TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia faha-20 Marsa 2024, Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-20 Marsa 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Mitohy ny fampahafantarana ny fandaharanasa maika ao anatin’ny 100 andro, minisitera roa indray no nanao ny fanolorana izay tomban’ezak’izy ireo hatreto sy ny vina ho an’ny andro sisa tavela amin’izay 100 andro izay.

    1. Minisiteran’ny Jono sy ny Toe-karena manga :

    Fametrahana ny faritra manokana ho an’ny fiompiana trondro: toerana 4 no nofaritana hametrahana izany, dia eto Analamanga efa vita hatrany amin’ny 75% ny asa, ny any Boeny izay efa 45% ny asa no vita, ny any Fitovinany izay 55% ny asa no vita ary 30% kosa ho an’i Anosy. Marihana fa mpiompy trondro hatrany amin’ny 20.000 no hisitraka mivantana ity tetikasa ity.

    Fizarana zana-trondro sy fitaovana fiompiana trondro avadika asa fihariana: hatreto dia efa 145.000 no fitaovana voazara, zana-trondro miisa 157.739 ihany koa ary lakana sy harato, ary kojakojam-panjonoana efa nihoatra ny 11.266 no voazara.

    Fampiofanana amin’ny teknika fiompiana trondro: mpanjono, mpanodina vokatra trondro, mpiompy lomotra, drakaka ary karazana hazan-drano samihafa miisa 43.000 no kendrena hofanina ao anatin’ny 100 andro, ka raha atotaly hatreto dia efa mahatratra 18.238 ny isan’ireo mpisehatra manodidina ny fiompiana hazan-drano ireo izay efa nisitraka fampiofanana.

    2. Minisiteran’ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana

    Ho an’ny fizahan-tany dia fampiroboroboana ny fampiasam-bola, fampahafantarana ny “destination Madagascar”, ary fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra sy fanatsarana ny tontolon’ny fizahan-tany no tena tanjona. Hatreto dia efa anatin’ny fifampiresahana tanteraka amina mpampiasa vola maniry hametraka fotodrafitrasa fizahan-tany eto amintsika ny minisitera ka efa misy tany miisa 15, an’ny fanjakana sy ny tsy miankina no efa hita ary azo hananganana izany. 3 kosa ireo faritra antsoina hoe “marina” efa fantatra, mpampiasa vola iraisam-pirenena miisa 5 no efa vonona amin’ny fandraharahana eto Madagasikara ka mifampiraharaha amin’ny Minisitera ankehitriny, vondrona fandraisam-bahiny lehibe avy any ivelany miisa 7 koa no efa naneho fa liana ho avy eto amintsika. Efa nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry ny Governamanta ny fehezan-drijatenin-dalàna momba ny fizahan-tany (code du tourisme). Efa nahavita nandray anjara tamina hetsika iraisam-pirenena hampahafantarana ny fitsidihana an’i Madagasikara miisa 3 ny minisitera hatreto (Holiday and Spa tany Bulgarie, ITB tany Berlin ary BIT tany Milan). Eo koa nefa ny fampiroboroboana ny fizahan-tany anatiny, ka efa nisy ny fikarakarana ny “tsenaben’ny fizahan-tany” andiany faha-7 nahitana mpitsidika 7.653 ary ny “Nosy Boraha Jazz Festival” izay nahitana mpandray anjara 120. Mikasika ny fampiofanana kosa dia mpianatra eny amin’ny lycées miisa 6.000 amin’ireo 7.000 no efa nisitraka izany. Mpandraharaha amin’ny fizahan-tany miisa 5.373 no nahazo fiofanana teny anglisy sy frantsay. Farany dia toerana fandraisam-bahiny sy ara-pizahan-tany miisa 46 no nampidirana ao amin’ny sehatry ny manara-penitra.

    Ny lafiny asa tanana kosa indray dia ny fanamorana ny fahafahan’ireo mpanao asa tanana mahita ny akora ampiasain’izy ireo, ny fampiroboroboana ny harena arak’olona ho fanatsarana ny sehatry ny asa tanana no tena tanjona. Ireo tandrok’omby sy rofia ary vy hanaovana asa tanana no tena atao laharam-pahamehana, hisy ny fametrahana foibe fividianana azy ireny ka efa miroso amin’ny fanaovana ny “appel à manifestation d’intérêt” ny minisitera ankehitriny ho an’izay mpandraharaha liana hanangana izany. Mikasika ny fampiroboroboana ny harena arak’olona dia kendrena ny hizarana karatra maha-matihanina ho an’ny mpanao asa tanana miisa 500 ka efa 300 izao no vita ary hampidirina anatina rindram-baiko ho fanisana azy ireo, efa vita hatrany amin’ny 80% ny fanatanterahana azy. Farany ho fampiroboroboana ny asa tanana dia namaritra seha-pihariana telo ny minisitera izay tena heverina fa manana ho avy tsara dia ny fitrandrahana ny rofia, ny lamba sy ny fitafiana ary ny firavaka. Hamafisina ny fahaiza-manaon’ny mpanao asa tanana misehatra eo amin’izy ireo, mba iantohana ny fahafaha-mifaninan’ireo seha-pihariana ireo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

    Nanao fanamarihana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa ny fametrahana ny “Village Artisanal” izay hitondra vokatra azo tsapain-tànana mivantana eny amin’ny fiainan’ny mpanao asa tànana Malagasy dia tsy maintsy atomboka mialohan’ny volana Jona 2024.

     

    3. Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-Pirenena

    - Fametrahana ny paikady hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana: ny ady amin’ny halatr’omby, ady amin’ny fakana an-keriny, fanafihana amin’ny lalam-pirenena, ary ny fanafihana mitam-piadiana no tena mandrafitra ny asa maika ao anatin’ny 100 andro. Hatreto dia hatrany amin’ny 78,78% ny tahan’ny famerenana amin’ny tompony ny omby nisy nangalatra, izany hoe omby miisa 1.835 no tafaverina amin’ny tompony, ary mpangalatra omby hatrany amin’ny 453 no efa voasambotra. Nihena hatrany amin’ny 56,07% kosa ny asan-dahalo isan-karazany. Nanaovana ezaka manokana ny faritra mena tahaka ny any amin’ny faritra Menabe sy ny distrikan’i Ankazobe. Raha ny volana Marsa 2024 dia efa foana tanteraka ny halatr’omby any Menabe, nosoloina rahateo ny kaomandin’ny vondrom-pileovana Menabe sy ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Morondava. Naverina ny andrimasom-pokonolona, napetraka ny fisavana karapanondrom-pirenena ary nohamafisina ny fahafaha-miatrika ady (capacités opérationnelles) ho an'ny mpitandro filaminana. Ho an’Ankazobe dia natomboka tamin’ny 29 Janoary 2024 lasa teo ny “operation harato II”, novaina daholo koa ny tompon’andraikitra amin’ny kaompania sy borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Nenjehina araka ny lalàna ireo mpitandro filaminana sy tompon’andraikim-panjakana na olom-boafidy niray tsikombakomba tamin’ny dahalo sy ny mpaka an-keriny, ka efa nisy 89 voasambotra ary 61 naiditra am-ponja. Nahitam-bokatra ny “operation harato II” satria tamin’ny volana Febroary lasa teo dia 2 sisa ny trangana fakana an-keriny nisy, ary foana tanteraka kosa izy tamin’ity volana Marsa ity.

    - Mikasika ny ady amin’ny asan-dahalo manokana dia natao hatrany izay hanakaikezan’ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka. Nampitomboina ny fisafoana amin’ny fidinana ifotony eny amin’ny toerana saro-dalana ary nohamafisina ny fampiharana ny asan’ireo andrimasom-pokonolona : tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Nahitana vokatra avy hatrany izany satria nihena ny halatr’omby ary nitombo ny isan’ny omby eny am-bala.

    - Nisy ezaka manokana natao ihany koa eo amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny fikirakirana ny taratasy ara-panjakana tahaka ny karpanondrom-pirenena sy ny bokin’omby. Nohamafisina ny fahaiza manao an’ireo zandary sy ny ezaka fampiharana ny fitsipika anatiny : misy fanadiovana anatiny.

    Nanao fanamarihana hatrany Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa mila hafainganina hatrany ny “intervention” izay atao manoloana ny asan-dahalo sy ireo tranga izay mety hiseho mba hanan’ny vahoaka fahatokisana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana. Mari-drefy ahafahana mahita ny “presence de l’Etat” ny hafainganam-piasan’ny mpitandro ny filaminana.

    MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

    Araka ny voalazan’ny didim-panjakana laharaha 2013-538 tamin’ny 16 Jolay 2013 izay manova ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana laharana 73-039 tamin’ny 23 Febroary 1973 mikasika ny fampidirana ao anatin’ny tafika an-tanety, an-dranomasina ary an’habakabaka, ny asa fanompoana miaramila ary ny sekoly miaramila dia afaka miditra ary manao fifanarahana ao anatin’ny Foloalindahy ny olom-pirenena malagasy rehetra liana amin’izany mandritra ny 2 taona. Ka ho fanatanterahana an’izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisana tanora 2.000 ho an'ny kilasy 2024 manomboka ny 1 aprily 2024.

    Ny "engagement" dia mamela ny olom-pirenena malagasy rehetra hifamatotra amin'ny alalan'ny fifanarahana amin'ny Tafika, mandritra ny roa taona.

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Araka ny tapaky ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 19 aogositra 2019 dia tokony hiroso amin’ny fanakatonana tanteraka ny Kaonsily jeneralin’i Madagasikara any Cape Town Afrika Atsimo isika, satria efa manana masoivoho ofisialy any Prétoria izay afaka tsara mahasana ny asa any amin’ity firenena afrikana ity. Izany dia mba ahafahana manokatra masiovoho na kaonsily any amin’ny firenena hafa. Efa tokony hirosoana ny fanatanterahana izany fanapahan-kevitra izany, amin’ny alalan’ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny governemanta afrikana tatsimo. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany ny hirosoana amin’ireo dingana samihafa amin’izany, dia ny famitàna ny didim-panjakana mibaiko ny fanakatonanana, ny fampahafantarana ofisialy ny fitondrana afrikana tatsimo, ny famitana iraka any an-toerana hijerena ny zava-misy mikasika ny trano sy ny fananan’ny Fanjakana Malagasy any, ny fampodiana na fivarotana ny entana, ny fanaka ary ny fiara any, ny famindrana ny antontan-taratasy rehetra kirakiraina any ho any amin’ny masoivoho any Pretoria, ny fanombanana ny mety ho sandan’ny trano mba ahafahana mivarotra azy. Aorian’ny fampahafantarana ofisialy ny fitondram-panjakana afrikana tatsimo dia hanana 6 volana ny fanjakana Malagasy hanatanterahana ny fanakatonana. Ho tohin’ity fanapahan-kevitra ity moa dia hanokatra masoivoho na sampan-draharaha ara-diplomatika Malagasy any amin’ny firenena hafa, indrindra i Turkyie sy Emirats Arabes Unis ny Fanjakana Malagasy.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny fandraisana anjaran'i Madagasikara tamin'ny Filan-kevitry ny Minisitr'ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC ny 10 hatramin’ny 11 marsa 2024 tany Luanda, Angola.

    Lohahevitr'ity Filan-kevitra ity ny hoe "Capital Humain et financier, vecteur principal de l'industrialisation durable de la région SADC". Miisa 47 ny fanapahan-kevitra noraisina mahakasika ny fandaharan’asa sy tetikasa tanterahin’ny SADC, ny toe-bolan’ny fikambanana, ny lafiny fitantanan-draharaha sy ara-pitaovana eo anivon’ny sekretera ary koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.

    Raha ny mikasika an’i Madagasikara mivantana, nankatoavin'ny filan-kevitry ny minisitry ny SADC ny drafitra fandoavana mizara telo natolotr'i Madagasikara hanefana ny latsakemboky ny taona 2023-2024. Noresahana nandritra izany fivoriana izany ihany koa ny fiantraikan'ireo loza voajanahary mihatra amin’ireo firenena ao anatin’ny faritry ny SADC. Voatonona manokana moa i Madagasikara noho izy hiaran'ny rotsak'orana, haintany sy rivo-doza mifanesy. Nodinihina ihany koa ny fanohizana ny fampiharana ny "Plan indicatif régional de développement stratégique 2020-2023" ary ny fankatoavana ny fanomezana alàlana ireo mpisehatra tsy miankina amin’ny fanjakana ho mpandray anjara feno eo anivon’ny SADC. Notendrena ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny komity fitantanam-bola ho an'ny telo taona manaraka manomboka ny 1 aprily 2024 izay ahitana tompon’andraiki-panjakana malagasy telo avy ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana.

    Teo ankilan’io fivoriana io dia nisy ny fihaonan’ny Ramatoa Minisitry Raharaham-bahiny malagasy tamin'Andriamatoa TETE Antonio, Minisitry ny Fifandraisana ivelany ao amin’ny Repoblikan’i Angola sady filohan’ny filan-kevitry ny minisitry ny SADC.

    Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatra stratejika, indrindra ny fitantanana maharitra ny harena an-kibon’ny tany ny fihaonana. Naneho ny faniriany hampivelatra bebe kokoa ny fifandraisany amin’ireo Nosy afrikanina i Angola, ary fanoitra amin'izany i Madagasikara.

    Nifanaraka ny Minisitra roa tonta fa hiroso amin’ny fanaovan-tsonia fifanarahana lasitra mikasika ny fiaraha-miasa ara-politika eo amin’ny firenena malagasy sy angolais mialohan’ny hisian’ny fitsidihana ofisialy mety ho ataon’ny Filohan’ny Repoblika any Angola.

    MINISITERAN’NY TOEKERANA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny asa fanarenana ny tranoben’ny Tahirimbolam-panjakana ao Ambovombe Androy.

    Misy fahasimbana ny tranon'ny Tahirimbolam-panjakana ao Ambovombe Androy ka ilaina ny fanamboarana sy fanarenana izany maika mba ho fiarovana ny volam-panjakana ary koa hanatsarana ny tontolo fiasan’ny mpiasa. Tombanana hitentina 343 500 000 ariary izany asa fanamboarana izany, ary mahakasika ny asa beton, ny rafitra, ny tafo, ny rihana, ny fantson-drano, ny fanadiovana, ny fandokoana, ny tariby mitondra herinaratra sns.

    Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hijerena ny fahafahana mikitika ny tetibola anatin’ny Minisitera (aménagement de crédits interne) ka amin’izay no hakana ny tetibola ilaina amin’ny asa fanamboarana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanokafana ny biraom-paritry ny Banky Arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (BADEA) eto Madagasikara araka ny fangatahan'ny Filohan’ny BADEA tamin’ny 16 Janoary 2024. Marihina fa ny BADEA dia mamatsy vola asa fampandrosoana maro eto Madagasikara. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanaovana dinika momba ny fiaraha-miasa hatao any Riyadh, Arabie Saoudite izay tafiditra ao anatin’ny fahadimampolo taonan’ny fifandraisan'ny BADEA-Madagasikara.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana ny tsenan’asam-panjakana fanamboarana ny lalam-pirenena RNT12A izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PACFC II, sy ny fanamboarana tetezana sy fotodrafitrasa hafa mifandray amin’izay, ny orinasa CRBC izay nanao tolotra ambany indrindra tamin’ny ampahan’asa « lot n°1 » sy ny « lot n°2 ». Ny zava-misy dia efa nisy ny tolo-bidy natao, kanefa rehefa nanao ny famakafakana mikasika ny fanaovana ny fampitana tsenam-barom-panjakana ny minisitera tompon’andraikitra dia nahita fa ambony lavitra noho ny tetibola nofaritan’ny fifanaraham-pampindramam-bola ny tolotra nataon’ireo orinasa hafa namaly ny tolo-bidy. Ny fifanarahana dia namaritra famatsiam-bola 147 tapitrisa USD avy amin’ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana (BAD) sy ny Fanjakana Malagasy, ny tolotra voaray kosa anefa ka nahazoana ny fankatoavan’ny mpamatsy vola dia tafakatra 165,70 tapitrisa USD. Nisy ny tolotra nataon’ny orinasa CRBC izay mitentina 146,20 tapitrisa USD fa saingy noho ny antony pitsopitsony ara-taratasy tamin’ny famaliana ny tolo-bidy dia tsy voatazona. Taorian’ny dinika nifanesisesy tamin’ny BAD, ary mba ho fiarovana ny tombontsoan’ny Fanjakana malagasy sy mba ahafahana miroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, indrindra ny famoahana ny vola ilaina amin’ny asa fanamboarana, no antony nandraisan’ny Filan-kevitry ny Minisitra fanapahan-kevitra hanomezana ny tsenan’asam-panjakana ny orinasa CRBC. 

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana fanarahamaso ny fandrefesana maripana (métrologie légale) izay fanomezana avy amin’ny COMESA (tsenam-barotra iombonan’ny Afrika afovoany sy atsimo).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezan’ny Fanjakana Malagasy antoka ara-piandrianana “garantie souveraine” amin’ny fanafarana vary milanja 200.000 taonina avy any Inde. Raha tsiahivina dia ny datin’ny 30 Jona 2023 no nisy ny fifanarahana nataon’ny orinasa SPM hanafarana vary milanja 200.000 niaraka tamin’ny orinasa indiana « VI Farm Organics Limited » mitarika ny koperativa indiana “National Cooperative Exports Limited” (NCEL). Tsy azo notanterahina anefa io fifanarahana io satria nisy ny fandrarana fanondranana vary izay nodidian’ny Governemanta Indiana araka ny taratasy tamin’ny 20 Jolay 2023. Nanao fangatahana manokana tamin’ny Govermanta Indiana ny Fanjakana Malagasy mba hanesorana io fandrarana io. Araka ny taratasy tamin’ny 07 desambra 2023 dia nanome alalana ny hahafahan’i Madagasikara manafatra vary 50.000 taonina ny Governemanta Indiana. Mba hahafahan’ny SPM manao ny asa fanafarana no hanomezana an’io antoka ara-piandrianana avy amin’ny Fanjakana Malagasy io, mba ahafahana koa manohy ny famatsiana “vary mora” ho an’ny vahoaka tena sahirana.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOAKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana izay fanomezana avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy (UNICEF). Ireo fitaovana ireo dia kojakojam-pianarana na “kits scolaires” ahafahana miatrika ny rivo-doza.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny lisitry ny fitaovana sy kojakoja izay ilain’ny Minisitera amin’ireo hopitaly manara-penitra miisa 27 sy CSB samihafa manerana ny Nosy, ka hovidiana eo anivon’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana « UNOPS ». Aorian’ity fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ity dia hisy ny fifanarahana hatao amin’ny UNOPS amin’ny vidin’entana sy arakaraka ny fisian’ireo entana voafaritra anaty lisitra ireo eo anivon’ny UNOPS.

    Marihina fa ny UNOPS dia efa manana traikefa maneran-tany mikasika ny fivarotana fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana asam-panjakana ary efa tafiditra mazava ao anatin’ny “procédures des marchés publics” malagasy ny fomba fiaraha-miasa amin’izy ireo.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-pitsaboana izay fanomezana avy amin’ny sampan-draharaha japoney momba ny fiarahamiasa (JICA) homena an’ireo hopitaly any amin’ny faritra (CHRR).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasan’ny Minisiteran’ny Asa vaventy ny tetibola ho amin’ny fanamboarana ny asa fikojakojana ny ampahan’ny lalana amin’ny lalana RNT 33B, mampitohy an’Andranofasika (sampanan-dalana RNP4) sy Ambato Boeny, izay vatsian’ny tahirimbolan’ny lalana (Fonds Routier). Ny teboka mainty moa dia tsy maintsy hamboarina maika, ary nanome toromarika kosa Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny hijerena tsara ny kalitaon’ny lalana sy ny sandan’ny asa fanamboarana.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hamoahana ny vola fanampiana (subvention d’exploitation) ho an’ny fiaran-dalamby fitaterana olona antsoina hoe “DIATSARA” amin’ny tambajotram-pitaterana TCE (Tana-Côte Est) mampitohy an’i Moramanga - Ambila Lemaitso sy Moramanga - Toamasina.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana hanamboarana ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ho an’ny taona 2024.

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampahafantarana ny fifanarahana eo amin’ny vondron’ny orinasa malagasy mpampiasa sy ny vovonan’ny sendikan’ny mpiasa malagasy mikasika ny fampiakarana ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa (SME) sy ny faharetana amin’ny toeram-piasana (SMA).

    Nisy fivoriana niarahan’ny vondron’ny orinasa malagasy sy ny vovonan’ny sendikan’ny mpiasa malagasy tamin’ny 15 Febroary 2024 ka nifanaraka ny roa tonta fa hampiakarina 10% ny karaman’ny mpiasa amin’ny sokajy voalohany (M1) ary arakaraka ny sokajy, manomboka eo amin’ny sokajy M2 ka hatramin’ny OP3. Araka io fifanarahana io dia lasa 262.680 ariary ny karama farany ambany ao anatin’ny sokajy M1-A1 eo amin’ny sehatra ivelan’ny fambolena (secteur non agricole) raha 238.000 ariary izy io teo aloha. Ary ho an’ny sehatry ny fambolena kosa dia ho lasa 266.500 ariary izany raha 242.200 ariary teo aloha. Hampiharina manomboka ny 1 marsa 2024 ity fampiakarana karama amin’ny sehatra tsy miankina ity. Marihana moa fa tsy maintsy ankatoavin’ny Filan-kevitra nasionalin’ny asa (CNT) ny soso-kevitra ifanarahan’ny mpampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa, araka ny voalazan’ny andininy faha-184 sy ny manaraka ao anatin’ny lalàna lf: 2003-044 tamin’ny 28 Jolay 2004 mikasika ny fehezan-dalàna mifehy ny asa Malagasy.

  • II - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    GOVERNEMANTA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ALIJIMY née RATSIRARSON Joëlle Sendrarisoa, ho Tale Jeneralin'ny Ivotoerana Malagasy momba ny Teti-pivoarana na "Institut Malgache des Techniques de Planification" (IMaTeP).

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-021 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry ny Général de Division ANDRIAMASIMANANA William Michel, ho "Directeur Général des Organismes de Défense"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-352 tamin'ny 05 aprily 2023 ary manendry ny Général de Division RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ho "Coordinateur Général des Projets"

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2185 tamin'ny 04 desambra 2019 ary manendry an'Andriamatoa ZAFIMIHARY Marcellin, ho Sekretera Jeneralin'ny Filan-kevitra Ambony ny Mpitsara.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVAOARISOA Emma Fideline, ho Talem-paritry fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-126 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa RANDRIAMANANJARA Sandrina Anjary, ho Sekretera Jeneraly.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-038 tamin'ny 11 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMPARANONY Mieja, ho "Directeur de la Programmation et du Suivi Evaluation du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa TANJAHA TSIANDATSE Merry Cléo, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Taolagnaro
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1417 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMARO Angelin Eddy, ho Lehiben'ny Distrikan'i Toamasina II
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-672 tamin'ny 11 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa MANANJARA Lucien, ho Préfet an'Antsiranana I.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-202 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa MADINA Francis Emilien Romly, ho Prefet an'i Sambava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-108 tamin'ny 21 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMANAMAHAFAHAY Malaza, ho Préfet an'i Nosy-Be.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-575 tamin'ny 17 may 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIDINA Dieudonné, ho Préfet an'Ambatondrazaka.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-754 tamin'ny 17 aprily 2019 ary manendry an'Andriamatoa RALAIVAO ANDRIMAROMANEHO Jean Johanès, ho Prefet an'Antsohihy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1538 tamin'ny 18 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa BAZEZY Vanombe Clavelah Roslan, ho Préfet an'i Maevatanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-302 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANAIVOSON Mariano Désiré, ho Préfet an'i Mananjary.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2029 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa SOLONDRAZANA Arson Théodolin Lydore Adoré, ho Préfet an'i Toliara.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1106 tamin'ny 08 septambra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Nomenjanahary Fanambinantsoa Solofo, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo II
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-038 tamin'ny ny 12 janoary 2022 ary manendry an-dRamatoa TOLONATREHANA MAHAVITA Ida, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo III.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1412 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Jean Jacques Pierrot, ho Lehiben'ny Distrikan'Anjozorobe
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-833 tamin'ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Ny Ony Mirana Dina Henintsoa, ho Lehiben'ny Distrikan'Antanifotsy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-668 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANASY Vonjy Maminjanahary, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambatolampy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-670 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRANAIVO Harikanto Donnie Alexia, ho Lehiben'ny Distrikan'i Faratsiho
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-012 tamin'ny 04 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RABOTOHAVANA Florent Cilli de Rinal, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mananara Avaratra.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1781 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa VELOMARO L’Faustin, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mandritsara
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1285 tamin'ny 07 septambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa NAINA Xavier, ho Lehiben'ny Distrikan'Analalava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1318 tamin'ny 14 septambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAVELOMIARY Sylvère Heriniaina, ho Lehiben'ny Distrikan'Anosibe an'Ala.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1048 tamin'ny 13 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RABIALAHY Marcelin Romuald, ho Lehiben'ny Distrikan'Isandra.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-822 tamin'ny 28 jona 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANTOANINA Andriasy, ho Lehiben'ny Distrikan'Ivohibe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-273 tamin'ny 28 marsa 2018 ary manendry an'Andriamatoa RABEARISON Eric Martin Rajoelina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Nosy Varika.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-577 tamin'ny 17 may 2023 ary manendry an'Andriamatoa MAHARITRA Gabriel, ho Lehiben'ny Distrikan'Ikongo.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-206 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMAHA Rakotoniaina Ando Tantelinirina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Beroroha.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-272 tamin'ny 28 marsa 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAJOHARI-ZO Fenitra, ho Lehiben'ny Distrikan'i Ankazoabo Atsimo.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-768 tamin'ny 21 jona 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAMANJATO Richard Paulin, ho Lehiben'ny Distrikan'i Bekily.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FINOANA Anthony Cédric, ho "Directeur de l’Audit Interne et de la Lutte Anti-Corruption"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-521 tamin'ny 13 aprily 2022 sy laharana faha 2021-982 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RANOELIMANANA Vahinisoa Seheno, ho Sekretera Jeneraly.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 1094 tamin'ny 29 aogositra 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAMAROSON Lantonirina Harivelo, ho Tale Jeneralin'ny "Centre de Fabrication, de Formation et d’Application du Machinisme Agricole" (CFFAMMA).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1119 tamin'ny 08 septambra 2023 ary manendry an-dRamatoa RASOARIMBOLA Henintsoa, ho Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Analamanga.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-732 tamin'ny 18 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa KOFOKY Christian Félix, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Bongolava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-733 tamin'ny 18 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIZAFY Anjara Tongasoa Mirana, ho Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Betsiboka.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-076 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa FENOZANDRY Etienne, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana DIANA.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1338 tamin'ny 24 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa SOLO Noé René, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Atsinanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-097 tamin'ny 01 febroary 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHEFARIVO Gédéon, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Boeny.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1334 tamin'ny 24 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa NGADO Fleur Honorée, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Melaky.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-657 tamin'ny 31 may 2023 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Mialy Marie Françoise, ho "Directeur des Evaluations Professionnelles et de la Validation des Acquis de l’Expérience"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa KOTOSON Louise Mariella, ho "Directeur de l’Ingénierie de Formation et Pédagogie"

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Gervais, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Androy.

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1170 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMISATA Jocelyn, ho "Directeur des Ressources Humaines"

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa BEANARANA Jacques Kenny, ho Talem-paritry ny harena ankibon'ny tany Betsiboka.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa GILBERTH Sylvie, ho Talem-paritry ny harena ankibon'ny tany Analanji
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANJARY José Hervé, ho "Directeur des Exportations et de la Valeur"(DEV)

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIMAHEFA Hahitantsoa Tokinirina, ho "Directeur Administratif et Financier".

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-574 tamin'ny 20 aprily 2022 nanendry ny "Responsable de l’Unité de l’Audit Interne"

     

 

Natao ny faha-20 Marsa 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika