TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 24 jolay 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany Alatsinainy 05 Aogositra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra sasantsasany.

  • I- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana laharana faha 2024-1490 miantso fivoriana tsy ara-potoana ny Parlemanta ny zoma 09 aogositra 2024 sy ny alatsinainy 12 aogositra 2024 ho fampiharana ny andininy faha 76 sy 85 ny Lalàm-panorenana.

    Ny andininy faha 76 amin’ny Lalàm-panorenana tokoa dia manambara fa ny Antenimieram-pirenena dia antsoina hivory tsy ara-potoana, araka ny lahadinika voafaritra mazava amin’ny alalan’ny didim-panjakana noraisin’ny Filohan’ny Repoblika eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra, noho ny fangatahan’ny Praiminisitra, na noho ny fangatahan’ny vondrona manana ny maro an’isa izay mandrafitra ny Antenimieram-pirenena.

    Tsy mihoatra ny roa ambin'ny folo andro ny faharetan'izany fivoriana izany ary misy ny didim-panjakana famaranana raha vantany vao tapitra ireo lahadinika nivorian’ny Antenimieram-pirenena.

    Araka izany, ny lahadinika mandritra izany fivoriana tsy ara-potoana izany ny fampahafantaran’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, amin’ny Parlemanta ny fandaharan’asa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana araka ny andininy faha 99 ny Lalàm-panorenana.

    Araka ity andininy faha 99 ity hatrany, eo an-dalam-panatanterahana izany fandaharan’asa izany raha toa ka misy fanovana heverin’ny Governemanta tsy maintsy hatao, ny Praiminisitra no manolotra ireo fanovana ireo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izay afaka manolotra soso-kevitra.

 

Natao ny 05 aogositra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika