TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 24 jolay 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 24 jolay 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony izay misahana ny fampandehanandraharaha andavanandro.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    Nidina ifotony nijery izay hanatsarana ny fomba fiasa sy fandraisana olona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Filohan’ny Repoblika omaly 23 jolay 2024. Vavahady idirana eto Madagasikara ny ao Ivato ka tokony taratry ny fandraisan'ny firenena malagasy ireo vahiny io seranam-piaramanidina io. Maro nefa ny fitarainana azo mikasika ny kolikoly sy fanararaotana ataon'ireo tompon'andraikitra ao an-toerana amin'ireo mpandeha na malagasy na vahiny ka mitarika sakana ho an’ny mpizaha tany ho tonga eto Madagasikara izany. Mila hatsaraina ny fomba fiasa indrindra amin'izao fahatongavan'ny sidina mivantana mampitohy an'Antananarivo sy Dubai izao. Vinavinaina fa ahatratra mpizaha tany 970.000 hatramin’ny 1 tapitrisa amin'ity taona 2024 ity.

    Entitra ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy miova ny fomba fiasa sy fandraisana ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ary voakasik'izany avokoa na ireo mpiasa amin'ny fadin-tseranana, na ireo polisin'ny sisin-tany, na ireo zandary misahana ny fitandroana ny filaminana eny amin’ny seranam-piaramanidina, na ireo mpikirakira na ny fitsirihina olona sy entana, na ny fibatana entana.

    Araka ny nambaran'ny Filohan’ny Repoblika hatrany dia nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo fanapahan-kevitra hiadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato sy ny fampiharana ireo fepetra ireo avy hatrany.

    Ireto manaraka ireto no fepetra voalohany sy maika indrindra nametrahan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tsindrim-peo manokana:

    .Tsy maintsy hatsaraina sy hafainganina ny fidirana sy fivoahan’ireo mpandeha na vahiny na Malagasy eo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy ireo seranam-piaramanidina izay mandray vahiny hafa koa. Araka izany tsy tokony mihoatra ny adiny iray ny fandraisana ny olona midina ny fiaramanidina manomboka amin’ny fandraisana ireo antontan-taratasy hatramin’ny fangalana ny entana.

    .Tokony hafainganina ny fanomezana VISA ary mila jerena manokana ny mikasika ireo Malagasy manana zom-pirenena hafa satria tsy tokony mandoa saran’ny visa raha manana ny pasipaoro Malagasy. Hapetraka ihany koa ny fampanarahana ara-kajy mirindra ny fanomezana ireo visas.

    . Hodinihina sy hohamaivanina ihany koa ny antonta-taratasy ilaina mikasika ny vola vahiny miditra sy mivoaka ny sisin-tany.

    . Hanendry “CONTROLEUR GENERAL DE L’AEROPORT” izay ho lehiben’ny fampandehanan-draharaha rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina ary hatao miova isaky ny enim-bolana araka izay azo atao izy io. Tompon’andraikitra iray avy eo amin’ireo sampan-draharaha miasa ao amin’ny seranam-piamanidina no hotsongaina amin’izany.

    . Hisy toerana afaka hametrahana fitarainana sy laharana maitso afaka antsoin’ny mpanjifa iza hapetraka eny am-piaingana sy eny am-pahatongavan’ireo mpandeha. Nanomboka niasa ny 22 jolay 2024 izany toerana izany ary hatsaraina hatrany ny tolotra hahafahan'ireo mpandeha manao fitarainana, mitoroka trangana kolikoly na fanaparam-pahefana eo anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato. Misy ihany koa ny laharana maitso 360 an'ny Fandintseranana izay azo antsoina maimam-poana sy azo ampiasain'ny olon-drehetra. Ny Fadintseranana no mitantana ity laharana maitso ity ary andraikitry ny Comité Aéroportuaire de Sûreté et de Facilitation (CASFAL) kosa ny fizarana ireo torohay. 

    Notsindrian'ny Filohan'ny Repoblika fa ny fitarainana rehetra dia tsy maintsy omena valiny fa tsy avela ho very anjavona fotsiny. Izany no ahafahana manaporofo amin'ny vahoaka sy ireo mpandeha fa nisy marina ny fandraisana andraikitra ijerena hoe mitombina sa tsia ilay fitorohana. Ary nanamafy ihany koa izy fa tsy tokony hatahotra ny manao fitarainana rehefa sendran’ny tsy rariny fa adidin’ny fitondram-panjakana ny miaro izay manana ny rariny : na ny mpampiasa ny seranam-piaramanidina izany, na ny mpiasa ao aminy.

    . Hojerena manokana ny mikasika ireo tovovavy izay manana fikasana hanao “filles au pair” any amin’ireo firenena efa miara-miasa amin’i Madagasikara amin’izany ka hamoraina sy hafainganina ny fandefasana azy ireo rehefa toerana tsy ananana ahiahy – ho vitaina anatin’ny 15 andro farafaelany ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra

    . Hotsirihina manokana ihany koa ireo tompon’andraikitra eny amin’ny seranam-piaramanidina izay migeja tsy an-drariny ny pasipaoron’ireo mpizaha tany izay tonga eto Madagasikara.

    Nanao fanamarihana ny Filoham-pirenena fa misy anarana tompon’andraikitra roa ao amin’ny seranam-piaramanidina izay miverimberina foana amin’ny resaka kolikoly mandritry ny fotoana fiasan’izy ireo ka hanaovana fanadihadiana manokana izany. Hiato avy hatrany amin’ny asany aloha izy ireo ary handraisana ny fepetra mifanandrify rehefa voamarina ny fanadihadiana.

    Fandrindrana ny fampiasana ireo “badges”

    Ankehitriny miisa 5000 ireo "badges" ho an'ireo mpiasa eo anivon'ny seranam-piaramanidina Ivato, 1100 kosa ireo "badges visiteurs" ho an'ireo tompon'andraiki-panjakana mivezivezy miditra sy mitsena olona ao an-toerana. Tsy maintsy asiana fanadiovana ny fanomezana ireo badges ireo.

    Miato ny fanomezan'ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) ireo "badges visiteurs". Ny fitsenana sy ny fanaterana ireo mpandeha dia hatao eny amin’ny faritra voatokana amin'izany ao amin’ny seranam-piaramanidina. Mety hisy kosa ny fanomezan-dalana manokana amin'ny alalan'ny fangatahana an-tsoratra misy ny sonian'ny minisitra na lehibena andrimpanjakana mpangataka ary hangatahana fankatoavana eo anivon’ny ACM.

    Ny fanaovana "badges permanents" izay navoakan'ny ACM dia natokana ampiasain'ireo mpiasa mandritra ny ora fiasany ihany ary voarara tanteraka ny mampiasa izany ivelan'ny ora fiasana. Tsy maintsy apetraka ny lisitr'ireo mpiasan'ny seranam-piaramanidina avy amin'ny sampana tsirairay hahafahana manao fanamarinana eo anivon'ny ACM Ny fampiasana ireo "badges permanents" eny amin’ny fahatongavana sy eny am-piaingana dia tsy maintsy misy fanaraha-maso ary ny fampiasana izany amin'ny tsy tokony ho izy tsy maintsy taterina amin'ny sampana misy ilay mpiasa. Tsy maintsy manao tatitra amin'ny lehibeny ireo mpiasan'ny seranam-piaramanidina raha misy tranga mampiahiahy.

    - Ankoatra ireo "badges permanents" omen'ny ACM dia tokony miambozona badge misy ny anarany sy ny laharana matricule mazava tsara ireo mpiasan'ny seranam-piaramanidina rehetra.

    - Mila mampiasa mari-pamantarana mampiavaka azy ihany koa ireo mpiasan'ny fadintseranana sy ny orinasa miandraikitra ny orinasa Amarante sy izay rehetra miasa ao amin’ny seranam-piaramanidina mba tsy hisian'ny fifangaroana amin'izy ireo sy hahafahan'ireo mpandeha manavaka azy ireo indrindra eny amin’ny faritra fisavana sy fitsirihina eny amin’ny seranam-piaramanidina.

    Fanamafisana ny fitsirihina

    Hamafisina ary ampiana ireo "caméras de surveillance" eny amin’ny faritra voatokana hanaraha-maso ny sisin-tany ho fanamafisana ny fitsirihana ataon'ireo "Police de l’Air et des Frontières (PAF)

    Fisavana ara-ekonomika

    Mba tsy hisian’ny fifangaroan’andraikitra dia foanana ny « contrôle mixte » mikasika ny fisavana ara-ekonomika ka hiverina hiandraikitra tanteraka izany ny Fadintseranana. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2022 ny nametrahana io fepetra io taorian’ny fandalovana ny valanaretina Covid izay nanova betsaka ny fomba fikirakirana ny sidina teny amin’ny seranam-piaramanidina.

    Fanamafisana ireo sazy

    Entitra ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika dia ny fanafoanana tanteraka ny kolikoly amin'ny endriny rehetra ary tsy hisy indra-fo amin'ireo rehetra izay minia manao izany. Isan'ireo sazy hiatra amin'ireo tratra manao kolikoly sy manararaotra ireo mpandeha ny fandroahana tsy ho isan'ny mpiasam-panjakana intsony. Apetraka ihany koa ny fanovana matetika ireo mpiasa na "rotation systématique" ka tsy tokony ijanona miasa ao amin’ny seranam-piaramanidina mihoatra ny telo taona izy ireo. Amin'ny maha vavahadin'i Madagasikara ny seranam-piaramanidina Ivato dia ho atao fitaratry ny ady amin'ny kolikoly ity toerana ity.

    Na izany aza dia hodinihina ihany koa nefa ny fepetra fanomezana sitraka sy famporisihana ho an'ireo izay miasa tsara. Isan'izany ny fametrahana ireo "prime" ho an'ireo mpiasa mendrika.

    Fampahafantarana sy fanentanana ireo mpandeha :

    Hisy ny fampahafantarana hahafahan'ireo mpandeha mahalala ny zony sy ny tokony ataony rehefa tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina. Hatsaraina ireo takelaka ary hisy ireo “flyers” ahitana ireo torohay rehetra ilain’ny mpandeha apetraka ao amin’ny seranam-piaramanidina.

    Fanavaozana ireo didy aman-dalàna

    Tsy maintsy irosoana ihany koa ny fanavaozana ireo didy aman-dalàna izay tsy mifandraika intsony amin’ny zava-misy ankehitriny. Ireo dingana ampiharina amin'izao fotoana izao amin'ny fanaraha-maso ny fivezivezena miampita sisintany dia misy lesoka ary mitaky fanavaozana ny lalàna laharana 62-006 momba ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ny fifindra-monina ary ny lahatsoratra mifanaraka izany.

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY + MINISTERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny iraka ara-pahasalamana « Mission Harmonie 2024 », izay tanterahan'ny sambo « Arche de la Paix » ao Antsiranana ny 26 jolay hatramin’ny 02 aogositra 2024. Ity sambo ity moa dia an'ny « Marine de l'Armée Populaire de Libération de Chine » (PLA Navy). Olona 600 hatramin’ny 700 isanandro no afaka hanao fizaham-pahasalamana ao amin'ity sambo ity mandritra ny fiantsonany ao Antsiranana. Hisy ihany koa ny fifampizarana traikefa sy fampiofanana homen'ireo mpiasan'ny fahasalamana eo anivon'ity sambo ity toy vonjy aina, ny fitsaboana ireo ratra an'ady. Hisy ihany koa ny fanazaran-tena iombonana momba ny fikarohana sy famonjena ain'olona an-drano sy "évacuation sanitaire" irahana amin'ireo rafitra ara-pahasalamana miaramila.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fihaonana an-tampon’ny faha 44 an'ireo Mpitondra Fanjakana sy Governemanta eo anivon’ny SADC ny 17 aogositra 2024, any Harare, Zimbabwe. Hanamarika ity hetsika ity ny fifamindram-pitantanana eo amin'ny Repoblikan’i Angola, izay nitantana ny fihaonana an-tampon'ny SADC teo aloha sy Repoblikan’i Zimbabwe, izay handray izany fitantana izany. Lohahevitra nosafidian’i Zimbabwe ny hoe:"Promouvoir l'innovation pour ouvrir des opportunités de croissance économique et de développement durables vers une SADC industrialisée". Teboka maromaro no horesahana mandritra ity fihaonana an-tampony ity ary anisan’izany ny antso fanampiana nataon'ny SADC momba ny tranga ara-toetrandro El Niño, antso izay anisan’ny hahazoan'i Madagasikara tombony. Ankoatra izay, dia mifanindran-dalana amin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana malagasy ny lohahevitra nosafidian'ny SADC dia ny fampiroboroboana ny indostria izay andry faharoan'ny fampandrosoana.

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny Fivoriambe faha 79 ny Firenena Mikambana ny 24 ka hatramin'ny 30 Septambra 2024, any New York, Etazonia.

    Lohahevitr'izany fivoriambe izany ny hoe "Ne laisser personne de côté : agir ensemble pour faire progresser la paix, le développement durable et la dignité humaine pour les générations présentes et futures" na “Tsy hamela na iza na iza: mifarimbona hampandroso ny fandriam-pahalemana, fampandrosoana lovain-jafy ary ny hasin’ny maha-olona ho an’ny taranaka ankehitriny sy hoavy”. Manoloana izany indrindra dia hanao lahateny ny Filohan’ny Repoblika izay hitarika ny delegasiona malagasy amin’ny 25 septambra 2024, mandritra ny adi-hevitra ankapobeny, hitondrany ny feon'ny Fitondram-panjakana malagasy momba ireo lohahevitra ireo. Marihina fa voafidy ho filoha lefitr'ity fivoriambe faha 79 ny Firenena Mikambana ity i Madagasikara, mandritra ny volana septambra 2024 ka hatramin’ny septambra 2025. Hisy ihany koa ireo hetsika an-kilan'ity fivoriambe ity sy ireo fihaonana amin'ireo mpiara-miombon'antoka samihafa hanamafisana ny fiaraha-miasa ny toeran'i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitsidihana ara-panjakana izay tanterahan'ny Filohan’ny Repoblika any Guinée-Bissau, ny 29 ka hatramin'ny 30 Jolay 2024 sy any Angola, ny 31 Jolay ka hatramin'ny 1 Aogositra 2024. Tanjon'ireo fitsidihana ara-panjakana ireo ny fanatsarana ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy ny fiaraha-miasan'i Madagasikara amin'i Guinée-Bissau etsy andaniny sy Angola etsy ankilany. Mikasika ny fifandraisana eo amin'i Angola sy Madagasikara manokana dia ity fitisidihana ara-panjakana ty fitohizan'ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta ny 08 jolay 2024 lasa teo. Io ihany koa no hametrahana ny lasitry ny fiaraha-miasa amina sehatra misy tombontsoa iombonana toy ny fambolena, ny toekarena, ny toekarena manga, ny angovo sy akoron'afo. I Guinée-Bissau kosa dia anisan'ireo firenana afrikanina nanohana an'i Madagasikara nandritra ny fihanaky COVID-19 ary anisan'ireo firenena nampiasa ny tambavy CVO. Ity fitsidihana ara-panjakana ity araka izany dia hitondra ainga vao eo amin'ny firenena roa tonta ary hijerena lalam-piaraha-miasa amin’ny sehatra toy ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany, ny jono, ny fizahantany sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny COI izay natao amin'ny alalan'ny fampitandavitra ny 15 Jolay 202

    Andriamatoa Sylvestre RADEGONDE, Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Fizahantany ao amin’ny Repoblikan’i Seychelles, sady Filohan’ny Filan-kevitry ny Minisitra COI no nitarika izany fivoriana izany. Nandray anjara tamin'izany avokoa ireo firenena mpikambana rehetra. Voafidy nandritra io fotoana io ho Sekretera Jeneralin'ny COI Andrimatoa Edgard RAZAFINDRAVAHY araka ny tolo-kevitra nomen'i Madagasikara. Haharitra efatra taona ny fe-potoam-piasany manomboka ny 16 Jolay 2024 ka hatramin’ny 2028, araka ny voalazan'ny Fifanarahana Victoria manan-kery. Fahombiazana ara-diplomatika lehibe ho an'i Madagasikara ny fanendrena teratany malagasy ho Sekretera Jeneralin'ny COI izao.

    Nanararoatra ny fotoana ny Filohan’ny Repoblika niarahaba sy nitso-drano ny Sekretera Jeneralin’ny COI vaovao ary nitso-drano azy ahaleo ahalasana amin’ny andraikitra izay ho sahaniny ary hampiakatra avo hatrany an’i Madagasikara. Nanamarika ihany koa izy fa nandritry ny fihaonany tamin’ity voalohan’ny herinandro tamin-dRamatoa Huguette BELLO izay Filohan’ny filankevitra rejionalin’ny Nosy La Réunion dia niresaka mikasika ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny COI izy ireo. Anatin’izany ny fikarakarana amin’ny volana oktobra, hetsika ara-barotra goavana any amin’ny Nosy La Réunion ho an’ny mpanao asa-tanana Malagasy. Etsy an-daniny ihany koa ny fifanakalozana arak’asa sy ara-pampianarana toy ny an’ireo mpitsabo sy mpandidy.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny ampahan-tany mirefy 05Ha 71 A 83 Ca izay eo amin'ny tany mitondra ny anarana « CHAMP DE TIR » TN° 3599-BA ao Amboditononona, Commune Suburbaine Toamasina, Distrikan'i Toamasina II, Faritra Atsinanana, izay an'ny Service Militaires ankehitriny ka ho ampiasain'ny Agence Nationale d'Appui au Logement et à l'Habitat (ANALOGH) hanorenana toeram-ponenana vaovao.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo singa (pièces détachées) avy amin'ny fiaramanidina ATR72-500 MSN694 izay novidian'ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines entina hikojakojana ireo fiaramanidina efa hananany.

    Marihina fa fifanarahana efa natao mialoha tamin’ny orinasa ny fividianana io ATR io ary efa tafiditra anatin’ny “reserves de maintenance” izay efa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa. Ny hetra sy haban-tseranana kosa dia ho raisin’ny fitondram-panjakana an-tanana.

    MINISITERAN'NY ATITANY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana an'ireo "repas nutritionnels déshydratés" fanomezana avy amin'ny fanjakana brezilianina ao anatin'ny tetikasa "Action Madagascar" izay tanterahan'ny ONG "Fraternité sans Frontières" ao amin’ny Faritra Androy.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana eto Antananarivo ny andiany faha 20 amin'ny "Colloque International de l’Océan Indien sur le VIH/SIDA" ny 22, 23 ary 24 oktobra 2024. Handray anjara amin'izany fihaonana izany ireo firenena mpikambana eo anivon’ny COI sy ireo firenena hafa ary ahitana ireo mpikaroka sy ireo mpiantsehatra amin'ny ady amin'ny VIH/ SIDA.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fividianana ireo fanafody sy fitaovana vonjy aina ilaina amin’ny fanatanterahana ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana momba ireo fiara vaventy avy amin'ny fanomezan'ny Governemanta Japoney.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny lamina fandaminana ny "Cadastre Minier". Araka ny naotin'ny Filan-kevitry ny Minisitra laharana faha 159/2023-PM-SGG-SC tamin'ny 03 Avrily 2023 izay manome alalana ny minisiteran'ny harena an-kibon’ny tany hamerina tsikelikely ny fikirakirana ireo fangatahana izay niato teo anivon'ny BCMM sy ho fampiarana ny didim-pitondrana 15079/2023 tamin'ny 20 avrily 2023 dia hisy ny fanadiovana ny kadasitra. Dingana voalohany amin’izany ny fanafoanana ny fanomezan-dalana hitrandraka noho ny tsy fandoavana ny Frais d'Administration Minière (FAM), ny tsy fanavaozana sy ny fandavana tanteraka, ary famotsorana ireo carrés. Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika fa tsy azo ekena ny fanaovana “speculations” amin’ireo permis miniers fa tsy maintsy izay tena hiasa ihany no homena izany.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Ao anatin’ny fanarahana ny soso-kevitra syn y fiaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena dia nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny andraikitra sy ny fandaminana ary ny fampandehanana ny Economic Development Board of Madagascar

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1866 tamin’ny 25 septambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa MOSA TATASOA, ho Goverinora mpisolo toerana Faritra Androy.
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 222 tamin’ny 09 marsa 2023 nanendry ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Sofia

 

Natao ny 24 jolay 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika