TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 03 jolay 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 03 jolay 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara amin'ny Fihaonana an-tampony momba ny hoavin’izao tontolo izao na " Sommet de l'Avenir" izay ho tanterahina ny 22 sy 23 septambra 2024 any New York any Etazonia.

    Ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ity fihaonana ity dia manamarika ny fahavonantsika hanova ny fomba fitantanana maneran-tany ary hitondra ainga vao amin'ny rafitra marolafy mba hanomezana hoavy tsaratsara kokoa ho an'ny taranaka faramandimby.

    Ny hetsika dia natao itadiavana vahaolana amin’ireo fanamby goavana iraisam-pirenena sy amin’ny fanatanterahana ny tanjona iombonana. Tamin’ny 21 jona dia nisy ny fanomanana mahakasika ity fihaonana ity ary niaraka nivory ny sehatra tsy miankina sy ny fiaraha-monim-pirenena ary indrindra ireo tanora. Hisy hetsika maro ho fanentanana manokana ny tanora ary hisy tolo-kevitra hatolotr’izy ireo ny Filohan’ny Repoblika amin’ny 15 jolay. Izany no natao dia mba handraisan’ny tanora andraikitra feno eo amin’ny fandinihana ny ho avin’izao tontolo izao, indrindra ny mikasika an’i Madagasikara manokana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny andiany faha dimy amin’ny Fihaonambe momba ny fiaraha-miasa eo amin'i Sina sy Afrika ny 09 sy 10 jolay 2024 any Guangzhou, Sina.

    Ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, izay nahazo fanasana manokana avy amin'ny Association du Peuple Chinois pour l'Amitié avec l'Etranger (APCAE) no hitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana. Lohahevitra ho dinihina mandritra ity fihaonambe ity ny hoe : "Ny fananganana vondrona ho an'ny hoavy iombonana avo lenta Sina-Afrika" ary handray anjara amin'izany ireo solon-tenam-panjakana afrikanina sy sinoa mba hampiroborobo ny fifandraisana sy ny fifampizarana eo amin’ireo vondrom-bahoaka ifotony sinoa sy afrikanina.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny tany "ENERGIE IX" TN°21178-A mirefy 22 ara ao Ankadimbahoaka Antananarivo Renivohitra izay fananan'ny Minisiteran'ny Foloalindahy araka ny didim-pitondrana laharana faha 529/2007 ny 10 janoary 2007 ho an'ny orinasa TSARAORINA. Izany dia ho takalon'ny tany “FANIRIANTSOA XV” TN 7527-H eny Ambatomainty Ambohidratrimo (29a80ca) izay nafindra amin'ny anaran'ny fanjakana malagasy ny fisoratana ao amin’ny fananan-tany tamin'ny 22 jona 2021 araka ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana kaontenera ana fitaovana entina hanamboarana ivon-toerana pastoraly ho an'ny Arsidiosezin'i Toamasina ao anatin'ny fankalazana ny JMJ amin'ny taona 2026.

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny hitantanana ny faran'ny fifanarahana momba ny fanamboarana ny pasipaoro malagasy miaraka amin'ny vondrona SEMLEX EUROPE S.A

    Tapitra amin'ny 24 septambra 2024 ny fifanarahana eo amin'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka sy ny Vondrona SEMLEX EUROPE S.A. Efa miroso ny tolo-bidy iraisam-pirenena hifantenana ny izay hisolo azy ireo. Eo an-kilan'izany, dia nisy ny fifanarahana teo amin'ny vondrona SEMLEX sy ny Fanjakana Malagasy ahitana ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka handaminana ny fandoavana ireo fandaniana sisa tsy voaloa mba hiantohana ny fitohizan’ny fizarana izany pasipaoro izany. Araka izany dia tapaka fa:

    - Hisy kaonty manokana handrotsahana iroe sarany aloa amin'ny fanaovana pasipaoro

    -  Hitarina 12 volana ny fifanarahana manomboka ny 24 septambra 2024

    - Haloa in-telo miantoana ny vola tokony aloa amin'ny vondrona SEMLEX

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo "tracteurs" novidian'ny minisitera ao anatin'ny tetikasa "Agriculture Durable par une Approche Paysage"(PADAP), sy ny tetikasa "Projet de résilience des systèmes alimentaires" (FSRP).

    Ho fanatrarana ny tanjon’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo dia nametraka paikady mazava ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny fanakaikezana hatrany ny tantsaha amin’ny alalan’ny fampitaovana azy ireo.

    Ny ankamaroan'ireo toeram-pambolena dia mbola mampiasa fitaovana madinika amin'ny herin'ny tanana na ampiasana biby ary ny ankamaroan'ireo mpamboly dia tsy misy enti-manana hividianana ireo fitaovam-pamokarana lehibe. Noho izany indrindra no nahatonga ny minisitera hividy ireto fitaovana ireto:

    - Tracteurs miisa roa manana tanjaka 82CV miaraka amin'ny : sous-soleuse (défriche), charrue à soc (labour), pulvériseur à disques (pulvérisage), rotavator (pulvérisage), épandeur d'engrais (fertilisation), semoir pneumatique (semis), remorque agricole(transport)

    - Tracteurs miisa 26 ahitana à charrue à soc(labour), pulvériseur à disques (pulvérisage), rotavator (pulvérisage), semoir mécanique (semis), remorque agricole (transport)

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny tetibola handoavana ny vatsim-pianarana ho enim-bolana ho an'ireo oniversite miisa enina sy ireo IST miisa telo. Ny fandoavana ny vatsim-pianarana ho an'ny volana faha-4 ka hatramin'ny faha-6 dia hatao manomboka amin'ny Jolay 2024 sy ny volana faha-7 hatramin'ny faha-9, alohan'ny faran'ny taom-pianarana 2023-2024.

    Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy arahina tsara ny fizarana ara-drariny sy amin’ny fomba mangarahara ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy atao izay tena ahatongavan’izany amin’izay tena tokony hisitraka azy.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny vidin'ireo fitaovana ho fametrahana fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny UNOPS mikasika ny fividianana fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Izany dia hatokana hamatsiana fitaovana ireo hopitaly sy CSB manerana ny Nosy ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena amin’ny fametrahana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy manakaiky vahoaka.

    Efa maro ny ezaka vitan’ny Minisitera teo amin’ny fikirakirana ny fitaovana eo anivon’ny Minisitera nanomboka tamin’ny taona 2019 ary mbola mitohy izany ezaka izany manerana ireo distrika 120.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana FRIDGE TAG 2 E type 1 avy amin'ny UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakoja nafaran'ny Equipe Médicale Chinoise.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana « Pipet tips 0,1 – 10 microlitres non sterile bag of 1000 » avy amin'ny Commission de l’Océan Indien. Izany dia anarahana ny fitahirizana ireo vaksiny mba tsy ahasimba ireo singa ao anatiny.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny famatsiana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin'ny masoandro manana tanjaka 50MW ho an'ny "hybridation" ireo tobim-paritry ny JIRAMA « PROJET PARCS SOLAIRES ». Izany dia mikasika ny fandefasana andiany faha 20 hatramin'ny faha 23.

    Nanamafy ny Filohan’ny Repoblika fa tokony arahina maso akaiky dia akaiky ny fametrahana ireo “parcs solaires”. Satria tratra ny fanamby tamin’ny fahatongavan’ny fitaovana fa mila afainganina ny fametrahana azy. Isaky ny andro, na herinandro, na volana izay mandalo dia misy foana ny vola mivoaka amin’ny firenena mikasika ny famatsiana angovo ho an’ny mpiray tanindrazana.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ireo tetikasa Phase 3B ho fanomezana herinaratra tanàna miisa 58 amina Faritra miisa 9 eto Madagasikara. Marihina fa izao fametrahana ny tetikasa voalohany izao ihany no anekena izao fandraisana an-tanan’ny fanjakana ny hetra sy haba izao.

    Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa mbola mila ezaka maro ny fametrahana ny “transition energétique” eto Madagasikara ary miantso sahady ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina izany, ka ahafahantsika mampihena ny vidin’ny herinaratra manerana ny distrika eto Madagasikara.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin'ireo tetikasa angovo azo havaozina sy fanomezana herinaratra ny tontolo ambanivohitra, tetikasa Jiro Taratra.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fitaovana fanadiovana rano ho an'ny minisitera

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fonosan'entana « Water Treatment Equipement »

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana kaontenera miisa 2 misy "palettes" miisa 84 misy " « Water – Cont »

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manangana sy manokatra masoivohon'ny Repoblikan'i Madagasikara any Emirats Arabes Unis.

    MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana ho fampiharana ny lalàna laharana 2018-043 tamin’ny 13 febroary 2019 nohavaozina ary nampiana ny lalàna laharana 2023-026 tamin’ny 1 febroary 2024 momba ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY ATITANY + MINISITERAN'NY ASA NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny didim-panjakana mametraka ny fitsipika mifandraika amin'ireo "visas" sokajy "matihanina" (professionnelle) sy ny mpiasa manana fahazoan-dàlana manokana.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY ASA NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana fampiharana ny lalàna laharana 2023-002 tamin’ny 27 jolay 2023 momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara mikasika ny fepetra mikasika ny Tamberin’andraikitra ara-sosialin'ireo orinasa.

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa HILAIRE Talentino Richard, ho Talem-paritry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Sofia.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAMPIANDRA Mamy Jaona, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Matsiatra Ambony.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa HONG-WA Stephen, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany SAVA.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-968 tamin'ny 20 jolay 2016 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMPARANY Mioty, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Mahajanga.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-301 tamin'ny 09 marsa 2022 ary manendry an-dRamatoa EFANIVOANY Philippe Esthena, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'Ihosy.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABENANDRASANA Charles, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Betsiboka.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SOAVELO Andriamihaja Rina, ho Filoha mpisolo toeran'ny Oniversiten'Analanjirofo.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 538 tamin'ny 13 avrily 2022 ary manendry an'Andriamatoa ABDALLAH Mohamed Narcisse, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Sofia.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1062 tamin'ny 06 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZANARIVONY Mialisoa, ho "Directeur des Affaires Juridiques"

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1063 tamin'ny 13 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMBOATIANA RAZANAMASY Axel Andy, ho Talen’ny Serasera

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1179 tamin'ny 12 jolay 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAZANADRAIBE Lala Harisoa, ho "Directeur de la Planification Stratégique, de Suivi et de l’Evaluation"

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 187 tamin'ny 20 febroary 2019 ary manendry an-dRamatoa RHEEDA Syndy Laingoniaina, ho "Directeur des Systèmes d’Information"

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHARIJAONA Nekeniavo Antonio, ho Talen’ny Serasera

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 981 tamin'ny 09 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAVELOMANANTSOA Andriatiana Andonirina, ho "Directeur des Ressources Humaines"

 

Natao ny 03 jolay 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika