TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alakamisy 13 jona 2024

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 19 jona 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’ireo Minisitra isan-tokony. Ny Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta dia misolo tena an’i Madagasikara amin’ny lanonam-pianianan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Afrika Atsimo.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamokaran'ny Ozinina Miaramila ireo bala “à blanc” vita amin’ny takelaby mifono varahina ary mikombona ny vozony, izay mirefy 7,62 x 39 mm ho an’ny Kalachnikov. Efa hatramin’ny taona 1992 no tsy nisy famatsiana avy any ivelany ireo bala ireo nefa maro no ampiasan'ny Tafika Malagasy azy ireo toy ny fiofanana, ny fanazaran-tena eny an-kianja sy ireo lanonana ara-miaramila samihafa. Ho an'ireo sivily kosa dia misy ireo mampiasa izany amin'ny fanodinana ireny horonan-tsary ireny. Efa manana ny fitaovana hamokarana ireo karazam-bala ireo rahateo ny ozinina miaramila Malagasy ka tsy voatery hanafatra intsony isika.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny Programme d’Investissements Publics (PIP) ho fikojakojana ireo fiaramanidin’ny Tafika sy ho fampanarahana fenitra ireo fotodrafitrasan’ireo fari-piarovana sy ny filaminana (ZDS).

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin'ny andiany faharoa amin’ny "Forum sur l’action globale pour le développement partagé" ny 10 hatramin’ny 15 jolay 2024 any Beijing, Chine.

    Ny "Agence Chinoise de Coopération Internationale pour le Développement" (CIDCA), no mikarakara ity fihaonambe ity izay mitondra ny lohahevitra " Ireo asa mitohy ho an'ny hoavy tsaratsara kokoa" na "Les actions continues pour un meilleur avenir". Ny tanjona dia hampiroborobo ny fandaharan'asa 2030 ny Firenena Mikambana. Ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ity fihaonambe ity dia fotoana iray hanamafisana ny fanoloran-tenantsika hanatanteraka io fandaharan'asa 2030 io sy hizarana ny vina, ny fandaharan'asan'ny firenena malagasy momba ny fampiharana ny fiaraha-miasa maharitra ahafahan'ny firenena an-dalam-pandrosoana hahatratra ny fivoarana mahomby sy haingana sy ho fanatontosana ny laharam-pahamehan’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana Malagasy.

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny "Forum politique de haut niveau sur le Développement durable", ny 08 hatramin’ny 17 jolay 2024 any New York, Etazonia. Ity fihaonambe ity dia hahafan'ny Firenena Mikambana miady hevitra sy manadihady momba ireo Tanjon'ny Fampandrosoana Lovain-jafy (ODD) sy handrafitra fanambarana politika iraisana natokana hanatrarana ireo tanjona ireo. Ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ity Fihaonambe ity ihany koa dia hahafahana manamafy ireo fiaraha-miasa sy mampahafantatra bebe kokoa ireo sehatra laharam-pahamehana amin’ny firenena malagasy tafiditra amin'ireo tanjona lovain-jafy ireo fa indrindra ny fanatanterahana azy ireo mifanindran-dalana amin'ireo andry telo iankinan'ny politika ankapoben'ny Fanjakana dia ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fitantanan-draharaham-panjakana.

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamalian'i Madagasikara ny "appel à manifestation d'intérêt" handraisana ny iraka ara toekarena sy ara-barotra ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (mission économique et commerciale de la Francophonie) amin’ny volana jona 2025. Ny tanjon'ity hetsika ity dia ny hamoriana amina firenena iray ireo vondrona orinasa sy ireo mpiantsehatra ara toe-karena (Afrika, Amerika, Asie, Caraïbes, Eoropa, Moyen-Orient sy ny ranomasimbe indiana) ary hisarihana azy ireo hampiasa vola amin' ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay. Maro ireo tombontsoa ho an'ny firenena mampiantrano ity hetsika ity indrindra eo amin'ny lafiny toekarena amin’ny alalan’ny fampiasana ireo mpanome tolotra ifotony hikarakarana ny hetsika. Ny fanatanterahana ny hetsika dia iarahan’ny firenena mampiantrano misalahy amin'ny OIF.

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny fandraisan’anjaran'i Madagasikara tamin'ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika ny 02 hatramin’ny 05 jona 2024 lasa teo.

    Anisan'ireo Filoham-pirenena nahazo fanasana manokana handray anjara tamin'ity fihaonana an-tampon'ity moa ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izay nanao lahateny nandritra ny lanonam-panokafana ny 04 jona 2024. Nandritra izany laheteny izany moa namelabelarany ireo fanambin'ny kaontinanta Afrikanina fa indrindra i Madagasikara sy ny andrasana amin’ny fiaraha-miasa amin'i Korea. Nisy moa ny fihaonana manokana teo amin'ny Filohan’ny Repoblikan’i Korea, Andriamatoa Yoon Suk-yeol, sy ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA. Niompana indrindra tamin'ireo sehatra laharam-pahamehana amin’i Madagasikara ny fihaonan'ny roa tonta anisan'izany ny varotra, ny famatsiam-bola, ny fotodrafitrasa, ny fampananana asa, ny vatsim-pianarana.

    Nandray anjara ihany koa tamin'ny fihaonana an-tampony momba ny fandraharahana izay niompana tamin'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampiasam-bola ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA. Nandritra ny lahateny izay nataony dia notsipihany manokana ny maha zava-dehibe ny fifandraisana amin'i Korea amin'ny fampitana traikefa indrindra eo amin'ny lafiny indostria. Teo ihany koa ny fivoriana momba ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo izay nizaran'ny Filohan’ny Repoblika ireo vinan'i Madagasikara sy ireo tetikasa efa miroso eto amintsika. 

    Fifanaraham-piaraha-miasa miisa roa avy hatrany moa no nosoniavin'i Madagasikara sy Korea nandritra ity fihaonana an-tampony Korea Afrika ity. Ny voalohany dia eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany amin'ny fitrandrahana ireo antsoina hoe "mineraux critiques". Ny faharoa dia mikasika ny fampiroboroboana ny fambolem-bary eto Madagasikara. Nisy ihany koa moa ny fifampiresahana momba ny fandefasana ireo mpiasa malagasy hiasa any Korea izay nifampiresahan'ireo Minisitra tompon'andraikitra avy amin'ny firenena roa tonta.

    Nifarana tamin'ny fitsidihana ny ozinina fanadiovana rano fisotro madio KWATER ny dian'ny delegasiona malagasy tany Korea izay nahafahana nijery miaraka ny fiaraha-miasa mba hamahana ny olan'ny famatsian-drano ho an'ny vahoaka malagasy. Taorian’ny fitsidihana dia efa nihaona tamin’ny ambasadaoron’i Korea ny Minisitra ary efa nanatanteraka fivoriana ampitain-davitra niaraka tamin’ny orinasa KWATER. Efa mandroso ny dinika ary natao ny fifanakalozana ny antontan-taratasy ahafahana manomana ny mission an’izy ireo eto madagasikara afaka fotoana fohy.

    Rehefa nitsidika io orinasam-panjakana io ny delegasiona dia nivoitra fa vonona hanampy antsika avy hatrany ny firenena koreana eo amin’io sehatra io ary izy ireo rahateo dia efa miara miasa amin’ny firenena maro. Tetikasa goavana afaka mamatsy an’Antananarivo iray manontolo sy ireo tanan-dehibe manerana ny Nosy no tanjona tsy maintsy tratrarina anatin’ny fotoana fohy hoy ny Filohan’ny Repoblika. Tsy azo heverina hoy izy, ny statu quo fa mila manao dingana lehibe isika amin’ny fanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany sy ireo hetra fanampiny (TVA) ho an'ireo fandaniana rehetra indrindra afa aty ifotony momba ny fikarakarana sy fanatanterahana ny COMESA Week ny 24 hatramin’ny 29 jona 2024 eto Antananarivo. Izany moa dia fanarahana ny sata mifehy ireo firenena mikambana ao amin’ny COMESA.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana manokana avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hanaovana asa fanotofana mahitsy 6938 ml sy 85 000 m³. Izany dia tafiditra ao anatin’ny asa fanajariana ny sisin'ny lakandrano C3 ao anatin'ny tetikasa PRODUIR.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fahazoan-dalana manokana hanaovana asa fanotofana ny "bassin tampon" eo Anosibe hatrany Mandrangombato II mirefy 7000m² sy 15300m³ izay mbola tafiditra ao anatin’ny asa fanajariana ny lakandrano C3 ao anatin'ny tetikasa PRODUIR.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA + MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fahafahana amin'ny ampahany ny famindrana ny ampahan'ny tany mirefy 12a 16ca ny iray sy 5a izay miankina amin'ny tany « UNITE ROUTIERE DE BRICKAVILLE » TN°2764 BC an'ny Minisiteran'ny Foloalindahy ho ampiasain'ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany etsy ankilany ary ny minisiteran'ny jono sy toekarena manga etsy andaniny. Ireo ampahan-tany ireo moa dia hananganana "guichet unique" ho an'ny fananan-tany ao Brickaville sy birao ho an'ny fari-piadidian'ny jono.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY ATITANY.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famelana amin'ny ampahany ny naotin'ny Filan-kevitry ny Minisitra mampiato ny famindrana ireo tanin'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana momba ny tany « VAL ROSE » TN° 272 V an'ny kaominina Ambonivohitry Fianarantsoa. Izany dia noho ny fangatahan'ny Minisiteran'ny Fitsarana ny tany hananganana ny biraon'ny Pole Anti Corruption eo amin'ny tany ao Andavalé, Fokontany d'Ambalapaiso, Kaominina Ambonivohitry Fianarantsoa izay tafiditra ao amin’ity tany "VAL ROSE » TN° 272 V ity.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara ny fivorian'ny Comité de Pilotage de l’AFRITAC Sud amin'ny volana jona 2025. I Madagasikara dia mpikambana eo anivon’ny AFRITAC izay ivon-toerana fampiofanana isam-paritra an'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena izay mampivondrona ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon'i Afrika amin'ny fanamafisana ny traikefa amin'ny fitantanan-draharaha momba ny fitantanam-bolam-panjakana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fiara roa ho an'ny Fikambanana Akamasoa.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana tetibola ho an'ireo oniversite miisa enisa sy ireo "Centre Régional des Œuvres Universitaires Antananarivo". Io tetibola io dia ilaina amin’ny fampitaovana sy ny fampandehana-draharahan'ireo oniversite sy ivon-toerana ireo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny hanendrena ireo Filoha sy Tompon'andraikitry ny tany iorenan'ireo Oniversiten'i Vakinankaratra, Analanjirofo ary Itasy. Araka ny didim-panjakana mifehy ireo oniversite, ireo Filohana oniversite dia fidiana amin'ny alalan'ny fifidianana izay ankatoavina eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Mifarana ankehitriny ny fe-potoam-piasan'ireo Filohana oniversite, nefa mbola tsy afaka tanterahina izany fifidianana eo anivon’ireo oniversite telo ireo noho ny tsy fisian'ny rafitra mpifidy ao amin’izy ireo. Mba hahafahana miantoka ny fampandehanana azy ireo anefa dia hapetraka ny rafitra mpanatanteraka sy ny fanendrena ireo Filohan'ireo oniversite ireo eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra.

    Nanao fanamarihana manokana ny Filohan’ny Repoblika fa ny minisitera dia tokony manana paikady matotra sy programan’asa mazava amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny anjerimanontolo. Eo ny fanitarana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa, fa eo ihany ko any fikatsahana ny fomba rehetra hampiakatra ny lentan’ny fampianarana eny amin’ny oniversitem-panjakana. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fanolorana tolotra ara-kalitao sy manarapenitra ho an’ny tanora eny amin’ny ambaratonga ambonim-pampianarana.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny drafitr’asa fanatanterahana ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana ho an'ny taona 2024 hatramin’ny 2028. Ny tanjona dia ny hampitomboana ny fampiasana ireo fandrindram-piterahana ho 2.800.000 hatramin’ny 5.100.000 amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ireo mpiantsehatra rehetra, ny fammpitomboana ny fahafahana mahazo ireo fandrindram-piterahana sy fanamafisana ireo fanentanana eny amin’ny an-tana-tohatra rehetra amin'ny fanovana fomba fisainana sy fitondran-tena.

    Nanamarika ny Filohan’ny Repoblika fa matoa nambara tamin’ny lanonam-pametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy io tetikasa mikasika ny fandrindram-piterahana io dia satria tena laharam-pahamehana tokoa amin’ny ady atao amin’ny fahantrana. Izany indrindra no tsy maintsy hanaparitahana ny tetikasa manerana ny Nosy mba ahafahan’ny rehetra misitraka izany tsy am-pisalasalana. Aorian’ny fetin’ny fahaleovantena dia hanao fitsidiham-paritra mikasika manokana ny fampielezana ny fanabeazana aizana ny Filohan’ny Repoblika ary hampahafantatra ny vahoaka rehetra ny tombotsoan’izany.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hahafahan'ny minisitera miroso amin'ireo dingana maika, araka ny andininy faha dimy ny didim-panjakana laharana faha 2022-800 tamin'ny 01 jona 2022, amin’ny famindrana ireo tsenan’asam-panjakana momba ny asa fanamboarana maika ny deviation sy passage à gué eo amin’ny tetezana Mahavavy, Ifasy I sy II eo amin’ny lalam-pirenena faha-enina. Ny faritra avaratry ny Nosy tokoa dia nitondra takaitra goavana taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza GAMANE tamin’ny fiantombohan’ny taona 2024

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny tany "Jardin de l'Ecole Officielle d'Ambohimarina", Titre laharana 1009-B ao Ankadivory, Kaominina Alasora, Disitrikan'Ambohimanambola, izay mirefy 07Ha 78A 80Ca izay fananan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ho an'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny famantarana ny Toetrandro. Izany tany zany dia hametrahana ny ivon-toerana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin'ny masoandro izay hamatsy herinaratra ny tetikasa "train urbain".

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fonosan'entana iray « Turbidity Tubes » izay fanomezana avy amin’ny UNICEF.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA + SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana fandaharan’asa "stade BAREA" eo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny famindrana ny petrabolan'ny Sekretariam-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana makany amin'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ity farany makany amin'ny TAFITA ho fampanarahana fenitra ny kianja BAREA araka ireo fitakiana vaovao nataon’ny Confédération Africaine de Football (CAF)

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna momba ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana findramam-bola momba ny famatsiana ny « Programme d’Appui et de Développement des Villes d’Equilibre de Madagascar – Phase 2 » (PADEVE 2), natao ny 01marsa 2024 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Agence Française de Développement (AFD). Tanjon'ity tetikasa ity ny fanatsarana ny toe-piainan'ireo mponina eto an-drenivohitra sy ireo renivohi-paritan'i Madagasikara: Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina ary Toliara

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna momba ny fanaovan-sonia ny fifanarahana momba ny findramam-bola fanampiny ny FOOD SYSTEMS RESILIENCE PROGRAM PHASE 1 – Programme pour la Résilience des Systèmes Alimentaires à Madagascar - FSRP – phase 1 dans le cadre de l’Approche programmatique multiphase", nosoniavina ny 12 jona 2024 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana na « Association Internationale de Développement-IDA ».

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana marolafy momba ny "assistance administrative mutuelle en matière fiscale (MAAC), Appui budgétaire de la Banque Mondiale (MERG2)".

    Ny fanaovan-tsonia ity fifanarahana ity dia tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny fenitra iraisam-pirenena momba ny mangarahara eo amin’ny fifampizarana torohay, ny fandraisana azy, izay nankatoavin'i Madagasikara tamin’ny "Forum mondial sur la transparence et l’échange de renseignements à des fins fiscales" tamin'ny taona 2017.

    Ny MAAC no lasitra ara-dalàna amin'ny fifanakalozana torohay sy ny fifanampiana ara-pitantanana amin'ny fametrahana sy fanangonana hetra, ary indrindra hiadiana amin'ny fandosirana hetra sy hosoka.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireo mpikambana eo anivon’ny Filan-kevim-pitantanan'ny Ivon-toerana Malagasy misahana ny vakisiny fanao amin’ny biby na « Institut Malgache des Vaccins Vétérinaires (IMVAVET).

    Ny Filoha:

    SALAVA Julien, Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa

    Ireo mpikambana:

    - Avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany:

    Andriamatoa RAKOTONIRINA Gervais.

    - Solon-tenan'ny Minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola:

    Ramatoa ANDRIANANTOANDRO Voahirana Tantely. 

    Ramatoa VERONIAINA Mavanasoa Miora.

    - Avy amin'ny Minisiteran'ny Varotra:

    Ramatoa RAMAHERY Hanitsoa Ravo

    - Avy amin'ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa :

    Andriamatoa ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala

    - Avy amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana:

    Andriamatoa RAMAHEFASOA Bettelhein

    - Solon-tenan'ny IMVAVET :

    Docteur ANDO RAVELOMANANTSOA Miharifetra;

    Andriamatoa RAMBELOMANANA Patrick. 

    - Solon-tenan'ny FOFIFA :

    Docteur RAZAFINARIVO Tsirinirina Donnah

    - Solon-tenan'ny Ordre National des Docteur Vétérinaires de Madagascar (ONDVM):

    Docteur ANDRIAMBOLAMANANA Rivohery Fidison

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1561 tamin'ny 23 novambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANALISOA Herimanana Domoina, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Miarinarivo
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-036 tamin'ny 11 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRANOA Andriamamerintsoa Tovonandrianina, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'Antsirabe
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-723 tamin'ny 18 mey 2022 ary manendry an-dRamatoa DANAHY Dama Flavelle, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Toamasina.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1447 tamin'ny 12 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa DAVIDSON Mark Ny Aina, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'Ambatondrazaka
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-542 tamin'ny 13 mey 2020 ary manendry an-dRamatoa RAZAIMASOANDRO Razafindrafala Danielle, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Fianarantsoa.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1127 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAKOTO Hajanirina, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'Ambositra
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1448 tamin'ny 12 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa NORO Luc Mohamed, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Manakara.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1446 tamin'ny 12 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHARISON Tokiniaina, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Mananjary.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-542 tamin'ny 13 mey 2020 ary manendry an-dRamatoa RAKAJILAHY Catherine, Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Toliara.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-197 tamin'ny 01 marsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RABOTOVAO Nirinarisoa Estelle Marie Christophine, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Amoron’i Mania.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1428 tamin'ny 15 décembre 2021 ary manendry an-dRamatoa RAVELOMANDEHA Farasoa Marie Paule, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Vatovavy Fitovinany
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1432 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMIARINERA Hajanirina Serge, ho Talem-paritry fambolena sy fiompiana Menabe

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANTSONANTENAINARIVONY Ononamandimby, ho Filoha mpisolo toeran'ny Oniversiten'i Vakinankaratra

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-187 tamin'ny 17 febroary 2021 ary manendry an'Andriamatoa SOLOFONIRINA DERANOMENJANAHARY Fanoelson Aimé, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1128 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RABE Rado Ambinintsoa, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Analamanga
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-212 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa BEANTIDAHY Johan Rodolphe, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana Sava

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANAMPISOA Xavier, ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Menabe
  • III - FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-908 tamin'ny 11 avrily 2024 nanendry ny Prefet an'i Farafangana
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-983 tamin'ny 17 avrily 2024 nanendry ny Lehiben'ny Distrikan'i Befandriana Avaratra.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-682 tamin'ny 20 marsa 2024 nanendry ny Lehiben'ny Distrikan'i Mandritsara.

    MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 536 tamin’ny 13 avrily 2022 nanendry ny Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Alaotra Mangoro

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny ny didim-panjakana laharana faha 2023-312 tamin’ny 22 marsa 2023 nanendry ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrososoana lovain-jafy Atsimo Andrefana
  •  

 

Natao ny 19 jona 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika