TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 10 jolay 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 10 jolay 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana ara-potoana faha-45 an’ny Filan-kevitra mpanatanteraky ny Vondrona Afrikanina, ny 18 sy 19 jolay 2024, any Accra, Ghana.

    Ity fivoriana ity dia mifanaraka amin'ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Fihaonamben'ireo Mpitondra Fanjakana sy Governemantan'ny Vondrona Afrikanina tamin’ny 17 sy 18 febroary 2024 lasa teo, tany Addis Abeba, Etiopia. Ity fotoam-pivoriana ity dia manan-danja manokana amin'ny anjara andraikitry ny Filan-kevitra Mpanatanteraka amin'ny fandrindrana sy ny famaritana ny politika amin'ny sehatra iraisan'ny Firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Afrikana.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny filan-kevitry ny minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI), izay hatao amin'ny alalan'ny fampitan-davitra. Ny 11 jolay na 15 jolay 2024 no hanaovana io fivoriana amin'ny alalan'ny fampitan-davitra io, miankina amin'ny fahafahan'ireo mpandray anjara rehetra amin'izany, izay ahitana ireo minisitra miandraikitra ny raharaham-bahiny ao amin’ireo firenena dimy mpikambana eo anivon’ny COI. Ny fanendrena ny sekretera jeneralin’ny COI vaovao avy amin'ny tolo-kevitry Madagasikara moa no lahadinika tokana ho resahana mandritra izany fivoriana izany. Aorian'i Frantsa dia anjaran'i Madagasikara tokoa no mitana izany andraikitra izany eo anivon’ny COI ny taona 2024 hatraminy 2028, ary raha ampiharina ny "Accord de Victoria" nohavaozina dia hiitatra hatramin'ny taona 2029 izany fe-potoam-piasana izany. Mifarana ny 16 jolay 2024 ho avy izao ny fe-potoam-piasan'ny sekretera jeneraly ankehitriny, izay avy amin'ny tolo-kevitry Frantsa.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’anjaran'i Madagasikara amin'ny Fihaonambe momba ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’ny Etazonia sy ireo firenena afrikanina subsaharienne (Forum AGOA), tanterahina any Washington DC ny 24 hatramin’ny 26 jolay 2024.

    Ny Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra izay nahazo fanasana manokana handray anjara amin’izany fihaonambe izany no hitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana.

    Lohahevitra ho dinihina mandritra ity hetsika ity ny hoe "Mihoatra ny taona 2025: Fanavaozana ny AGOA ho an'ny politika mampiaty sy maharitra ary hoavy mamiratra". Ho resahana mandritra izany ireo laharam-pahamehana iombonana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa ara toekaren'ny governemanta amerikana amin'ny kaontinanta Afrikanina. Mandritra io fotoana io dia hisy ny fivoriana momba ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ny fampiasam-bola ankehitriny sy ho avy eo amin'ny Etazonia sy Afrika. Izany dia hialohavan’ny fikaonan-dohan'ny fiaraha-monim-pirenena, ireo sendikà sy ny sehatra tsy miankina. Hisy ihany koa ny fivoriana manokana ataon’ireo minisitry ny Varotra izay hiresahan'izy ireo ny fivoaran’ny politikan’ny varotra, na eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny Etazonia na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    Ny fiaraha-miasa ara-barotra eo anivon'ny AGOA moa dia mifanindran-dalana tanteraka amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria izay anisan'ny andry iankinan'ny Politikam-pampandrosoana ankapoben’ny firenena malagasy.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana fandrindram-piterahana sy fitaovana ilaina amin’ny fandidiana fonosana miisa efatra avy amin'ny UCP.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN'AFO

    Ho fampiharana ny fepetra voalazan’ny didim-panjakana laharana faha-2024-1205 tamin’ny 28 mey 2024 izay mametraka ny fampiharana ny rafitra ho an’ny fanitsiana ny vidiny ambony indrindra aseho eny amin’ny paompy (prix maxima affichés à la pompe), indrindra ao amin’ny andininy faha-4, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-pitondrana mametraka ny rafitra lasitra azo ampiharina amin'ny fivarotana solika an-tsinjarany eny amin’ny tobin-tsolika ny 1 Jolay ka hatramin'ny 31 Desambra 2024 ary hamaritana ny fomba ara-teknika amin'ny fampiharana ny mekanikan'izany fanitsiana izany.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa fanamafisana sy fanamboarana ireo rafitra fampidirana rano fisotro madio sy ireo fotodrafitrasa fanadiovana sy fidiovana mandritra ny andiany faha-efatra amin'ny Kongresy Nasionaly Eokaristika tanterahina any Antsiranana, Faritra Diana ny 23 hatramin’ny 25 aogositra 2024.

    Ho famaliana ny filan'ny mponina sy ireo mpivahiny, izay vinavinaina hahatratra hatramin'ny 18000 mandritra izany kongresy izany, dia ilaina hatao maika ireo asa ireo izay mikasika ny fanamboarana lava-drano, ny fametrahana “bloc sanitaire” mirefy 112m² sy ireo "bonbonnes" fitahirizana rano sy fitaovana samihafa. Efa voarakitra ao anatin'ny Lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana ho an'ny taona 2024 ny famatsiana ireo asa ireo. Noho ny hamehana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanaovana tolo-bidy misokatra ao anatin'ny fe-potoana voafetra ho 15 andro.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakoja amin'ny fanatanterahana ny tetikasa fitaterana an-tariby, zotra volomboasary ny ampahany mampitohy an'i Soarano sy Ambatobe. (Fandefasana andiany faha 62, 67, 77, 78, 80, 81, 82, 83 ary fitaterana an'habakabaka laharana faha 03)

  • II - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1134 tamin'ny 03 aogositra 2022 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTOARIJAONA Eugène, ho Kaomandin'ny Fari-piarovana sy Filaminana (ZDS) Fiherena (Atsimo Andrefana) Toliary eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-243 tamin'ny 03 marsa 2021 ary manendry ny Général de Brigade RAMAMONJISOA Eugène, ho Kaomandin'ny Fari-piarovana sy Filaminana (ZDS) Mandrare, (Atsimo) Taolagnaro eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1031 tamin'ny 24 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAFIDISON Richard Théodore, ho Goverinoran'ny Faritra Atsinanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAMIARANA Gilbert, ho Goverinora mpisolo toerana Faritra Betsiboka mandrindra ny fampandehanan-draharaha andavanandro.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Louis Robson, ho Goverinora Mpisolo toerana Faritra Itasy mandrindra ny fampandehanan-draharaha andavanandro.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-114 tamin'ny 15 febroary 2017 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANJAKARIVONY Hery Zo Léa Brigitte, ho Talen'ny "Centre d’Appui et de Formation Professionnelle Agricole" (CAFPA) Andranovaky-Mahitsy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-115 tamin'ny 15 febroary 2017 ary manendry an'Andriamatoa RAMILITIANA Aina, ho Talen’ny "Centre d’Appui et de Formation Professionnelle Agricole" (CAFPA) Antsirabe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-416 tamin'ny 02 may 2018 ary manendry an'Andriamatoa RABEMANANTSOA Marolahy Feno Fitiavana, ho Talen’ny "Centre d’Appui et de Formation Professionnelle Agricole" (CAFPA) Melaky.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Eddy Michel, ho Talen’ny "Centre d’Appui et de Formation Professionnelle Agricole" (CAFPA) Ihorombe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2037 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAZANAKOTO Andriambololona Herizo, ho Talen’ny "Ecole de Formation de Technicien Agricole de Bezaha"– Betioky , Faritra Atsimo Andrefana.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVAONIRINA Julienne, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Atsimo Atsinanana
  • III- SAMIHAFA

    Taorian’ny Filan-kevitry ny Minisitra, ho fanajana ny fenitra demokratika dia nametra-pialana androany ny Praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta. Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika araka izany ny didim-panjakana laharana 2024-1450 natao tamin’ny 10 jolay 2024 izay manaiky ny fametraham-pialan’ny Governemanta.

    Mandra-panendry ny Governemanta vaovao dia misahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nametra-pialana.

 

Natao ny 10 jolay 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika