TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 07 aogositra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 07 aogositra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony izay miandraikitra ny fampandehanan-draharaha andavanandro.

  • I- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    GOVERNEMANTA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa PARN / ONN izay hiarahana amin'ny UNICEF sy ny UNOPS

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara ny andiany faha dimy amin’ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena sy Governemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI).

    Handray anjara amin'izany fihaonana an-tampony izany ny Filoham-pirenen'ny Nosy Comores, Seychelles, Maorisy ary France. Izany fihaonana izany dia hialohavan’ny Filan-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahinin'ireo firenena dimy mpikambana sy ny "Comité des Officiers Permanents de Liaison" (COPL) eo anivon’ny COI. Handray anjara amin'izany hetsika izany ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpikambana mpanara-maso eo anivon’ny COI toy ny Vondrona Eoropeana, ny Agence Française de Développement (AFD), ny Firenena Mikambana, ny Banky Iraisam-pirenena, Chine, Inde ary Japon.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny lanonam-pianianan'ny Filohan’ny Repoblikan'i Rwanda, Andriamatoa Paul KAGAME, ny 11 aogositra 2024 any Kigali. Nahazo fanasana manokana amin'izany ny Filohan’ny Repoblika malagasy izay hitarika ny delegasiona any an-toerana. Handray anjara amin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'izany lanonana manan-tantara ho an'i Rwanda izany ary indrindra mariky ny fanamafisana orina ny fifandraisana eo amin’ny firenena samy afrikanina.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fihaonana an-tampony momba ny fiaraha-miasa eo amin'i Chine sy Afrika izay atao any Beijing ny 4 hatramin’ny 6 septambra 2024 sy ireo hetsika an-kilan'izany fihaonana an-tampony izany ny 6 hatramin’ny 10 septambra 2024. "Miara-miasa amin'ny fampiroboroboana ny fanavaozana sy fananganana vondrona Chine-Afrika avo lenta ho an'ny hoavy iombonana" na "Travailler ensemble à promouvoir la modernisation et à construire une communauté d'avenir partagé Chine- Afrique de haut niveau » no lohahevi-dehibe ho an'ity FOCAC ity. Maromaro ireo lohahevitra ho dinihina mandritra izany ary i Madagasikara dia handray anjara manokana amin'ny lohahevitra momba ny fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika, ny fambolena maoderina sy ny fandrosoana maitso an-dalam-pivoarana ( Accompagner l'Afrique dans l'industrialisation, la modernisation agricole et le développement vert sur la voie de la modernisation). Hisy ny fanambarana sy ny drafitr'ireo asa hatao izay hankatoavina mandritra izany fihaonana an-tampony izany. Ireo no hamaritra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Chine sy Afrika amin'ny ankapobeny fa indrindra ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Chine. Etsy ankilany dia handray anjara amin'ireo fivoriana miaraka amin'ireo mpandraharaha sinoa ihany koa ny delegasiona malagasy.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra no hanaovana ho laharam-pahamehana ny tetikasa “Medium Ring Tana” amin’ny fahazoana ny famatsiam-bola avy amin’ny EXIMBANK Chine izay fiaraha-miasa amin’ny governemanta malagasy sy sinoa.

    Anisan’ny tetikasa goavana hanangana zotra fitaterana angovo an’habakabaka izay hanohana amin’ny famokarana herinaratra ho an’ny Faritra Analamanga hatrany Vakinankaratra sy Itasy ity tetikasa ity. Nohamafisin’ny Governemanta malagasy araka izany ny maha-laharam-pahamehana ny Medium Ring Tana izay hampitombo ny fisitrahan’ny mponina herinaratra ary mifanindran-dalana tanteraka amin’ny andry iankinan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana dia ny fampivoarana ny maha olona sy ny fampiroboroboan’ny indostria eto Madagasikara.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ireo lamina ara-pitantanana sy ara-bola mifandraika amin’ny famindrana ny famatsiana avy amin’ny Fitondram-panjakana ho fampandehanan-draharaha ho an’ireo Centres Hospitaliers Universitaires an'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Marihina fa nisy fanaraha-maso akaiky ny mikasika izany ary hita fa nisy ezaka goavana afaka nataon’ny Ministera ka nahavita nampihena 40% raha oharina amin’ny taona 2023 izany famatsiana izany.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny fanatanterahana ny fandaharan'asa fiahiana ara-sosialy TSIMBINA. Tanjon'ity fandaharan'asa ity ny hanohanana ireo tokantrano marefo ara-pivelomana mba hanalefahana ny fiantraikan’ny fiakaran'ny vidim-piainana sy hitazomana ny ankizy hianatra amin'ny alalan'ny fanampiana ara-bola aloha in-droa miantoana sy miaraka amin'ny tan-tsoroka. Tokantrano miisa 657 000 farafahakeliny amin’ireo distrika 119 manerana ny Nosy no hisitraka izany : 53% an-tanàn-dehibe, 47% faritra ambanivohitra. Ireo tokantrano efa misitraka ireo fandaharan'asa sosialy toy ny Vatsin'Ankohonana, Asa Avotra Mirindra, Mijoro, Milofo dia tsy afaka misitraka ny TSIMBINA. Tsy misy vola alohan'ireo tokantrano mba hahafahan'izy ireo misitraka izany. Lelavola 250.000 ariary no omena isaky ny tokantrano izay aloha in-droa miantoana: 100.000 ariary ny tapany voalohany ary 150.000 ariary ny tapany faharoa. Ankoatra ny fanomezana lelavola dia misy ihany koa ireo tan-tsoroka omena ireo tokantrano momba ireo fomba fanao manatsara ny toe-piainan'izy ireo, ny fanatsarana ny fanabeazana ny ankizy sy fanentanana amin'ny fomba fisakafo ara-pahasalamana ary ny fomba fampitomboana ny fidiram-bola isaky ny tokantrano. Mba hahafahan'ireo mpisitraka mahazo ny ampahany faharoa amin'ilay fanampiana dia tsy maintsy mandray anjara amin'ireo tan-tsoroka izy ireo.

    Tokantrano miisa 251 191 amina distrika 67 ankehitriny no efa nisitraka ny TSIMBINA. Ho an'ny Faritra Analamanga dia nisy ny andrana fandoavana ilay lelavola amin'ny alalan'ny mobile money ho ana tokantrano miisa 182 tao amin’ny Fokontany Ampahibe. Manaraka izany, tokantrano 2724 manerana ireo boriboritany dimy no hisitraka ny ampahany voalohany izay ho tanterahina amin’ity herinandro ity, vatany vao azo ny fankatoavana izao fampitana am-bava izao.

    Laharam-pahamehana ireo tokantrano an-tanàn-dehibe sy ireo faritra atsimon'ny Nosy izay misedra ny fiakaran'ny vidim-piainana sy mba hanohanana azy ireo amin'ny fidiran'ny mpianatra ho avy izao.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    Anisan'ny fanoitra amin'ny fampandrosoana ara toe-karena ny asa tanana izay miteraka asa sy mikendry ny maha olona araka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Miisa 2 tapitrisa ny mpanao asa tanana malagasy izay mitsinjara amina sehatra 14 ary mahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa euros ny fidiram-bola azo avy amin’ny fanondranana ireo asa tanana any ivelany. Ho fampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana indrindra, dia nanapa-kevitra ny hanangana toerana hamondronana ireo mpanao asa tanana ny Fitondram-panjakana izay apetraka ao Ivato, vavahady idirana eto Madagasikara. Hanomboka araka izany ny fananganana ny "village artisanal" ary hifandrimbona amin’ny Fiadidina ny Repoblika ny Minisitera amin’ny fametrahana ny lamina entina hanatanterahina izany. Hisy ihany koa tetikasa manokana « rue piétonne » mialoha ny “village artisanal » izay hanova endrika tanteraka iny faritra eny Ivato iny.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hetsika fandroahana ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany an-tsokosoko izay mahazo vahana ao amin’ny Corridor Fandriana Vondrozo. Tamin’ny faran'ny volana jona 2024 teo no nahitana fitrandrahana tsy ara-dalàna ao amin’ny faritra arovana ao Ivohibe ao anatin'ny faritra arovana corridor Fandriana Vondrozo. Olona maherin'ny 3000 no mitrandraka vatosoa toy ny rubis ao an-toerana. Tsy maintsy mandray andraikitra ny fitondram-panjakana manoloana fihombon'ny olona tonga manao fitrandrahana an-tsokosoko ao amin'izany faritra arovana izany ka mitondra voka-dratsy maro eo amin’ny lafiny tontolo iainana, ny toekarena sy ny lafiny sosialy. Eo ihany koa ny fandikan-dalàna sy ny tsy fanarahana ny sata mifehy ireny faritra arovana ireny sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Tsy maintsy hirosoana araka izany ny hanatanterahana hetsika fandroahana tsy misy hatak'andro ireo mpitrandraka an-tsokosoko ireo amin'izany faritra arovana izany. Iombonan'ny sampan-draharaham-panjakana rehetra voakasika ny fanatantarahana izany hetsika izany.

    Nanao fanamarihana nefa ny Filohan’ny Repoblika fa tokony misy ambina manokana ny toerana toy ireny mba tsy hisy hihoa-pefy ary indrindra tsy hisy fitrandrahana an-tsokosoko vao mainka hihombo ho an’olom-bitsy. 

  • II- FANAFOANANA

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1569 tamin'ny 12 desambra 2023 nanendry ny Kaomandin'ny fari-piadidian'ny Zandarimariam-pirenena ao Toamasina

 

Natao ny 07 aogositra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika