TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alakamisy 13 jona 2024

 

Manatanteraka fitsidihana amin'ny fomba ofisialy any Genève, ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA rehefa nahazo fanasana manokana hanatrika ny Fivoriam-be iraisam-pirenena manamarika ny faha-60 taonan'ny vondrona CNUCED izay notanterahina ny faha-12 hatraminy faha-14 jona. Araka izany dia notanterahina tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny Filan-kevitry ny Minisitra, izay notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanombohana isam-paritra ny tatitra momba ny toetoetry ny mponina maneran-tany 2024 eto Madagasikara, izay hatao ny 11 jolay 2024. Ity tatitra ity dia mampiseho ny fandrosoana vita maneran-tany eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fisitrahana ireo zo momba ny fahasalamana ara-pananahana tao anatin’ny telopolo taona lasa. Mikasika an’i Madagasikara, dia nisy fandrosoana misongadina teo amin’ny fisitrahan’ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana sy ara-pananahana, indrindra eo amin’ny fandrindram-piterahana. Izany no antony nisafidianan’ny FNUAP an’i Madagasikara hampiantrano ny fanombohana ity tatitra isam-paritra ity ary manamarika ihany koa ny fahatokisan’izy ireo ny fahaiza-mitarika ananan’ny Filohan’ny Repoblika.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fiarakodia sy motos ho an'ny Fiadidiana ny Repoblika. Ireo fiarakakodia sy motos ireo dia entina hanohanana ara-pitaovana ireo “Forces de Défense et de Securité » (FDS) ary handray anjara amin’ny matso ny 26 jona 2024 ho avy izao.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fiaramanidina ATR 72-60 MSN 1239 mitondra ny laharana 5R-EJA an’ny orinasa « MADAGASCAR AIRLINES » izay haverina haondrana indray.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara ny fivoriam-ben'ireo "actionnaires Africa50" amin’ny volana septambra 2024. Firenena Afrikanina miisa 31 no mivondrona eo anivon'ity Africa50 ity izay ahitana ireo minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ireo Governora'ny Banky foibe sy ny eo anivon’ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana. Ny fandraisana izao fivoriam-be izao dia hampahafantatra fa misokatra amin'ny fampiasam-bola i Madagasikara ary indrindra hampiroborobo ny fampiasam-bola amin'ireo sehatra laharam-pahamehana ho an'ny firenena malagasy.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny drafitra fifanarahana fandraisan'anjaran'ny Fanjakana sy ny QIT Madagascar Minerals S.A. (QMM)/Rio Tinto Group amin'ny famatsiana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13 mampitohy an'Ambovombe sy Taolagnaro. Mitentina 8 tapitrisa dolara ny fandraisan'anjaran'ny orinasa Rio Tinto amin'ny fanamboarana izany lalam-pirenena izany izay mitsinjara toy izao: 4 tapitrisa dolara rehefa manomboka ny asa fanamboarana, 2 tapitrisa dolara rehefa vita 20% ny asa ary 2 tapitrisa dolara rehefa 80 ny asa fanamboarana.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana fanafahana amin’ny fandraisana an-tanan’ny Fanjakana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fividianana fitaovana ara informatika. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fanaovana herisetra. Ireto fitaovana ara-informatika ireto dia ho entina indrindra hanamafisana ny ady amin’ny fanondranana olona antsokosoko sy ny herisetra mianjady amin’ireo zaza.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo “reactifs” sy kojakoja ilaina amin’ny laboratoara izay fanomezana avy amin’ny Agence Internationale de l’Energie Atomique (AIEA). Izany dia tafiditra amin’ny dingana faharoa sy fahatelo amin’ny tetikasa MAG5026, ho an’ny Oniversiten’Antananarivo, Faculté des Sciences, Mention Biologie et Ecologie Végétales. MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fampandehanana “imprimante 3D”, izay hampiasaina amin’ny fanamboarana ny sekoly « Honeycomb Campus » ao Ankilibe Toliara. Ny fanatanterahana izany tetikasa izany dia hiarahana amin’ireo vondron’olona eny ifotony.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fameram-bidy ho fametrahana fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny UNOPS mikasika ny fividianana fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Izany dia hatokana hamatsiana fitaovana ireo hopitaly sy CSB manerana ny Nosy ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena amin’ny fametrahana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy manakaiky vahoaka.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ireo hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo entana miisa 27 « Coverall protection et Retinol », fanomezana avy amin’ny UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana miisa 777 misy « micronutrient film coated tablets », fanomezana avy amin’ny UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana miisa 172 misy « micronutrient film coated tablets », avy amin’ny UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo kojakoja MICRONUTRIENT 55 palettes avy amin’ny UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny anjaran’ny Fanjakana Malagasy amin’ny fividianana ireo fitaovana sy ny fanabeazana aizana ho an'ny taona 2024, 1% ny anjaran’ny Fanjakana Malagasy ho an’ny taona 2023, sy 2% ny anjaran’ny UNFPA ho an'ny taona 2024 amin’ny alalan’ny fandanian’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Ankehitriny 15% ny vehivavy malagasy bevohoka no latsaky ny 18 taona. Ny fanentanana amin’ny fandrindram-piterahana dia vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana mba hiadiana amin’ireo vohoka aloha loatra sy hamerana ny isan-jaza mba hanamaivana ireo ray aman-dreny. Napetraka ho fandaharan’asa nasionaly ny hanaparihana ireo fanabeazana aizana sy fanentanana amin’ny fandrindram-piterahana manerana ny Nosy.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fonoson’entana miisa 15 entina hanatsarana ny tetikasa “ Projet Gestion des Déchets Solides pour une ville propre à Antananarivo” (GESDA).

    MINISITERAN’NY JONO SY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana “radio communication maritime” ilain’ny sambo TELONIFY an’ny “Centre de Surveillances des Pêches de Madagascar.”

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra zandary miisa 1500 amin’ny taona 2024

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanan’ny fanjakana Malagasy ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ara informatika izay fanomezana avy amin’ny Office des Nations Unies contre la Drogue et le Crime (ONUDC) ho an’ny Zandarimariam-pirenena Malagasy.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TOERAM-PONENANA SY NY TANANA VAOVAO EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo kojakoja sy fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fitaterana an-tariby, zotra volomboasary mampitohy an’i Soarano sy Ambatobe (Fandefasana laharana faha 43, 58, 60, 65, 68, 70, 71, 73, 74, 75, 76 et 79).

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalana fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny IRENA na "Agence Internationale pour les Energies Renouvelables". Ny IRENA dia vondrona miorina ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Ny tanjony dia ny hanohana ireo firenena miroso amin’ny famokarana angovo madio. Ny fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny IRENA dia anisan'ireo dingana hahafahan'i Madagasikara miditra ho mpikambana feno eo anivon’'izany vondrona izany.

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    GOVERNEMANTA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-732 tamin’ny 14 jona 2023 ary manendry an'Andriamatoa JAOMANORO Joël, ho Tale Teknika eo anivon’ny “Conseil de Discipline Budgétaire et Financière.”

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ZARA Frédéric, ho “Directeur des Ressources humaines”

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-462 tamin’ny 26 avrily 2023 ary manendry an-dRamatoa MALALAHARINIVO Norofidy Juliana, ho “Directeur des Ressources Humaines”

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANJA Roger, ho Filoha mpisolo toeran’ny Oniversiten'Itasy.

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-608 tamin’ny 24 mey 2023 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANIRIANA Malala Priscilla, ho “Directeur des Affaires Financières et de la Gestion du Patrimoine”

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONIAINA José Fulgence, ho Talem-paritry ny rano ny fanadiovana sy ny fidiovana ao Bongolava

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAIZARA Jimm Clover Fidelios, ho Talem-paritry ny harena ankibon’ny Tany ao Vatovavy
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ZAFINDRAVITA Imirin Gilbert, ho Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany ao Sofia.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1453 tamin’ny 12 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RATEFASON Zafindragisimary Tojotsara, ho “Directeur des Aires Protégées, des Ressources Naturelles renouvelables et des Ecosystèmes”
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-707 tamin’ny 01 jolay 2020 ary manendry an'Andriamatoa RATSIALAINKERY Tina Silly Jerison, ho “Directeur de la Promotion de la Recherche et de l’intégration de la Démarche de Développement Durable (DPRIDDD)”
  • III - FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1300 tamin’ny 17 novambra 2021 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Fonds de l’Elevage (FEL)

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 777 tamin’ny 16 jolay 2020 nanendry ny Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana Amoron’I Mania

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024- 1110 tamin’ny 08 may 2024 nanendry ny Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana Amoron’i Mania
  •  

 

Natao ny 13 jona 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera