TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 31 janoary 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-31 Janoary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Araka ny toromarika efa nomena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta mikasika ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, dia nanolotra teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny sori-dalana hitantanany ny minisitera izay sahaniny ireo Minisitra voatondro.

    Navoitra manokana ireo asa maika tsy maintsy ho tanterahina ao anatin’ny 100 andro voalohan’izao fe-potoam-piasana izao.

    1. Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany

    Nanamarika ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nandritra izay herinandro vitsy lasa izay ny fanamafisana ny ezaka tsy maintsy ho tanterahina eo amin’ny lafiny fananan-tany eto Madagasikara izay tena mampikaikaika ny vahoaka.

    Noho izany dia tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny minisitera eo amin’ny sampandraharanan’ny fananan-tany mba hanafoanana ny fanodikondinana ny tanim-panjakana sy ny tambazotra mpanao hosoka eo amin’io sehatra io. Ny tanjona dia ny hisian’ny mangaharahara tanteraka eo amin’ny tanim-panjakana rehetra.

    Ao anatin’ny 90 andro dia hiroso amin’ny fanentanana amin’ny fanavaozana ireo fangatahana tanim-panjakana, amin’ny alalan’ny fanovana ireo didy aman-dalàna izay mifehy izany. Noho izany dia hiato mandritra io fe-potoana io ny fangatahana tanim-panjakana rehetra. Hiroso ihany koa amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo minisitera isan-tsokajiny izay manana tetikasam-panjakana eny amin’ny tanim-panjakana ao anatin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo tsirairay avy mba tsy hisy fifanipahana, ka hanao ny fanamarinana avy hatrany ireo taratasy rehetra mifandraika amin’izany. Harafitra manerana ny Nosy ny Plan Local d’Occupation Foncière mba hampirindra ny fitsinjarana ny tanim-panjakana ary tsy maintsy hampadalovina eo anivon’ny Filan-kevitry ny Ministra izany. Hampiasaina ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra ahafahana manara-maso ara-dalàna izany fitsinjarana izany. Hitohy ihany koa ny fizarana kara-tany amin’ny alalan’ny tetikasa CASEF izay iarahana miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hizara kara-tany miisa 1.400.000 mialohan’ny fiafaran’ny volana Jona 2024.

    Eo amin’ny lafiny fanajariana ny tany, ho vitaina ao anatin’ny 10 andro manaraka ny fitsirihana ireo fangatahana fahazoan-dalana hanorina na permis de construire izay mbola niantona hatreto. Ny fanomezana ireo dia hanampy amin’ny firosoan’ireo mpandraharaha izay nanao fangatahana amin’ny asam-pampandrosoana izay kasainy hatao.

    Eo amin’ny lafiny fitsinjaram-pahefana dia fomba fiasa vaovao no hapetraka. Hiroso amin’ny fanatanterahana ny Filan-kevitry ny Governora miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isam-paritra mba tena hifandraika tokoa amin’ny filan’ny vahoaka eny ifotony ny fampandrosoana izay hapetraka.

    Ny fampiasana ny tetibolam-panjakana eny amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy hampanarahina fenitra mazava tsara. Hisy araka izany ny fampiofanana ireo tompon’andraiki-panjakana eny ifotony ary ny fametrahana “catalogue” misy ireo fenitra tsy maintsy arahina amin’ny fanorenana fotodrafitrasa. Izany dia iarahana mandinika amin’ireo Minisitera voakasika.

    Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hanamafisana hatrany ny ady atao amin’ireo tambazotra mpisoloky sy mpanodikodina tanim-panjakana sy tanin’olo-tokana. Tsy azo ekena ny anaovana tantely afa-drakotra ny tanim-panjakana ary tsy azo ekena ihany koa ny fanaovana tsindry hazo lena ny vahoaka tsy mandady harona noho ny teti-dratsin’ireo olom-bitsy.

    Ny fametrahana ireo fanovana ireo hoy izy dia ahatanteraka ny drafi-pampandrosoana izay imasoana hanakaiky ny vahoaka, hanala ny hirifiriny, ary hitondra vahaolana amin’ny sedra iainan’izy ireo andavanandro.

    Nanamafy ny Filohan’ny Repoblika fa tsy hisy indra-fo amin’ny fangalarana sy fanodikodinana tany, sy izay mety ho endrika kolikoly rehetra manodidina izany.

    2. Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana

    Ny fampiroboroboana ny asam-panjakana dia tsy maintsy manomboka amin’ny fanadiovana eo anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Ny firosoana amin’izany dia hamerina indray ny hasin’ny asam-panjakana ary hanasongadina ireo olom-pirenena vanona sy vonona hiatrika ny asany am-pitiavana. Ho fanatrarana izany fanamby apetraka izany dia hidina ifotony manerana ireo ministera sy andrim-panjakana isan-tsokajiny ny mpiasan’ny Minisitera ka hanatanteraka fanisana sy fanamarinana ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana tsirairay avy. Aorian’izany, raha ilaina, dia hiroso amin’ny fanaparitahana ny mpiasam-panjakana na eo anivon’ny andrim-panjakana izay efa misy manerana ny Nosy na handray fanapahan-kevitra hamindra azy tanteraka. Izany no hatao dia mba samy hanana ny asa tandrify azy mifanaraka amin’ny traikefa izay ananany ny mpiasam-panjakana rehetra.

    Tsy maintsy horaisina ihany koa ny fepetra manoloana ireo mpiasam-panjakana sasany izay tsy manaraka ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana. Ato anatin’ny 3 volana araka izany, dia tsy maintsy hirosoana ny fiantsoana izay rehetra voakasik’izany hanatrika Filan-kevitry ny Fitsipi-pifehezana na Conseil de Discipline. Ahato mandritra izay fe-potoana izay ny fampidirana mpiasam-panjakana vaovao.

    Hirosoana ihany koa ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny sokajina mpiasam-panjakana antsoina hoe « Agents non encadrés de l’Etat » ka hisy araka izany ny fifampidinihina miaraka amin’ireo rafitra voakasik’izany, toy ny sendikan’ny mpiasa na koa ny mpiaro ny zo maha-olana.

    Sehatra maro no hanolorana fampiofanana manokana na formation professionnelle continue mba hanentanana ny fametrahana ny plan de reconversion ho an’ireo mpiasam-panjakana. Ny tanjona dia ny hampifanaraka ny asam-panjakana amin’ny filan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny drafi-pampandrosoana eto amin’ny tany sy ny firenena.

    3. Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina

    Napetraka ny fanamby mba hanakaiky hatrany ny vahoaka ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Izany indrindra no nandrafetan’ny Minisitera ny sori-dalana izay iasany eo amin’ny lafiny serasera mba ho fampahafantarana ny vahoaka ny asa izay tanterahina eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny. Noho izany, ny dingana voalohany dia ny fanomezana sehatra ireo ministera samihafa eo amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Hentanina araka izany ireo minisitera mba handrafitra serasera manaraka ny toetr’andro ary indrindra indrindra hampiasa ny haino vaky jery rehetra amin’ny fampahafantarana ny asa izay ataony. Tsy adinoina amin’izany ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Hanolo-tanana amin’ny fanatanterahana izany ny Minisitera.

    Eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, hita fa niroborobo tokoa ny fametrahana foto-drafitrasa manome lanja ny kolontsaina nandritran’ny fe-potoam-piasana voalohany ka ho tohizana hatrany izany. Hiroso hatrany amin’ny fanetsiketsehana na “redynamisation” an’ny kolontsaina Malagasy ny Minisitera. Hisy araka izany ny fampiofanana manokana ny tanora mikasika ny sary hosodoko, ny mozika, ny fiangaliana teatra, sy ny fampiroboroboana ny talenta ananan’ny Malagasy eny anivon’ireny Tranoben’ny Serasera manerana ny Nosy ireny. Omena fitaovana araka izany izy ireny mba tsy ho sakana amin’ny fandalinana talenta ny tsy fananana fitaovana. Tsy adinoina ihany koa ny fampiofanana manaraka ny toetr’andro tahaka ny asa rehetra izay atao amin’ny sehatry ny “multimedia”.

    Ny fanomezan-danja sy fiarovana ireo harem-bakoka Malagasy dia tsy azo atao ambanin-javatra. Hisy araka izany ny fampiofanana amin’ny asa fikolona ireny harem-bakoka ireny. Ny fanarenana sy fikojakojana ireo foto-drafitrasa izay voasokajy ho harem-bakoky ny Firenena dia hamafisina hatrany. Singanina manokana amin’izany ny Rovan’i Madagasikara, ny Mandan’i Foulpointe, ny Rovan’Ambositra Tompon’anarana ary ny lava-baton’i Belobaka.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny delegasiona Malagasy izay ho tarihin-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny anjara amin'ny andiany faha-7 ny Fihaonamben’ny Ranomasimbe Indianina izay ho tanterahina ny faha-09 sy faha-10 ny volana Febroary 2024, any Perth, Australie.

    Manana anjara toerana lehibe ny hevitr’i Madagasikara eo amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena tahaka izao, indrindra raha mikasika ny faritry ny ranomasimbe indianina no resaka. Fampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-ekonomika ho an’i Madagasikara ihany ny tanjona.

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana ampitain-davitra tsy ara-potoanan’ireo Filoham-panjakana mivondrona eo anivon’ny SADC ny faha-02 ny volana Febroary izao.

    Misy valan’aretina kolera mahery vaika sedrain’ny firenena afrikanina sasany mpikambana ao amin’ny vondrona ka izany no anisan’ny ho dinihina mandritra ity fivoriana tsy ara-potoana ity, ary haneho ny firaisan-kina amin’izy ireo amin’ny anaran’ny Vahoaka Malagasy, ny Filohan’ny Repoblika.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fampitaovana “groupe electrogene” sy fanaovana “forage” eo anivon’ny Centre de Conférence International Ivato (CCI Ivato), ary ny fametrahana andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara.

    Izao fampitaovana izao dia hanampy ny fahaleovantenan’ny CCI Ivato eo amin’ny lafiny angovo sy rano. Anisan’ny toerana mandray hetsika goavana eto amin’ny Firenena ny eny amin’ny CCI Ivato ka tanjona ny fanatsarana hatrany ny foto-drafitrasa.

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny zotra volomboasary mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, ao anatin’ny tetikasa Fitaterana an-tariby na Transport Par Câble.

    Ampahatsiahivina fa anisan’ny tetikasa goavana hitondra fanovana manaraka ny toetr’andro eto an-drenivohitra ny tetikasa fitaterana an-tariby, ary efa miroso amin’ny dingana farany mialohan’ny hisokafan’ny fitateram-bahoaka ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-Ponenana, izay tompon’andraikitra amin’izany.

    MINISITERAN’NY RANO, FANADIOVANA SY FIDIOVANA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fahatongavana entana fitsirihana ny fahadiovan’ny rano izay natolotry ny UNICEF ho an’ny Ministera.

    Mitentina 20.423,42 dolara amerikana, na 100.564.920,08 Ariary izany fanomezana izany ary eny amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy no hanaparitahana ny fitaovana.

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana trano fidiovana na “blocs sanitaires” miisa 51 manerana ny Nosy.

    Izany tetikasa izany dia tafiditra tanteraka amin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ary mamaly ny andry voalohany izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika ho laharam-pahamehana amin’izao fe-potoam-piasana voalohany izao dia ny fanomezan-kasina ny maha-olona. 17 no isan’ireo blocs sanitaires izay hapetraka eto Antananarivo Renivohitra ary ny 32 isa ambiny kosa dia hapetraka manerana ireo faritra hafa. Marihina fa efa voafaritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana ho an’ny Ministera izany fa ny famindran-toerana no nilana fankatoavana. Ao anatin’ny tanjona apetraka ao anatin’ny tetikasa ihany koa ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny firosoana hatrany amin’ny fampiasana toeram-pivoahana.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanomanana mitohy sy ny fandraisan’ny atleta malagasy anjara amin’ny lalao afrikanina 2024, izay ho tanterahina any Accra, Ghana, ny faha-8 ka hatramin’ny faha-25 ny volana martsa 2024.

    Taorian’ny fandresena goavana izay nobatain’i Madagasikara tamin’ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy farany ary ireo vokatra azo tamin’ny lalaon’ny Frankofonia 2023 ary ny Afrobasket 3×3, dia velom-panantenana tanteraka ny atleta Malagasy ka ny sehatra tahaka ny lalao afrikanina dia inoana fa hahitam-bokatra ihany koa, hampamiratra hatrany ny Firenena. Hampivoarana hatrany ny talenta sy fahaiza-manaon’ireo alteta no tanjona.

  • II- FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

  • IV- FANAFOANANA

 

Natao ny 31 janoary 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika