrahana azy ireo. Araka ny toromarika efa nomen'ny Filohan’ny Repoblika dia ireo tanàn-dehibe no laharam-pahamehana amin’ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra ireo. Hapetraka ihany koa ireo mpandrindra isaky ny tetikasan'ny Filohan’ny Repoblika mba hanara-maso sy hanafaingana ny fanatanterahana azy ireo araka ny nampanantenaina tamin'ny vahoaka. Mikasika ny orinasa JIRAMA dia mitaky ny hijerena akaiky ny mangarahara amin'ny fitantanana izany orinasa izany ihany koa ny Filoha ary nanome baiko ny Minisitry ny Toekarena sy ny Minisitra ny Angovo hijery manokana ny vola miditra sy ny vola mivoaka amin'ity orinasa ity. Anisan'ny miteraka fatiantoka goavana ho an'ny firenena tokoa ny orinasa JIRAMA ary mila fehezina izany mba hahafahana miroso araka ny tokony ho izy amin'ireo asa fampandrosoana.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny drafitr'asa entina hampitomboana ny voka-bary isaky ny hekitara ao anatin'ny fanovana ny fambolena eto Madagasikara. Fanamby napetraka dia ny hahaleo tena amin'ny famokaram-bary ny firenena malagasy hatramin’ny taona 2025. Ny eo anivon’ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana rahateo dia nanome tetibola fanampiny mitentina 67 tapitrisa dolara entina hanohanana ny fanovana ny fambolena eto Madagasikara satria ny fampivoarana ny fambolena no antoky ny fanalana ny firenena malagasy amin’ny fahantrana. Tanjona lehibe napetraka dia i Madagasikara ho sompitry ny fambolem-bary eto amin'ny ranomasimbe indiana amin'ny taona 2027. Ankehitriny dia nidina 320.00 taonina ny vary nafarana raha toa ka 500.000 taona izany teo aloha. Mila tohizana sy hamafisina araka izany ireo ezaka efa natao. Tafiditra ao anatin’ny drafitr'asa ny fampitomboana ny velaran-tany hambolena manerana ny Nosy. Ny Minisiteran'ny fambolena sy ny fiompiana no hamaritra azy ireo. Asa laharam-pahamehana ihany koa ny hanapariahana sy hampitomboana ny fambolena vary safiotra araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny diany tany Sina farany teo. Vary safiotra manodidina ny 176.000 taonina no vinavina ho vokarina amin'ny taona 2025. Ankoatra ny fanohanana ireo tantsaha amin’ny lafiny fitaovana sy zezika dia hamafisina ihany koa ny fanapariahana ireo tekinika fambolena mahomby toy ny PFUMVUDZA, ny SRI, ny SRA, ny PAPRIZ.

    Eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa dia hajariana avokoa ireo fotodrafitrasa fitarihan-drano ary apetraka manerana ireo distrika ny fitahirizam-bary (silo) sy fitsinjarana masomboly izay tsy atao lavitra ny vahoaka ny fametrahana azy ireo. Entanina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina amin'ny fananganana ireo fotodrafitrasa sy fampiasam-bola amin’ny sehatry ny agribusiness.

    Araka ny nambaran'ny Filohan’ny Repoblika dia miara misalaha avokoa ny minisitera rehetra mba hanatrarana ny tanjon'ny fahaleovantena ara-bary. Ny minisitra coach dia ho tompon'andraikitra amin'ny famokarana isaky ny Faritra misy azy.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana tetibola manokana hikarakarana ireo antontan-taratasy momba ny fifidianana ben'ny tanàna ny 11 desambra 2024 eo anivon’ny filan-kevim-panjakana sy ireo Fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fizarana ratsam-batana artifisialy (prothèses artificiels) ho ana olona miisa 500 avy amin'ny Governemanta indiana. Haharitra 42 andro izany hetsika izany ary natokana ho an'ireo olona marefo ara-pivelomana manana fahasembanana.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana sorabola ao anaty fandaharan’asan’ny minisitera handoavana ireo fandaniana tamin'ny fanombanana sy fanaraha-maso ny fanadihadiana momba ny fiantraikany ara-tontolo iainana sy ara-tsosialin'ny fanajariana ny RNT31, ny RNS10 ary ny RNT12A. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana sorabola ao anaty fandaharana’san’ny minisitera handoavana ireo karaman'ireo mpampita baka eo ambany fitantanan'ny Agence routière (RNS5, RNT8 et RNT12A) ary vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana ho an'ny taona 2024.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetibola RSE an'ny QMM ho an'ny taona 2024 - 2025. Taorian’ny fanavaozana ny fifanarahana teo amin'ny Governemanta Malagasy tamin'ny taona 2023, ny orinasa Rio Tinto dia vonona ny hampiasa vola mitentina 4 tapitrisa dolara isan-taona, miampy fitomboana 2% isan-taona mandritra ny 25 taona ao amin’ny Faritra Anosy ao anatin'ny fandaharan'asa RSE.

    Ny famaritana ireto tetikasa laharam-pahamehana dia niainga avy amin'ny fifampidinihina teo anivon’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy fifampiresahana tamin'ireo fokonolona izay narindran'ny Faritra Anosy ary tokony hitondra vokatra azo tsapain-tanana ho an'ny vahoaka. Araka izany dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ireto tetikasa hitsinjarana io tetibola RSE io ho an'ny taona 2024 sy 2025 tahaka izao manaraka izao:

    - Ireo tetikasa ifotony: tetibola isan-taona 1,75 tapitrisa dolara izay hampiasana amin'ny fanabeazana (kits scolaires, vatsim-pianarana...), ny fahasalamana (fananganana tobim-pahasalamana, fanentanana amin'ny fampiasana fandrindram-piterahana) sy fampandrosoana ny fiaraha-monina (fampiroboroboana ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono).

    - Tetikasam-paritra: tetibola isan-taona 1,75 tapitrisa dolara izay hampiasana amin'ireo tetikasa lehibe efa voafaritra ao anaty drafi-pampandrosoana ny Faritra Anosy ary ho laharam-pahamehana ny Distrikan'i Taolagnaro. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa lehibe fampidirana rano fisotro madio mitentina 1,4 tapitrisa dolara.

    - Fandaharan'asa fambolen-kazo: tetibola isan-taona 500.000 dolara izay hampiasaina amin'ireo tetikasa fiarovana sy fiahiana ny tontolo iainana araka ny filan'ireo vondrona ifotony.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA, SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiharana manokana ny andininy faha 35 amin'ny didim-panjakana laharana faha 2006-213 tamin'ny 21 marsa 2006 mametraka ny ARTEC amin'ny fandoavana ireo karaman'ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra mandra-pandraisana an-tanana ireo fandaniana amin'ny tetibola tovana an'ny minisitera makany amin'ny tetibola ankapobeny.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ireo hetra amin'ny tsenam-baro-panjakana ao anatin'ny tetikasa "Projet d’amélioration des équipements de Gestion des Déchets Solides pour une ville propre à Antananarivo" (GESDA)

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ny asa fametrahana lavadrano miisa 35 entina hamenoana ny tsy fahapian-drano eto Antananarivo, Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano sy Ambohidratrimo. Ahitana tsy fahampiana 100.000m³ ny famokaran'ny tambazotran'ny JIRAMA amin'ireo faritra voatonona ireo ankehitriny. Hamaliana ny filan'ny mponina dia hametrahana lava-drano miisa 07 eto Antananarivo Renivohitra, 14 Antananarivo Atsimondrano, 07 Avaradrano, 07 ao Ambohidratrimo. Mitentina 4.995.019.000 Ariary ny teti-bidin’ireo asa ary hamokatra 700m³ isan'andro ireo lavadrano ireo ary miisa 24500 ny hisitraka izany. Noho ny hamehana dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanaovana tolo-bidy ao anatin'ny fe-potoana 15 andro. Nomarihan’ny Filohan’ny Repoblika fa vonjy maika ny hametrahana ireo lavadrano ireo fa tsy vahaolana ary nanome toromarika ny minisitra tompon’andraikitra ny tenany hitondra ireo fanadihadiana momba ny famatsian-drano eto Antananarivo hametrana izay vahaolana maharitra izay indrindra.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny asa fanamboarana ny rafitra fampidirana rano fisotro madio sy fitarihan-drano ho an'ny tetikasa ANKOHONANA MIARINA ao Fieferamanga, Kaominina Arivonimamo, Distrikan'Arivoninamo, Faritra Itasy. Efa voasoratra ao amin’ny PIP an'ny Minisitera ny famatsiam-bolan'ireo asa ireo. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hirosoana amin'ny fanaovana tolo-bidy ao anatin'ny fe-potoana 15 andro.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny delegasiona malagasy anjara amin'ny komity roa lafy, frantsay sy malagasy, misahana ny fanadihadiana ara-tsiansa sy ara-tantara momba ny famerenana ny Kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ny karan-dohan'ireo lehiben'ny tafika miisa roa. Ireo vakoka ireo moa dia voatahiry ao amin’ny “Musée de l’Homme” ao Paris ankehitriny.

  • III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ireo fepetra hampiharana ny famosirana amin'ny alalan'ny fandidiana. Ny lalàna laharana faha 2024- 001 tamin'ny 26 febroary 2024, manova sy mameno ny fehezan-dalana fanasaziana Malagasy dia mamaritra ny famosirana amin'ny alalan'ny fandidiana ireo voaheloka noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Ity didim-panjakana ity kosa dia mamaritra ireo fepetra sy dingana rehetra entina hampiharana izany sazy izany. Efa maro ireo firenena nialoha lalana mampihatra ny famosirana amin’ny alalan’ny fandidiana entina hanasaziana ireo voaheloka nanolana zaza tsy ampy taona. Ny antony voalohany nametrahana izao fanasaziana izao dia ny fiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny izay niharan’ny herisetra ka anjaran’ny fanjakana ny mametraka ny didy aman-dalàna ho an’ireo nahavanon-doza.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna manome alalana ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana findramam-bola momba ny famatsiam-bola fanampiny ho an'ny "Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience du Grand Antananarivo" (PRODUIR FA2), nosoniavina ny 12 jona 2024 teo amin'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fampandrosoana (IDA). Tanjon'ity tetikasa ity ny fandrindrana ireo loza ateraky ny tondra-drano, ny fanavaozana ny tanàna ary ny fanatsarana ny fahafaha-miarina ara-tsosialy amin'ny fanatsarana ny fidirana amin'ireo tolotra fototra sy ny fanamafisana ireo andrim-panjakana. Eo ihany koa ny fanavaozana ny toe-piainana an-tanàn-dehibe sy ny fahafaha-miarina manoloana ireo tondra-drano any amin'ny faritra sasany ao Antananarivo Renivohitra (GA).

    MINISITERAN'NY NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana momba ny fampiharana ny "Plan d’Action de Réinscription" (PAR) momba ny fanafahana ny fihazonana ao anatin'ireo asa fanitarana sy fanamafisana ny tambazotra famatsiana herinaratra nasionaly manemitra ny tanàn-dehibe (périurbain) sy ambanivohitra, "Moyenne Tension" (MT) sy "Basse Tension" (BT), ao anatin'ny tetikasa LEAD « Least Cost Electricity Acces Development » an'ny JIRAMA.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manangana sy mamaritra ny sata mifehy ny "Centrale de l’Or de Madagascar" (COM) izay misolo ny "Agence Nationale de la Filière Or" (ANOR) araka ny lalàna laharana faha 2023-007 tamin'ny 27 jolay 2023 manavao ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Ny COM dia handray an-tanana ny asan'ny ANOR ary nofaritana mazava kokoa ny anjara asany dia ny fampanarahan-dalàna, ny fanaraha-maso, ny fitantanana ireo torohay momba ny volamena ary ny fandrindrana ny asa momba ny volamena. Eo ihany koa ny fandrendrehana sy ny fametrahana by marika volamena ofisialy (fonte et poinçon officiel).

     

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    GOVERNEMANTA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1048 tamin’ny 30 aogositra 2023 ary manendry an’Andriamatoa DIMBINDRAIBE Ratafika Andriamalazamanga, ho Talen'ny Kabinetra Sivilin'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHELISOA Adèle Virginie, ho Talen'ny Serasera eo anivon’ny Primatiora

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANANONY Thierry Rijarilala, ho "Directeur de l’Inspection".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha -1317 tamin'ny 14 septambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa SOANDRO ROBERSON Daniel, ho "Directeur Administratif et Financier de l’Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo" (A.P.I.P.A)

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 1041 tamin'ny 24 Avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAVELOJAONA Manda Herilaza, ho Sekretera Jeneralin'ny Kaomisiaona Nasionaly Malagasy ho an'ny UNESCO.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-139 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an'Andriamatoa HARISOAMANARIVO Angelico Ennodius, ho Sekretera Jeneraly.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1356 tamin'ny 01 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIMAMPIONONA Judicaël Ricko, ho Talem-paritry fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Atsinanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 579 tamin'ny 30 Mey 2023 ary manendry an'Andriamatoa RANARISON Solofo Herizo, ho "Directeur de la Logistique de l’Ecole Nationale de l’Enseignement Aéronautique et de la Météorologie" (ENEAM).

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 820 tamin'ny 01 jona 2022 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMANIRY Cléa Augustina, ho Talen’ny Serasera.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana ary manendry an'Andriamatoa JACQUOT Fred Ali, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Melaky.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014- 1313 tamin'ny 14 aogositra 2014 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOHARO Tiaray Eugénie Annicka, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Atsimo Andrefana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana ary manendry an-dRamatoa RAFANOMEZANA Mamiarisoa Alice, ho "Directeur de la Protection de l’Enfant"

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 943 tamin'ny 15 septambra 2021 ary manendry ny Colonel RABARIJAONA Andriamihaja Harivelo, ho Tale Teknika eo anivon’ny Direction Générale de la sécurité routière.
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 152 tamin'ny 31 janoary 2024 nanendry ny Mpandrindra Jeneraly.

  

Natao ny 25 septambra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika