TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 28 aogositra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 28 aogositra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    Mialohan'ny hirosoana amin'ireo lahadinika dia nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ara-kajy mirindra eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny Filohan’ny Repoblika. Mba hialana amin'ny fandaniana taratasy dia noraisina ny fanapahan-kevitra fa ao anatin’ny "tablettes" avokoa ireo lahadinika ho dinihina sy ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny Filan-kevitry ny Ministra.

    Manaraka izany dia nanome toromarika ihany koa ny tenany mikasika ny fandraisan'i Madagasikara ny Fihaonana an-tampon'ny SADC amin'ny taona 2025.

    Mametraka sy manamafy ny diplomasia isika hoy izy ary mbola maro ireo firenena izay tokony hametrahana Masoivoho hanamafisana ny ainga vao ara-diplomatika izay napetrantsika izao. Ny nidiran'i Madagasikara eo anivon’ny Troïka an'ny SADC dia manamarika fa ho isan’ireo firenena mamaha olana i Madagasikara rehefa hisy ny olana eo anivon’ireo firenena Afrikanina mikambana ao amin’ny SADC.

    Araka izany amin'ny volana aogositra amin'ny taona 2025 dia handray ny fihaonana an-tampon’ny SADC isika. Miisa 16 ny filoham-panjakana ho avy hanatrika izany ary tsy maintsy mivonona isika amin’ny fandraisana io fihaonana an-tampony lehibe io ka maro ireo fotodrafitrasa hatsangana araka izany araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy hifarimbona sy hifanome tanana ny minisitera isantsokajiny handray izany fihaonana an-tampony izany amim-pahamendrehana.

    MINISITERAN'NY NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanendrena ireo Masoivohon'i Madagasikara amin'ireto firenena manaraka ireto:

    - Masoivohon'ny Repoblikan’i Madagasikara any Maroc, any Rabat:

    Andriamatoa Johary Hoela RAJOBSON

    - Masoivohon'ny Repoblikan’i Madagasikara any Etazonia, any Washington DC:

    Ramatoa Lantosoa Solo Andry RAKOTOMALALA

    Marihina fa ny fanendrena amin'ny fomba ofisialy an'ireo masoivoho ireo dia miankina amin'ny fankatoavan'ireo firenena hampiantrano azy ireo.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny "Village de la Francophonie" izay hetsika an-kilan'ny fihaonana an-tampon'ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay izay tanterahina any Paris ny 02 hatramin’ny 06 oktobra 2024. Lohahevitra manokana nosafidian’i Madagasikara mandritra izany hetsika ara-kolon-tsaina izany ny hoe "Ré-enchanter le monde" izay hampahafantarana ny fomba amam-panao malagasy amin’ny alalan’ny zava-kanto. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny endrik’i Madagasikara ary minisitera maro no hifanome tanana handray anjara amin'izany.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoana amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Fikambanana tsy miankina « MERCY SHIPS ». Tamin'ny taona 2014 no natao ny fifanaovan-tsonian’ny fifanarahana voalohany ary tamin'ny taona 2018 no nosoniavina ny tovan'izany fifanarahana izany. Efa hifarana ny fe-potoan'izany fifanarahana izany ka hiroso amin’ny fanatanterahana fifanarahana vaovao eo amin’ny roa tonta. Nanamarika ny Filohan’ny Repoblika fa tena ilaina ny fanomezana fahasalamana manakaiky ny vahoaka ka noho izany dia tokony amafisina sy apetraka ihany koa ny fampisitrahana ny "caravane médicale" ireo faritra rehetra manerana ny Nosy.

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana ny hetra sy haban-tseranana momba ny fanafarana kaontenera ana Plumpy Nut, ho an'ny Minisiteran'ny Fitsarana handraisana an-tanana ireo tratrarin'ny tsy fanjarian-tsakafo eny amin’ireo fonja. Mila hamafisina ny fametrahana ireo tobim-pamokarana “Camps penal” mba hahafahan'ireo voafonja miasa sy mamokatra ny sakafo ilainy mba tsy ho vesatra ho an'ny minisitera tompon'andraikitra hoy ny Filohan’ny Repoblika. Nanome toromarika ny tenany ny hisian'ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran'ny Fitsarana, ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana sy ny Sekreteariam-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo hanatanterahana izany.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandaharana ireo laharam-pahamehana amin'ireo tetikasa vatsian'ny Eximbank an'i Korea araka ireto manaraka ireto:

    1. Fahamahana ny olan'ny rano: nandritra ny dian'ny Filohan’ny Repoblika tany Korea ny volana jona farany teo dia nitsidika orinasam-panjakana fanadiovana sy famokarana rano fisotro madio tao Korea K'WATER ny tenany. Nisy ny fifampiresahana mba hametrahana paikady hahafahana mamaly ireo tsy fahatomombanana samihafa amin’ny famatsian-drano eto Antananarivo voalohany ary manerana ny Nosy mba hampitomboana ny isan'ny mponina misitraka rano fisotro madio.

    2. Famatsiana ny fanamboarana ny lalana RN1 Bis

    3. Famatsiana ny fananganana ny ivon-toerana mpamokatra herinaratra hydroélectrique ao Antetezambato hanampiana ny tambazotra iraisan'Antananarivo (RIA) 140MW miampy 60MW

    4. Fanamboarana ny zotra mampita herinaratra ho vokarin'ny ivon-toerana mpamokatra herinaratra hydroélectrique ao Antetezambato

    5. Fananganana ivon-toerana mpamokatra herinaratra hydroélectrique ao Talaviana hanampiana ny tambazotra iraisan'Antananarivo (RIA)

    6. Fanatsarana ny lakandranon'Andriantany

    7. Fananganana trano mora (logements sociaux) miisa 15000

    8. Fananganana "maisons communautaires" izay mahazaka ny fiovaovan'ny toetrandro

    9. Fanatanterahana ny tetikasa "Quartier Intelligent sur Pilotis" manemitra ny Rocade Iarivo ho fanamafisana ny fahafaha-miarina an-tanàn-dehibe

    10. Fanatanterahana ny tetikasa National Emergency Management Information System (NEMIS) ho fanamafisana ny rafitra Filaminam-bahoaka

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara an-tanana ny fandaniana amin'ny Fivoriambe an'ireo "actionnaires Africa 50". Firenena Afrikanina miisa 31 no mivondrona eo anivon'ity Africa50 ity izay ahitana ireo minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ireo Governora'ny Banky foibe sy ny eo anivon'ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana. Ny fandraisana izao fivoriam-be izao dia hampahafantatra fa misokatra amin'ny fampiasam-bola i Madagasikara ary indrindra hampiroborobo ny fampiasam-bola amin'ireo sehatra laharam-pahamehana ho an'ny firenena Malagasy.

    Nanamarika nefa ny Filoha fa mbola misy fifanarahana samihafa mila atao ary misy adi-varotra tsy maintsy atao vao hankatoavina tanteraka ny fandaniana rehetra. Tsy hitsanga-menatra i Madagasikara amin’ny fandraisana io fihaonana an-tampony izay hampiantrano filoham-panjakana io nefa kosa ny vola rehetra izay hampiasaina dia tsy maintsy handalo fandalinana lalina mba tsy hisy fanararaotana na koa fandanindaniam-poana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fampidirana ireo solosaina lenovo miisa 12 mitentina 10 932 USD sy ireo fitaovan-dokambarotra samihafa izay nafaran'ny Emirates Airline amin’ny fampahafantarana ny fisian’ny sidina.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana fanafahana amin'ireo dingana amin'ny fandefasana tolo-bidy amin'ny fanamboarana ireo bileta tokana sy taratasim-pifidianana ataon'ny CENI.

    Taorian’ny fanadihadiana maromaro natao dia hita fa tsy afaka mamokatra ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana ireo trano printy eto an-toerana ao anatin’ny fe-potoana ilaina hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna hatao ny 11 desambra 2024, noho ny fepetra ara-teknika takiana. Mba hiantohana ny fiarovana ny antontan-taratasim-pifidianana saro-pady sy ny fanajana ny fenitry takiana izy ireny, dia fifampiraharahana mivantana no vahaolana mety indrindra. Mahafeno ny fepetra ara-teknika takiana ny orinasa REN-FORM izay iarahan’ny CENI niasa nanomboka ny taona 2018, amin’ny fanomanana sy fandrafetana ireo taratasim-pifidianana.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny ambiny amin'ny tetibola madion'ny Minisiteran'ny (RPI) ao amin’ny kaontim-bolan'ny tetikasa fanitarana ny "périmètre Bas-Mangoky" (PEPBM) - Toliara. Io ambina tetibola io dia hentina hanatanterahana ireo asa fikojakojana sy ny fanadiovana maika ireo lakandrano amin'ny "périmètre Bas Mangoky". Ny ankoatra izay kosa dia tsy maintsy mbola hodinihina eo anivon’ny filakevitry ny minisitra ihany.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampidirana eto Madagasikara ny vaksiny anti-HPV miady amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ho an'ireo ankizy vavy 9 hatramin’ny 14 taona manerana ny Nosy. Tanjona ny hiarovana ireo zazavavy malagasy amin'ity areti-mandoza ity. Ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza no homamiadana faharoa voatily betsaka indrindra eny amin'ireo hopitaly eto Madagasikara aorian'ny homamiadan'ny nono. Marihina fa efa misy ny mammographie na fitiliana maimaim-poana ny homamiadan'ny nono eny amin’ny CHU Andrianjato Fianarantsoa sy ao Andohatapenaka izay napetraky ny fitondram-panjakana.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana « Oxygène Analyzer Handheld Ultrasonic », ho an'ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka izay nafaran'ny "Unité de Coordination des Projets".

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fonosana entana miisa 13 misy fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fonosana entana miisa 3 misy fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fonosana entana miisa 42 misy fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ho an'ny sampana mitsabo maso, sofina sy ati-vava

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famerenena ny fitaterana an-dranomasina eo amin'i Kaomoro sy Madagasikara. Taorian’ny filazana ny fisian'ny valan’aretina kolera tao Kaomoro ny volana febroary 2024 dia nanambara ny Minisiteran'ny Fahasalamana sy ny Fiarovana ara-tsosialy tao Kaomoro, fa noho ny ezaka amin'ny fifehezana ny valan'aretina dia nahafahana nanao vaksiny 488.185 amin'ny mponina 833.266 voan'ny kolera. Efa nihena ny fihanaky ny valan’aretina ankehitriny ary hatramin'ny 29 Jolay lasa teo dia tsy nisy tranga vaovao. Ny tsy fisian'ny marary vaovao tao anatin'izay roa herinandro mahery, dia manondro fa tapaka ny rojom-pifindran'ny aretina. Noho izany dia azo atao ny mamerina indray ny fitaterana an-dranomasina eo amin'i Madagasikara sy Kaomoro. Mitohy hatrany anefa ireo fepetra fitandremana rehetra (chimio prophylaxie ciblée) ho an'ireo mpandeha avy any amin'ny firenena nahitana valan’aretina kolera ary koa ny fitazonana ny fepetra ara-pahasalamana ho an'ny fahatongavan'ireo sidina iraisam-pirenena.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava ny tatitry ny fanatanterahana ny tetikasa TSIMBINA araka ireo toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika. Taorian’ny fifampiresahana izay nataon'ny Filohan’ny Repoblika tamin'ny mpiara-miombon'antoka dia tokantrano miisa 821.250 amin’ireo distrika 120 manerana ny Nosy no hisitraka izany tetikasa fiahiana ara-sosialy izany raha toa ka miisa 657.000 no vinavina tany am-boalohany. Tantsoroka sy vatsy ara-bola mitentina 200.000 ariary no omena isaky ny tokantrano izay aloha in-droa miantoana amin'ny alalan'ny "mobile money". Natao laharam-pahamehana ny tanàn-dehibe ary ho an'Antananarivo renivohitra manokana dia miisa 150.000 ireo tokantrano manerana ireo boriboritany enina no hisitraka ny fandaharan'asa Tsimbina.

    Tokantrano miisa 522 759 no efa nisitraka izany ho an'ny Faritra Analamanga, Sava, Diana, Sofia, Boeny, Betsiboka, Anôsy, Androy, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Itasy, Vakinankaratra, Menabe, Amoron’i Mania, Atsinanana, Analanjirofo ary Alaotra Mangoro. Hitohy ny 2 septambra 2024 kosa ny fizarana izany vatsy ara-bola izany ho an'ireo izay mbola tsy nisitraka izany

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny handraisana sy hikarakaran'i Madagasikara ny "tournoi de quatre Nations" sy ny fanomanana ireo lalao fifanitsanana andehanana any amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2026 taranja baolina kitra.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handoavana ireo "primes de présence" an'ireo mpilalao sy ny ireo staff ao amin’ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra ary ireo fandaniana amin'ny fivondronana amin'ny fifanitsanana ho an'ny CAN any Maroc 2025

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin'ny fanatanterahana ny tetikasa fitaterana an-tariby, zotra volomboasary mampitohy an'i Soarano - Ambatobe (fandefasana laharana 84, 86, fitaterana an’habakabaka laharana faha 04 sy vondron mpiary herinaratra S05).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tsena amin'ny fanamboarana BTC sy asa fanamboarana ireo trano miisa 490 amina velaran-tany 36m² avy, notsinjaraina ho "lots" miisa 16 araka ny laharam-pahamehana amin’ny tetibolan'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana ho an'ny taona 2024 ho an'ny tetikasa Ankohonana Miarina. Trano miisa 490 no ahorina ahitana trano 83 ao Fieferamanga (10 efa vita ary 73 sisa no anton'ny tsenan’ny “Lot” 7) ary 417 eny Ambohimiarina. Nanao tolo-bidy ny SENVH hisafidiana ireo orinasa hanangana ireo trano ireo. Ho an’i Fieferamanga dia efa voatsinjara avokoa ireo orinasa nahazo ny asa. Torak’izany koa ny eny Ambohimiarina mikasika ny fanamboarana ireo “lots” ana BTC miisa 5 ary koa ny “lots” faha-9 sy faha-10 hanorenana trano 90. Naverina nosokafana araka izany ny tolo-bidy ho an’ireo “lots” miisa fito ambiny amin’ny fanamboarana trano eny Ambohimiarina. Ny 28 aogositra 2024 no daty farany hanaterana ireo tolotra. Anisan'ny tetikasa laharam-pahamehana ho an'ny Filohan’ny Repoblika ny fanatanterahana ny tetikasa Ankohonana Miarina ary ny toerana hanatanterahana izany no voalohany notsidihany ho an'ity fe-potoam-piasana faharoa ity. Ity tetikasa ity dia hanampy ireo ankohonana tena vonona hiarina amin'ny fiainana, hahaleo tena amin'ny alalan'ny fanomezana trano fonena sy tany hambolena sy fiofanana samihafa. Niantso ny fiaraha-miasan'ny Minisitera rehetra voakasika izany ny Filohan’ny Repoblika mba hanafaingana ny fanatanterahana ny tetikasa

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome "bonification d’ancienneté de port de grade" ho ana manamboninahitra eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ho fankasitrahana ireo mpitandro ny filaminana izay nanao hetsika tena miavana amin’ny fanolorana ny ainy ho fiarovana ny vahoaka sy ny tanindrazana.

 

Natao ny 28 aogositra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika