FANAMBARANA
Taorian’ny fanendrena ireo mpikambana voafidy handrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI tamin’ny sabotsy 30 oktobra 2021, dia noraisina anio faha 19 novambra 2021 ny didimpanjakana laharana faha 2021-1305 izay anendrena ny mpikambana voatendrin’ny Filohan’ny Repoblika sy anamarinana ny fahalanian’ny mpikambana voafidin’ny Fitsarana Tampony
Araka izany dia ireto avy izy ireo:
- Notendren’ny Filoham-pirenena:
• Atoa DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène
- Voafidin’ny Fitsarana Tampony:
• Atoa RANDRIANARIVONANTOANINA Tiana Ifanomezantsoa
Feno araka izany ankehitriny ny isan’ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI, araka ny voafaritry ny lalàna.
Natao teto Antananarivo ny zoma 19 novambra 2021
Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika