TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 04 septambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany Alarobia 04 septambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

  • I- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    Ho fanohizana ireo fanavaozana entina hitondra ainga vao eo amin'ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy hanohanana ny fampiroboroboana ny sehatry ny fifandraisan-davitra dia nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireto didim-panjakana manaraka ireto:

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka sy mamaritra ireo sata mifehy ny "Bureau de la Géologie, de la Gemmologie et Laboratoire des Mines (BGGLM). Ny BGGLM no hisahana ny "gemmologie", ireo fanadihadiana ara-jeolojika sy ny fampiroboroboana ny harena an-kibon’ny tany ary ny fanomezana fanamarinana ireo vokatra harena an-kibon’ny tany izay nosahanin'ny "Laboratoire des Mines de Madagascar" (L2M) sy ny "Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar"(BGGM) teo aloha. Foana araka izany ireo didim-panjakana laharana faha 2021-277 tamin'ny 10 marsa 2021 nametraka sy namaritra ireo sata mifehy ny "Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar" sy ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1998 tamin'ny 26 novambra 2019 nametraka sy namaritra ireo sata mifehy ny "Laboratoire des Mines de Madagascar ».

    Anisan'ny fanavaozana entin'ity didim-panjakana ity ny fanitarana ireo andraikitry ny BGGLM toy ny fanomezana fampiofanana momba ny "gemmologie" sy ny fanolorana tolotra fitiliana ho an'ireo indostria mpitrandraka.

    Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ireo sata mifehy ny Komitim-pirenena momba ny harena an-kibon’ny tany (CNM)

    Araka ny voalazan’ny andininy faha-404 amin’ny lalàna laharana 2023-007 tamin’ny 27 jolay 2023 momba ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany (code minier) dia natsangana ny CNM izay sampan-draharaha misahana ny fifanakalozan-kevitra, ny fanamorana, ny fifampidinihana ary ny fampihavanana

    Mba hampanarahan-dalàna ny fitantanan-draharahan'ny CNM, ity didim-panjakana ity ihany koa dia manitsy ny fandaminana azy ho Sampan-draharaham-panjakana manana sokajy ara-toekarena (Etablissement Publics à caractère Administratif à vocation économique).

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2006-213 tamin'ny 21 marsa 2006, manova sy manitsy ny didim-panjakana laharana faha 2019-251 tamin'ny 07 marsa 2019 nananganana ny "Autorité de Régulation des Technologies de Communication de Madagascar (ARTEC)". Ny ARTEC dia tompon'andraikitra amin'ny fanangonana ny vola avy amin'ireo sarany amin'ny vokatra (redevances) sy ireo hetra isan-karazany izay arotsany avy hatrany ao amin’ny kaontin'ny FDTIC araka ny lalàna sy fitsipika manan-kery ao amin'ny Kaonty mandrafitra io tahirim-bola io.

    Ny ARTEC dia tompon'andraikitra amin'ny fanatanterahana ny fanaraha-maso ny lafiny fandrakofana ara-jeografika amin'ireo tolotra fifandraisan-davitra fototra sy amin'ny fanaraha-maso ny fanarahan'ireo mpandraharaha ny fanatanterahana ny anjarany amin'ny fahazoana famatsiam-bola avy amin'ny FDTIC.

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana momba ny Tahirim-bola ho fampandrosoana ny fifandraisan-davitra sy ireo teknolojian-tserasera (FDTIC)

    Efa an-taonany maro no am-perin’asa izany tetibola izany hahafahan'ny vahoaka malagasy indrindra fa any amin'ny tontolo ambanivohitra mampiasa ireo fitaovana fifandraisan-davitra. Mila fanavaozana ankehitriny ny andininy sasany amin’ny didim-panjakana nametraka izany noho ny fivoaran’ny teknolojia sy ny filan'ny mponina mifanaraka amin'ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny teknolojia vaovao mba hipàka any amin'ny vahoaka ny fampiasana io tahirim-bola io.

    Voafaritr’ity didim-panjakana ity ny hanitarana ny famatsiam-bolan'ny FDTIC amin'ireo programa sy tetikasa momba ny fampihenana ny fitokana-monina ara-nomerika, ny fampanarahana araka ny haitao ara-kajy mirindra ireo tolotra omen'ireo sampan-draharaham-panjakana sy ny fampandrosoana ny toekarena nomerika. Ny fampiasana ny famatsiam-bola any amin'ireo faritra mitoka-monina dia mijanona ho laharam-pahamehana amin’ireo fandaharan’asa sy tetikasa voalaza ireo.

 

Natao ny 04 septambra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika