TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 22 mey 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 22 mey 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra fampitana am-bava momba ny fivoriana an-dohataonan'ny Fihaonamben'i Paris momba ny fandriampahalemana, ny 09 sy 10 jona 2024 any Benguérir, Maroc.

    Io fihaonana io dia misantatra ny fihaonana an-tampon’ny fandriampahalemana kasaina hatao amin’ny Novambra 2024, any Paris, Frantsa. Lohahevitra efatra no ho resahana, dia ny:

    • famatsiam-bola momba ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fampandrosoana;
    • rafitra ara-tsakafo lovain-jafy;
    • fizarana ara-drariny ny tombontsoa ara-pahasalamana maneran-tany sy ny fisorohana ny areti-mifindra mety ho avy;
    • ny firosoana mankany amin'ny angovo azo havaozina

    Ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin’ity fihaonana ity dia ahafahana manohana ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana izay miompana amin'ny fahasalamana, ny angovo, ireo fanamby amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’anjaran'i Madagasikara amin’ny Fihaonana an-tampony Corée-Afrique ny 04 sy 05 jona 2024 any Séoul, Repoblikan'i Korea.

    Ity fihaonana an-tampony ity dia sehatra iray hifanakalozana amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblikan’i Korea sy ireo firenena afrikanina, anisan’izany i Madagasikara. Filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana afrikanina manodidina ny telopolo no handray anjara amin'izany ary hitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana ny Filohan’ny Repoblika.

    Lohahevitra ho dinihana mandritra ity fihaonana an-tampony ity ny hoe : « Ny ho avy izay iarahantsika atsangana : ny fampandrosoana iombonana, ny faharetana ary ny firaisankina » na "L'avenir que nous construisons ensemble : croissance partagée, durabilité et solidarité". Anisan’ny fandaharam-potoana amin’ity fihaonana ity ihany koa ny « fihaonana an-tampon’ny fandraharahana » na "sommet des affaires" izay handraisan’ny solontenam-panjakana, ny manampahaizana ara-toekarena ary ireo mpandraharaha iraisam-pirenena. Hisy ihany koa ny hetsika samihafa miisa telo ambin’ny folo (13) hatao an-kilan'izany.

    Ankoatra izay, io ihany koa no fotoana hanamafisan'i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena samihafa, indrindra ireo Afrikanina.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’anjaran'ny delegasiona malagasy izay tarihin'ny Filohan’ny Repoblika amin'ny lanonam-pianianan'ny Filohan’ny Vondron'ireo Comores, Andriamatoa Azali ASSOUMANI, ny 26 mey 2024 any Moroni.

    Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta indrindra fa amin'ny maha Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indiana.

    Manoloana ny fiovaovan’ny toe-draharaha ara-jeopolitika maneran-tany dia zava-dehibe ny fitazonana sy fampiroboroboana ny firaisankina eo amin’ireo firenena afrikanina sy ireo nosy rahavavy, toy ny nataon’ny firenena Kaomorianina tamin’ny alalan’ny fanomezam-boninahitra ny lanonana fianihanan'ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny 16 Desambra 2023.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fahazoana fiara fanampiny ho an'ny sampana enina ao amin’ny CENI avy amin’ny "Fonds de contre-valeur" ny Governementa Japoney. Nisy ny tetikasa momba ny fanafamafisana traikefa sy fahaiza-manao niarahan'ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana niaraka tamin'ny firenena japoney. Nisy fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny roa tonta momba ny fividianana fiarakodia sy motos. Taorian’ireo dingana eo amin’ny tsenan’asam-panjakana dia hita fa mbola nisy ambony ny famatsiam-bola avy amin'ny Governemanta japoney, ka taorian'ny faneken'ity farany dia io ambim-bola io no hividianana ireo fiara enina ho an'ireo sampan'ny CENI eny amin’ny renivohi-paritany.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamongorona ireo andiam-balala amin’ny alalan’ny angidimby ao amin’ny distrikan’i Manja, Mahabo, Sakaraha, Ankazoabo, Beroroha, Ikalamavony ary Ambatofinandrahana. 270 000Ha ny tanim-boly mila arovana ka ny 27000Ha no voaaro amin’ny alalan’ny hetsika an-tanety. Mba hahafahana miaro velaran-tany midadasika kokoa dia ilaina ny mampivady ny hetsika an-tanety sy an’habakabaka ho famongorona haingana ireo adiam-balala ireo. Misy paikady napetraka ihany koa ao anatin’ny efa-taona mba hamongorana tanteraka ny fiakaran’ny valala an-tanety izay miteraka fikorontanana eo amin’ny famokaran’ireo tantsaha.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna momba ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024 nasiam-panitsiana ary manana herinandro ny Ministera tsirairay avy hampiditra ny tapaka anio ao anatin’ny rindram-baiko. Aorian’io fe-potoana dia hivoaka ny tome 1, 2 ary 3 an’izany Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana izany.

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-191 tamin'ny 01 marsa 2023 ary manendry ny Vice-Amiral ASSANY Bemarivo Jeannot, ho Sekretera Jeneraly.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAVELOMIARY Sylvère Heriniaina, ho Lehiben'ny Distrikan'Antanimora.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-610 tamin'ny 13 marsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIVELO Fanomezantsoa Roger, ho Lehiben'ny Distrikan'i Betroka.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-132 tamin’ny 31 janoary 2024 ary manendry ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina Mbolanoro, ho Sekretera Jeneraly

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1097 tamin'ny 13 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RASAMOELINA Mirado, ho "Directeur de l’Unité de l’Audit Interne et de la Lutte contre la Corruption" (UAILC)

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-649 tamin'ny 04 mey 2022 ary manendry an-dRamatoa ROVAMAMPIANINA Diary Manantsoa Princy, ho "Directeur de la Planification et du suivi-évaluation".

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-894 tamin'ny 19 jolay 2023 ary manendry an-dRamatoa RAHARINJATO Ravakiniaina, ho "Directeur de la Formation et du Perfectionnement des Agents de l’Etat".

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-481 tamin’ny 28 avrily 2021 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMBAZAFY Miharinjato, ho Tale Jeneraly mpisolo toerana ny "Agence Nationale de la Filière Or" (ANOR).

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABARIJAONA Henintsoa Tsiory Helson, ho Tale Jeneraly mpisolo toerana ny Académie Nationale des Arts et de la Culture (ANAC) izay hisahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro na “affaires courantes”
  • III - FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-537 tamin'ny 13 avrily 2022 nanendry ny Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Sofia.
  •  

 

Natao ny faha 22 mey 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika