TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Talata 14 mey 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Talata 14 mey 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Rehefa natsangana ny Orinasa PHARMALAGASY dia ny Fiadidiana ny Repoblika no nanolotra akora sy kojakoja ilaina tamin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy, izay noraisina ho toy ny anjara vatsim-bolan’ny fanjakana tao amin’ny orinasa. Ho fanamarinana izany dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana fifanarahana amin'ny kaonty kirakira izay ahitana fifanarahana roa:

    - Taratasy fifanolorana nosoniavin’ny Fiadidiana ny Repoblika (mpanome), sy ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny Minisiteran'ny ny Fahasalamam-bahoaka (mpisitraka);.

    - Fifanarahana kaonty kirakira misy eo amin’ny Orinasa PHARMALAGASY sy ny Fanjakana Malagasy (tompon’andraikitra tokana) ary neken’ny didim-pitondrana avy amin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

    Izany fanamarinana ny kaonty izany dia ho fanomezam-pitokisana ireo mpiara-miombon’antoka ho avy amin’ny fampandehanana ny asa eo anivon’ny PHARMALAGASY. Tsiahivina fa ny PHARMALAGASY dia nametraka ho fanamby ny hampiaka-danja ny famokarana fanafody amin’ireo zava-maniry mitsabo izay misy eto Madagasikara ary mikasa hampivoatra sy hampanara-penitra ireo raokandro malagasy.

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fiara tsy mataho-dalana miisa efatra ho an'ny tetikasa PRODIGY ao anatin’ny fantanterahana ny asa izay nampiandraiketina azy. Ny PRODIGY moa dia rantsa-mangaika izay iantohan’ny Banky Iraisam-pirenena eo amin’ny fampivoarana ara-kajy mirindra ny fitondram-panjakana.

    Manoloana ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana sy ny fandrosoan’ny asa vonjimaika izay tanterahina noho ny toe-draharaham-pirenena isan- tsokajiny dia maro ireo sehatra izay nahitana fiovana raha ny vinavinan’asa natao tamin’ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Mba ho fanamarinana izany dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana tetibola fanampiny ho an’ny taom-pikatrohana 2024 handoavana ireo tambin-karaman'ireo mpiantsehatra amin’ny fanatanterahana sy fanohanana ary fiarovana ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao.

    Araka izany dia hisy ny tambin-karama homena ireo Préfets de police, Lehiben'ny disitrika, Lehiben'ny boriboritany sy ireo sefo fokontany. Izany tambin-karama izany dia ifandrimbonan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisitera sy ny Voamiera mahaleo tena mikarakara ny fifidianana (CENI).

    Mba ho fitandrovana ny mangarahaha sy ho fanamarinana ny tena fisitrahan’ireo tokony hisitraka izany marina dia hampiasaina hatrany ny Mobile Banking araka izay tratra.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana tetibola fanampiny entina hanatanterahana ny asa fanmboarana andiany faharoa (phase 2) ny Boulevard Ratsimilaho ao amin’ny kaominina ambanivohitra Toamasina izay vatsian'ny Fonds Routier.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin’ny Youthconnekt Africa summit 2024 any Rwanda ny 1 hatramin’ny 4 novambra 2024 sy ny tolo-kevitry ny firenena malagasy handray izany hetsika izany amin'ny taona 2025.

    Tanjon'ny Youthconnekt Africa summit ny hampahaleo-tena ny tanora amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahalalan'izy ireo, ny traikefany ary ny fahaizany sady mamatsy ny hevitr'izy ireo sy zava-baovao entin'izy ireo. Efa nandray anjara tamin'ity hetsika ity i Madagasikara tamin'ny taona 2023 ary nankatovin'ny filan-kevitry ny minisitra misahana ny tanora aty Afrika fa anisan'ireo firenena afaka mampiantrano ity fihaonana an-tampony ity amin’ny taona 2025.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fitaterana an-tariby, zotra volomboasary Antananarivo, ampahany mampitohy an'i Soarano sy Ambatobe (fandefasana laharana faha 35, 38, 39, 40, 42, 63, 64, 66, 69 et 72).

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Ao anatin’ny ezaka fanovana ny fomba fitantana ny raharaha sy ny rafi-panjakana dia efa natao fanao ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany sy ireo lefitra tamin’ny alalan’ny “Mobile Banking”. Mbola maro nefa izy ireo no lavi-dalana sy tsy ari-fitaovana ka mbola tsy afaka nahatanteraka izany 100% ny Minisitera.

    Araka izany, mba tsy hisy fahatarana be loatra eo amin’ny fandoavana ny tambin-karaman’izy ireo dia nankatoavina ny fampitana am-bava ary nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy manampy ireo fepetra sasany ao amin'ny didim-panjakana n°2023-721 tamin'ny 13 jona 2023 hirosoana amin’ny fandoavana ny tambin-karaman'ireo sefo fokontany sy ireo sefo fokontany lefitra amin’ny alalan’ny “bon de caisse” sy mobile banking ho an'ny telo volana fahaefatra ny taona 2023 sy ny telo volana voalohany sy faharoa ny taona 2024.

    Hiverina aloha amin’ny alalan’ny mobile banking ny fandoavana ireo tambin-karama ireo manomboka ny telo volana fahatelo ny taona 2024.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava ary nolaniana ny didim-panjakana mametra ny tahan’ny fandaniana amin’ny fikirakirana ny vola miditra (frais de gestion) ao amin’ny Fonds Souverain Malagasy (FSM) ho 0,15% fara faha-betsany. Ao anatin’io no ampahany ampiasaina amin’ny fampandehanan-draharaha (Frais de fonctionnement).

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna manitsy sy mameno ireo fepetra sasany ao amin’ny Lalàna laharana 2005-040 tamin’ny 20 febroary 2006 momba ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny fiarovana ny zon’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA. Ilaina ny fandaminana indray ireo sampana tompon'andraikitra amin'ity ady ity. Ho fandrindrana tsara kokoa ny ady amin'ny SIDA, dia zava-dehibe ny manendry ny rafitra iray hiandraikitra ny fanatanterahana ireo hetsika rehetra amin’izany.

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana laharana faha 2022-213 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an’ Andriamatoa RAMAMPIHAVA Schubert Flemming, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISOA Zafiarinjatovo, ho Tale Jeneralin’ny Rano
  • III - FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-140 tamin’ny 31 janoary 2024 nanendry ny Tale Jeneralin’ny fampianarana teknika

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1012 tamin’ny 20 aogositra 2020 nanendry ny Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana Bongolava
  •  

 

Natao ny faha 14 mey 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika