TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 18 septambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 18 septambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY + MINISTERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny ampahan-tany fananan'ny minisiteran'ny Foloalindahy mirefy 40A-00Ca, mitondra ny anarana « IVATO » TN°1521-H, ao Andraondrikely K5, Kaominina Ambonivohitra Ivato, distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga ho an'ny Fiadidiana ny Repoblikan'i Madagasikara. Io tany io dia entina hanorenana ny tetikasa "raffinerie aurifère" izay tetikasan'ny Filohan’ny Repoblika.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana sorabolan'ireo minisitera telo voakasika ireo amin'ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny "village de la Francophonie" izay hetsika eo anilan'ny Fihaonana an-tampony andiany faha 19 ny Vondrona iraisam-pirenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay ny 02 hatramin’ny 06 oktobra 2024 any Paris. Firenena miisa 88 sy mpitsidika maherin'ny 6 tapitrisa no andrasana amin'izany hetsika izany. Tanjona ny hanamafy orina ny toeran'i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny hisarihana ireo mpampiasa vola amin'ireo sehatra laharam-pahamehana.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovan'i Madagasikara sonia ny fifanarahana momba ny "Convention des Nations Unies sur le Droit de la mer" sy momba ny fiarovana sy ny fampiasana ireo haren-dranomasina amin'ireo faritra tsy ao anaty fahefana nasionaly na « Accord BBNJ » mandritra ny andiany faha 79 ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny 24 hatramin’ny 30 septambra 2024 any New York. Fanambin'ireo firenena manao sonia ny fifanarahana BBNJ ny fiarovana ireo karazan-java-manan'aina an-dranomasina, ny fitantanana lovain-jafy ireo harena an-dranomasina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ny fampiroboroboana ireo traikefa sy ny fikarohana ary ny fampihenana ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro. Ny fanaovan'i Madagasikara sonia izao fifanarahana izao dia manaporofo ny fanoloran-tenan'ny firenena malagasy hiaro sy hiahy ireo karazan-java-manan'aina an-dranomasina ary dingana lehibe amin'ny fitantanana lovain-jafy ireo harena an-dranomasina maneran-tany izany.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanamboarana ny "voie rapide" mampitohy ny lalam-pirenena faharoa sy Toamasina. Nandritra ny fidinana ifotony nataon'ny minisitera dia hita fa nisy tsy fitoviana teo amin'ny drafitra nosoniavin'ny minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy drafitra fanatanterahana asa ataon'ny orinasa SINOHYDRO. Izany dia miteraka fitomboan'ny fanesorana ny ampahan-tany sasany sy fihenan’ny ampahan-tany ampiasaina ho an'ny sasany. Eo ihany koa ny fiovana ny lalana hametrahana tetezana izay mbola tsy nofaritan'ny minisiteran'ny asa vaventy sy ny SINOHYDRO. Hisy ireo tany vaovao ho voakasik'izany ary mety tsy ho voakasik'izany kosa ireo voafaritra teo aloha. Efa nisy anefa ireo fanonerana fanesorana izay efa nomena ireo tokony hisitraka izany. Nisy ny fivoriana izay notanterahin'ny Minisiteran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ny 04 septambra 2024 lasa teo ary tapaka nandritra izany fa:

    - Miato ny fandoavana ireo fanonerana

    - Hamarinin'ny minisiteran'ny asa vaventy ny drafitry ny fanatanterahana ny tetikasa izay halefa any amin’ny Sampan-draharaha Topografika hanaovana fanadihadiana ny lalana ;

    - Mila faritana ny "plan parcellaire" vaovao sy drafitra nasiam-panitsiana avy amin'ny sampan-draharaha topografika ao anatin'ny roa herinandro izay atao tovana ao anatin'ny didy famindran-toerana.

    - Manana 2 herinandro ny Vaomieran’ny fanombanana ara-pitantanana hanao tomban’ezaka vaovao momba ireo faritra voakasika sy hametraka fanambarana ireo vola mila aloha izay hatolotra ny Minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho fanohizana ny fanonerana ao anatin'ny tetikasa "voie rapide" RN2 sy ny Seranan-tsambon'i Toamasina.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafahana amin'ny ampahany ny naoty mandrara ny famindrana ny tany an'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana momba ny tany mitondra ny anarana « LOVASOA GABRIEL » TN° 16 252 A sy « ROGER II » TN° 12 845 A ao Ankorondrano, Kaominina Antananarivo Renivohitra. Io tany io dia an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary natao hanorenana gara sy pylône ao anatin'ny tetikasa fitaterana an-tariby.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava fanazavana ireo dingana momba ny famatsiam-bola eo anivon’ny EXIMBANK Chine (fivoriana FOCAC 2024). Tanjona ny hampitovy tadin-dokanga ireo minisitera voakasika amin'ny fahazoana famatsiam-bola avy amin'ity banky ity. Nandritra ny dian'ny Filohan’ny Repoblika tany Sina farany teo dia ireo tetikasa eo amin’ny sehatry angovo, ny fanovana eo amin'ny fambolena sy ny fotodrafitrasa no ho laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasa amin'i Sina.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana famatsiam-bola ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe. Ny tetikasa Volobe dia miompana amin'ny fananganana ivon-toerana mpamokatra herinaratra hydroélectrique manana tanjaka 120MW. Efa an-dalam-panatanterahana ny fanamboarana ny tambazotra fitaterana angovo 220Kv mirefy 267km anelanelan'i Toamasina sy Antananarivo. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana sonia ireto fifanarahana manaraka ireto ho fabohizana ny fanatanterahana ny tetikasa:

    - Drafi-pifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Africa50 sy ny minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho fandraisana anjaran'ny Africa50 ao amin’ny tetikasa Volobe izay ho tanterahina mandritra ny fivoriamben'ny Africa50 ny 19 septambra 2024.

    - Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Banque Européenne d'Investissement (BEI) sy ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola

    Ankilan’izany, mandritry ny Fivoriam-ben’ny Filankevitry ny Africa 50 izay tanterahina eto Antananarivo ny faha-19 septambra izao dia hisy ihany koa fifanaraham-piaraha miasa ho soniavina manokana mikasika an’i Madagasikara dia:

    - Fanaovan-tsonia ny fanovana ny famaranana ny fifanarahana amin'ny novambra 2025 raha toa ka septambra 2024 izany teo aloha

    - Fanaovan-tsonia fanomezana mitentina 2 tapitrisa dolara avy amin'ny US DFC

    - Fanaovan-tsonia miaraka amin’ny OPEC FUND ho famatsiana ny PACFC – RNT12A

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny hanombohana ireo asa fanatanterahana ny "caisse d’école", "caisse de soutien" sy ny "cantine scolaire" eo anivon’ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Ny "caisse d’école", "caisse de soutien" dia fanohanana avy amin'ny Fitondram-panjakana izay miantoka ny fampandehanana ireo sekolim-panjakana ary ireo fikambanana FEFFI no mitantana izany. Nanamafy nefa ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy hisy fanaraha-maso akaiky ny mikasika ny fizarana ireny Caisse Ecole ireny mba tsy hisy fanodikodinana fa tena hipaka tanteraka any amin’ireo sekoly sy mpianatra tokony hisitraka izany ny vola rehetra voatokana ho fanampiana azy ireny. Tsy azo ekena hoy izy raha ny zanaka Malagasy no hatao tsirambina noho ny fikatsahana tombontsoa manokana.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny sorabola handoavana ny ampaham-bola aloha mialoha amin'ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina.

     

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-528 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTOARISOA Andriantsoavina Henri Jocelyn, ho "Directeur de la Planification et de l’Anticipation Stratégique"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-552 tamin'ny 19 may 2021 ary manendry ny Colonel RATOLOJANAHARY Johnson Bernard, ho Kaomandin'ny Fari-piarovana sy Filaminana Tsiafajavona (Centre Ouest) ao Miarinarivo eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika.

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa BELALAHY Hanitriniaina, ho Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fitsarana.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1384 tamin'ny 10 jolay 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOVAO Andry, ho Goverinora mpisolo toerana Antsinanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIARY Tsaroana Harizay, ho "Coordonnateur Général des Projets"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 677 tamin'ny 20 martsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIATSARA HARINORO Edson, ho Lehiben'ny Distrikan'Anjozorobe.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMIARINARIVO Jean Bruno Abel, ho "Directeur des Ressources Humaines"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-177 tamin'ny 20 febroary 2019 ary manendry an'Andriamatoa RATIANARIVO Heriniaina Donna, ho Talem-paritry ny mponina sy firaisan-kina Itasy
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2014- 1885 tamin'ny 10 desambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa BETOMBO Edinot, ho Talem-paritry ny mponina sy ny Firaisan-kina Bongolava
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-247 tamin'ny 26 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa KAMI CHANNE, ho Talem-paritry ny mponina sy Firaisan-kina Analanjirofo

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2024-325 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RABENANDRASANA Thierry Arnolphe, ho Sekretera Jeneraly

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022-647 tamin'ny 04 mey 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ho Sekretera Jeneraly

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022-265 du 23 février 2022 manendry Général de brigade ZIPA Jean Hubert, ho « Directeur des Ressources Humaines »
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022-718 tamin'ny 18 mey 2022 ary manendry Colonel NDRIANAMBOARINA Florentin, ho "Directeur de la gestion du personnel" eo anivon’ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Général de brigade RAZAFIALISON Cyr, ho Kaomandin'ny ny fari-piadidian'ny Zandarimariam-pirenena Toamasina
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-275 tamin'ny 21 febroary 2024 nanendry ny "Directeur des Réformes".

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1330 tamin'ny 24 novambra 2021 nanendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Vakinankaratra.

 

 

 

Natao ny 18 septambra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika